TSITAKO TSONY Zé ATAO F MBA OMEO CONSEILS EEE!!!

1. xxx ( 26/08/2006 14:29)
Lavalava ihany lé resaka fa zao ry reto a!:miaraka am lhl aho efa 4ans zay nefa tsy tian'ny ray aman-dreniko mits izy surtout ny reniko satria efa nanambady ary manan-janaka 1 fefa nisaraka.Nisy fifandirana b noho izany ny tamnay tao atrano ka noroahina mitsy aloha aho.Nifankatia be nefa izahay ary niara_nipetraka nandritry ny 3 ans.Hatramzay nerahanay nipetraka d tsisy problème mitsy ny aminay 2 fa d nifankatia,nifanampy,tsy nifanary mitsy ary manana projet maro sy but zahay na dia betsaka ary ny fanenjehana ataon'ny fianakavina.Nalahelo ahy ndray nefa r zareo tao atrano taty aoriana k nangataka ahy mba hiverina ary na zà ko ary nalahelo sy te-ihavana taminy ndray.Nanaiky ny ipetraka tany atrano ndray aho ary nanaiky ko ny olo-tiko fa nangataka kosa aho oe refa week-end d mba matory any aminy.Tsy manaiky anzany anefa ny reniko sy ny zokiko V f oe:refa mipetraka ato atrano= manorina fiainana vao2 mitsy.Renay tamn oul akaiky maro koa f tsy hanaiky ny hivadianay mihitsy ry zareo ary tsy maintsy hataon'izy ireo ono ny hampisaraka anay fa hotambatambaziny tsara ono za.Malahelo mafy amzany zà sy lé olo-tiako ka nangataka ny iresaka tsara amzareo ny tena projet anay,sns.. nefa d zao ny navaliny oe:"zahay tsy mfampraharà amniza na iza zany mitsy!" Ny olana d zao: tsy azon'ny rayaman-dreniko mitsy fa zà efa manana fiainana hafa naoriko tao anatin'izay 3 taona izay ary ny tanjonay d oe :on ira jusqu'au bout ary hampiseho amn'oul fa hivady izahay malgré ny fanenjehana anay.Izaho koa nefa tsy hi-abandonne mitsy satria efa manakaiky ny but-anay izahay, ny fotoana mandeha ihany(23 ans aho ary 24 ans ny olo-tiako).Ry zareo nefa tsy mety mi-accepter anzay mitsy ary tsy azo resahina akory!!!Amzao ftoana zao ary d lasa otran'oe iadivan'izy roa tonta aho:1-ny OLO-TIaKO satria miteny ahy iz oe"ny fiainatsika jerena,zà mba mila anao",sns..ary 2-ny RAY AMAN-DRENIKO sy ny zokiko V izay tsy tia anay miaraka mihitsy k vao maheno n anarany aza d mi-chauffe.(Misy fianarana tokony ho ataoko ohatra atsy ho atsy d samy miady ny handoa ny ecolageko ry zareo!:Satria ra mandoa ny ecolageko ny reniko d midika izany f tokony mba hanaraka sy hanaja ny discipline_any aho fa raha ny olo-tiko no handoa dia tezitra ndray ry zareo d mitarika adyn fialako ao atrano ndray izahay.Sarotra be amiko nefa ny hanao CHOIX amzany satria tsy te-hiady amn' ao atrano tsony aho ary surtout tsy te-handao an'i dadanay aloha satria nandraiky narary izy noho ilay fialako tao atrano(efa be ihany zay 3 ans zay!) nefa tiako ko ny olona miaraka amiko ary izy tia ahy.Zà zany mba efa mitady marimaritra iraisana ny amin'ny oe mipetraka ao aminay aho fa refa week-end d any aminy!Tsy mety miaraka mihitsy nefa zay zvt zay ka tsitako tsony ze atao fa zany fona no iainako isan'andro e!! Ka inona ry reto ny torohevitra mba omenareo ahy!!!merci
novalian'i fiderana ny 14/09/2006 06:07
2. pissoa ( 26/08/2006 15:01)
Izaho aloha mi-comprendre ny RAD-nao satria olona efa nisaraka tamin'ny vady aman-janany ny olona iarahanao.
# Mety manahy izy amin'ny hoavinao: sao ho voan'izay ilaozam-bady eo koa ianao sy ny zanakao. Rehefa nataon'ilay rangahy in-1 ilay izy, dia afaka matoky ve ny olona fa tsy ho ataony fanindroany?
# Kristianina ve ny ianareo? Inona avy no efa nisy tamin'ilay lehilahy sy ny renin-janany?

Noho izany amiko, raha tianao ankasitrahan'ny fianankavianao ny olon-tianao dia mila porofoina fa vehivavy tena tsy misy ilavana azy mihitsy ny renin-janany. (Enga anie mba ho izy no izy - raha tsy izay mantsy dia ilay lehilahy izany no nanondrana ka omena tsiny ve ny fianankaviana? )

Rehefa tsy mety mihitsy ny hankasitrahana an'ilay olon-tianao, dia ataovy fotsiny ny safidinao ... Tsy mora, fa ataovy. Eritrereto avy ny mety hitranga amin'ny herintaona, amin'ny 2 taona, afaka 3 - 5 - 10 - 20 ... taona raha manana tanjona ny haharitra. Raha tsy manana tanjona ny haharitra kosa dia miverena fotsiny any amin'ny fianankaviana fa inona no hanomezana aretina ny rainao noho ny zavatra tsy haharitra sy horavaina fotsiny?

Mahereza :-*
3. soanja ( 26/08/2006 22:40)
Ny hevitro indray dia hoe: Inona no safidinao? Izay safidin'ny fonao arahina. Matoa anefa raha misafidy ny fonao an'io safidy io dia tokony zavatra misy lanjany no hosafidiany ary hisy tanjona.
Ankoatr'izay dia afaka mandefitra daholo.
Amiko aloha dia miezaka ny ho independente aloha aho vao afaka maka safidy.
Ohatra hoe raha te hanambady izany olona izany aho dia tsy misy afaka manakana ahy tokoa. Rehefa ela ny ela ve tsy hanaiky ny fianakaviako raha tena tiany tokoa aho. Ny fanekena ny safidiko izay tsy hitako izay maharatsy azy no fanehoam-pitiavana lehibe azon'ny fianakaviana omena ahy. Ny fahasambarako no tokony ho fahasambarany. Fa tsy hoe ry zareo no mahalala ny mahasambatra ahy.
Amiko koa dia afaka miova ny olona iray. Mety diso lalana izy tamin'ny vadiny voalohany fa efa hitany ny lalana tsara amin'izao dia ho tsara lavitra noho ny taloha ny fiainam-pianakaviany raha tsy hoe aretina no mahazo azy ka voatery nisaraka , ohatra hoe mpamono vady aman-janaka, mamolava, mpiloka sns izay azo ialana tsara KOA. Tadidio fa manova olona ny fitiavana . Raha tena tiany ianao dia hiova izy ary ny hahasambatra anao no katsahiny.
Farany dia hoe: Tsy aleonao ianao ihany no mandoa ny ecolage-nao? Mba mitady asa eny satria 23 ans izany efa afaka miasa ihany sady mianatra. Toy izay miankin-doha aman'olona dia lasa izy no mandidy ny fiainanao?

4. Zina ( 27/08/2006 02:29)
Amiko aloha dia miezaka ny ho independente aloha aho vao afaka maka safidy.

marina mihitsy ity satria
quote]Eritrereto avy ny mety hitranga amin'ny herintaona, amin'ny 2 taona, afaka 3 - 5 - 10 - 20 ... taona raha manana tanjona ny haharitra[/quote]

avy eo ianao afaka mihaina tsy misy mi-dependre @ na iza na iza na dia nanao gourde ary ianao...

Mivavaha foana fa Antra mahafantatra ny mahasoa anao.
5. pissoa ( 27/08/2006 07:25)
Soanja:
Ny hevitro indray dia hoe: Inona no safidinao? Izay safidin'ny fonao arahina. Matoa anefa raha misafidy ny fonao an'io safidy io dia tokony zavatra misy lanjany no hosafidiany ary hisy tanjona.
Ankoatr'izay dia afaka mandefitra daholo.

Miombon-kevitra hoe ny safidinao arahina ... fa tsy ny an'ny fo satria ny fo tsisy saina :-D:-D:-D Fa saintsaino tsara izay tianao atao.

Soanja:
Ohatra hoe raha te hanambady izany olona izany aho dia tsy misy afaka manakana ahy tokoa. Rehefa ela ny ela ve tsy hanaiky ny fianakaviako raha tena tiany tokoa aho. Ny fanekena ny safidiko izay tsy hitako izay maharatsy azy no fanehoam-pitiavana lehibe azon'ny fianakaviana omena ahy. Ny fahasambarako no tokony ho fahasambarany. Fa tsy hoe ry zareo no mahalala ny mahasambatra ahy.

:-D:-D:-D
Ary raha havadika kely ny rasa. Raha atao hoe:
Rehefa ela ny ela ve tsy hanaiky ny fianankavinao ihany ve ianao raha tena tia azy? Ny fanekena ny safidiny izay tsy hitany izay maharatsy azy no fanehoam-pitiavana lehibe azonao omena ny fianankavianao (mba manomeza ozizy sefa fa aza mitady handray fotsiny :-D ). Ny fahasambarany no tokony ho fahasambaranao. Fa tsy hoe ianao no mahalala ny mahasambatra azy. :-D:-D:-D

Soanja:
Amiko koa dia afaka miova ny olona iray. Mety diso lalana izy tamin'ny vadiny voalohany fa efa hitany ny lalana tsara amin'izao dia ho tsara lavitra noho ny taloha ny fiainam-pianakaviany raha tsy hoe aretina no mahazo azy ka voatery nisaraka , ohatra hoe mpamono vady aman-janaka, mamolava, mpiloka sns izay azo ialana tsara KOA.

Ie -afaka miova daholo ny olona. Raha hendry be izy taloha, mety lasa hendry kokoa - mety lasa maditra be. Raha maditra be izy taloha, mety lasa maditra lavitra kokoa, mety lasa hendrihendry. Noho izany - ny hany azonao atao, ny manantena fotsiny hoe enga anie hiova ho tsara izy ... Tsy misy garantie na hoe fantatra mialoha io, fa ao ianao mahita izy :-D:-D:-D

Soanja:
Tadidio fa manova olona ny fitiavana . Raha tena tiany ianao dia hiova izy ary ny hahasambatra anao no katsahiny.

xxx: tena tiany - ary ho tiany foana ve ianao? Tsy dia ilaina valiana io akory, fa ny tiako tenenina dia hoe raha mifidy ny hiaraka aminy ianao - dia aza hadino fa manana andraikitra koa mba hitiavany anao foana ... (sao hiala amin'ny fianankaviana ianao, nefa tsy haharitra akory any amin'izay alehanao)
6. fek ( 27/08/2006 08:07)
manana cas mitovy aminao koa aho saingy ny ahy tsy afaka manoatra ry zareo satria zaho no miahy azy de tsy maintsy manaiky izy. Hoatry ny hoe mampisafidy fianankaviana sa le olon- tiana. Fa zao raha mety hisy irika na de kely fotsiny aza de aleo sady mifanaraka ny RAD sy le olon- tianao
7. booboo ( 27/08/2006 08:21)
xxx > mba anoraty ary @ hafatra manokana zaho azafady. Tsy tiako zaraina eto ilay izy fa isam-pianakaviako nandalo ary misy mandalo an'io koa @ zao.
8. soanja ( 27/08/2006 23:12)
Soanja:
Ohatra hoe raha te hanambady izany olona izany aho dia tsy misy afaka manakana ahy tokoa. Rehefa ela ny ela ve tsy hanaiky ny fianakaviako raha tena tiany tokoa aho. Ny fanekena ny safidiko izay tsy hitako izay maharatsy azy no fanehoam-pitiavana lehibe azon'ny fianakaviana omena ahy. Ny fahasambarako no tokony ho fahasambarany. Fa tsy hoe ry zareo no mahalala ny mahasambatra ahy.

:-D:-D:-D
Ary raha havadika kely ny rasa. Raha atao hoe:
Rehefa ela ny ela ve tsy hanaiky ny fianankavinao ihany ve ianao raha tena tia azy? Ny fanekena ny safidiny izay tsy hitany izay maharatsy azy no fanehoam-pitiavana lehibe azonao omena ny fianankavianao (mba manomeza ozizy sefa fa aza mitady handray fotsiny :-D ). Ny fahasambarany no tokony ho fahasambaranao. Fa tsy hoe ianao no mahalala ny mahasambatra azy. :-D:-D:-D

Soanja:
Amiko koa dia afaka miova ny olona iray. Mety diso lalana izy tamin'ny vadiny voalohany fa efa hitany ny lalana tsara amin'izao dia ho tsara lavitra noho ny taloha ny fiainam-pianakaviany raha tsy hoe aretina no mahazo azy ka voatery nisaraka , ohatra hoe mpamono vady aman-janaka, mamolava, mpiloka sns izay azo ialana tsara KOA.

Ie -afaka miova daholo ny olona. Raha hendry be izy taloha, mety lasa hendry kokoa - mety lasa maditra be. Raha maditra be izy taloha, mety lasa maditra lavitra kokoa, mety lasa hendrihendry. Noho izany - ny hany azonao atao, ny manantena fotsiny hoe enga anie hiova ho tsara izy ... Tsy misy garantie na hoe fantatra mialoha io, fa ao ianao mahita izy :-D:-D:-D

Soanja:
Tadidio fa manova olona ny fitiavana . Raha tena tiany ianao dia hiova izy ary ny hahasambatra anao no katsahiny.

xxx: tena tiany - ary ho tiany foana ve ianao? Tsy dia ilaina valiana io akory, fa ny tiako tenenina dia hoe raha mifidy ny hiaraka aminy ianao - dia aza hadino fa manana andraikitra koa mba hitiavany anao foana ... (sao hiala amin'ny fianankaviana ianao, nefa tsy haharitra akory any amin'izay alehanao)
[/quote]

Raha ny fahitako ny fiainana aloha dia ny tena (One) ihany no mahafantatra ny mahasambatra azy fa tsy ny hafa mihitsy. Azonao ampiasaina tokoa ny saina saingy hoy aho hoe izay tian'ny fonao no araho. "Follow your heart" satria io no hanome anao fahafaham-po indrindra.
Raha efa niaraka elaela izany ianareo dia ka tsy nisy olana fa mbola tinao izy ary izy mbola tia anao dia efa signe tsara izany milaza fa mety ny aminareo ary misy fanantenana. Saingy tadidio fa tsy misy guarantee ny fiainana. Na vadiko izao efa folo taona mety hanary ahy rahampitso. Saingy ireto telo ireo no tokony ho fototry ny tokatrano: Fitiavana, Fifampitokisana ary Andriamanitra (love, trust and God) raha vao tsy miaraka ireo dia mitongilana foana ny raharaha. Ka na tsy misy guarantee aza ny fiainana dia afaka maka "the best shot" (maka risk tsara indrindra dia ny fanarahana ny fonao) ianao satria fantatrao ilay olona miaraka aminao satria tokony ho ao ireo tokotelo mamasa nahandro ireo.



9. pissoa ( 28/08/2006 10:29)
Raha ny fahitako ny fiainana aloha dia ny tena (One) ihany no mahafantatra ny mahasambatra azy fa tsy ny hafa mihitsy.

Izaho tsy nanda an\'io ... (jereo ny nosoratako etsy ambony). Fa i Soanja miteny hoe ny fahasambaranao no tokony ho fahasambarany --- dia mety koa izany, hoy aho, hoe ny fahasambarany no tokony ho fahasambaranao ;):-D:-D:-D

Azonao ampiasaina tokoa ny saina saingy hoy aho hoe izay tian\'ny fonao no araho. \"Follow your heart\" satria io no hanome anao fahafaham-po indrindra.

Ampiasaina atao reraka fotsiny ve ny saina - fa avy eo tsy henoina akory raha manohitra ny fo? Tezitsa be amin\'izany ny saiko :roll::-D:-D:-D

Ampiasao ny saina, ataovy izay hitan\'ny sainao fa mety ... saingy ataovy amim-pitiavana (fa tsy sanatria higafy na hiandry kendry tohana)

Raha efa niaraka elaela izany ianareo dia ka tsy nisy olana fa mbola tinao izy ary izy mbola tia anao dia efa signe tsara izany milaza fa mety ny aminareo ary misy fanantenana.

Ao anaty olana be izy manontany izao ka :lol:

Saingy tadidio fa tsy misy guarantee ny fiainana. Na vadiko izao efa folo taona mety hanary ahy rahampitso. Saingy ireto telo ireo no tokony ho fototry ny tokatrano: Fitiavana, Fifampitokisana ary Andriamanitra (love, trust and God) raha vao tsy miaraka ireo dia mitongilana foana ny raharaha.

Miombon-kevitra.
Fitiavana: ho an\'ny Vady sy Fianankaviana
Fifampitokisana: aminao sy ny Vady sy ny Fianankaviana
Andriamanitra: Ho an\'ny Vady sy ny Fianankaviana

Rehefa tsy samy misy ireo ho an\'ny vady sy ny fianankaviana - dia tsy mahatsiaro sambatra ny olona tena notaizain\'ny RAD ary nandray ny fitaizan\'ny RAD.

Ka na tsy misy guarantee aza ny fiainana dia afaka maka \"the best shot\" (maka risk tsara indrindra dia ny fanarahana ny fonao) ianao satria fantatrao ilay olona miaraka aminao satria tokony ho ao ireo tokotelo mamasa nahandro ireo.

Ny risk ratsy indrindra eo amin\'ny fiainana dia ny manaraka ny fo :-D:-D:-D

Rehefa ny \"fo\" no arahina dia voailika Andriamanitra satria ny eritreritra no manenjika antsika rehefa tsy manao ny sitrak\'Andriamanitra fa tsy ny fo. Zava-misy io. Jereo ny zavatra ataon\'ny olona manaraka na entin\'ny fo amin\'izao fotoana izao: Famonoana tena, Famonoana olona, Fampirafesana sy Fijangajangana, sns.

Zavatra roa no mba tena hain\'ny fo eo amin\'ny fiainantsika olombelona. Ny iray midobodoboka (le hoe vao naheno ny anarany zah dia (l)(l)(l) ) Ary ny iray manetsetra =))=))=))
10. Fomena ( 28/08/2006 11:01)
(l)(l)(l)
11. soanja ( 28/08/2006 15:03)
Pissoa> Raha ny safidiny anie no anontanianao dia ireo roa ireo no miaraka e (Ilay olona sy ny RAD) saingy ireo indrindra no olana.
Tsy mitovy ny fomba fijerin-tsika sy ianao ny fiainana aloha for sure ary tsy probleme akory izany. Ny fo tsy afaka misaina satria ny zavatra rehetra dia any amin'ny atidoha daholo zany hoe ny saina. Saingy misy karazany be dia be ny zavatra ao anaty atidoha ao. Dia misy ny baikon'ny fo ary misy ny bakon'ny saina. Ary eo amin'ny fitiavana io no tena miasa matetika na safidy.Azy izao ny safidy amin'ny hevitra natolontsika.
12. pissoa ( 28/08/2006 17:33)
:-D:-D:-D

Ny tiako ambara dia manana safidy foana izay te hanana, mba hanana vady+fianankaviana raha izay no tena tiany :)

Ie hoa - misy baikoin'ny fo: midobodoboka sy manetsetra :-D:-D:-D
13. xxx ( 29/08/2006 08:12)
ok! merci bcp ry reto am torohevitra sy ny hevitra natolotrareo fa tena mapiakatra ny moral-ko mitsy ireo!Zà ko manko tena olona indécise sy tsy mahatoky tena be ihany hatramzay ka hiezaka sy hivavaka mafy aho mba hiova amzay fa zany ko no tena tsy afahako manapa-kevitra sy manao safidy mihitsy!Misaotra betsaka fa misy hosaintsainina daolo ireo!
14. miranto ( 29/08/2006 09:38)
izao ankia no mba hevitro @ io tantara ndry io an,
efa niaraka nipetraka 3 taona izany nareo ,efa mba elaela sy nisy nifankafantarana kosa angamba izay,ka enao ihany no mahita hoe mety aminao le izy , misy fitiavana tokoa nandritra izay 3taona izay,ary heritrereto tsara fotsiny hoe inona dahôly ny tsara sy ny ratsy efa niseho tao anatin\' izay ,fa rehefa mety sy nahatsiarovanao fahasambarana nandritra an\' izay , ary nahatsampanao ihany koa fa tena tia anao le olon-tinao ,de manampaha hevitra ka le olontinao no tsinjovy, ary ampetraho @Atra ny fitiavanareo mba aharitra sy mba hamenatra ny mpankahala,ary ankino @ Atra ihany koa le fianakavianao mba hanaiky ny hivadinareo roa,
fa raha sanatria ka tsy ohatr\' izay indray ny fahantsampanao ny fitiavana nisy teo aminareo, de miheritrereta dieny izao mba tsy hanenenana any ahorina sy tsy hampitsanga menatra anao eo anatrehany fianakaviana ,
izay no mba hevitra hitako fa de mirary soa ho anao
15. HESHA ( 30/08/2006 10:24)
Pissoa ==> Mafy be njy ra zany satria ny saina foana no mitondra ny retsaretsa
Miranto ==> za kou mitovy hevitra aminao
Soanja ==> marina avokoa izay voalazanao teo

Fa ity misy adino kely sady mety hanampy an xxx :
ny rainao no aoka hatoninao aloha hanazavanao ilay safidy, izy no afaka manalefaka ny reninao sy ny zokinao. andramo ange e
Dia mirary soa
16. iriko ( 04/09/2006 15:06)
Marina daholo ny nolazain\'ny namana rehetra teo alohako, ary faly mihitsy aho fa afaka manoro hevitra tsara kay ny rehetra rehefa sendra ny olana toy izao,ny mba teniko sy torohevitro dia izao:ny fitiavana dia tena sarobidy @olona tsirairay izay manana azy, voalohany: fakafakao tsara sy fantaro tsara ny momba ny olotianao(na inona izany na inona)ianao ihany no mahafatara izany, dia diniho tsara ny hoavinao,ny hoavinareo.
Jereo koa ny pblm misy eo@ fianakavianao (mety mantsy zavatra tsy de manao ahoana loatra fa hoe efa nanambady sy niteraka dia izay no mitarika fankahalana) ny rainao mety mpanelanelana dia izay no mankarary azy, satria tia anao izy no tiany koa ny reninao sy ny rahavavinao.

Ampitahao ny pblms roa ireo dia jereo izay tokony hisy anao. Izao anefa no tadidio fa samy tokony hanana ny fianany manokana avokoa ny tsirairay,misy teny ao @soratra masina manao hoe: Manaja ny Rainao sy ny Reninao (nefa izany tsy midika hoe:ekeo daholo na tsy mety aza,ary ny Ray aman-dreny mety diso koa anie).

feheziko ny teniko: fakafakao tsara ny zavamisy @ roatonta, dia tsoahy tao ny vahaolana,mivavaha,eto ambavaka isan\'andro izy ireo, dia mandraisa fanampahan-kevitra,mba hirosoanao @ fiainanao ny hoavinao.
Dia mivavaka ho anao koa aho, ho an\'ny fianakavianao,ary ny olotianao,
Dia mahereza.
17. pissoa ( 10/09/2006 18:17)
HESHA:
Pissoa ==> Mafy be njy ra zany satria ny saina foana no mitondra ny retsaretsa

Tsy hoe zah no mafy be izay no fiainana ... Na ny fo (fara-faharatsiny ilay :} ) aza dia ny saina koa no mibaiko azy! Vakio ny torohevitra omena ny manana te hanadino ny olon-tiany ireny (Cf forum serasera :-D:-D:-D ) raha tsy matetika dia hoe ataovy occupe foana ny saina fa farany hadino ihany ... Izany hoe (araka ny hevitry ny forumistes :-D:-D:-D ) rehefa ny saina no tsy mandeha any amin'ilay olona intsony, dia tsy mandeha any koa ny fo. :roll:

Tsy tian'ny olona ekana fotsiny io, na dia teneniny an-kolaka isan'andro aza (Cf - forum serasera :-D:-D:-D ) satria manjary mahazo tsiny izy raha vao manaiky hoe ny saina no mitondra an'io ... Lasa tsy afaka miteny intsony hoe ka ny izany ny fitiavana (rehefa te hampirafy na te hisatsaraka) ohatra :-D:-D:-D
18. simplex ( 10/09/2006 19:50)
Tsy mba misy tsy ho diso
Fa izay mikiry no adala
Ny fitia no hamafiso
Tano mafy tsy hiala
Aoka re tsy ho kirina
Raha toa anarin'olon-tiana
Mibaboha lalandava
Mba ho miramiran-tava


Raha miteny Ndrematoa
Aoka hihaino Ramatoa
Raha mananatra Rafotsy
Aza dia mamotsifotsy


19. simplex ( 10/09/2006 19:58)
averiko @ le size @ zay fa sao de mahazo felaka eto :-D:-D:-D

-Mety misy zavatra hafa ankoatry ilay hoe efa niteraka 1 sy nisaraka ve izy.
-Mbola tsy voavaly le hoe: nanin no nisaraka ry zareo.
-Tena io ve no antony naha voaroka anao? sa enao no nisafidy ny handeha?

Samy tia anao doly na ny fiankams na i lery. Mila savaina kely fotsiny hoe inona no tena olana. Aza adino fa matoa enao niverina mba zaza nateraka ihany, sinon tsy nasianao sirany akory ny fangatahany anao hiverina. Ny RAR akory tsy hanolo-bato mafana hoanjanany. Azavao aminy fa tsy vato mafana lery. Na farafaha ratsiny, lazao azy fa tsy tena mampatahotra be ilay "situation", ary izay no fiainana, safidy tianao idirana.

Miandry anireo fanazavana fanampiny ireo. Teneno doly ny zava-drehetra fa tsisy hitsara anao akory eto. Merci.

:-*:-*
20. ninih ( 11/09/2006 10:45)
jereo ampilaminana tsara fotsiny aloha ny olana misy de ampifandanjao ny \"pour\" sy \"contre\" ny tranga retra izay mety hiseho @ ireo olona samihafa retra eo @ fiainanao e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7079