Liban: ny niainako ny ady nandritra ny 34 andro

1. isrine ( 24/08/2006 16:51)
Manakory aby e!
Vao izay aho no mandalo indray, salama tsara ary vita soa ny 34 andro ny ady. Atao hoe vita tsy vita ny ady e, ny bomba no nitsahatra fa Israely toa mbola miandry kendritohana zany. Ny ady antrano koa no tena atahorana satria ny Hezb manana ny heviny ary ny filoha mpomba azireo.
Be ny tiana ambara, fa ny ankamaroany efa hitanareo t@ TV, sy henonareo t@ RFI.
Mampalahelo raha ny zava-nisy nandritra ny ady no lazaina, ampahany no hitanareo t@ TV.
Raha nanomboka ny ady ny 12 dia noheverina fa ho 3-4 andro na heriandro fotsiny dia ho vita e, tsy nisy nieritreritra ny vahoaka hoe hanapotika an'i Lib i Isr. Ary habibiana no zava-nisy ary tsy nisy resaka politika mihitsy tao anatiny.
Tsy lavitra ny toerana nisy ny Hezb no misy anay, banlieu Est n'i Beyrouth. Ny Alarobia 12 mba azoazo ny zava-nisy, fa nanomboka ny alakamisy dia tsy tsapa fa ao anatin'ny ady tanteraka, tsy misy olona mahasahy mivoaka, mangina ny tanana. Ny alina tsy nisy hatoriana fa matetika ny bomba. Ny vodilanitra any atsimo @ sisitany iraisana @ Isr mena noho ny afo (tsinjo lavitra). Ny seranam-piaramanidina voadaroka, setroka mainty sy afo (tsinjo eto aminay ny tapan'ny seranam-piaramanidina). Ny habakabaka nanomboka mivalomainty ary tsy hita intsony ny masoandro nefa dia ao anatin'ny été tanteraka aty @ izao. Tsaroana ireny zava-nisy hita t@ Tv ireny t@ ady tany Irak t@ 2003 ireny. Mba atao hoe azontory kely ny tena dia taitra indray @ iny @ 4-5 maraina iny noho ny daroka bomba.
Ny zoma dia natetika ny bomba ary dia naleo nifindra toerana tsy dia lavitra fa kosa mba afaka natory tsara ny alina.
Nahoana moa no milefa? Hanavotra aina mba tsy ho faty? Firifiry no nilefa niala ny tanana tao atsimo tao nefa na eny andalana aza dia nodarofan'i Isr ihany. Firifiry ny fiara mitondra fanampiana voadaroka, satria nanana ny pretexte-ny ry zareo. Ny ratsy andro ve no maty sa izay tokoa no efa voasoratra? Aiza Atra raha toa ka misy tokoa?
Ny asabotsy sy alahady dia daroka tsy nisy fitsaharany na atoandro na alina. Raha ao anatin'ny adiny 1 no tsy maheno bomba dia nihevitra fa vita ny ady e. Inona anefa no teo.... Isaky ny mitontona ny bomba dia ohatry ny hoe hilatsaka @ lohan'ny tena izany. Dia tena fahoriana ny an'ny olona t@ ireny faritra voadaroka ireny. Ny tena aza aty @ lavidavitra mivarahontsana ary tafatsangana avy hatrany raha vao midoboka ny bomba, tsy mankaiza akory fa mifindra efitra fotsiny. Indraindray alohan'ny hilatsahan'ny bomba dia maheno feon-javatra misosa izany, 1mn aorian'izay dia mihotsona h@ trano. Isaky ny maheno an'iny bomba iny anefa dia ity no tonga ao antsaina ao: misy olona maty any ho any.
Nahoana moa ny olona no tsy niala ny tranony na dia hoe tokony hilefa aza? Sarotra ny mamela ny trano ho @ izao... Ny harena iray manontolo. Tsy misy zavatra azo nentina afa-tsy izay sarobidy, vola, akanjo 4-5, provisions.... Zany aza no nentin'ny tena satria afaka niomana hoe andeha hilefa, fa ho an'ny sasany izay taitra noho ny bomba nitontona teny akaikin'ny tranony, inona no azony nentina niaraka @ tahotra? Kontin'ny tsy misy, satria zara aza tsy maty...
Na mihinana na mandro dia toa vitaina maika izany, ny jiro nanomboka tapatapaka, ny tel torak'izany.
Tapakevitra fa handeha lavitra ny 19 satria dia toa tsapa fa tsy ny banlieu sud fotsiny no lasibatra fa ny manodidina ihany koa. Ka tany @ nisy anay dia azo lazaina fa filaminana tanteraka % @ niainana nandritra ny herinandro. Maheno bomba fa kosa tsy dia nisy tahotra firy intsony. Fa dia toa ny bomba hatrany no mamoha @ maraiana e, @ iny @ 4 sy sasany - 5 iny dia manomboka ny andro, ary ny tena heno tany @ farirta nisy anay dia ny zava-nisy tao @ sisitany iraisana @ Isr.
Be tokoa ny olona no niala an'i Lib. Ny sasany mandeha sambo, ny sasany mandalo atsy Syrie. Ho an'ireo izay nandeha fiara, ireo nandalo tatsy Syrie dia nanao caravane no sady mandeha mora, miaraka @ drapeau kely isaky ny fiara.
Henoko fa nisy ny gasy no nody, occasion ho an'ireo izay tsy manana papier iny ady iny mba hodiana. Satria dia misy na tsy maro be aza ireo gasy tsy manana na passeport aty an.
Ny tsy fahafantarana ny toerana hitontonan'ny bomba no antony 1 tsy ivoahana ny trano, nefa dia nisy ireo olona izay niasa nandritra ireny fotoana ireny. Tao ny niasa tapak'andro, tao ny niasa isaky ny 2 andro.
Ny zavatra natao nandritra ny ady? Mijery TV ny 2/3, mahandro dia mihinana. Ny fanasandamba sy ny fipasohana dia miankina @ jiro. Satria ny ankamaroan'ny trano aty dia efa samy misy generatreur avokoa, ka raha maty ny jirom-panjakana dia samy mandamina ny fotoana andefasany ny generatreur avokoa ny olona arakaraky ny eo ampelatanana. Ny solika anefa no olana 1 lehibe indrindra, fa efa zatra ny olona e, samy nanao izay ho afany teny.
Nitsahatra tokoa ny bomba ny alatsinainy 14 teo, t@ 8 latsaka fahatelony ny bomba farany. Sarotra ninoana aloha ny hoe hitsaharan'ny ady teo anatrehan'ny nataon'i Isr. Ary rehefa tsy nisy intsony ny bomba adiny 1-2 taorian'ny t@ 8 ( izay voalaza fa hitsaharan'ny ady) dia be ny olona no namonjy ny misy azy, feno ny arabe.
Soa ihany fa tsy t@ andro nangatsiaka izy ity fa dia be lavitra no maty satria ny solika tsy nisy.
Na atao hoe niady nandritra ny 15 aza i Lib taloha dia ity ady nandritra ny 1 volana mahery ity no zava-doza satria voadaroka hatrany an'habakabaka, andranomasina, antanety ilay firenena. Ary raha sanatria ka nitohy izy iny na dia 10-20 andro monja aza dia matin'ny hanoanana ny vahoaka 1 manontolo, satria ny fanampiana @ faritra voadaroka zara raha tonga any @ dreo, ny hovidiana eny @ mpivarotra tsy misy fa lany ny stock. Raha teny @ mpivarotra zahay t@ herinandro dia be ny zavatra manky, ary tsy misy ny azo atao. Nanomboka omaly dia nivoha ny seranam-piaramanidina, nefa dia tsy maintsy mandalo any Jordanie araha-mason'i Isr avokoa ny fiaramanidina rehetra.
Rehefa tapitra ny ady ka nifankahita t@ olom-pantatra ny tena dia izay vao nisy dikany tamiko ilay fifampiarahabana fanao andavan'andro hoe: manahoana, fahasalamana? Taloha dia toy ny fahazarana fotsiny e.
Asa na rahoviana no hilamina ny atsy Palestine? Irak....?
Izay no azoko ambara ny @ zava-nisy niainako, inoako fa misy hafa any ho any hitantara ny niainany sy ny fahitany ny ady.
Ny hamaranako azy dia ity: MIFANKATIAVA ! Aza avela hanjaka mandritra ny fotoana maharitra ny fankahalana!
novalian'i tywa68 ny 31/08/2006 17:44
2. booboo ( 24/08/2006 17:13)
arahabaina klou tsy maty fo @ aina :-* dia courage hatrany ary misaotra nizara
3. andry08 ( 24/08/2006 17:26)
:-D:-D
4. andry08 ( 24/08/2006 17:28)
Misaotra!
5. dadin ( 24/08/2006 18:17)
Arabaina zany vita soa ny ady, tsy maty fo aman'aina, ary manana ny fahasalamana!
Dia hono ho'aho e, dsia tsy natahotra ve ianao nandritra izay fotoana izay? Mampalahelo aloha ny zava-nisy e, ary toa sarotra inoana ny fahitana azy tamin'ny tv. Enga anie ka hilamina hatrany ianareo any! Mahereza!
6. ferrari ( 24/08/2006 19:42)
faly fa vita ny ady fa tena mampalahelo mihitsy. Ny civil tena vo .

7. Herimiafina ( 24/08/2006 19:44)
Courazy retsy ry isrine an! Efa vita iny dai misaora ny Tompo e! :-*
8. fijo ( 24/08/2006 22:00)
ny tantara moa dia manamafy le efa hita tamin'ny TV,ka tsy dia atao mahataitra satria ady iny,fa ilay teny farany ireo no itako hoe tena tokony hosainina,le fiarahabana sy le hoe aza avela hanjaka mandritra ny fotoana maharitra ny fankahalana.
dia samia mandinika ny tenany eto
9. sasa ( 25/08/2006 04:20)
arahabaina tsy maty fo aman'aina d enga anie hitahy antsika rehetra ny Tompo.
10. LazaDaddy ( 25/08/2006 04:57)
isrine> Tsy mbola vita anie io ady io fa toa hitohy tsy ho ela e! Mba mailo ihany fa izao fotoana fanararaotan'i Syrie sy Iran hamatsiana ny Hesbollah avy any Turquie izao mety hipoaka tampoka io ary ho mafy kokoa noho ny teo aloha.

isrine:
Asa na rahoviana no hilamina ny atsy Palestine? Irak....?
anontanio Ahmedinejad fa miankina aminy daholo io.
11. madagasikara ( 25/08/2006 05:54)
Marina ny anao ry fijo. Toa mora tenenina mantsy ilay teny fa sarotra tanterahina. Firifiry no manana olana na samy mpiray tampo, firifiry no tsy mifandevi-maty ny mpianakavy noho ny disadisa, tsy fifankazahoana. Samy milaza fa manana ny rariny avokoa ary samy miziriziry amin'ny heviny. Ny fandeferana anefa mahafoana zavatra maro indrindra raha arahina fitiavana amin'ny fo tsy miolaka. Misy manko ny milaza fa efa mihavana fa hay ny ao ampo tsy madio akory, ...
12. madagasikara ( 25/08/2006 05:57)
Sasa: fa mitahy an'iza ny tompo hono e? Mitahy any andanitra fotsiny ve? Sa amin'ny fomba manao ahoana no itahiany?
Inona no fitahiana nataon'ny Tompo ny vahoakan'i Cana? Izy izay nahay nanova ny rano ho divay, nahoana raha mba nanaovany fahagagana ny vahoaka tao tamin'iny andro alahady maraina iny?
13. dadin ( 25/08/2006 06:04)
Mada> ty vava e... Ianao angaha tsy mpino Xana no mahasahy miteny an'ireo teny ireo?
Lazadady> mety hitohy marina ve ny ady any liban? Ka tsy aleo ve ry isrine tonga dia miomana ny hody any mada? Sady i mada io efa eo, inoana fa vonona ny handray anao. Vazivazy ny ahy,:lol: fa tokony ho mailo anie raha izany e,
14. xxx ( 25/08/2006 07:35)
Salut Isrine.
Raha ny fahalalako azy dia tsy nisy tahotra firy tao aminao, kanefa mety ho nisy alahelo. Eto dia toerana fizarana ny rehetra ary mety ho soa ho anao izay avy nandalo lalana sarotsarotra toy izany ny ilazana ny alahelo raha toa ka misy. Mankahery anao, anareo hatrany ny namana.
15. mimich ( 25/08/2006 08:31)
arahbaina tsy maty fo aman'aina ee
izay angaha no aoz ambara
16. havanan ( 25/08/2006 09:50)
Mankahery anareo rehetra izay tsy nody e, misy tokoa ny tonga aty dago fa naleony hono nody satria natahotra mafy no sady tsy fantany hoe aiza no hilefa, ny teny tonga tao antsainy hono dia ity hoe: aleo maty aty antanindrazana toy izay any antanin'olona.
17. Simpona ( 25/08/2006 13:20)
Lava be le tatara de marary ny masoko mamaky azy, aleo am manaraka vakiana e 8O8O8O8O
Na zany aza alou arabaina tsy maty fo aman'aina e
=D=D
18. isrine ( 25/08/2006 15:47)
Manahoana indray o,
Misaotra @ teny fohy nefa feno avy aminareo rehetra izay nandalo teto, misaotra ny mankahery ary misaotra ny nahatsiaro e!
Nahoana moa no tsy hatahotra raha resaka ady no lazaina. Fa ny alahelo no betsaka noho ny tahotra satria ny fianakaviana any dago sarotra nampitoniana teo anatrehan'ny vaovao t@ TV, RFI. Moa ny fifandraisana an-tel nananosarotra matetika. Ary rehefa nahita ny olona (nilefa hatraty ) tonga tany ry zareo dia vao mainka nivoajamala.Tsy nisy tahotra firy tamiko satria nahoana moa no hatahotra? Tahotra ny ho faty ve? Firifiry ny tsy manantsiny no maty... maty tao anatin'ny torimaso, mety ho za izy ireny, mety ho ny hafa ihany koa... Tsy misy eritreritra ny @ hoe ny ampitso, fa ny androany ihany aloha... ny ampitso ho hita eny raha toa ka mbola velon'aina ( izay no tena tao antsaina tao).
Lazadady: izay no antony nilazako hoe: vita tsy vita ny ady satria efa henoko io herinandro lasa izay, ary rehefa tena tsy misy hevitra ny @ hilefasana eto antoerana vao mody ny tenanay. Ary izay ihany koa no antony tsy nanoratako teto h@ nilazana fa vita ny ady satria tsy azo antoka ny fahavitany.
Zava-poana ary tsy misy dikany ny fiainana...
Mametraka ny veloma vety2 aminareo e.
19. Ralay ( 25/08/2006 17:01)
Dia mahereza hatrany e :-*
20. LazaDaddy ( 25/08/2006 21:03)
dadin:
Lazadady> mety hitohy marina ve ny ady any liban? Ka tsy aleo ve ry isrine tonga dia miomana ny hody any mada? Sady i mada io efa eo, inoana fa vonona ny handray anao. Vazivazy ny ahy,:lol: fa tokony ho mailo anie raha izany e,
Ny any Madagasikara aza toa vao hanomboka kle...:twisted: miampy ady @ hanohanana:x
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7531