KOLOSIANA 2/ 14

1. Achia ( 30/09/2006 06:29)
Natao ty loahevitra ty mba ahafahantsika rehetra mahafantatra ny fahazoan'ny tsirairay ny tian'ny Soratra masina lazaina sady mba ahafahana mifampizara ronono e ! de mazotoa ary e ! :lol:
répondu par prime le 06/11/2006 06:11
2. jentilisa ( 30/09/2006 08:18)
tsy misy ventin-kanina angaha?
3. simplex ( 30/09/2006 09:28)
mba soraty kely eto hoe:P
mankarary maso b le baiboly :oops::oops:

:-*:-*
4. Fiffi ( 30/09/2006 10:13)
raha hasiana fahazotoana sy fanentren-tena de tsy mankarary maso anefa !
5. simplex ( 30/09/2006 11:20)
:D:D:D
sady kamolahy v za no tsy manetry tena :?::?: loza hoahy ra zany :oops::oops: mba mivavaha hoahy ary e :°)

:-*:-*
6. pissoa ( 30/09/2006 11:43)
simp :-D:-D:-D
7. raval ( 30/09/2006 13:34)
Mahazotoa daolo mamaky fa zavatra mora sy tsotra no ambarany ao. Ary aza kamokamo eo moa e!^:^^:^^:^
8. soanja ( 30/09/2006 15:12)
Alefaso eto re fa izahay tsy manana baiboly gasy. Mivadibadika le izy raha vao vakiana amin'ny teny hafa. Tsy misy atokisako afa tsy ny antsika an.
9. Achia ( 30/09/2006 19:09)
ito ary e ! Kolosiana 2:14,15 Ary novonoiny ny soratanan'ny didy izay niampanga antsika ; dia nesoriny tsy tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana . Io le izy ary e !
10. dadasy ( 30/09/2006 19:42)
tsy maintsy dinihiko anatin'ny contexte nanoratana azy io aloha vao afaka mifampizara aminareo eto aho satria sao miteniteny foana eto.
11. pissoa ( 30/09/2006 19:51)
ie - fa tsy dinihina mitokana be fotsiny eo hoe Sujet - Verbe - Complement :-P:-D:-D:-D
12. simplex ( 30/09/2006 20:55)

Achia: :@:@:@ tena niezaka ihany za fa tena tsy zakan'ny coco-ko.

Ilay hoe didy miampanga antsika v zany le hoe fahaverezana any @ enfer sa ahoana ?? De hoe, ny ainy no takalon'ny fanalana ilay didy??

Midika v zany fa any @ enfer doly ny ol talohany :?::?: :-w:-w

atomboy zarao ny ronononao ee ;-):-D:-D

:-*:-*
13. Achia ( 02/10/2006 06:09)
inona aloha ilay didy niampanga antsika eo aloha zao no hipetrahan'ny olana na za koa anie mba hipetrahan'ny ? e de mbo miara mikaroka e ! ;-)
14. cristal ( 02/10/2006 09:10)
(l)(l)(l)Ny Baiboly dia azo jerena tsotra tahaka izao;toriteny tsotra ity an!
Rehefa hidina ny baiboly dia mainty ny loko betsaka amin'izy ireny,midika ny fanjakan'ny santana
Rehefa sokafanao kosa izy dia fotsy mandrakizay no hita tsy mba niezaka ny hanintona anao amin'ny loko hafa Andriamanitra fa ny loko feno fahazavana no atolony ho anao,fotsy izay milaza ny fanjakan'Andriamanitra izay tsy zakany mason'ny aizina rehefa miezaka manokatra azy zany ny olona dia romotra ny devoly satria tsy maintsy ho resy lahatra amin'ny fiainan'ny lanitra izay mamaky azy,fehiny;ampijaliany sy omeny fomba hafa hanakanana ny olona mba tsy hamaky ny BAIBOLY!Mahereza daholo fa tsy misy anarana mahavonjy afa tsy ny anaran'i JESOSY avy any nazareta;koa aza miaina amin'ny nofy isika fa tsarovy lay JESOSY maty noho ny heloka nataontsika;Mivavaha mibebaha mahareta ao Aminy fa izy hanampy anao amin'izay zavatra tsy hainao na hain'ny devoly atao;Amen!(l)(l)(l)
15. prime ( 02/10/2006 11:13)
Inona le didy ry achia?...:lol:
16. Achia ( 02/10/2006 18:23)
ka eo ndrindra tsika zao ko ! inona hoy prime ?
17. flinde ( 03/10/2006 08:55)
Ny mety hahazoakao an'io teny dia izao.
Ny didy izay resahina eto dia ny didy folo.(Aza mijanganjanga, aza mamono olona,etc...).Ny hoe soratanany dia fantatsika tsara fa A/tra no nanoratra ny didy folo t@ vato tany an-tendrombohitr'i Sinay.Ny hoe niampanga dia isika rehetra dia samy efa tsy nahatanteraka izay voasoratra tao amin'io didy folo io.Efa ninjaganjanga isika, nisy tamintsika efa namono olona, nisy nitsiriritra, nisy efa tsy nanaja ny ray sy reniny, etc...Dia ireny karazam-pahotàna vokatry ny tsy fanarahantsika ny didy ireny no nahatonga an' i Jesoa Kristy ho faty teo ambony hazo fijaliana. "Nesoriny tsy teo mihintsy zany" tsy ny didy akory no nesoriny fa ny fahotantsika izay efa niampangana antsika.Koa amin'izao sisa izao rehefa nesorin'Atra tsy eo mihintsy ny fahotantsika t@ alalan'i Jesoa Kristy dia aza manota intsony.
Samia tahian'i Tompo daholo.
18. Achia ( 03/10/2006 11:11)
melsy flinde :-D:-D= =D
19. flinde ( 03/10/2006 12:26)
Misaora an'A/tra
20. jentilisa ( 03/10/2006 15:30)
eeeee! nesoriny tamin'ny inona moa ilay didy miampanga?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0403