10 aogostra, .... 15 taona lasa izay an'iza ny tsiny?

1. lemenakely ( 10/08/2006 05:26)
15 taona lasa tokoa izay iny raharaha mampalahelo iny !
Raha jerena @ zava-misy ankehitriny dia toa mampanontany tena ihany hoe fa dia ho atao sorona noho ny ambo- po pôlitika foana ve ny vahoaka ka rehefa azo ny seza dia: VELOMA!

Raha hiverenana iny raharaha iny dia nisy ireo mpitarika ohatra: ny pasitera ANDRIAMANJATO, ZAFY ALBERT, tpkl JEAN RAKOTOARISON, tpkl HONORE RAZANAMIANDRA,ALAIN RAMAROSON ....

Tary ankilany RATSIRAKA sy ireo milisy ary ilay helikoptera.Maro ireo nitondra takaitra sy tsy hita faty noho iny raharaha iny .

Manomana fihetsiketsehana sy famoriam-bahoaka indray ankehitriny ny 3FN izay tsy iza fa ry ZAFY ALBERT mbamindry VAOVAO BENJAMIN izay AREMA !
ka dia trafo-kena ome-mahery izy ity rey olona ka dia am-bava homana am-po mieritreritra fa raha lavo in-1 mandeha mbà mety tsy fanahy iniana fa raha in-2 na in -3 mety mbà tokony hanontany tena ihany satria efa t@ taona 1972 no nanomboka ity rà mandriaka sy ny 13 mai ity!
novalian'i prime ny 18/09/2006 15:27
2. diamondra27 ( 10/08/2006 05:49)
lemenakely : naninona aza nanokatra size vaovao fa tsy notohizana le iray efa mandeha io? Sa tsy hitanao le izy?:D

ohatran'ny fanohizana no fahafantarako an'ity
3. Fiffi ( 10/08/2006 06:04)
eny tokoa hoa ?
4. jentilisa ( 10/08/2006 07:34)
Izay te-hamaky fijoroana vavolombelona tamin'iny zava-nitranga iny dia:
http://jentilisa.blogspot.com/
ao amin'ny tahirin'ny 6 aogositra no misy azy raha taraikiraiky vao mahavaky ity.
5. prime ( 10/08/2006 10:27)
:cry:
6. Fiffi ( 10/08/2006 11:08)
Rehefa mitsingerina ny anio,
dia mirimorimo toa tadio
ny fahatsiarovana an’ialahy,
r’ilay any ambany rangolahy,
r’ilay olomangam-pirenena,
tsy nampiseho fitiavan-tena,
sahy nanohitra ny jadona,
n’ino-n’inona nigadona… An-tsaina foana ny androany
voatery arahana tomany :
ialahy no voalohan-daharana
mpanentana nifaharana
tamin’ilay nankeny Mavoloha,
tsy ekeko, tsy avelako ho taloha
fa hovelomiko hatrany…
raha izaho no eto an-tany,
ka hotsaroan’i Gasikara,
fa ny anio dia « tantara »…
hotsaroana ilay « diabe »,
Ny 10 Aogositra sy Honoré !

Moks N. Razafindramiandra La Gazette de la Grande Ile
7. prime ( 10/08/2006 12:14)
:roll:
Naverina kay...
8. zandrypte ( 11/08/2006 04:40)
nytena bleme @ politika gasy dia ataon'ireo intellectuel na pseudo-intellectuel FITAOVANA ny vahoaka ny tiako ambara dia izy ireo tokony hanoro ny tokony atao no mampiditra angano "manoeuvre-frauduleuse" hamaky palais presidentiel cas 10/08/91 destabilisation "adim-poko" cas 2002 za afaka miteny fa tsisy izany, dernier recour n'ireo politisiana a cour d'idee daholo ireo n tena marina dia tokony ho tonga saina isika amin'ireo fikafika ataon'ireo pitaritolona fa hoavyindray izao ny fifidiana
9. prime ( 11/08/2006 10:04)
lemenakely:
Tary ankilany RATSIRAKA sy ireo milisy ary ilay helikoptera.Maro ireo nitondra takaitra sy tsy hita faty noho iny raharaha iny .
Tsy ampy io, tary ankilany ratsiraka sy manandafy, ravony sy monja jaona, gisèle rabesahala sy rakotovao andriantiana, razanamasy sy ny ampanjakam-paritra ary ny dady...
10. Herimiafina ( 11/08/2006 19:21)
Izay mihintsy avoahay ny lisitra! :wink:
11. cutie ( 11/08/2006 19:39)
mampiova in anefa ny fampatsiahivana ny 10 aogositra:roll:
sa we tantara fotsiny :lol:
12. fijo ( 11/08/2006 20:20)
cutie natsy tantara fa tsiahy.ilaina izay.
zandrypte,"intellectuel "hoe??????eo mihintsy ny olana.ny mpanao politika any amintsika dia tsy manam pahaizana arapolitika,fa mba nianatra ,dia manao izay ahazoana vola haingana amin'io toerana io.izay no mahatonga ny fivadihana palitao lava.
13. cutie ( 11/08/2006 20:23)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 12-08-2006 01:20:32
Lohateny : Re : 10 aogostra, .... 15 taona lasa izay an'iza ny tsiny?
cutie natsy tantara fa tsiahy.ilaina izay

ilaina @ in :roll:
14. fijo ( 11/08/2006 20:27)
ny tsiahy,dia ilaina anaovana fitarafana amin'izay zavatra kasaina hoavy.mba tsy hanadinoina ny lasa.
ohatra ny tsiahy jiosy momba ny famonoana azy taloha.
15. cutie ( 11/08/2006 20:29)
zany :lol:
16. fijo ( 11/08/2006 20:35)
ieeeeeee,ary io no mampiray hatrany andry zareo.
17. cutie ( 11/08/2006 20:42)
ary ny Malagasy??
hampiray ny Malagasy ve ny 10 aogositra:lol:
18. jentilisa ( 12/08/2006 05:14)
Dingan-tantara tsy azo adinoina ny folo aogositra satria mampiseho ny tsy firaharahian'ny fanjakana ny atao hoe vahoaka. Tsy hoe vahoaka hamono azy fa maneho ny heviny. Tsy azo apetraka ho henatra ny folo aogositra fa fanehoana kosa hoe hatraiza moa ny vahoaka no mahay miaraka sy tsy mba manao herisetra na dia anaovana herisetra aza!
tolona tsy nisy herisetra nanaovana amboletra!
19. cutie ( 12/08/2006 17:34)
:lol:jentilisa
de tohizo e
20. Fiffi ( 13/08/2006 15:21)
hitalo le article fa tena :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0335