IZA AVY NO HOVONJEN'ANDRIAMANITRA?
41. prime
(
28/09/2006 11:35)
mbelotavao> ...Etsy ankilany, ny Fanahy Masina hoy izy no hery farany afaka mampiverina ary mampibebaka ny olona ka mamerina azy ao amin'Andriamanitra... raha niteny ratsy an'Andriamanitra Ray ny olona dia mbola voavela ny helok'izy ireo raha mibebaka (noho i Jesosy) ka mandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy azy... raha niteny ratsy an'i Jesosy ny olona dia mbola voavonjy raha mibebaka (noho ny Fanahy Masina) ka mangataka ary mandray ny Fanahy Masina ho mpiahy azy... ary raha miteny ratsy ny Fanahy Masina ny olona dia tsy misy afaka sady hampibebaka azy sy handray azy intsony... io no "bala farany" hoy ny miaramila izay, hery ahafahan'ny olona miverina ao amin'Andriamanitra... tsy hisy intsony aorian'io... ary izay no mahaandron'ny Fanahy Masina ny ankehitriny, "fanambaràna ny andro farany"...
44. isaka
(
04/10/2006 10:34)
kenefa ny ahazoana ny fanahin'Andriamanitra dia avy @ teniny ihany izany hoe ny famakiana ny Baiboly isan'andro; araka ny voalaza ao @ SALAMO1:1-5 mba jereo ange ee!!
45. prime
(
04/10/2006 13:42)
Raha jerena ny lioka 11:13 dia mila angatahana ny Fanahy Masin\'Andriamanitra...
47. Ilo
(
05/10/2006 08:35)
"Fa @ vava no anekena ahazoana famonjena, ary @ fo no inoana ahazoana fahamarinana" Rom 10.9
Tsotra ny ahazoana famonjena: manaiky an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy
Fa tsy misy olona mahay manaiky an'i Kristy izany raha tsy amin'ny alalan'ny Fanahy masina, ny Fanahy masina no miasa.
Rehefa mandray an'i Kritsy ho Tompo sy Mpamonjy isika no mandray ny Fanahy masina, iny no batisan'ny Fanahy masina.
"Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana. Tsy avy @ asa fandrao hisy hirehareha,..."
Ahoana moa no ahafahantsika hilaza fa ny asa soa ataontsika no ahazoantsika famonjena? iza kay no hahavidy ny ra soan'i Kristy ilay zanak'Andriamanitra tsy misy kilema, izay nalatsany ho famonjena antsika?
Fa raha kosa omeny maimaimpoana izany famonjena izany dia tsy mampino ve?
Finoana no ahazoana famonjena, fa tsy avy @ asa ataontsika fa kosa "Ny finoana tsy arahina asa dia maty"
Tsy misy kosa angamba izany hazo tsara mamoa voa ratsy izany, ka rehefa olom-baovao isika, nodiovina t@ ra soa an'i Kristy dia mba hanao asa tsara
"...fa asany isika, voaforona tao @ Kristy mba hanao asa tsara"
Satria izaho efa manana an'i Kristy ho Tompoko sy Mpamonjiko dia sûre aho fa voavonjy, ary manomboka eto an-tany izany famonjena izany ka ho mandrakizay na dia maty aza aho na afaka iray minitra aza dia sûre aho fa ho any an-danitra ho any @ Tompoko.
Ary ianao?

48. prime
(
05/10/2006 10:17)
^:^ ho an'Andriamanitra noho i Ilo...
Ilo> Misaotra anao fa mazava tsara...
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay" Jaona 3:16