Jesosy Kristy, Andiamanitra sa zanak' Andriamanitra?

41. ann ( 01/10/2006 11:18)
fa hono oa : araka ny fiheveranareo mety hisy ve zavatra iray sady ray no zanaka[mba diniho kely fa tena manapa-tsinay le izy],
ra ray izy de tsy ho zanak velively ,ary raha zanaka izy de tsy ho ray.
mpietraka ny fanotanina hoe: fa in ary izy ?
ny mba fakato aloha dia iraka izy , zany hoe Atra ilay avo nanendry azy mba hitory ny filazantsara.[jereo :MATIO 10:40, na koa midira any @ baiboly.org de tadiavo ny teny hoe: "zay naniraka ahy"]
ary ny teny hoe ''izaho sy ny ray dia iray ihany'' dia zao no andikako azy:
satria izy dia iraka , ka mila milaz aizy hoe izaho dia avy @ ilay naniraka ahy.
oh: raha misy olona nirahinao ,zany hoe solontenanao @ toerana iray , afaka miteny izy hoe zaho dia mpisolo azy, na koa izahay dia iray , satria mahatoky izy.
ary ny mampalahelo de saika efa nosivanina daholo ny zavatra izay tsy nazahoanan-tombotsoa[ mandrara @ fanaovana zavatra iray]ary misy az ny milaza hoe efa lany daty ny testameta taloha, fa testameta vaovao zao no ampiasana?
42. prime ( 02/10/2006 09:10)
:lol::wink:
43. isaka ( 04/10/2006 10:26)
ka bdb marina anie no manafangaro an'i Jesosy ho Andriamanitra azo hivavahana eee!!!
44. prime ( 04/10/2006 12:46)
Jaona 10:30
Jaona 4:26
Jaona 9:9
Jaona 1:1-18
IJaona 5:20
Genesisy 1:26

Dia ity misy fanontaniana tena goavana b fototra :
\"Inona no tena antony nanamelohan\'ny jiosy an\'i Jesosy? sy ny Synedriona? sy Pilato? sy ny Mpisoronabe?\"
45. ann ( 04/10/2006 19:09)
zany ve lesy de mbola ilana fanotanina efa mazava be fa ry zala tsy nakasitraka ny zavatra nataon'i jeso,
zany hoe :otran tsy nahazo aina ry zala satrai saika mifanohitra @ zay nataondreo ny zavatra nolazain'jeso.ohatra hoe : prezida de misy olona tsy manaraka ny tenin., ampitsofohany kely any izy satria tsy manaraka izay lazainy .kka hotranio koa ny raharaha jesosy sy ny jiosy.

46. prime ( 05/10/2006 07:32)
Izaho mahita hoe tsy mazava b... fitsaràna ho faty anie no niseho ary fitsaràna faratampony t@ jiosy sy ny rômana e... ka tsy zavatra tsotsotra fa tena heloka bevava mihitsy...
Ny nanamelohany azy dia satria Izy nilaza tena ho "Mesia", ilay voahosotra "Imanoela", "Andiamanitra velona tonga nofo"... izany hoe nanao blasfemia nampitovy ny tenany tamin'Andriamanitra, ka noraisin'izy ireo ho mpisandoka... ary dia izay no fototra namandrihany an'i Jesosy foana, t@ alalan'ny fakam-panahy sy ny fampitahàna fampianarana nataony raha oharina t@ nataon'i Mosesy...
Ary ny nanamelohana azy teo imason'i Pilato indray dia ny nilazàn'ny jiosy azy ho mpisandoka ho mpanjakan'ny jiosy izany hoe mpikomy @ fanjakàna rômana satria ny jiosy tsy nahazo nampijoro ny fanjakàny ankoatry ny fahefàna nomen'ny rôma an'ny Herôda... Ka izay milaza tena ho mpanjaka dia vonoina avokoa...
Ary d izay koa no nahatezitra ny Mpisoronabe ka nandrovitany teo imason'ny Synedriona ny akanjony maneho ny hatezerany t@ tenin'ny Tompo nilaza tena hoe "Izaho no Izy"...

Izany hoe ny fanamelohana an'i Jesosy hoe tsy Andriamanitra Izy, tsy Mpanjaka Izy, tsy ilay ho avy Izy, ilay hatr@ taloha indrindra ka ho mandrakizay na Alfa sy Omega Izy dia mitovy @ nataon'ireto mpitondra sy mpandraharaham-pivavahana, sy mpitondra fanjakàna t@ izany fotoana izany ihany...
Hatreo aloha...
47. isaka ( 05/10/2006 08:36)
araka ny voalaza ny Jaona1:18: Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.hita ary fa tsy Andriamanitra no nidina tety amintsika fa ny zanany,izay nitory ny momba an'Andriamanitra.
48. isaka ( 05/10/2006 08:53)
Tena mila mianatra momba an'Andriamanitra tokoa isika. satria nahoana; Jaona17:3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.Izany hoe raha tsy mahalala tsara an'ireo isika izany dia tsy mahazo ny fiainana mandrakizay!!!!!!
49. prime ( 05/10/2006 10:04)
Ny maha Andriamanitra an\'i jesosy tsy manafoana ny mahairaka Azy... tsy manafoana ny mahaZanaka Azy, tsy manafoana ny maha Mpaminany Azy... tsy manafoana ny mahaMpisoronabe Azy... raha vakiana ny hebreo toko 1 hatr@ toko faha-10 dia mampiseho ny fampitahàna an\'i Jesosy Andriamanitra feno mihoatra noho izay takatry ny olombelona...
Ankoatr\'ireo toko sy andininy voalaza ireo dia ny Hebreo 1:8 no fenitra maneho ny mahaAndriamanitra an\'i Jesosy...
isaka> marina ny lazainao fa iraka Izy, Zanak\'Andriamanitra Izy... fa izay dia ampy ho anao tsy maninona izany... fa diniho tsara ny Jaona 1:1-18 izay notsongainao manokana io dia ho azonao ny ampahany @ mahaAndriamanitra an\'i Jesosy... ilay \"Teny tonga nofo\"... ilay \"Mazava nidina ety @ haizina\"...
50. isaka ( 06/10/2006 05:09)
marina ny an'i prime fa tsy mahafoana azy tokoa; fa isika mila mahay manavaka azy tsara mihintsy: satria persona samihafa ny Ray sy ny Zanaka,ity andinin-teny ity dia efa afaka milaza izany Jaona1:18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.Izany hoe nanambara an'io Rainny io no nahatongavan' i Jesosy teto ambonniny tany fa tsy Andriamanitra no nidina tety akory.
51. prime ( 06/10/2006 09:59)
isaka> eny hoy aho, marina anie ny voambaranao e... fa alohan'io jaona 1:18 notsongainao io hoy aho dia vakio tsara manomboka @ andininy 1 ka hatr@ 18 dia ho hitanao fa Izy ilay "teny tonga nofo"... aza tonga dia dinganina fotsiny hoe ilay andininy 18 fa misy andininy maro2 ireo manambara ny mahaIzy Azy izay vao tonga eo @ io andininy faha 18 io...
Lazainao fa "personnes" samihafa ny Ray sy ny Zanaka... marina izany fa tsara tsipihina manokana ny nahatonga "nofo" an'i Jesosy... dia ao no misy ilay zavamiafina, @ mahaAndriamanitra Azy izay maneho ny mahaIzy Azy... raha raisina @ ara-nofo fotsiny Jesosy dia marina ny anao fa hafa ilay Ray naniraka Azy, dia hafa Izy ilay iraka (olombelona mitovy amiko sy ianao, mitafy nofo sy rà)... dia hoy ny voalaza : "Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra" Filipiana 2:6
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2526