Mitady zaza malagasy eto frantsa, miteny gasy

41. cutie ( 13/08/2006 20:00)
:-D:-D:-D:-D
42. Fiffi ( 13/08/2006 20:04)
:-D
43. miangalyandria ( 14/08/2006 04:36)
aleo mba afeniko koa ny ankizinay sao dia anaovan-dry zalahy expérience fotsiny ka maty anay koa !!! :-D:-D
44. Fiffi ( 14/08/2006 04:42)
:-D
45. belahasa ( 14/08/2006 06:49)

ary sao d natory tany am piafenana tany aza lery le .
46. kelly13 ( 14/08/2006 07:50)
:lol:
47. Fiffi ( 14/08/2006 08:41)
de tena tsy hita intsony fa de niafina tokoa ve ?
48. andry08 ( 14/08/2006 09:21)
Amiko dia miafina koa ny zaza, avelao izy hivoaka dia hifidy ny fomba tiany arahana e! Ianao anie ka barrière fa tsy garde à chiourme e!
49. miafina ( 15/08/2006 19:19)
tsy nampoiziko hoe hahazo valiny be dia be toy izao ilay hevitra nalefako teto. Midika izany fa sahirantsaina ianareo gasy mamaly ireo na farafaharatsiny be fanahiana!!
Izao no tiako hambara..Moa va tsy hitanareo ireo vazaha be dia be efa hita mihitsy hoe hindrakindrafana na kely na lehibe?
fanontaniana: tianareo ho toy ireny koa ve ny zanakareo?
jereo ireo gasy lehibe sy teraka taty toa tsy dia tafita loatra @ fianarana CAP sy BEP BAC tsotsofina dia izay dia lasa miasa satria maika hahazo trosa any @ banky hividianana fiara tsara be!!! sy trano tsara be ! dia manambady fa olona roa mahaverina trosa vetivety noho ny sélibatera..

Jereo kosa anefa ny ankizy any madagascar, tsy mijanona raha tsy eny anjerimanontolo (oniversité ho an'ireo izay efa lasa vazaha be) raha mbola manana hatokona koa ny Ray sy Reny hahatafitana azy..ary hendry fa tsy mifoka rongony toy ny vazaha sy ireo gasy efa mihevitra azy fa efa lasa vazaha, midotra sy manao zavatra mihoampampana miaraka aminy, efa lasa imperialista ohatr'azy koa...
Mihevitra moa ianareo mamaly tsy nahazo ny fanontaniako ireo fa raha manao toy ny fombany ny zanakareo dia tsy ho gaga ny vazaha??? tsy manana ny maha izy azy ireto hoy izy!!Toa hitako ny sokajinareo tsy mahazo ny fanontaniana apetrako: gasy snaoby mihevitra fa fotsy ,mihevitra mihitsy aza fa amerikana, nefa malagasy, malagasy anie no tena tsara e! tsy mivolon-kisoa ny hoditra fa gasy ka manja..
Averiko indray ny antsoko: mitady olona mandala ny maha GASY na akanjo io na fiteny, miteny GASY TENY GASY!!!!!Tena izy!! ary mandala ilay filozofia malagasy hoe "NY AN'I HAFA FEHEZIKO, ARY NY TENIKO SY NY FOMBAKO ANDRIANIKO"...AZO VE?? efa tsy nataoko teny frantsay na teny anglisy
50. Fiffi ( 15/08/2006 19:51)
anjekaky ooo :{:{:{:{
sahirantsaina ianareo gasy mamaly ireo na farafaharatsiny be fanahiana!!
ka naninona nefa no tsy nazavaina hatramin'ny voalohany ?
jereo ireo gasy lehibe sy teraka taty toa tsy dia tafita loatra @ fianarana CAP sy BEP BAC tsotsofina dia izay dia lasa miasa satria maika hahazo trosa any @ banky hividianana fiara tsara be!!! sy trano tsara be ! dia manambady fa olona roa mahaverina trosa vetivety noho ny sélibatera..
inona no idiranao @ fiainan'ny olona tahak'zao ? anjekaky ooo :{:{ fa mba fitsikerana kosa zany an! Gasy ve enao ary tena nahavita tena ary tena fatratra ??? sa bac + firy no hanambany ny olona tahak"zao ????
Jereo kosa anefa ny ankizy any madagascar, tsy mijanona raha tsy eny anjerimanontolo (oniversité ho an'ireo izay efa lasa vazaha be)
Nga hono rehefa mahavita fianarana ny gasy de lasa vazaha be ???
ary hendry fa tsy mifoka rongony toy ny vazaha sy ireo gasy efa mihevitra azy fa efa lasa vazaha
tsy hitako zay hataonao aty frantsa ry miafina!! hitsikera ny gasy aty ve ? fa iza hono zany gasy mihevitra fa efa lasa vazaha zany ???
Toa hitako ny sokajinareo tsy mahazo ny fanontaniana apetrako: gasy snaoby mihevitra fa fotsy ,mihevitra mihitsy aza fa amerikana, nefa malagasy,
sao de mba tsy rariny kosa zao vavanao zao ???:evil::evil:
Averiko indray ny antsoko: mitady olona mandala ny maha GASY na akanjo io na fiteny, miteny GASY TENY GASY!!!!!Tena izy!! ary mandala ilay filozofia malagasy hoe "NY AN'I HAFA FEHEZIKO, ARY NY TENIKO SY NY FOMBAKO ANDRIANIKO"...AZO VE?? efa tsy nataoko teny frantsay na teny anglisy
ny ahy indray de fintiniko ry miafina an!!!! mandehana any Dago de tezao any ny zanakao satria raha aty tanin'olona ianao de tsy maintsy hanaraka ny fomban'ny olona aty !!
Tena tsy hitako zay hataonao aty ivelany raha toa ka ny hitsara sy hitsikera zava-dratsy ho an'ny malagasy tahaka anao zao !! mampalahelo!!!!
51. Fiffi ( 15/08/2006 19:51)
AZO VE ??
52. Zina ( 15/08/2006 20:04)
mety izao kosa no mba tiany e...ny ankizy mitazona ny maha-gasy azy.. ary raha miaraka @ na ankizy gasy izy dia mba mbola gasy ihany ..
53. Fiffi ( 15/08/2006 20:08)
Zina: ka tsy zany ange ny olana eh! fa mba hitanao ve zao fitsikerana ny gasy hataony zao ?
54. Zina ( 15/08/2006 20:21)
Fiffi a itako ka fa nety lasa tezitra be izy dia lasa zavatra hafa no lazainy.
55. miafina ( 15/08/2006 20:41)
Tena mafana tokoa ny adi-hevitra, ny lalànan'ny demokrasia na loabary andasy no aleo hiangaliana eto, matetika mantsy ny antsika malagasy rehefa tsy mitovy hevitra @ tena dia ratsy izay, aleo hajaina izay tsy mitovy hevitra @ tena, ary avela fotsiny himonomonina eo rehefa tsy tiana ilay hevitra...toa ahy izao hitako fa tsy azonao ilay hevitra tiako avoitra ary hitako fa be ny tsy TOHININA dia aleo hidaboka eto ny ady hevitra sady be loatra ilay valiny 53 na "dimy amby telopolo" na hoe "dimampolo telo amby "koa aleo ajanona fa tsy hiteraka fandrosoana..misaotra ny namana serasera nandray anjara.. veloma madinidinika any an-tanàna indray mihaona, mazotoa manjanaka vazaha, alaivo ny volany dia alefaso western union!!!
MItandro ny AFIndrafindrao No Atao = MIAFINA :*
56. watafon ( 15/08/2006 20:45)
miafina: andray kosa e! mba namaly tsotra araka ny fahazoany azy ange izy ireo e!
57. vale ( 15/08/2006 20:53)
mmmhhhhhhhh, tsy ny gasy irery izao no tsikerain\'i miafina fa ny vazah koa,:lol:, mivolon-kisoa :?, tsy tokony ho lasa tsikera nge ry miafina lay valin-teninao e, na dia misy aza hevitra mety nahatezitra anao navaliny olona e, fa izao, tsara dia tsara ny hoe mitazona ny maha malagasy, fa kosa tsy tokony hoentina hitsikeraina izay olona tsy te hanao anizany lay izy, sady izao koa e, voatery, na koa ôtômatika be raha toa ka hanaraka fomba vazaha ny ankizy mipetraka ivalany mcar, satria lasa havakavahany namany izy raha toa ka tay manao toa ny fanaony namany, fa io angamba raha tianao ny hanaovany fomba malagasy an, dia rehefa ianareo mianankavy kely ao an-trano, na rehefa mivoaka miantsena iny ohatra, tena tsara be kah, ampisehoana koa fa fière d\'être gasy ny olona fa tsy mitamby ny an\'ny hafa,tena tsara be ilay hevitrao , fa nefa tsy ho ary tanteraka ilay hoe manao fomba gasy ranoray nefa mipetraka aty ivelany! sarotra be! ohatra fotsiny, aty raha vao saronkenatra miditra birao na aiza io na aiza e, dia tsy azoazony olona na voambàka enao, na mi-géner(azfd fa tsy hitako ny andikaina azy an!) olona ny fihetsikao, mihevitra izy fa avy @ no mampihafahafa na mahamenatra anao, nefa any mcar io toa fahazarana mihintsy, (tsikaritro izay an!!!), ka ny tsara dia hoe \"andrianiko ny teniko, ny any hafa koa feheziko\" tonga dia \"sapô\" be enao àzay, ary ny fitsikeraina volon-koditra aloha tokony tsy hisy hidirany fombafomba kosa e!!
\"Ny soa fianatra\" hoy ny avy any @ betsileo ka tsy midika fa ratsy avokoa ny fomba vazaha ka tsy hianarana daholo, ary koa na fomba gasy koa misy ratsy(famadihana ohatra, miala tsiny an\'izay mpankafy anio aloha, fa fijeriko io an, ny mikroba vokarina rehefa mamoha fasana ets,,,,, :?) ka izay, fa dia mirary anao hahita izay tadiavina izany e!!
58. vale ( 15/08/2006 20:59)
oops, "tsy" no izy an, nisy diso frapy,:lol::°):°)
59. Fanja1 ( 16/08/2006 06:35)
miafina enao mahita kihanina bdb aty andafy io , inn kay no mbola ataonao aty fa tsy mody e? fa tena hendry sy mahay b daholo aloha ny gasy e.. tafita daholo reo tanora rehetra mipetraka any, lasa any @ onivesité daholo, any dago tssy mi drogue zany ny ankizy tssy rakay,tena tonga lafatra be any ka raha za re enao entina ny vadi amanjanaka de roso mody!
60. Fiffi ( 16/08/2006 06:44)
ny fitaizana zaza 4 sy 10 taona koh ve de handehanana hanaovana comparaison @ olondehibe zara fa hoe nahazo diplaoma na mifoka rongony sns eh ? sy miseho azy ho lasa vazaha be sy amerikanina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8996