Tokony ho efa 2009 ntsika izao!

21. LazaDaddy ( 22/08/2006 21:18)
LazaDaddy:

tsy dia azoko loatra ny maha mora voasarika anareo @ ito adihevitra ito.

Ny calendrier ampiasaintsika ankehitriny io na 2006 na 2009 na 200x izay noforonin'i Gregoire dia efa miharihary ny antony namoronany azy. Tsarovy fa Andriamanitra dia nanome calendrier ny zanak'Israely izay nokendren'ny Romana novaina, saingy mbola mitana ny fanisana andro sy taonany ihany ny zanak'Israely mandrak'ankehitriny :)

Daniela 7:25
Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.



22. prime ( 23/08/2006 06:23)
xxx> izaho anie manaiky mihitsy hoe relatif ny fotoana e... fa ny "repère" iray ihany fa tsy marobe akory... ny lazain'ny baiboly hoy aho dia t@ fotoana nanjakan'i Aogosto Kaisara no nahaterahan'i Jesosy... ary nifandimby tsi11 avy ny événement rehetra mikasika ny fiainan'i Jesosy... fa efa nanana fanisàna andro sy volana ary taona azy manokana t@ izany tokoa ny jiosy, ny sinoa, ny fanjakàna maro nanodidina an'i Israely t@ fotoan'androny... Tsy mandà izany aloha raha izaho...
majesty> Izay no nahatonga ahy nanontany hoe textes taiza ho aiza tao @ baiboly no manambara fa efa feno telo taona Jesosy vao nanomboka ny fanisàna ny taona ho 1 na midika koa hoe, 01 taona Jesosy... sa ressources documentaires taiza no hitanao ka milaza mazava fa diso tanteraka ny kalendrie gregoriana raha nifidy ho taona 0000 ny nahaterahan'i Jesosy... Ny taona 01 lazainao dia tsy maintsy misy repère izany fa tsy hoe atao 01 manomboka ho azy fotsiny... Ka na 01 ary no raisina dia toy ny "suite" matematika io manana raison, dia izay fa tsy manafoana akory ny repère=00 ny nahaterahan'i Jesosy... Fa olona efa mahay manisa sy mahalala taona tsara avokoa ny mpanisa andro t@ izany ka voasoratra tsara fa t@ fahaizao andro dia natao an'izao Jesosy, t@ fahaizao andro dia nentina nandositra tany Egypta Izy, t@ izao andro na taona dia nanao an'izao Izy...sns
23. LazaDaddy ( 23/08/2006 06:40)
prime> tsy ahita an'izany ao @ Baiboly ianao satria ny daty ao dia mifanaraka @ fanisana andro sy volana ary taona nomen'Andriamanitra, izay inoako tanteraka fa tsy misy diso.

Ny momba ny Gregorian calendar dia any roma anontaniana, dia anontanio any koa ny nahatonga ilay fetin-dry zareo navadika ho Noely tampoka teo. :lol:
24. majesty ( 23/08/2006 07:22)
prime:marina io lazain'i LazaDaddy io,tsy misy milaza an'io taona 0000 io na taona 1 ny soratra masina satria ny jiosy efa manana ny fomba fanisany ny androny,dia ny filazana fa ny hoe feno zao andro sns d natao an'zao jesosy dia tsy diso akory.Fa ny tsara ho marihina fotsiny dia ny hoe ny Romana izay firenena natanjaka t@zany fotoana izany tahaka an'i Etazonia ankehitriny no nanova azy io,ary documentairen-ndry zareo ireo ihany no milaza fa i Jesosy no nataony répère tamin'ny nanombohany ny taona 0,fa izany akory tsy midika hoe vao teraka Jesosy dia tonga de taona 0,satria hitan-tsika tsara ao anatin'ny soratra masina fa mbola nifanenjehan'i Heroda saika ho vonoina aza izy t@ vao teraka dia mbola netina nandositra sns,ary mbola ny documentairen-ndry zareo Romana ihany no manamafy fa efa feno telo taona Jesosy zay vao natomboka ny fanisana izao taona iainantsika izao ho 0(izay raha ny tokony ho izy dia efa tokony ho ny taona faha 3).
25. prime ( 23/08/2006 08:13)
majesty> manaiky ny lazainao aho hoe ny romana no nanamarika ny taona ho 00 nanomboka t@ Jesosy... fa ny anontaniako anao ary raha tsy tao @ baiboly no nilaza ny hoe telo taona taty aoriana vao voasoratra ho herintaona Jesosy, aiza ny documentation manambara izany?
Izaho mantsy, na ny nanenjehan'i Heroda an'i Jesosy sy ny namoràna Azy ary nandosirana tany egypta sy ny tohiny anie mandeha aman'andro sy volana fa tsy nivalona taona maro akory e...
Fa raha azo atao mba omeo eto hoe ny références (textes) manambara izany fahataràna telo taona izany? izay anie no angatahiko aminao rehefa tsy misy références bibliques e... Misaotra mialoha:)
26. majesty ( 23/08/2006 08:47)
prime:humm intéréssée an,andraso ndray klou aza za hamadibadika cahier na jereko @ net d meko an-ndry an,:D
27. ravatorano ( 23/08/2006 09:54)
mlay kah
tsisy ambara fa d mbola mandinika tsara aloha sao miteniteny foana eto hihihih
28. Fiffi ( 24/08/2006 06:21)
tsara be le adi-hevitra fa aleo hanaraka fotsiny aloha!
29. vetsoko ( 24/08/2006 12:53)
rehefa tonga jesosy kristy dia nilaza hoe \" ambany fahasoavana isika fa tsy ambanin\'ny lalàna\",,tsy misy ny hoe calendrier marina sy ny calendrier diso ary indrindra tena fahadisoana be ny milaza hoe ity ny calendrier nosoritan\'Andriamanitra;na ny calendrier talohan\'i J.K na ny tao aorinany dia autorité religieuse daholo no namaritra azy ary dia nisy dia nisy ny convention t@ izany na avant na après,tsara ho marihina fa ny autorité religieuse juive dia nanafina ny marina rehetra momba an\'i J.K satria aminy dia tsy i jesosy no mesia ary vokany dia tsy nataony ho référence t@ finoany sy ny calendrierny mihintsy ny fahaterahan\'i jesosy misy anefa ny manaraka an\'io (sabata sabotsy y ny ets....);toy izany koa ny romana izay nanjaka sy nanjanaka an\'i israely t@ izany ,izy kosa naniky an\'i jesosy ho mesia,maro ny antony nanekeny azy,misy ny ara-pinoana fa ny tena ngeza dia ny ara-politika ,dia noforonin\'ny romana koa ny autorité religieuse romana,ny antony dia satria betsaka ny zavatra nafenina mikasika ny tena marina momba an\'i jesosy,mba ho fanitarana ny empire romana koa dia nampiasainy ny fivavahana(catholique)satria ny religion tsy misy frontière fa afaka miditra @ toerana maro ary mora ny manjanaka @ anaran\'ny religion ary iray ny autorité mitarika sy mandrindra izany dia i rome,nasiana ny pape,sy ny ets ets ary noforoniny ny calendrier à partirn\'ny naissancen\'i J.K mba aha-crédible azy eo @ lafiny finoana,efa voalazan\'ny mpaminany koa anefa io fa i jesosy no ho référence historique et qui dit histoire dit temps,dit date et calendrier ka inona no marina???tsy izany no mahamarina na tsy mahamarina ny finoanao na ny antokom-pivavahana misy anao,tadidio fa nanova zavatra maro ny fahatongavan\'i jesosy, tsy mifototra amin\'ny fombam-pivavahana ny fivavahana naelin\'i jesosy satria ny jiosy nifototra t@ fombafomba fivavahana(rites)ary jesosy tonga nanafoana sy nanao remise en question izany rehetra izany
30. xxx ( 24/08/2006 13:18)
Betsaka hevitra @ voalazan'i vetsoko , fa ialàko tsiny ilay fomba fanoratra fa misafotofoto be ihany (tsisy famaranana fehezan-teny, tsy mba misy paragraphe) dia tsy hitako intsony ilay conclusion ? Inona izany ilay conclusion-nao azafady ?

Miara-manaiky aminao aho fa raha boky iray fotsiny voasoratra @ vanim-potoana iray dia tsy ampy hamaritana ny tantara satria samy nanana ny firehan-keviny avy ny tsirairay (pro pouvoir sy opposition ), mila maka documents maromaro vao afaka manatsoaka hevitra tsotra kely aza

Ny vrais théologiens ohatra dia tsy maintsy mandinika boky maromaro foana fa tsy mianona @ Baiboly fotsiny na izay boky momba ny finoany.

Ny ahy izany izao ny iandrasako vali-teny izao dia hoe 2006 ans après n'ny nahaterahan'i Jesosy marina ary ve isika izao sa 2009 ? Inona no porofo ?

Na koa hoe inona marina ilay évènement noraisin'ingahy Gregory ho référence ? diso ve izy sa tsia ?

31. prime ( 25/08/2006 09:46)
Mitombina kosa aloha ny lazain'i vetsoko e... na hanova andro sy fotoana aza ny olona, aleo ho azy izany fa ny finoana araka ny lazainy sy LD no fototra...
32. Achia ( 26/08/2006 05:45)
Tena misy mahasoa ny fahafantarana ireo ry prime a maro ny zavatra fonosiny ra dinihina tsara ilay voalaza ao @ Daniel
33. vetsoko ( 26/08/2006 13:52)
ambany fahasoavana hoa isika dia hoy ihany izy hoe ampy ho anareo izay fahasoavany izay,dia ampiana finoana,fantatro ny tianao ahatongavana @ le voalazan'i daniel,ary maro dia maro ny miady hevitra @ io,nefa efa tonga hoa jesosy nitondra ny filazantsara mba tsy hiraketan'ny finoan'ny olona(jiosy) @ fombam-pivavahana rehetra voalàza tao @ testamenta taloha
34. Achia ( 26/08/2006 16:42)
iza aloha no tianao resahana e ? de ny hevitrao zany ve hoe rehefa mino de zay ?
35. rakaroka ( 27/08/2006 05:21)
Miombon-kevitra @ Vetsoko eo @ fijery @ ankapobeny indrindra fa ny nahatongavan'i Jesoa hanitsy ny fomba fijery sy ny fombafombam-pivavahana, tsy hamerina fotsiny izay voasoratra ny oul!
Misy "ésprit" miantoka ny andraisana ny point iray ho origine de repère anie. Ka relatif araka ny fiaraha-monina izany araka izay fiakon'ny zava-misy @ oul. Ohatra "Jour J moins firy @ éléction présidentielle isika ho an'izay miandrandra izany?"
Permis kosa angamba ny "convention" toa izany fa anjaran'ireo mpanaraka ara-bakiteny ny baiboly ny manao ny calculn'ny date hifanaraka @ ao
baiboly 'zay tsy voatery "pratique" ho an'ny be sy ny maro ny mi-détermine ny date raha ny baiboly no raisina repère. Mila manao "changement de base,etc..."
36. rakaroka ( 27/08/2006 08:23)
Fa misy parenthèse resahiko ity mikasika ny fanarahana ny voasoratra (tantara marina a!)
Nisy mpiandraikitra nafana fo BBbe mpankatoa ny teny
izay nofelahin'ity olona tehamaina dia nomeny koa ny takolany ilany. Dia nony avy teo mbola nofelain'ilay oul ny tehamaina fanintelo izy.
Dia novaliany mba nofelainy indroa koa lé oul sady nampiany hoe: "tsy in-telo kosa aloha lé voalaza"
raha dinihina e!...
????:lol:
37. majesty ( 28/08/2006 05:17)
Vetsoko:misy danger b ny hevitrao raha olon-tsotra tsy d maharaka soratra masina no mandray azy satria toa milaza hoe refa tonga Jesosy d fahasoavana no amonjena antsika (tsy miankina amin'ny fombafombam-pivavahana,na ny fitandremana ny sabata"izay ao anatin'ny didi-folo"...sns)izay toa milaza hoe refa tonga Jesosy dia azo atao izay tiana atao rehetra na hijangajanga na hamono oul sns satria fahasoavana no hamonjena antsika,tsy haiko na azonao ny tiako ho lazaina?
38. majesty ( 28/08/2006 05:24)
XXX:prime:tsotra kely ny hanaporofoana an'io hoe 2006 v ntsika sa 2009.Raha mijery documentaire momba an'i kristy ntsika na manontany mpitandrina na môpera,na mpitarika fivavahana hafa dia samy miara-mihaiky ireo fa 30 taona Jesosy no natao batisa dia t@ faha 33 taonany izy no maty;kanefa raha mijery document na boky hafa momba ny fanisana andro indray ianareo na mijery ny tantara ohatra ho an'zay efa mahafantatra ny faminaniana ao amin'ny bokin'i daniela dia mahita fa t@ faha-27 taonany Jesosy no natao batisa ary t@ faha-30 taonany no maty,dia anjaranareo ny manadihady na mitombona izany hevitra izany na tsia sady tsy d natao hampiova inn eo @ fiainantsika ange izany fa mba fahalalana ankapobeany tsara ho fantatra fotsiny e:D
39. prime ( 28/08/2006 10:28)
Hummmm...:lol:
40. majesty ( 29/08/2006 06:28)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0088