Jesosy Kristy, Andiamanitra sa zanak' Andriamanitra?

21. LazaDaddy ( 14/09/2006 20:18)
Jesosy Kristy, Andiamanitra sa zanak' Andriamanitra?
Hoy i Thomas taminy:

"Tompoko sy Andriamanitro!"
"My Lord and my God!"
22. cutie ( 14/09/2006 20:19)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 14-09-2006 22:08:57
Lohateny : Re : Jesosy Kristy, Andiamanitra sa zanak' Andriamanitra?
Hoy i LazaDaddy:
"izay nahita ahy dia nahita ny Ray" hoy i Jesoa
ireo fatra-pitady fanazavana araka ny fahatakarany ny fiainana ara-nofo dia tsy ahazo ny dikan'io; fa "araka ny Fanahy no ahafantarana izany" hoy i Paoly

de maman-panahy ve i lazadaddy e :-D:-D:-D
23. prime ( 15/09/2006 11:34)
24. baregenaina ( 15/09/2006 14:06)
jereo kely ity rehefa avy natao batisa Jesoa dia ireto 3 ireto no niseho
1) nivoaka avy tao anaty rano Jesoa avy natao Batisa
2) nipetraka ny fanahy masina naka endrika voromailala
3) nisy feo avy tan an danitra niteny hoe ity no zanako mamalako izy no sitrako.
rah ireo no jerena de 3 zany zareo, Jesoa tao getsemane nivavaka t@ Atra( izy ve de hivavaka @ tenany), vavaka nampianarin Tompo manao hoe RAINAY IZAY ANY ANDANITRA nefa izy mbola teto antany nampianatra io
de anjaranareo no mahita oe iza ilay Atra hivavahana
25. miangalyandria ( 16/09/2006 04:11)
eny ho'aho ry Baregenaina !
26. fijo ( 16/09/2006 05:05)
sady tsy izy lery no tsy zanany fa zazasary.sy mpandrava tsena.
27. cutie ( 16/09/2006 15:33)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
28. boubounezy ( 17/09/2006 00:48)
ary indro ny virjiny hiteraka zazalah, ary ny anarany dé atao wé; I MAHAGAGA,"ANDRIAMANITRA MAHERY" SY ANDRINY FIADANANA tsy tadidiko tsony izy retra fa ao @ baiboly io ka @ko zany I Jesôsy no Andrémanitra.
Jehovah kou dé Andremanitra @ko.
29. miangalyandria ( 17/09/2006 13:44)
zany hoe misy anankiroa zany boubounezy :?:
30. ranini ( 18/09/2006 10:17)
Marinia ny anao ry boubounezy fa izao mba jereo tsara ny Baiboly.Lazainy hoe ANDRIAMANITRA MAHERY i Jesosy eo fa tsy lazainy hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA.Mahay manavaka tsara ireo teny ireo angaba ny olona misaina retra hoe samy hafa ireo teny ireo sa aona? Vakio koa ny Kolosiana 1:15 fa Noforonina iJesosy ary antsona hoe LAHIMATOA ny zavboary retra.aza mijery andininy 1 na 2 fotsiny fa ny Baiboly 1 manontolo jerena.Mbola tsy tonga tety antany i Jesosy de efa nisy ny atao hoe TRINITE.i Jesosy anefa tsy nilaza mitsy hoe izy Andriamanitra mitovy @ Rainy any an-danitra.jereo koa ny I kor 8:5-6 fa manazava ny toerana tanan'ny Ray sy Zanaka.
zay fa mahereza daolo ndray ee!!!!!!!!!!
31. prime ( 18/09/2006 13:09)
Andriamanitra dia iray ihany...
Ny asan'Andriamanitra dia miseho amin'ny endrika maro... fa ny nahafantarana Azy dia mahaRay, Zanaka, Fanahy Azy fony mbola tsy ary akory izao tontolo izao... ny mahaRay Azy dia voalaza ao amin'ny testamenta taloha rehetra (miampy ny apôkrifa sy ny kanônika rehetra) amin'ny mahaIzy Azy (Tsitoha) tao amin'ny voninahiny hatramin'ny namoronana izao tontolo izao ka mandrak'ity ny androany... ny mahaZanaka Azy tao amin'ny Jesosy, t@ naha-Teny tonga nofo Azy ka nanambaràny ny tenany ho Andriamanitra ("Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Jaona 10:30) sy mahaAndriamanitra Azy ("Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay" 1Jaona 5:20) ary nandraisany ny fahefàna rehetra ety an-tany ka hatrany an-danitra ("...Efa nomena Ahy ny fahefàna rehetra any an-danitra sy ety an-tany" Matio 28:18)... ny mahaFanahy Masina Azy dia nagamba tsy dia mila hazavaina betsaka intsony...
32. jimna ( 19/09/2006 05:14)
Fanahy tany an-danitra i Jesosy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Izy no noforonin’Andriamanitra voalohany indrindra. Izany no iantsoana azy hoe Zanak’Andriamanitra “Lahimatoa.” (Kolosiana 1:15; Apokalypsy 3:14) I Jesosy no hany Zanaka noforonin’Andriamanitra mivantana. Nampiasa an’i Jesosy ho “mpità-marika” kosa anefa i Jehovah rehefa namorona ny zavatra hafa rehetra tany an-danitra sy tetỳ an-tany. Mbola tsy tonga olombelona i Jesosy tamin’izay. (Ohabolana 8:22-31; Kolosiana 1:16, 17) Nampiasain’Andriamanitra koa izy mba ho mpitondra teniny lehibe indrindra. Izany no iantsoana an’i Jesosy hoe “ny Teny.”—Jaona 1:1-3; Apokalypsy 19:13.
33. prime ( 19/09/2006 11:03)
Tonga dia ahitsiko ianao fa Jesosy tsy noforonina...
"Izaho no Alfa sy Omega hoy ny Tompo, ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha" Apokalipsy 1:8
"Ary hoy Izy (Jesosy) tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafaràna..."
Ny amin'ny Kolosiana ambaranao dia voalaza fa Lahimatoa tokoa Izy, fa tsy lahimatoa ara-nofo araka ny mahaolona akory no tian'ny tenin'ny soratra masina ambara etoana fa manamafy ny voalaza eo @ jaona 1:1-18 io fa Izy dia efa nisy na mbola tsy hary ary izao tontolo izao, tamin'ny alalany no namoronana izao tontolo izao ary ho Azy no antony namoronana izao tontolo izao... hatreo aloha fa sao lava loatra
34. HESHA ( 21/09/2006 09:32)
Raha mandinika izay rehetra voalaza teo aho dia mahatsapa fa misy foto-kevitry ny Temoin de Jehovah ato zay tsy manaiky an i Jesoa ho Andriamanitra.
Ny trinite raha ny fanazavan ny momperanay azy de ny eglizy no namorona io tam fampianarany, hanasokajiana ireo personnalite raisin'Atra (Ray, Zanaka, Fanahy Masina) fa tsy misoratra velively ao anaty Baiboly.
Ra za manokana, ekeko fa isan'ny Andriamanitra i Jesoa satria Zanany ary matoa am alalany no ahazoanao mangataka izay tianao amin'Andriamanitra dia tsy azonao dinganina izy zani
35. jimna ( 22/09/2006 09:40)
fa tsy Andriamanitra natao hivavahana izy, fa nolazaina fotsn hoe andiamanitra mahery!!
36. prime ( 22/09/2006 12:13)
:wink: samy hafa v izany?...
37. HESHA ( 27/09/2006 15:27)
ka tokoni ho hafa no fipetraki ni size ra zani ko, hoe Andriamanitra ivavahana sa maheri i Jesoa
38. prime ( 28/09/2006 10:35)
:lol:
39. daran ( 28/09/2006 14:25)
Ny teny hoe "Andriamanitra" anie reto ka anaram-boninahitra e!! Betsaka no azo antsoina "Andriamanitra" fa tokana ihany ilay Andriamanitra Tsitoha dia ny Ray. I Jesosy dia Andriamanitra. Anaram-boninahitra mendrika an'i Jesosy zany fa tsy izy mihitsy ilay Tsitoha satria nisy nanome fahefana izy. Lay mpanome zany no ANdrimanitra Tsitoha.I Jesosy koa Andriamanitra satria mahery koa izy. Ary manarakaraka ny Rainy.
40. prime ( 29/09/2006 08:54)
HESHA:
ka tokoni ho hafa no fipetraki ni size ra zani ko, hoe Andriamanitra ivavahana sa maheri i Jesoa
:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4087