AMBOHIPO

1. naritsimba ( 25/08/2006 12:06)
Nahita ilay resaka ao @ ilay Dinika VAVOLOMBELONA ny tena ka lasa ihany ny eriteritra sy ny saina mikasika an'Ambohipo, ary nahita ilay blog nataon'ny namana iray.
Ka izao no hevitra hitako, inona moa no manakana antsika izay nipetraka teny Ambohipo fahiny sy izahay mbola eny raha toa ka mba manao izay ahitana hevitra ahafahana mamerina ny fahiny e!
Mampalahelo fa tsy nahatazona ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ny tanora ankehitriny miaina eny. Taloha dia tsy nifampihafahafa fa dia nifankahalala daholo ny isam-baravarana, fa ankehitriny kosa dia tena tsy hay intsony, mahita ireo manoratra ao @ ilay blog aho dia mahita fa misy ireo mpiara-nianatra fahiny toa an'izany kanaivo izany efa tsy eny intsony fa any ivelany fa tena mbola mahatadidy ny fanaovana belote sy ny sisa e!
koa raha misy ny te-hifanoratra amiko na manana hevitra dia arosoy fa zahay vonona foana.
Alefaso @ ity adresse e-mail ity: rbenjamin@cem.mg
2. Fiffi ( 25/08/2006 12:46)
de hivavahana ny hiverenan'ny firaisankina sy ny fifankatiavan'ireo tanora izay mbola any sy ny fandraisan'ireo aty hivelany anjara koa! :)
3. Simpona ( 25/08/2006 12:51)
ho an'ny tanora ny "firaisana" efa betsaka fa ny "hina" sisa tadiavina :lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol:
4. boubounezy ( 25/08/2006 13:18)
za alou tsy mahay belote e! miala tsiny na mba te anampy aza.
5. vale ( 25/08/2006 13:21)
:roll::roll:
6. lavitra ( 25/08/2006 16:14)
7. booboo ( 25/08/2006 16:29)
hum...
8. naritsimba ( 25/08/2006 17:40)
Tsy sanatria ka firaisana ara-nofo no tiana lazaina eto ry Simpona fa resaka firaisan-kina.
Ianao mihitsy angamba ilay voadonan'io resaka io matoa mamaly an'io toy izao, dia tao anatin'ilay nipetraka teny @ CUR ka tsy nahalala nanaja ny tsara.

fiffi> @ izao ange ka tena lasa tananan'ny manan-tsaina tsy mahalala fomba ny misy anay eh!
Mampalahelo fa dia sady anjakan'ny loto no mbola anjakan'ny avara-pianarana tsy voafehin'ny lalana fa dia sahy manambany ray aman-dreny tsotra izao. ianao miteny ny tokony atao indray no ambaniana, soa ihany fa miezaka mafy ny fiangonana na inona finoany na inona fa raha tsy izany dia asa angamba!
9. soanja ( 25/08/2006 23:26)
Zah ry Naritsimba dia anisany mpankeny tokoa satria be dia be ankizin'i Diego nipetraka teny. Nahafinaritra ahy tokoa tamin'izay. Efa lea be alo zah izao no tsy tany intsony fa dia niova be Mada iray manontolo e. Hitanao lay lalana mankany Ambolonkandrina iny. Tena feno tanana sady vita godirao. Gaga be mihitsy aho fa tena tsy ilay nahazatra fanaovako footing taloha. Manina e.
10. Simpona ( 26/08/2006 05:54)
Hoy naritsomba:
Tsy sanatria ka firaisana ara-nofo no tiana lazaina eto ry Simpona fa resaka firaisan-kina.
Ianao mihitsy angamba ilay voadonan'io resaka io matoa mamaly an'io toy izao, dia tao anatin'ilay nipetraka teny @ CUR ka tsy nahalala nanaja ny tsara.


Somary vazi² ihany ny ahy iny ry naritsimba nentiko nilazana ny zavatra voamariko amin'ny tanora ankehitriny, na eny amin'ny univeristé izany na tsia (Mety ho dinika hafa indray izay esak izay).
Tsy nipetraka teny ami'ny cité araky neritreratinao aho na dia nianatra teny Ankatso aza.
Ialako tsiny raha nanafitohina anao ^:^^:^
11. Rafotsy ( 26/08/2006 13:54)
Zah koa ry Naritsimba dia nipetraka tao @ campus satria ny RDR koa tany Diègo ! Ary tena nahafinaritra ary souvenirs tsara be daholo no ni garder ko , ary tsy nisy nifampisalasala fa tena nifandray daholo , satria angamba samy lavitra RDR daholo !
12. Rafotsy ( 26/08/2006 14:21)
Vao avy nijery ilay blog aho !
Ny cité U t@ izany nadio bé ( année 70 izany an ) ary tena nilamina ! Nisy ihany ny mifoka rongony fa tsy betsaka ary mba miafina ! Nisy ny mpanao poker tao @ cafet kanefa milamina tsara daholo !
Ary ankizy avy any @ provinces marina no nipetraka tao , kanefa tsy nisy nanao maloto any ivelany izany , mbola vitsy koa angamba izahay t@ izany fotoana izany é !
13. naritsimba ( 28/08/2006 05:19)
rafotsy> soanja> raha ny t@ zany 1970 izany tokoa aloha dia tena sady nadio, no nilamina no nifandray tsara ny olona rehetra, mbola tadidiko ny fakana sakafo t@ resto t@ alalan'ny ticket. Fa @ izao fotoana izao tena mampalahelo fa dia baranahiny tanteraka raha ny eny @ Cité U, tsy ny fianarana intsony no mahamaika ny tanora ho eny fa ny hanao afera, @ izao tena ny saina fotsy no mameno ny CITE U, vokatr'izany dia maro no lasa tsy mamhavita fianarana fa voatery mitady vola sy manao bizina araky ny fiteny ankehitriny.
14. Fiffi ( 28/08/2006 17:17)
naritsimba:
Fa @ izao fotoana izao tena mampalahelo fa dia baranahiny tanteraka raha ny eny @ Cité U, tsy ny fianarana intsony no mahamaika ny tanora ho eny fa ny hanao afera, @ izao tena ny saina fotsy no mameno ny CITE U, vokatr'izany dia maro no lasa tsy mamhavita fianarana fa voatery mitady vola sy manao bizina araky ny fiteny ankehitriny.
naritsimba: ka tena mba mafy kosa le fiainana angamba no mahatonga ny tanora manao an'zany an! Na koa hoe sao de ny RAD tsy afaka manampy azy ireo ara-bola ?


15. soanja ( 29/08/2006 01:35)
naritsimba:

rafotsy> soanja> raha ny t@ zany 1970 izany tokoa aloha dia tena sady nadio, no nilamina no nifandray tsara ny olona rehetra, mbola tadidiko ny fakana sakafo t@ resto t@ alalan'ny ticket. Fa @ izao fotoana izao tena mampalahelo fa dia baranahiny tanteraka raha ny eny @ Cité U, tsy ny fianarana intsony no mahamaika ny tanora ho eny fa ny hanao afera, @ izao tena ny saina fotsy no mameno ny CITE U, vokatr'izany dia maro no lasa tsy mamhavita fianarana fa voatery mitady vola sy manao bizina araky ny fiteny ankehitriny.


Tamin'ny taona nahatany Ankatso ahy dia efa nanomboka io baranahiny io dia tsy nitsahatra intsony raha ny fahitako azy. Inona moa no azontsika rehefa manontany na miresahina momban'io fa tsy ilay fiteny mahazatra hoe "Nohon'ny fahantrana e". Tsy zava-dehibe amin'ny olona intsony ny atao hoe "manodidina" (Fiaraha-monina sy ny zavaboary madio sy milamina) fa ny tena mampalahelo ahy dia ny tsy fitsinjovana ny ho avin'ny faramandimby.


16. papounette ( 29/08/2006 09:18)
naritsimba:

rafotsy> soanja> raha ny t@ zany 1970 izany tokoa aloha dia tena sady nadio, no nilamina no nifandray tsara ny olona rehetra, mbola tadidiko ny fakana sakafo t@ resto t@ alalan'ny ticket. Fa @ izao fotoana izao tena mampalahelo fa dia baranahiny tanteraka raha ny eny @ Cité U, tsy ny fianarana intsony no mahamaika ny tanora ho eny fa ny hanao afera, @ izao tena ny saina fotsy no mameno ny CITE U, vokatr'izany dia maro no lasa tsy mamhavita fianarana fa voatery mitady vola sy manao bizina araky ny fiteny ankehitriny.

Nipetraka teny @ CU teny Ambohipo fôna zà nanomboka ny taona 1994 au 2002.Tany @ bloc 61.Generalisevanao be lôtra le izy de tena tsy d'accord tsara @zavatra resahinao loatra aho..Niray hina tsara zahay,madio ny toerana nisy anay.Marina fa sady mianatra no mitady vola ohtran'ny ankamaroan'ny mpianatra lavitra RAR reny fa tsy de hanao afera araka ny filazanao azy ny rehetra.
Taloha zany saina fotsy lazainao.Ny ankizy mankeny zao efa bôsista daholo,mbola kelitaona.Marina fa maro no misy mpisipa miray trano.Any ara zao efa nofoanana ny fanaovana bal isaky ny bloc(le jiro mena).
Azafady ry naritsimaba an!aza tezitra.

17. mimich ( 29/08/2006 13:41)
papounette> sao de oll fantatro njy zany !!!!
nisy namako tao am manodididina teo am bloc 61 tao , 59 nisy an-dry fanja, koto, manda , sns
za tao am CA porte 130A (98-2001).
de tao am 61 zany ve tsy nisy an'i jajah sy tsikitsaiky ny m/ga reny sa 60???, tsy tadididko tsony, de eo ampisa 66 sa 64 nisy an-dry stella 3 mirahavavy avy any fianarantsoa.
hummm hitako ny sary , tsy v tsy nanao mémoire avril 2001
18. naritsimba ( 30/08/2006 04:56)
papounette> ny zavatra hita ange dia izao e!
nisy ny nahay nanaja fa ny ankamaroany tsy nivaky loha, tadidiko tsara ny jiro manga sy ny jiro mena teny @ prefa ankatso II nanomboka ny taona 80 tany ho any angamba. Nisy ihany koa ny fizarana ny Bloc ho an'ny isam-paritany dia rehefa tsy mety an'izay dia raikitra ny korontana. Raha mankeny ange ianao @ izao dia mba jereo fa rano maloto no mameno ny tanana na cité civil io na Cité U, na ankatso I sy II na Ambohipo dia tena mahamenatra fa saingy atao ahoana moa fa izay no zava-misy e! Tsy voahaja intsony ny ora fanaraiana fako, ny WC efa potika 90%, ny saina fotsy dia mbola misy fa saingy nihena noho io hakelezan'ny taona io.
tsy mahazo cité U ianao raha tsy mividy sns sns e! ny fivarotana fanafody sy ny salon de coiffure manginy fotsiny, ny photocopir sy ny saisie etsy andaniny
Anjarantsika no mieritreritra.
Misaotra anao ry papounette fa tsy nanadino an'Ambohipo ianao torak'izany koa i mimich...
19. prime ( 30/08/2006 12:53)
:wink:
20. papounette ( 31/08/2006 05:49)
mimich:

papounette> sao de oll fantatro njy zany !!!!
nisy namako tao am manodididina teo am bloc 61 tao , 59 nisy an-dry fanja, koto, manda , sns
za tao am CA porte 130A (98-2001).
de tao am 61 zany ve tsy nisy an'i jajah sy tsikitsaiky ny m/ga reny sa 60???, tsy tadididko tsony, de eo ampisa 66 sa 64 nisy an-dry stella 3 mirahavavy avy any fianarantsoa.
hummm hitako ny sary , tsy v tsy nanao mémoire avril 2001

Bloc niaraka t@jaja mitsy akia zà a!Fantatro tsara daholo reo ol noresahandry reo.An2,nanao souenace de thèse t@Décembre 2002 ka.Ary mety fantatro njy zany!:-D.
Akaikindry Zo be nanao médecina zany njy raha tadidiko tsara.Sa....
De aôna hozy njy @io resak'i Naritsimba malala io?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4944