andao hijery tsy miangatra

1. mandrindra ( 22/09/2006 09:01)
Toy izao ny fijeriko mikasika io fitondrana io :
Raha ny zava-bita mivaingana no resahina dia nahavita tokoa ry zareo, ny lalana amina kilômetatra maro no vita gidirao, ny terrassement isan-karazany mahamora kokoa ny fifandraisana. Efa afaka mivezivezy ao Madagasikara ankehitriny. Nisy ihany koa ny aéroport navaozina, ny piste d’aterissage namboarina. Ny fanamboarana ny hôpitaly sy sekoly koa dia maro no efa navaozina ary misy ny vao natsangana. Raha resaka infrastructure izany dia nahavita zavatra maro io fitondrana io. Ireo ilay antsoindry zareo hoe zava-bita ary hita fa mivaingana sy tsy azo lavina.

Misy ihany koa anefa ny asa izay tsy vitany na tsy nataony, rehefa jerena ny tarehimarika ekonomika dia nihemotra isika. Marina fa nisondrotra ny harinkarena faobe (PIB) fa saingy tsy ampy hilazana izany hoe mihamanankarena satria nisondrotra be lavitra noho ny PIB ny vidimpiainana. Tsy mbola nahantra toy izao ny vahoaka amin’ny akapobeny hatramin’izay. Nitotongana ary latsaka ambany dia ambany ny sandan’ny ariary, ary mbola mitohy ihany ny fidinany. Tsy misy famoronana asa, na crétion d’emploi net, raha mihoatra ny taloha.

Izaho tsy manohana antoko na kandida ka manainga ny rehetra toa ahy aho, hameno an’ireo lisitra ireo, hijery tsy miangatra ny tsara sy ny ratsy. Io no ahafahana mampitahy hoe ny vita no manandanja kokoa sa ny tsy natao. Avy amin’ireo ihany koa no hitarafana izay aroson’ireo kandida hifaninana amin’ny 3 desambra hoe ahavita sa tsia.

Amiko raha fampitahana amin’ny taloha no atao dia tsy handroso isika satria ny fanoharana amin’ny ratsy dia tsy mampandroso. Ny ho avy no tokony ho banjinintsika.
novalian'i fiderana ny 10/10/2006 15:48
2. besoiiin ( 22/09/2006 09:23)
marina zany razoky kanefa mba mila mifonce kou ngeh razoky e! tsisy vola hanatompotsiny izany hoa eto @ tanana ka hampanankarena! tsimaintsy misouffrir ianao vao tafavoaka @ fiainana! za razoky nandé antongotra 18km foana maraina sy hariva nandritra ny 3 taona t@ nianatra après bac a! nahantra ny RAD akou ka tsy afaka hiantoka ahy intsony! apango sy ranonapango no kaly atoandroko tany ampanaovana stage, vary 1 kapôka atao maharitra 2 andro atao b ranob! niafy fa t ho tafita ka! raha 100 ar no hita androany d atao mahampy iny fa rapitso ndray miezaka mitady tsaratsara koukou! t@ androndratsiraka sy zafy zany! fa za ngah hanantena inona tany aminy? ny herin'ny tenako ihany no nahitako izay ho hanina isan'andro... zao androndravalo, za kou ngah nanantena inona tany aminy? izaho ihany no midemerde @ze cas rehetra misy eo mba ahatafavoaka ahy kou! mba profiteko fotsiny ze zavamisy eo! ohatra tsara ny lalana d afaka manao poimôro fôna za d tsy mandany lasantsy. Ny blem @ ankamaroan'ny olona de tsy mba manana initiative personnel mintsy! kamo isasatra fa miandry tolorana! ny fanjakana fôna no omena tsiny! na iradidi aza no teo mbola nahazo tsiny ôtranizao! ny fanjakana v no andrasanao hanome asa anao tsy 12 taona enao vô ikandra? maninona raha ianao no mamorona? tsisy sôsy v? maninona raha mamboly vary katsaka any ambanivohitra? tsisy frais v? maninona raha mande tongotra, erinandro v ianao tsy ho tonga any ambatolampy raha mikrapa? tsisy trano v? maninona raha manao trano bozaka?.... misy solution fôna razoky ny olana a! fa mila mba henjantsaina sy miaritra mangirifiry ary tsy manatena olona d tafavoaka e.
3. mandrindra ( 22/09/2006 10:25)
tsara ny fijerin'i besoiiin, ary ilaina mihitsy ny toe-tsaina toa izany. fa ny tiana resahina eto dia izay tokon'ny ataon'ny mpitondra.
4. besoiiin ( 22/09/2006 18:12)
raha ny ataon'ny mpitondra alou no hodinihina sy arahamaso akaiki! (naiza na iza no eo). dia harary ny fou ka iakatra tosidra tsy fidiny eo ....
5. fijo ( 22/09/2006 20:14)
tsara be io toetsain'i besoin io,fa ny olana dia tsy ny rehetra no manana azy.
ny asan'ny fanjakana aloha dia ny manao ny fotodrafitrasa sy manamora ny fikarohana sy ny fitadiavan'ny tsirairay.
araka io voalzan'i mandrindra io,dia efa nisy ezaka(na dia tsy mbola ampy aza"ny andraikitry ny fitondrana.ka tokony mba maka ny azy koa izany isika vahoaka.raha tsy miaraka toa izay isika,dia tsy hisy inona vanona ao.
6. lapino ( 22/09/2006 22:22)
Ny asa vitan'ny fitondrana aloha izany efa mazava.

Fa ny asa tsy vitany angamba no mila faritana mazava kokoa hoe inona? Indicateur-n'ny resultat manko ireo PIB, vidim-piainana, sandam-bola sy asa voaforona ireo. Fa inona marina moa ilay tena tokony ho asa hataon'ny fanjakana mba hampiakatra ny fahefa-mividy?

Raha ny famokarana aloha dia miankina mivantana amin'ny vahoaka amin'ny antsoin'i besoiin, fa ny mametraka infrastructures, ny fitsipi-dalao sns ... no anjaran'ny fanjakana.
7. Zina ( 23/09/2006 03:23)
ny asan'ny fanjakana aloha dia ny manao ny fotodrafitrasa sy manamora ny fikarohana sy ny fitadiavan'ny tsirairay.
araka io voalzan'i mandrindra io,dia efa nisy ezaka(na dia tsy mbola ampy aza"ny andraikitry ny fitondrana.ka tokony mba maka ny azy koa izany isika vahoaka.raha tsy miaraka toa izay isika,dia tsy hisy inona vanona ao.

zao ry reto tsy moramora ny manakara an;ny dago izay tary anaty lavaka be taloha... Mbola sarotra be fa ny tokony ataon'ny gasy amiko dia hanana patience satria lafo ny fiainana na any ivelany ary ary tsy ho moramora ny manakatra ani dago, betsaka ny fihezahina fa tokony hanana faharetana ny rehetra. na dia manadio tanana feno soridira be ary anie ry reto ka tena efa voa be mihitsy e... Ary raha prezy hafa no ho eo dia iverina any an-davaka ndray dago...
Ny zavatra tokony ataony ra8 dia ny hampandroso ny agricole (agriculture) satria ny gasy mila sakafo rehefa voky ny gasy dia mande doly ny rehetra. sa ahona oy nareo?
8. rabaradaka ( 23/09/2006 06:07)
Zao ry dadatoa, raha hifampiandry eto aloha dia vao mainka ho sahirana ny firenena fa aleo mandray andraikitra ihany. Marina avokoa ny fijerinareo ary mahafinaritra fa manomboka mihatsara ny ady hevitra eto fa tsy toy ny ataon'ny sasany
9. velosoa ( 23/09/2006 08:11)

Efa hiditra hanao politika angaha hono io olona io ?:-D:lol:




rabaradaka:



Zao ry dadatoa, raha hifampiandry eto aloha dia vao mainka ho sahirana ny firenena fa aleo mandray andraikitra ihany. Marina avokoa ny fijerinareo ary mahafinaritra fa manomboka mihatsara ny ady hevitra eto fa tsy toy ny ataon'ny sasany



10. Simpona ( 23/09/2006 08:49)
Misaotra an'i besoiiin amin'ilay fomba fisainana ary enga anie mba ho maro ny hiantra azy.
Tokony miainga ami'ny tsiraiaray tokoa ny ezaka indrindra amin'ny famoronana asa fa aza miandry recrutement atsy na aroa. Miankina amin'ny farim-pahaizan'ny tsirairay sy izay talentany no ahafahany mamorona ny asa tandrify azy. Ary izany no mahatonga ahy mieritreritra fa tsara miitsy ny paikadim-panjakana ami'ny fihezahana fanatsarana ny fampianarana (fanamorana ny fidiran'ny mpianatra, fanalavana ny ambaratonga voalohany, ...). Zava dehibe loatra io fampianarana io.

Ity hevitra manaraka ity dia saika arosoko dinika hafa fa nahafinaritra ahy ny ady hevitra eto dia aleo arosoko eto ihany:

Raha tarafina ao Tana dia hita manombkoka mivoatra ny famoronana asa ho an'ny tena indrindra ho an'ny tanora: ohatra ami'nireny ny GASTRO PIZZA, ireo mpanangana 'société de technicien de surface' manao asa fanadiaovana (efa manana contrat maro ami'ny banky, trano fandraisam-bahiny, sy orinaasa matanjaka, ...), ny yopii, ireo mpivarotra fitaovana NTIC, ... Mahafianritra ny mijery ny fahombizan'izy ireny ary irariana ny hanarahan'ny hafa

Raha fitiniko ngamba dia hoe maro ny sehatra azo hidirana araka ny farim-pahaizan'ny tsirairay raha resaka famoronana asa
11. Robert ( 23/09/2006 18:52)
Ary tena tsara daholo ny fomba fijeri-tsika eto izany.
Rehefa mandroso ny toe-karena ny tsirairay de hita eo indray ny any Firenena.
12. besoiiin ( 23/09/2006 21:10)
Simpona> Marina ny voalazanao! Voalohany alou dia tena tokony ho adidy tsy maintsyataon'ny ray amandreny no mampianatra ny zanany mba azahoany bagage hiatrehana ny ho aviny! raha tsy izany dia aleo tsy miteraka! manaraka izany dia mila manana toetsaina hivoatra hikaroka sy tsy miankina aman'olona ny tsirairay avy! izay kely ananana no ahiratra sy koloina fa tsy voatery hoe hiandry credit @ banky ohatra mana avy any andanitra! raha misy mou ny occasion azahoanao financement ohatra dia mba surprise sy booster ho anao iny! ary farany raha hananan'ny olona tsirairay ireo caractere ireo ka manana filoha mba tena miasa sy mampandroso ny fireneny i Mcar, dia mino aho fa tsy ela dia miakatra ny farimpiainan'ny malagasy ary mba samy ahita izay ohaniny avy ny malagasy! tsy tiako ampiasaina eto ity fomba fiteny ity kanefa ho lazaiko ihany, hoy ilay olona izay hoe miasa miaraka no fahombiazana! raha mijery tsy miangatra dia tena marina io! miasa miaraka fa tsy manantena ny avy any ambony fotsiny
za tsy TIM an... :D
13. prime ( 26/09/2006 12:54)
Tsara ny mijery tsy miangatra d ahoana ary ny soso-kevitra? ohatra izao i lapino efa nanomboka nampiditra ny anjaran'ny fanjakàna... d mba ento lavidavitra ary e... misaotra...
14. zandrypte ( 26/09/2006 13:59)
amiko ny andraikitriny fanjakana dia ny mametraka ny "infrastructure social" base ny fandrosoana fahasalamana ara-dalana fianarana izay tokony ho sahaza ny vaninandro iainan-tsika sy fampandroasoana ireo formation professionnel izay be tsy androfana eto @tanàna fanampiana ireo jeune entrepreneur tanora izay manana projet firy mora ireo mpianatra nivoka @lalan-mpiofanana maro eny àUniversite isan-taona fa tsy misy mijery izy ireo vitrine eny iavoloha indray no mahamaika ny mpitondra.ekena fa tokony hiavo-tena nefa raha irery @zao ny tanora to tsy ho afaka ihany nefa aza kivy
15. Robert ( 26/09/2006 18:24)
Miankina aminy inona ny toe-karena malagasy?
Fiompiana sy fambolena..Tokony io no tena imasoana. Vitrine iavoloha, hitako hevitra mety amporisihina ny malagasy hanova ny fomba fiompiana sy fambolena (nenti-paharazana tsy manokatra loatra).
Universitaire be diplôme, tokony hampiasa ny fahaizany @ fitandiavana famatsiam-bola (banque, micro finance(Otiv))@ ireo projet-ny. Fa tsy miandry fotsiny mba hojeren'ny olona.

Aza manonofy ariary zato ambony tamboho(fandiana)..
16. fijo ( 26/09/2006 22:44)
io fanofanana matihanina io ,dia zavatra tena ilaina any.isika anie mahay sy mahavit azavatra e,fa le fanofanana no tsy ampy.io no tokony atao betsaka any.ny mpamboly mazoto singy tsy ampy fihofanana.
17. papala ( 28/09/2006 12:57)
Za tena miombon-kevitra @ besoiiin mihintsy, tokony hanana io toe-tsaina io daholo ny Malagasy rehetra, fa angamba vetivety dia handroso isika, fa tsy hiandry hojeran lava zao sy hiandry olona hanampy foana, za ko lo d tena tsy tiako mihintsy ireny olona miandry sady mamppidera diploma tsy mba hitady hietsika mihintsy ,tena leo b aho mahitaníreny!
18. mandrindra ( 28/09/2006 13:46)
ny olan'ny be dipôma dia tsy te handoto tanana. mihevitra fa ao ambadiky ny birao ihany no atao hoe asa. ny tiako ambara amin'izany dia tsy fotoana fanaovana tsianjery ny zavatra hita tany ampianarana intsony ny tontolon'ny asa fa andron'ny fampiharana. ka raha ny heverina fa mety ho lohany hitarika no tsy mampiseho sy manoro ny tokony ho izy dia sarotra be ny mampita zavatra.
19. fijo ( 28/09/2006 19:58)
izay aloha ry mandrindra dia tena marina ary mbola tsapa anyan tanana
20. prime ( 02/10/2006 13:41)
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.059