Tokony ho efa 2009 ntsika izao!

1. majesty ( 21/08/2006 15:30)
Mba fantatrareo ve fa tara 3taona ntsika eo amin'ny fanisana andro izany hoe raha ny tokony ho izy dia efa 2009 ntsika zao satria ny antony dia izao,efa feno 3taona teo ho eo jesosy araka ny tantara vao nanomboka nanisa ny taona 1 ny romana izay firenena natanjaka tamin'zany fotoana izany :D:D
novalian'i prime ny 11/09/2006 14:40
2. Fiffi ( 21/08/2006 16:03)
andraso indray ary aloha jerena kely ny tantara.:)
3. Achia ( 21/08/2006 17:47)
:wink::°)
4. mamps ( 21/08/2006 20:59)
refa nojerko ny tantara d enao no mpandinika tara indrindra, fa nga ou tsy fantatrao fa efa nambara ampabemaso fa diso ny romana tamin'izay hevitra narosony izay. tsy maninona ra maika hody enao omendalana ka.
5. Zina ( 21/08/2006 22:56)
Mila manao etudes be
6. gaskamanja ( 22/08/2006 06:03)
Afaka manomboka taona 1 vaovao koa ianao raha tsy metimety aminao ny nataon'ny romana ka. Amin'izay ianao mahavoaforonjavatra.
7. xxx ( 22/08/2006 07:52)

mamps,gaskamanja > fa maninona kay nareo no masiaka be ohatr'izany mamaly, mety ho taraiky tokoa i majesty eo @ information , fa tsy tsotra kokoa ve ny namalianareo azy hoe , an an an diso izany fa efa nisy fanitsiana toy izao ... Toa mba te hizara information ilay namana dia tonga dia vali-teny mandreraka be no azony .

Aiza ilay hoe "namana" @ izao e ?

8. malalatinasoa ( 22/08/2006 08:00)
taiza no nandinihandra-majesty an'io?
9. majesty ( 22/08/2006 09:13)
:-D:-D:-D oups,za ndray ve no diso infos lolll,nefa za ary mba mitarika discution,fa saingy mbola ny ampahany fotsiny no noresahako d za saika mbola hanohy nefa nareo no lasa alou.
Gaskamanja:fa za angah mou niteny hoe tokony ovaina io fomba fanisana io,fa toi angamba mandinika loatra e:D
mamps::D aza mena tsiny fa tsy d nahita fianarana firy :-D eto mintsy mantsy za zao vao hianatra:lol:
10. agoago ( 22/08/2006 09:18)
Tsy haiko mihintsy aloha ny tantaran'ny calendrier dia tsy manankambara firy aho.
11. majesty ( 22/08/2006 09:20)
xxx::D:-* tsy mena tsiny fa efa mafy ange ny fiainana zao d na mifandona fotsiny any anaty bus aza d efa mampiady e=))
12. prime ( 22/08/2006 10:30)
majesty> aiza ho aiza ao @ baiboly no misy an'izany? fa toa tsy mitombina an...:wink:
13. MCZ ( 22/08/2006 11:29)
majesty> hummm nahita ko enao zany Deba aa héhéhé ande hitady kalendrier taolo be ireny za less deba de hodinihiko eo :-D :@
14. LazaDaddy ( 22/08/2006 12:20)
tsy dia azoko loatra ny maha mora voasarika anareo @ ito adihevitra ito.

Ny calendrier ampiasaintsika ankehitriny io na 2006 na 2009 na 200x izay noforonin'i Gregoire dia efa miharihary ny antony namoronany azy. Tsarovy fa Andriamanitra dia nanome calendrier ny zanak'Israely izay nokendren'ny Romana novaina, saingy mbola mitana ny fanisana andro sy taonany ihany ny zanak'Israely mandrak'ankehitriny :)

Daniela 7:25
Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
15. xxx ( 22/08/2006 12:31)
ny daty rehetra raha ny fahalalako azy dia par convention , na relatif @ zavatra anankiray daholo no nanaovana azy

ny Noely lasa 25 déc ohatra dia convention fa tsy voalaza ao @ Baiboly akory

information / culture ny fahalalàna ny fiandohan'ny zavatra (origine) ohatran'ny lazain'i majesty io . Ataoko fa tsy dia tena misy idiran'ny fivavahana / finoana loatra na tsia, noraisina ho référence fotsiny ny nahaterahan'i Jesosy
16. LazaDaddy ( 22/08/2006 12:37)
xxx> ny calendrier romana dia convention nataon-draolombelona.
Andriamanitra kosa nanome fanisana andro ny vahoakany, ary nokendren'ny romana novaina. Io nosoratako io ambony io vakio tsara. Raha tsy azo dia vakio Daniela 12 manazava ilay nofy
17. LazaDaddy ( 22/08/2006 12:38)
oops! DAniela 7:15-28 mantsy e:)
18. prime ( 22/08/2006 12:53)
xxx> misy daty mazava avokoa ny voalaza ao @ baiboly ary raha tsy mazava @ fotoana dia mazava @ tantara... mba vakio raha misy fotoana lioka 2:1-7, mazava tsara fa t@ fotoana nanjakàn'i Aogosto Kaisara no nahaterahan'i Jesosy... @ kalendrie gregoriana dia io no taona 0000, @ jiosy dia mari-taona mazava io, ka na @ sinoa koa aza dia misy mari-taona io, ka marina fa tsy misy idiran'ny finoana fa misy marika iraisana na dia samy hafa aza izany... ka diso vely2 ny hoe feno 03 taona Jesosy vao nisaina ny taona 01... vao teraka Jesosy dia efa nosoratana tany @ boky ary 08 andro taoriana dia efa noforàna fa tsy niandry taona izany akory...
19. xxx ( 22/08/2006 13:42)
LazaDaddy:

xxx> ny calendrier romana dia convention nataon-draolombelona.

Marina tanteraka

LazaDaddy:

Andriamanitra kosa nanome fanisana andro ny vahoakany, ary nokendren'ny romana novaina. Io nosoratako io ambony io vakio tsara. Raha tsy azo dia vakio Daniela 12 manazava ilay nofy


Tsy azoko loatra ny hahatongavan'io resaka io eto raha milaza i majesty fa tara na avance 3 ans ny fanisan-tsika andro.

Ohatry ny tsy mifankahazo ny fandehan'ny adi-hevitra: ny ahy ny coté relativité par rapport à un évènement sy ny resaka convention no tiako lazaina fa tsy resaka hoe hitady hanova fotoana ... etc par rapport @ Baiboly

Afaka miteny tsara ny olona 1 hoe année 28 izao par rapport @ année nahaterahako . Tsy midika izany fa te hanova ny fotoana izy

Ny tena tokony ho fantatra izao amiko dia ny hitsorique n'ilay calendrier gregorian, hoe lasa aloha na tara tokoa ve izy par rapport @ izay référence noraisiny (nahaterahan'i Jesoa na zavatra hafa)

20. majesty ( 22/08/2006 16:54)
prime:itanao,tsy hoe vao teraka Jesosy d tonga d natao année 0 (marika fotsiny io d en plus tsy nisy ny année zéro zany fa tonga d 1)fa efa teraka 3taona Jesosy zay vao nanomboka ny fanisana ny taona 1:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1874