Loza tena loza

1. bobone ( 24/08/2006 07:45)
ô ry reto an! ahoana ny hevitrareo @ ireo vehivavy manambady vehivavy na lehilahy manambady lehilahy!
loza be tokoa fa matoa Andriamanitra nanao hoe :lehilahy manambady vehivavy iray de izay fa tena fanarahana ny toetr'andro ve !sa fitiavana te hanandrakandrana na sa efa adalana be izao!
novalian'i lafatra ny 19/09/2006 18:58
2. diamondra27 ( 24/08/2006 07:54)
fa taiza no nisy mariazy an'io sa film sa feo no hitan'i bobone

bobone: maka sopapa ngah ianao izany fa tsy afaka t@ 1ère session.

'zao njay zany 2ème session ho an'izay tsy afaka t@iny nosoratan'i Ja iny.
:-D:-D:-D

3. Fiffi ( 24/08/2006 08:06)
tena misy de misy tokoa io mariazy ireo an! jereo kely ange ity eh! De ny fanjakana frantsay aloha tsy nanaiky an'io fa ny maire Noël Mamère no nanao azy ! http://noelmamere.org/article.php3?id_article=345
4. hery ( 24/08/2006 08:08)
Sao dia mbola be lavitra ny "loza tena loza" tokony hiadiana alohan'ny miady amin'ny lehilahy manambady lahy na vavy manambady vavy? Ireny mantsy mba efa miseho masoandro ihany. Fa ny tokony hiadiana mafy fa "loza tena loza" kokoa dia:

- Ny olona manao ankeriny (viol) satria tsy eken'ilay olona akory io
- Ny pédophiles (io no tena pedaka) satria tsy fantatr'ilay zaza akory ny zavatra atao azy.
- Ray sasany manolana ny zanany vavy (anjekaky o)

aleoko indray lahy manambady lahy na vavy manambady vavy toa izay ireo zavatra telo ireo. Ny andry zareo mantsy efa ifanaovana... samy nisafidy.
5. bobone ( 24/08/2006 08:17)
:)
tena marina ny teninao y Hery an!fa mampalahelo ny mireitreritra ireo zavatra ireo! izaho aloha de efa nahita olona nanolana zazakely! ary nigadra no niafaran'ilay lehilahy!
tokony hisaina lalina ohah ny olombelona satria ny sazin'Andriamanitra raha miantra tena tsy afa-bela fa ny sazin'olombelona mbola azo hiafina!
samia misaintsaina ny hatao e!
6. bobone ( 24/08/2006 08:27)
:D ô ry Diamondra an! fa taiza ary in-dry t@ orana nidona no tsy nahalala ny 5 ariary 4
sady tsy naka sipapa aho no tsy naheno resak'olona! jereo ny journal indrindra any ivelany ireny!
sady tsy tsara raha hafatra no hahafahana fanadinana!!!! hevitra no hampiadina e!
samy manana ny hanitra ho azy io kah! mifanohato-tsy ho lavo ary mifampiankina ilay fanontaniana! Mazava ve!!!
7. xxx ( 24/08/2006 09:02)
Loza hoy ianao ! aminao izy zao mety ho loza nefa amin'ny hafa izy mety fahasambarana. Ilay lanjan'ny fitiavan'izy ireny dia mitovy amin'ny fitiavan'ny lahy sy vavy miaraka ihany.

Loza hoy ianao satria ianao mino an' Andriamanitra (mety Kristianina izany ianao) dia araka ny fanabeazana dia tsy eken'ny saina ny toy izany.

Tsoriko aminao anefa fa betsaka koa ny tsy mino an' Andriamanitra , na mino fa Andriamanitra hafa ,, ary manana foto-kevitra hafa mifanipaka be aminao mihitsy ao anatin'izany ny fiarahan'ny lahy sy ny lahy na vavy sy ny vavy.

Misy firenena mbola tsy manaiky azy io, indrindra ny musulman fa raha any @ hafa ianao dia lasa mety ho ataon-dry zareo hoe homophobe
8. Fiffi ( 24/08/2006 09:20)
Marina aloha ireo voalazan'i Hery ireo an! mbola betsaka ny zavatra hatao hoe loza !

fa ny zavatra hitako kosa aloha de raha zay ary no hahiyany hoe fahasambarana , samy manana ny azy koa io an! saingy ny zavatra tsy zakako de le hoe hanangana zaza ry zareo , ny ho avin'le zaza manko no ohatran'ny mampalahelo .
Ohatra fotsiny hoe any am-pianarana le zaza , na ao an-trano , iza no hantsohina hoe dada na i neny ?
9. booboo ( 24/08/2006 09:37)
Loza tena loza angaha ? loza ho an'iza klou ? hihihihihihihihihi
10. Fiffi ( 24/08/2006 09:43)
ho an'ny nandefa an'le dinika kah!
11. kally ( 24/08/2006 09:45)
v.diny re ka izay anaovany azy any e! aza marary an-doha amin'izany:lol:
12. kelly13 ( 24/08/2006 09:46)
ny tena mi scene d eto antany vhv betsaka par rapport @ lhl, d mbola mahita iany ny lhl sasany mitady lhl! hihihi
za indray ra resaka pedophile d tena aleoko iny oul iny atao au poteau satria tena olona faran'izay tsy vanona, pareil ny resaka inceste sy viol
13. booboo ( 24/08/2006 10:03)
kally > :lol: marina zay
14. pissoa ( 24/08/2006 10:22)
Ie - marina be ny tenin'i Hery. "Loza tena loza" koa ireo notanisainy ireo. Fa izaho mahita fa "loza tena loza" koa ny noresahin'i bobone.

Ny tsy hitovizany dia mahatsiaro menaces ny ankabeazam-bahoaka rehefa miresaka hoe "viol" ... Sao petahin-dry takaka any ry bavikely, sao vitavita amin'ny tsy fidiny any ry petite cousine, sao voa any ry zanako mahafatifaty, sns. Efa misy manondrana koa ny vehivavy dia aroarovana ny zandry lahy, sns.

Amin'ilay resahin'i bobone kosa, dia tsy dia mahatsiaro an'io hoe menaces io loatra ny olona. "Fiainany izany izany fa tsy fiainako" no ao an-tsaina.

Sao rehefa tsy atahorana hitranga amintsika ny "loza" dia tenenina hoe "loza kely kokoa" :-D:-D:-D ( Hihihi - toy ny hoe raha misy horohoron-tany be ao Ambohitsitononina any Mada dia "loza kely" izany satria zah sy ny havako tsy misy ao Ambohitsitononina :oops::-D ).

Izay no hevitro :roll::-D:-D:-D
15. majakely ( 24/08/2006 10:28)
samy olon-dehibe ireo nifanambady ireo na de samy même sexe aza ,,,,amiko tsy loza tena loza izany ,,,ny loza tena loza de reo olona ireo dia mijaly mafy amin'ny hanaovany fiaraha-monina azy ireo,,amin'ny fanenjehana azy ireo,eo anatrehan'ny masony vahoaka dia sarotra ny hiainan'izareo ny fitiavany ankahalalahana ,satria soit disant tsy normale zareo ,izay no hitako hoe loza tena loza sy mampalahelo ,,,surtout ho an'ireo olona homo ireo ,,,:(
16. jajaf401 ( 24/08/2006 10:59)
Samy loza daholy eh, ny iray habibiana (viol sns), fa ny iray aretina (homo)
De loza doly fa tsy misy fanafany ireo fa efa voalahatra.
17. tywa68 ( 24/08/2006 12:50)
ny tena loza amiko dia ireo misy aretina tsy miteny fa mamindra en silence : na lhl te hiaraka entre eux na vhv samy vhv dia safidiny zany ! fa ny aretina atao kdo kosa dia tena tsy mety ê ! maika moa fa zaza no atao izany !
18. xxx ( 24/08/2006 12:58)
Loza inona indray ary ty lazainao e
Jereo ange ny tantaran'i LOTA ao amin'ny Baiboly ( Ginesesy na Genezy na tsy haiko izay ahalalanao azy fa toko XIX 1--- Izany hoe ireo Anjely tonga tao amin'i Lota izay iraka avy amin'Andriamanitra , Ry zalahy tao an-tanana anefa nahita azy ireo hoe bandy ( satria Beau gosse be ny Anjely ) dia nisarangodrangotra satria mamba be , ka nangataka hoe avoahy aty ireny hanaovanay azy ....... I Lota kosa anefa nanome ny zanany vavy mbola Virj be .. Dia io ange no fototra nandravana ny tanana Sodoma sy Gomoro e, ka tsy dia mahagaga io ho ahy fa zavatra efa nisy hatramin'ny ela ka misy mantsy ny olona tara ka tsy naharaka angamba ny zavatra nisy fahiny ..... he he he ..
19. diamondra27 ( 24/08/2006 14:02)
Mpandefa : bobone [ Valio ] 24-08-2006 10:27:38
Lohateny : Re : Loza tena loza
ô ry Diamondra an! fa taiza ary in-dry t@ orana nidona no tsy nahalala ny 5 ariary 4
sady tsy naka sipapa aho no tsy naheno resak'olona! jereo ny journal indrindra any ivelany ireny!
sady tsy tsara raha hafatra no hahafahana fanadinana!!!! hevitra no hampiadina e!
samy manana ny hanitra ho azy io kah! mifanohato-tsy ho lavo ary mifampiankina ilay fanontaniana! Mazava ve!!!


bobone: orohako eo njy fa ataovy an!
:*:*:*:*:*:*:*(l)(l)(l)(l)


=))=))=))=))=))
Humm, misaotra e! aleo za hangina fa sao de ...

Manontania ihany ny namana hafa efa ela teto momba an'io hoe: nanao ahoana ny niafaran'iny resaka iny teto?"Ja no mpanoratra ary rtesaka homosexuel le izy", vao tsy ela akory izy no ni'discuter-na teto

'Za ngah moa niteny hoe: tsy azo atao ny mametraka dinika efa nandeh , fa ny tiako lazaina de hoe: mba hahafahanao mahita sy manaraka ny hevitry ny forumiste de tsara raha mahita ny efa nandeha, manao tsipi-maso any MAZAVA VE =))=))=))=))

Fa na de hevitra no ampiadiana de tsy mandà aho fa ny valiny de mbola tsy niova: meloka eo anatrehan'Atra sy olombelona io, tsy mety. Tsy hanisiny commentaire tsony za fa angataho any @ admin ny archives raha te-ahaita enao.

Ary bobone kay tsy mahazaka humour an!(resaka fanadinana) tonga de kalé enao izany :-D:-D
tsy misondrotra kilasy fa tsy misy intsony ny 3ème session raha tsy@ herintaona angamba =))=))=))
20. diamondra27 ( 24/08/2006 14:33)
bobone cherie: za tsy nahalala ny 5 ariary 4 fa bonbon pecto 4 no ariary no haiko=))=))=))


:-*:-*


aza tezitra an! tsy maintsy atao vaksiny njy mba ho zatra

:P tsiky de ampy zay no tanjona eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077