IZA AVY NO HOVONJEN'ANDRIAMANITRA?

21. baregenaina ( 16/09/2006 07:39)
izay rehetra mahavita ireto dia voavonjy daolo
1) finoana
2) fibebahana
3) batisa (raha tsy ateraky ny rano ny olona dia tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra jaona3:5)
4 batisan'ny fahahy masina ( raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy...
5) maharitra h@ farany @ fanarahana ny didy rehetra sy ny sitrapony.
22. rakaroka ( 16/09/2006 21:08)
Andriamanitry ny fahamarinana koa ny inoako fa tsy fitiavana ihany:
Hafahafa kosa angamba ny itsinontsiniavana ny ezaka fahamarinana, fikarohana sns...ataon'ny oul indrindra hoe à la service de l'humanité fa tsy voatery hitadiavana laza araka ny famaritanareo, rahateo miverina MATETIKA ao anaty baiboly mihitsy ny hoe mahazoa fahendrena ary TSY SARAHINY amin'ny hoe mahazoa fahalalana.
Raha ny fandinihiko ny "conception famonjena" ity
ZAVA-DEHIBE amin'ny Kristiana hanifiany ny voasoratra maro anaty baiboly koa!
Ho ahy ny fahamarinana'Atra dia mihevitra sy mankasitraka ny ezaka isan-karazany:"fikarohana sns ataon'ny olona koa Izy satria inn ary ny antony nanomezany saina ny oln raha tsy izany?
Ho ahy : fankasitraka avokoa ireo hary rehetra nikolo ny tontolo satria nisy matimaty ny naha-toy izao antsika...: marina izany! tsy tokony tsinontsiniavina izany ka tsy hahita raha tsy Jesoa na Atra na dia misy soratra aza.
Azo atao tsara anie ny mitia an'Atra tsy am-panilihina izay tokony ankasitrahana koa. Ny tsapa dia toa dradradraina loatra ilay fifandraisana amin'Atra fa hadinodino ny amintsika samy olona.
Anefa izany tokoa ve ny fampianaran'ny Baiboly?...
23. rakaroka ( 16/09/2006 23:03)
Hanohizako ny resaka hoe iza avy no ho vonjen'Atra?
Nisy mpitory izay hono nanao hoe: "Iza no ho any amin'ny afobe hisolo ny toerako?..." Dia tsy nisy nananga-tanana ny kristiana. Dia hoy hono izy hoe:
"Tsy maninona aza fa aleo izaho ihany no ho any hitory teny amin'ireo olona any!"
24. Achia ( 17/09/2006 09:12)
fanga hono any @ afo be mbola misy fitorianteny Rakaroka ?
25. majesty ( 18/09/2006 07:05)
hoy i JOCH:Miezaha mino sy manaiky an'i Jesosy.

Atao ahoana no fiezahana hino sy hanaiky azy???
Izany v tsy ho lasa hoe miezaha dia ho voavonjy,dia raha samy hiezaka daholo ny tsirairay dia inona izany no anjara asan'ny Fanahy Masina satria lasa miankina amin'ny ezaky ny tsirairay le hoe mino sy manaiky kanefa ny asan'ny Fanahy Masina no mitaona ny olona hanatona an'Atra :roll:
26. ranini ( 18/09/2006 10:24)
izay rehetra mahavita ireto dia voavonjy daolo
1) finoana
2) fibebahana
3) batisa (raha tsy ateraky ny rano ny olona dia tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra jaona3:5)
4 batisan'ny fahahy masina ( raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy...
5) maharitra h@ farany @ fanarahana ny didy rehetra sy ny sitrapony.
Nefa jereo fa mbola nilaza i Jesosy hoe (Matio 7: 22)tsy izay manao hoe Tompoko no hitra ny fanjakan'ny Lanitra fa Izay mano ny sitrapon'Andriamanitra.
27. rakaroka ( 18/09/2006 12:25)
Mamaly an'i Achia etsy ambony aho:
Ny olana eo amin' resaka atao dia ny fijery voafetra Bbbe ihany.Tsy afaka hino ny tsy noraisina ho domaine de base à savoir "la bible" anefa tout n'est pas inscrit dans la bible! Ohatran'ny hoe olona tsy
nihoatra an'Antsirabe, sarotra ny haminaniany izay aty ivelany.
Tamin'ny maty aloha Jesoa dia voalaza fa tany amin'ny fiainan-tsy hita izy nitory teny, satria nisy tsy voatory tany. Donc possible ihany par suite logique!
Ka raha ny fanahy masina ve no ni-agir par "amour" dia ho vatrany ny hijery ny hirifirin'ny olona mandrakizay?...
Izy ity tsy sens propre angamba fa ilazana fa misy toerana fotsiny tsy voatory ny "message divine!...
28. prime ( 18/09/2006 13:36)
achia:
de ampy koa ve ny hoe mino fotsiny ?
ny tenin'Andriamanitra no miteny hoe "izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hoelohina" Marka 16:16... ny ambonin'io dia efa fitaizam-panahy ho an'ny mino amin'ny fanarahana ny Tompo... ny amin'ny asa, ny fitiavana, ny fanantenana, ny faharetana, ny fianarana ny tenin'Andriamanitra, ny fitoriana filazantsara, ny fandraisana ny Fanahy Masina, ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra... fa tsy fototry ny famonjena tsy akory... Ny finoana no fototry ny famonjena... fa tsy ny olona rehetra no "mino fotsiny"...ary tsy mora ny "mino fotsiny" toy ny filazanao...
29. Achia ( 18/09/2006 17:37)
ye tena tsisy hampiako ireo voalazanao reo fa ny nahatonga ahy nametraka ilay fanontaniana anie de zao e prime kalo tena machaka be mitsy fa misy namana sasantsany raha vao resenao lahatra @ tenin'ATRA izy ka somary mofanohatra kely @ mahazatra azy sy ny sitrapony le zavatra de hoy izy hoe refa mino de ampy :cry:
30. jimna ( 19/09/2006 05:26)
Tia ny tsara ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy maintsy mianatra mankahala ny ratsy koa anefa izy ireo. (Salamo 97:10) Midika izany fa halaviriny ireo fanao halan’Andriamanitra. Inona avy ny sasany amin’izany?
31. jimna ( 19/09/2006 05:27)
“Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” izay zatra manao zavatra lazain’Andriamanitra fa ratsy. (Galatiana 5:19-21) Afaka miala amin’izany fanao izany ianao raha tena tia an’Andriamanitra sy ta hampifaly azy. (1 Jaona 5:3) Mianara mankahala izay lazain’Andriamanitra fa ratsy. (Romana 12:9) Miaraha amin’olona manana fahazarana tsara. (Ohabolana 13:20) Afaka manampy anao ireo Kristianina matotra namanao. (Jakoba 5:14) Ambonin’izany rehetra izany, dia miantehera amin’ny fanampian’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka.—Filipiana 4:6, 7, 13.
32. prime ( 19/09/2006 15:30)
achia> efa tsara aloha rehefa mino e, fa ilay hoe "mino" mihitsy angamba izany no tokony hofotorana satria mora ny miteny @ vava hoe izaho mino (fanekem-pinoana ohatra)... fa rehefa resahina @ izay ny fitaizam-panahy tokony arahina mba ho tomombana eo amin'Andriamanitra dia miseho ny mahaolona ny tena (ilay ota)... ka eo no fototra ijoroan'ny fitaizam-panahy fa ao no misy ny aina... rehefa marefo ny aim-panahy dia na ny finoana aza mety maty... fa misaotra an'i achia fa tena "pertinent" be ilay fanamarihana...
jimna> =D misaotra mampatsiahy...
tsara raha miainga @ finoana avokoa ireo fa manjary lasa lalàna manavesatra fotsiny raha tsy mahatsapa ilay fitiavan'Andriamanitra akory ny tena...
^:^ ho an'Andriamanitra...
33. JOCH ( 20/09/2006 16:17)
le hoe mino mihitsy de zavatra 2 ihany no takiana de amin'ny vava sy amin'ny fo.
Ary tsy misy afa-tsy izay ny famonjena;
Fa voasoratra hoe"izay mino ahy na maty aza de ho velona indray ary izay velona mino ahy de tsy ho faty intsony"
tsy nisy fanampiny io fa rehefa tena le finoana marina no ao antinao de milatsaka ho azy ao aminao ny fanahy masina izay mahatonga anao ho tia ny tsara sy hankahala ny ratsy ary mahatonga anao manana hery hanatanteraka ny sitrapon'Andrimanitra sy hahafantatra izany.
De tanteraka ho azy le tantarain'i ranini hoe:
izay rehetra mahavita ireto dia voavonjy daolo
1) finoana
2) fibebahana
3) batisa (raha tsy ateraky ny rano ny olona dia tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra jaona3:5)
4 batisan'ny fahahy masina ( raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy...
5) maharitra h@ farany @ fanarahana ny didy rehetra sy ny sitrapony.
Nefa jereo fa mbola nilaza i Jesosy hoe (Matio 7: 22)tsy izay manao hoe Tompoko no hitra ny fanjakan'ny Lanitra fa Izay mano ny sitrapon'Andriamanitra.
34. cutie ( 20/09/2006 16:20)
amen =D
35. JOCH ( 21/09/2006 13:14)
tsy ho ahy alou io tehaka ataonao io ry cutie fa ho an'Andriamanitra an! satria izy no manome maimaimpoana ny famonjena izay mino.
Kanefa de aleo hovaliako ihany ny tehakao:-*:-*
36. cutie ( 21/09/2006 15:25)
aza taitra toi fa tsy ho an'i toi mitsy io :-D:-D:-D:-D
37. prime ( 22/09/2006 12:27)
:-P:-D:-D
38. mbelotavao ( 24/09/2006 03:44)
Ity misy fanontaniana iray.
Raha mino ianao kanefa manota @ fanahy masina dia tsy ho voavela mihitsy ny elokao,ary ho very izany ianao. Mba misy afaka manazava ve io?
39. prime ( 26/09/2006 09:25)
tsy hoe manota @ Fanahy Masina fa "miteny ratsy" ny Fanahy Masina... (blasfemia)
Ny nolazain'ny Mpitandrina Razafimanantsoa Edmond dia tsotra hoe, ny fampitoviana ny Fanahy Masin'Andriamanitra amin'ny fanahy hafa rehetra misy no endrika tsotra indrindra amin'ny fitenenan-dratsy Azy... (ankoatr'izay hoe tena manompa tsotra izao)
40. JOCH ( 27/09/2006 13:04)
cutie>na de mehezanao aza a d :-*:-*:-*:-D:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1126