R8 masina sa mantsina?

1. tezitra ( 23/08/2006 07:52)
naman-dravalomananna taloha (ankaiky dia ankaiky

-RADAVIDSON:gadra, be afera hono
-andrianafidison:voaroaka tao @omnis:pkoi?
-voninahitse:gadra,be afera hono
-barnest( ex,president region tamatave)gadra:be afera hono
-zaza ex vice pm:voaroaka be afera hono
-ancien ambassadeur malgache canada:demissionnaire
-pierre tsiranana, pety,thierry raveloson,etc...voaroaka: be afera hono
FENOY NY LISITRA AZAFADY.....

NAMANDRAVALO Ankehitriny(ireo madio):
1)-rakotomanana honoré:ancien ratsirakiste,ex-juge du trubunal penal pour le rwanda, limogé, pkoi?
2)-kaleta,ex ratsirakiste(1991),ex zafiste(1996),ex ratsirakiste(2001),ravalomanananiste(2006),no-comment?
3)-Leucacher,ex: president federaliste tamatave(1991),ex directeur sirama brickaville(1995) limogé,pkoi?
3)-mahafaritse samuel,ex president etudiant arema tamatave(1995),naloan'ny tim tulear be afera hono?,tsy voafidy ho candidat tim @ president assemblée nationale par le tim même,PKOI?
,mais proposé DE force par ravalo,pkoi
FENOY NY LISITRA DIA VALIO NY PKOI AZAFADY
merci!
novalian'i prime ny 29/09/2006 12:12
2. hery ( 23/08/2006 09:05)
Ka efa ireo nomenao ireo ny pourquoi.

Be afera.
3. kolokanto ( 23/08/2006 09:30)
Miarahaba antsika rehetra indray izahay!
O ry tezitra a! Na naman'ny filoha na fahavalony koa aza rehefa manao ratsy de esorina ary omena ny sazy sahaza azy.
Na tiana aza ny zaza rehefa manaiki-nono akifika!!!!!
Dia efa mazava be ireo ny antony izany ka inona ny fanazavana mbola tianao tadiavina???

4. HESHA ( 23/08/2006 09:48)
tsotra ny antony, raha mitombotombo ny pouvoirs omena azi de manjary presidentiable ireo, mitovy cas am pierrot rajaonarivelo ihany.
La meilleure defense, c'est l'attaque.
Les faits parlent d'eux-meme.
Jereo tsara fa ny ankabeazan'ireo milatsaka ho prezida ankehitrini de oul azo lazaina fa tsi hanana notoriete publique ka hoe ho afaka haka ni fon ny any ambanivohitra lavitra any.
Politika daholo reni e, zai hitanao fa metimety fidiana de zai, hatreto alou amiko 3 ihani no mbola manandanja ny filatsahani ho fidiana, ratsirahonana, ravalomanana ary le iray mbola ho avy ao, . . . .
5. ravatorano ( 23/08/2006 09:58)
hono
no itako bobaka main ny lazain i tezitra
:wink::wink::wink:
6. agoago ( 23/08/2006 13:27)
Ahiko ianao ry tezitra tsy ho tezitra fotsiny intsony fa ho romotra sa ho tapaka lalandra eo, mbola hisubir Ra8 mandat manaraka raha mbola hilatsaka izy.
7. ainga ( 23/08/2006 14:25)
Manakory aby ianareo ô ?
Fa firy taona ianao ry tezitra no mbola mihevitra foana fa ny fiainana eto amin'ity tany ity dia miaro loko roa fotsiny ihany : ny fotsy andaniny sy ny mainty ankilany ? Na koa hoe, tsy misy afa-tsy sokajy roa ny zavatra eto an-tany, dia ny RATSY sy ny TSARA ? Ary inona no lazaina indrindra indrindra momba ny raharaha pôlitika ? Torak'izany koa ny affaires (business e !).

Iza no sahy hiteny hoe masina Ra8 ? Olombelona izy fa tsy anjely latsaka antany ! Olona mitondra firenena izy fa tsy mesia !
Raha tsy masina ve Ra8 dia tsy maintsy mantsina ? Ary tsy ny fanomezana lisitra olona miara-miasa na mifandray amin-dRavalo akory dia ampy HITSARANA azy fa izao izy na izao.
Izao kosa anefa : raha misy porofo tsy azo lavina azonao omena hikilasiana an-dRa8 ho maimbo dia avoahy eto ho hitan'ny besinimaro.

:evil:
8. mandrindra ( 23/08/2006 19:43)
izay nandika lalàna rehetra dia tokony ho sazina. tsy izay niarahn'ny olona taloha no tokony hitsarana azy fa izay mety ho entiny ho an'ny firenena.
9. LazaDaddy ( 23/08/2006 23:42)
R8 masina sa mantsina?
inona no tokony hivakiako loha amin'izany? Tandremo sao safotra tampoka fa maloto ny politika, ary raha ao anatiny ianao tsy ahita ny lotony, fa mamita-tena mihavitra azy ho mety hadio ihany.
10. ravatorano ( 24/08/2006 08:58)
za rarà zany letsy ry Laza ah
hihihihi
11. LazaDaddy ( 24/08/2006 09:14)
ravatorano:
za rarà zany letsy ry Laza ah hihihihi
ireny namana tezitra ireny no mampalahelo raha safotra tampoka eo nefa izy namana ihany :-*
12. vakiniadiana ( 24/08/2006 09:25)
Aza mora enti-po ry Tezitra a :lol:
13. prime ( 24/08/2006 11:08)
HESHA:
tsotra ny antony, raha mitombotombo ny pouvoirs omena azi de manjary presidentiable ireo
=D Io no tena antony akaiky indrindra... Mbola tsy te-hiteny betsaka aho sao lasa tezitra avokoa ianareo rehetra... dia lasa faly be ny sasany...:-P
14. vetsoko ( 24/08/2006 11:41)
aza dia lany andro mitady fahamarinana isika @ raharaha politika any madagasikara,rehefa tsy misy hoà ny indémpendance de la justice dia izay eo @ fitondrana no manana ny marina,izy no mitory ,izy no misambotra dia izy no mampitsara,izy koa afaka manao lalàna(surtout any amintsika) ary izy ihany koa no mibaiko ny presse,io dia tena mampalahelo any dago satria henjehina sy menaena izay tsy mitovy hevitra @ fanjakana,dia hamoronana dossier maloto dia migadra,efa pratique hatrizay le izy dia neveriko hanova azy ny fahamasinana sy fahamarinana kay vao maika loza
15. prime ( 24/08/2006 12:16)
Mitovy hevitra amin'i vetsoko aho t@ ity afatsy ireto ihany :
- afaka manao tolo-dalàna holaniana ny governemanta, ny filoham-pirenena, ny antenimiera araka izay voafaritry ny lalàm-panorenana @ firenena maro fa tsy hoe indrindra aty amintsika...
- ny asa fanaovan-gazety dia malalaka, ary eran-tany dia azo ampiasaina @ fomba rehetra io na eo @ fitondràna na tsia araka izay voafaritry ny lalàna velona... ka raha nanangana gazety ny antoko politika isankarazany dia zony tanteraka ny miasa araka izay firehan-kevitra mandresy lahatra azy (na ny mpitondra na ny mpanohitra)...
Izay fanamarihana izay no tsy aritro kely, miala tsiny... dia misaotra...:lol:
16. callia ( 25/08/2006 10:14)
Salama daholo ve?
Mangovitra sy mihorohoro daholo izay nanao ratsy taloha ka mitady izao fialana rehetra ilazana fa hamoronana dossier maloto ra anona....Mikoropaka sy mitady izao hevitra rehetra izao fa hivoaka daholo amin'izay izay ratsy nafenina ka!!!!:idea:
Rehefa nanao ratsy de tokony homelohana!!!!
17. prime ( 25/08/2006 11:37)
Na ra8 aza ve???:lol:
18. callia ( 25/08/2006 13:42)
N'iza n'iza ry prime rehefa nanao ratsy de tokony melohina. Saingy melohina rehefa misy ny porofo mazava tsara fa nanao ratsy:!: Fa tsy hoe rehefa misy izao honohono rehetra tsy mitombina izao de avy hoe tapaho ny lohany!
19. prime ( 25/08/2006 14:07)
Misaotra...
20. kelly13 ( 25/08/2006 18:05)
d ratsiraka hoa ahôna? toa tsy henoko nahazo sazy lery! sa za no tsy maharaka news?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0637