Liban: ny niainako ny ady nandritra ny 34 andro

21. fijo ( 25/08/2006 21:51)
dadin an,tsy hitako tokoa anie izay fitahiana mba nataon'ilay lazainao fa tompo e.toa vao miha mampifandripaka ny olona aza ny anarany.

le resaka fitohizan'ny ady aloha,dia marina tokoa io voalzan'i laza io,fa manararaotra izao ny ezb mamory fitaovana,ary miha matanjaka izy avy eo ,ka hanahirana be ny tohiny.
22. xxx ( 26/08/2006 14:37)
Salut ,
Isrine: izay ary fa marina ny teniko hoe tsy dia natahotra ianao, satria raha olona natahotra no nitantara zavatra toa anao io, dia hoy izy hoe: isaky ny maheno bomba dia tampenana ny sofina na koa mangovitra sns.
Aza tapahina fotsiny ny fifandraisana amin'ny serasera any amin'izay misy anao any e, manaraka vaovao foana izahay eto.
Mahereza mandrakariva ary indrindra salama hatrany!
Resaka resaka ry zareo, fa raha sanatria ka mbola hitohy marina ny ady any Liban, dia ho zava-doza tsy mbola nisy ny hoatr'izany. Ilay 1 volana mahery teo aza efa jereo ny fahavoazan'ilay firenena.
Asa aloha izay olona mbola mino izany Atra na ny tompo izany fa raha ny fahitana ny zava-misy eran'tany dia lavitra an'izany mihitsy. Ary zava-poana tokoa ny eto an-tany ry Isrine, marina ny anao. Aza kivy fotsiny e, ny fiainana mitohy ary samy manana ny androny ny olona tsirairay.
23. Stone ( 26/08/2006 15:33)
Isrine : Mbola tsy vita akory ny ady, fantantsika ihany izany atao hoe Israel izany. Ny Hezb koa etsy an-daniny. Ka hoy aho hoe mitsoaha dieny mbola misy fotoana.
24. madagasikara ( 27/08/2006 09:23)
KA tsy ho raharaha be ve zany ry reto raha toa ka mbola hitohy ny ady any Liban. Raha hisy tokoa ve ny ady tsy aleo marina tonga dia mody. Eritrereto ihany sao dia hanenenana.
25. IMR ( 29/08/2006 10:47)
hoy isrine :
MIFANKATIAVA ! Aza avela hanjaka mandritra ny fotoana maharitra ny fankahalana!

hoy isrine :
Zava-poana ary tsy misy dikany ny fiainana...

hoy xxx :
Ary zava-poana tokoa ny eto an-tany ry Isrine, marina ny anao.

Tohina tokoa ny tena namaky izao tantara iainan'i isrine izao. Tiako hoeritreretin'ny rehetra ireo teny nosoratan'i isrine sy xxx ireo.

Marina fa zava-poana ny fiainana raha fahafatesana amin'ny tsy antony no hita etsy sy eroa, fa tsy zava-poana kosa raha miaraka amin'ilay tenin'i isrine hoe "Mifankatiava". Fa raha tsy misy fitiavana eo @ fiainantsika dia @ zay izy vao tena zava-poana tanteraka. Ny Ray aman-dreny, ny zoky sy zandry, ny zanaka, ny olontiana dia mitondra am-pitiavana anao na aiza na aiza ianao. "Aza adino fa tsy irery ianao" hoy ilay hira izay! dia mahereza.

Hamaranako azy fa efa lava loatra izay dia fanantenana, fanantenana fa na ao anatin'ny ady aza misy vaha-olana ny @ izany ady izany, misy fahendrena afaka misaina ny @ zany fanantenana sy fanatanterahana ny fiafaran'ny ady izany.
Fanantenana, Fahendrena, Fitiavana... mety mbola misy azonareo anampiana azy !

mahereza daholo

26. miantra ( 31/08/2006 13:03)
Miarahaba an'i Isrine tsy maty fo aman'aina , dia mahereza e!
27. tywa68 ( 31/08/2006 17:44)
mailo foana ihany ! misy mitahy enao ^:^^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9923