Firy % ny vehivavy no nanambady ny tena "destin"?
1. Rovampitia
(
21/09/2006 07:45)
Matetika tsy de ilay lehilahy tena hoe tena tiana be ireny no lasa vady fa olona tsy ampoizina akory no lasa anjara? ahoana ny hevitrareo?
novalian'i anjely ny 09/11/2006 13:31
2. booboo
(
21/09/2006 08:34)
Tsy miombon-kevitra. Matoa novadiana dia tena tiana be zay kouh ...@ ankapobeny :°).
Fa matetika ny oul mpiteny tahaka io dia ilay mbola sur un petit nuage rose manonofy prince charmant reny...tsy izay ny ety an-tany fa hafa mihitsy.
Fa matetika ny oul mpiteny tahaka io dia ilay mbola sur un petit nuage rose manonofy prince charmant reny...tsy izay ny ety an-tany fa hafa mihitsy.
3. mandrindra
(
21/09/2006 09:41)
safidy daholo ny zavadrehetra fa tsy misy lahatra sy anjara izany
booboo, ny ety antany izany tsy tahaka ny any andanitra :-D:-D:-D
booboo, ny ety antany izany tsy tahaka ny any andanitra :-D:-D:-D
4. ikalakintina
(
21/09/2006 10:22)
marina mitsy fa safidy ny zavatra rehetra!, saingy misy mitsy kosa ny cas araka io lazain'i rovampitia io,oe nisy olona tena tianao be, fa tsy nivady nareo fa olona tianao fa tsy noheritreretinao tsy de tianao be no lasa vadinao...;,, za alou mino oe anjara angamba zany e!
5. tsanga
(
21/09/2006 10:35)
booboo ny lehilahy no misafidy fa ny vehivavy manaiky fotsiny zay no tsy mampangatabady ny vhvavy
sa efa nisy izany zay ny ety an tany
sa efa nisy izany zay ny ety an tany
6. ikalakintina
(
21/09/2006 10:37)
tsanga:
booboo ny lehilahy no misafidy fa ny vehivavy manaiky fotsiny zay no tsy mampangatabady ny vhvavy
sa efa nisy izany zay ny ety an tany
vhv manaiky fotsiny?, 8O
7. booboo
(
21/09/2006 11:11)
ny lehilahy no misafidy fa ny vehivavy manaiky fotsiny zay no tsy mampangatabady ny vhvavy
koa raha tsy hanao rebik'ondry kouh :°)
mandrindra > ié :-D :-D
8. chipie1
(
21/09/2006 18:08)
finn oa ry booboo :-*
tsanga > eritrereto oe olona tsy tinao no hangata bady anao de hanaiky ve ? ountssss
tsanga > eritrereto oe olona tsy tinao no hangata bady anao de hanaiky ve ? ountssss
9. simplex
(
21/09/2006 18:42)
chipie1:
eritrereto oe olona tsy tinao no hangata bady anao de hanaiky ve ? ountssss
efa nisy bandy nangataka sipa mbola tsy zakany akory v :?::roll::oops::°)
:-*:-*
10. lapino
(
22/09/2006 04:27)
Firy % ny vehivavy no nanambady ny tena "destin"?Tena tsy maintsy fantatra aloha hoe iza no "destin" an'i Bozy, iza no "destin" an'i Vao, sns ... mba hahafahana mampitaha azy amin'izay lasa vadiny avy. Izay vao mety voavaly ny fanontanianao :roll:
Kanefa raha ohatra ka hoe ilay lasa vady no atao hoe "destin", dia 100% izany no valiny :)
Simplex, eny!!! :D
11. mamzelkely
(
22/09/2006 06:24)
tsanga:
booboo ny lehilahy no misafidy fa ny vehivavy manaiky fotsiny zay no tsy mampangatabady ny vhvavy
sa efa nisy izany zay ny ety an tany
ountssssssssss poikany, ts manaiky ftsn zany vhv ko ra ts tiny ve le lhl mangataka azy de hanaiky izy ountssssss :{:{
12. tyfoly
(
23/09/2006 19:32)
ny ahy aloha tiako b no nivadiko fa betsaka koa no tiako b teo aloha fa @ilay fotoana rehefa miaraka toa tianao b daholo ry zareo, mbola tsy tonga ilay fotoana sy anjara d toa manjavona daholo iz rehetra !
13. soanja
(
23/09/2006 19:38)
Rovampitia:
Matetika tsy de ilay lehilahy tena hoe tena tiana be ireny no lasa vady fa olona tsy ampoizina akory no lasa anjara? ahoana ny hevitrareo?
Ny vady aloha dia tokony ho olona tiana be amiko e. Fa ny hampoizina sa tsia dia miankina amin'ny fotoana. Raha 3 taona no nahafantaranao azy nefa hitako tamin'ny tsy nampoizina izy dia asa na tsy nampoizina izay rehefa lasa vady. Sa ve tampotampoka teo de nahita vady? Be koa ny manao an'io. Ohatra ny mampatahotra ahy io an.
15. adidy
(
24/09/2006 20:51)
Ny fanambadiana ange ry reto anjara sy lahatra e! Mety hoe misy ny notiavina na nitia anao fa ilay lasa vady avy eo hafa! Fa rehefa mandinika hoe anjara avy @ Atra ny vady dia hita ny tsirony
17. kala
(
25/09/2006 14:09)
Rovampitia > matoa izy vadiana dia efa nananganana ny rovan'ny fitiavanao :D:D:D:D
tsy afaka manome % satria lakalaka be io ry zareo a!
efa namaly aho zay :wink:
tsy afaka manome % satria lakalaka be io ry zareo a!
efa namaly aho zay :wink:
18. pissoa
(
25/09/2006 15:05)
Matetika tsy de ilay lehilahy tena hoe tena tiana be ireny no lasa vady fa olona tsy ampoizina akory no lasa anjara? ahoana ny hevitrareo?tsy azoko zany vady tsy ampoizina izany ... :roll:
lapino:
Tena tsy maintsy fantatra aloha hoe iza no "destin" an'i Bozy, iza no "destin" an'i Vao, sns ... mba hahafahana mampitaha azy amin'izay lasa vadiny avy. Izay vao mety voavaly ny fanontanianao
ny "destin" an'i pissoa ... raha tsy fantatra koa io dia diso ny valiny :roll::-D:-D:-D
19. xxx
(
29/09/2006 09:41)
tsanga:
booboo ny lehilahy no misafidy fa ny vehivavy manaiky fotsiny zay no tsy mampangatabady ny vhvavy
sa efa nisy izany zay ny ety an tany
dray dray dray, tsy ekeko !! Tsy maintsy ny vehivavy no somary mandalondalo eo imason'ny lehilahy vao hitany a . Misy part n'ny tsirairay fa tsy misy miandry fotsiny izany .
20. maintsokely
(
29/09/2006 22:26)
Izaho ry zareo ohatran'ny hoe mino ny destin a! Bandy aho ity manoratra ity a! Tantaraiko aminareo ny tantaranay sy ilay ho vadiko (mbola tsy vita soratra izahay fa kosa efa nifanaraka fa hivady mihitsy).
Tao ampiangonana no nifanenay voalohany. Izy tara dia nahagaga fa teo amiko ihany sisa no nisy toerana banga izay zavatra tsy dia mpitranga loatra. Nony avy eo nifanena tamina soirée gasy izahay, izy izy tsy hoe ireny sipa manintona be ireny fa antonony dia niresadresaka dia raikitra dia niaraka ). Nanotany azy foana aho taty aorina hoe ohatr'ahy ve ilay endrik'olona mba tena nofisinao ho vadinao ? tsia no valiny, ohatr'ahy ve ilay toetran'olona mba tianao ho vadinao ? tsia no valiny. Manao ahoana ny sipanao taloha mba mitovitovy amiko ve ? tsia ihany koa. Inona no itiavanao ahy ? tsy fantany hono.
Na izaho koa aza mba nametraka io nefa tsy haiko mihitsy satria ilay izy tsy nisy nitovy tamin'ny niarahako taloha.
Nefa na izany aza nifankatia sy tsy nifankafoy izahay (niezaka ny mba ho objectif foana aho nandritra ny 5 taona) na tsy dia fantat'antony loatra aza en plus tsy tena mi-repondre ny critère napetrako taloha mba tiako ho vadiko izy. Manarak'izany tsy nieritreritra ny hiodinkodina mihitsy aho nandritra ny 5 taona.
Destin ve izany ?
Na izaho aza dia mbola mametraka an'io fanotaniana io foana hoe misy ve ny destin ?