IZA AVY NO HOVONJEN'ANDRIAMANITRA?

1. JOCH ( 14/09/2006 18:55)
Samy manao izay sai-patany ny olona mba ho tonga olomboavonjy fa ny ahy ity misy hafatra avy amin'Andriamanitra ambarako amin'izay mahay mihaino sy mitady an'Andriamanitra.
koa mangataka izay mamaky mba hilaza ny heviny.
Lay izy de zavatra tsotra.
Ny olona hovonjen'Andriamanitra de izao.
Nomen'Andriamanitra ny zanany lahy tokana mba ho voavonjy izay rehetra mino Azy.
Miezaha mino sy manaiky an'i Jesosy.

JESOSY= teny tonga nofo= tenin'Andriamanitra =testamenta taloha + testamenta vaovao = baiboly.

Izany hoe famonjena = finoana sy fanekena an'i JESOSY=finoana sy fanekena ilay teny tonga nofo= finoana sy fanekena ny tenin'Andriamanitra= finoana sy fanekena ny t.taloha sy t.vaovao= finoana sy fanekena ny baiboly iray manontolo.

Tsy mila ezaka avy amintsika Andriamanitra na mitaky fahamarinana na fahendrena avy amintsika. Fa finoana sy fanekena araka ilay voalaza tery ambony.
Rehefa tena ao amintsika izay finoana sy fanekena izay de mahatsapa isika fa anisan'ny hovonjena sy ho any amin'izay paradisa izany. Ary ny eto antany koa de ho azontsika sy ho haintsika satria homena antsika maimaimpoana tsy mila ny herintsika sy ny fahendrentsika ary ny fahaizantsika.
Jereo Paoly fa mpamono olona ary ny olon'Andriamanitra mihitsy aza izay tena mahasaropiaro an'Andriamanitra no nogadrainy sy nenjehiny ary novonoiny.
Kanefa rehefa nisehoan'ny Tompo izy ka noteneniny de nanjary nanaiky sy nino ilay nohenjehiny, ary rehefa nino izy de nomen'Andriamanitra azy ny zavatra rehetra na fahendrena na fitiavana na ny herin'Andriamanitra enti-manasitrana na ny fahamarinana izay katsahin'ny maro amin'ny saina be fahatany nefa tsy hitany, de hitantsika fa izay rehetra naloaky ny vavan'i Paoly n'inon'inona de neken'Andriamanitra ho marina ary de nosoratana tao amin'ny baiboly.
Tsy mpanao ody ratsy ve, tsy mpijangajanga ve, tsy mpamory hetra ve(manankarena amin'ny tsy marina), tsy demoniaka ve, tsy ireo nahatsapa tena fa tena ratsy ve? Tsy izany rehetra izany ve no novonjen'ny Jesosy tamin'ny fahatongavany tety sy tamin'ny alalan'ny apostoly? Koa nahoana isika no miezaka manao ny marina kanefa ny fahamarinantsika de maharikoriko an'Andriamanitra fa tahaka ny lamba mihosindrà. Aoka tsy hitady fahamarinana sy famonjena intsony isika afatsy izao ihany de ilay finoana sy fanekena voalaza tery ambony, fa Andriamanitra hanome maimamimpoana avy eo ny fahamarinana izay heverintsika sy nezahintsika nefa tsy mety azo sy tsy mety hay.

novalian'i prime ny 05/10/2006 10:17
2. Fiffi ( 14/09/2006 19:28)
iza avy no ho vonjen'Andriamanitra ?

Andriamanitra dia tsy manary na iza na iza ! Andriamanitra hiany no mahafantatra hoe iza no ho voavonjy na iza .
Ny zavatra tokony hataon'ny olombelona fotsiny dia hanaraka ny didiny !
3. cutie ( 14/09/2006 19:31)
zany ve :lol::lol::lol::lol:
ka in ny antony hivavahana raha tsy hain-jy we ho voavonjy fa we Atra ihany no mahalala azy:roll:
4. LazaDaddy ( 14/09/2006 19:57)
IZA AVY NO HOVONJEN'ANDRIAMANITRA?
izay tiany ho vonjena. Miorina @ votoatin'ny teny hoe "grace" io. Nobody can work it out!
5. cutie ( 14/09/2006 20:03)
aiza koa ny misy an'zany zay tiany hovonjena zany :roll::roll::roll:
6. LazaDaddy ( 14/09/2006 20:12)
cutie angaha afaka mibaiko Azy? hahaha.
7. cutie ( 14/09/2006 20:17)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 14-09-2006 21:31:55
Lohateny : Re : IZA AVY NO HOVONJEN'ANDRIAMANITRA?
zany ve
ka in ny antony hivavahana raha tsy hain-jy we ho voavonjy fa we Atra ihany no mahalala azy

valio aza io
8. LazaDaddy ( 14/09/2006 20:20)
GRACE ~ God's Riches At Christ's Expense
9. cutie ( 14/09/2006 20:22)
in a :roll::roll::roll:
10. Fiffi ( 14/09/2006 20:28)
cutie:
zany ve :lol::lol::lol::lol:
ka in ny antony hivavahana raha tsy hain-jy we ho voavonjy fa we Atra ihany no mahalala azy:roll:
inona no antony hivavahako raha tsy aiko hoe voavonjy aho ? satria zah dia olombelona ! iza no hoe olombelona tsy manota ? fa hezahana io mba tsy hatao .Dia Fanantenana ny ahy mba ho voavonjy ary izany no hahatonga ahy hivavaka hatrany sy hampitombo ny finoako . Fanantenana ny ahy mba ho voavonjy satria tsy fantatro na ho voavonjy aho na tsia na dia mba mpivavaka hiany aza ka Andriamanitra irery no hahafantatra raha ho voavonjy aho na tsia.


11. cutie ( 14/09/2006 20:31)
Lay izy de zavatra tsotra.
Ny olona hovonjen'Andriamanitra de izao.
Nomen'Andriamanitra ny zanany lahy tokana mba ho voavonjy izay rehetra mino Azy.
Miezaha mino sy manaiky an'i Jesosy.
12. Zina ( 15/09/2006 01:24)
oy i fiffi:
Andriamanitra dia tsy manary na iza na iza

Marina mihitsy izany tsy misy izay tsy tiany isika na ry sadam husssein na ry ben laden na izay tena olona ratsy indrindra eto an-tany... Isika no manodina ny tava-tsika tsy ho eo anilany, mitalao fona izy ary miteny antsika ao am-po, eny ivelany n'aiza n'aiza zavatra miseho eto an-tany hoe: MIVERENA AMIKO IANAREo.... anjara-tsika sisa no manaiky sy ny tsy manaiky azy...
13. lapino ( 15/09/2006 02:30)
IZA AVY NO HOVONJEN'ANDRIAMANITRA?

Eritrereto hoe misy olona milentika anaty rano, dia tsipazana bouée izy hanavotana azy. Raha raisiny ilay bouée vao ho voavonjy izy, fa raha avelany mandalo fotsiny iny dia tsy hijanona ao anatin'ny rano mandentika azy izy.
14. soanja ( 15/09/2006 04:43)
Valiny amiko de hoe ireo izay tia azy sy manaja azy ary manaraka sy manaja ny lalany.
15. pissoa ( 15/09/2006 07:19)
lapino ^:^^:^^:^
16. naritsimba ( 15/09/2006 07:29)
« Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. » (Lioka 17:34)

« Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. » (Matio 24:40)

« Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. » (Matio 24:41)


« Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? » (Asan'ny Apostoly 16:30)

« Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:31)


Aoka samy handinika isika rehetra
17. JOCH ( 15/09/2006 07:48)
de aona le jiolahy teo amin'ny hazo fijaliana?
Mbola izy irery aloha izao no lazain'ny baiboly fa hahita an'i Jesosy any amparadisa.
Kanefa inona no de nataony sy fahamarinany ? tsy teo amin'ny hazo fijaliana ve izy amin'ny mahajiolahy azy.Kanefa Jesosy tsy nanameloka na nanamarina azy noho ny fahotany fa nanome azy ny fiainana mandrakizay noho ny finoany fa io tokoa no mpamonjy izay manaiky azy sy mangataka aminy.
18. naritsimba ( 15/09/2006 07:56)
raha eo ambavahaonan'ny fahafatesana ianao no mahatsiaro fa tokony hibebaka noho ny ratsy vitanao dia ho vonjena tahaka an'io jiolahy io na dia segondra aza no anaovanao izany.

Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:31)

19. prime ( 15/09/2006 11:51)
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zananilahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay". Jaona 3:16
Mifameno ireo voalazan'i Joch sy Naritsimba ireo, "izay MINO no hovonjena, izay tsy mety mino kosa (hoy ny Tompo) dia efa voatsara @ tsy finoany ka hoelohina"...
Mino an'i Jesosy ve ianao?... raha eny ny valiny, ka mino ianao dia ianao izany anisan'ny voavonjy... Aza misalasala ny amin'izany akory...
20. Achia ( 16/09/2006 06:44)
de ampy koa ve ny hoe mino fotsiny ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2934