inona moa ny vehivavy teo amin'ny malagasy

1. rafety ( 09/08/2006 11:43)
ny hevitry ny malagasy momban'ny vehivavy;ny fandraisany azy:fanaka malemy fotsiny ve?sa fototry ny aina sy ny fahefana?
novalian'i andry08 ny 26/08/2006 20:08
2. Fiffi ( 09/08/2006 12:29)
fa nahoana koh aza no hatao hoe fanaka malemy zany eh ? raha tena ny hevitro aloha de tsy d'akoro @ io zah satria ny vhv koh nge ka mahavita ny hataon'ny lhl eh ! sa ve hoe noho ny vhv miteraka no antony nilazana an'zany ? fa na izany aza sady tsy fanaka no tsy malemy ny vhv! :)
3. cutie ( 09/08/2006 13:08)
Mpandefa : rafety [ Valio ] 09-08-2006 16:43:25
Lohateny : inona moa ny vehivavy teo amin'ny malagasy
ny hevitry ny malagasy momban'ny vehivavy;ny fandraisany azy:fanaka malemy fotsiny ve?sa fototry ny aina sy ny fahefana?

za manaiky we fototry ny aina :lol:
4. soanja ( 09/08/2006 13:45)
Miankina amin'ny faritra any Mada no hiheverana ny vehivavy amin'ny Malagasy.
Koa raha te hahafantatra an'izany dia mila mianatra ny momba ny foko isan-karazany.
5. diamondra27 ( 09/08/2006 14:05)
soanja: raketo kely le leçon zany aloha e! aza atao lavabe fa fintino an! sao de kivy eo njay zay mamaky
somary tapatapaho le izy raha lavabe ( alefaso tsikelikely)
6. booboo ( 09/08/2006 15:43)
Momba ilay " fanaka malemy " :

Taloha,hono, dia raha sarobidy zany fanaka zany ( azo ampitahaina @ harena ). Misy fomba fiteny maro hamaritana ny vehivavy mifandraika @ resa-tokantrano : " ravaky ny tokantrano " ohatra.

Satria raha sarobidy t@ ndreo ny fanaka ( fasiana raha sarobidy tahaka firavaka, fasiana akanjo = fitahirizana na fametrahana raha important @ fiainana andavanandro ), dia nokarakarina, kojakojaina, kenakenaina sns. Nampitahainy t@ zany koa ny vehivavy : mitondra vohoka sy manome taranaka ( harena ny zanaka @ Malagasy ), miandraikitra ny fiainan-tokantrano ( miandraikitra zay ho hanin'ny ankohonana, manadio, mitoto vary, matsaka ... = miandraikitra ny fandehan'ny fiainana an-davan'andro ).

Natao hoe malemy indray, satria, tsy mitovy ny herim-batan'ny lahy sy ny vavy. Ny lehilahy no manao zay asa maventy : miasa tany, mandrafitra...Taloha koa dia efa voasakajy ny asan-dehilahy sy ny an'ny vavy ( lahy, zay ivelany rehetra entina hamelona ny ankohonana ; ary ny vavy zay momba ny ao an-trano ).


Tsy mitovy mihitsy ny hevitra fonosin'ny " fanaka " @ Malagasy ny an'ny tandrefana = meuble = tsy rarahina ..., ary tsy manana connotation négative ilay hoe " malemy " na kely aza fa zava-marina ( physiquement ).



7. cutie ( 09/08/2006 15:49)
booboo mazava:P
8. Achia ( 09/08/2006 16:47)
vhv = ozinin
9. Herimiafina ( 09/08/2006 17:18)
rafety:

ny hevitry ny malagasy momban'ny vehivavy;ny fandraisany azy:fanaka malemy fotsiny ve?sa fototry ny aina sy ny fahefana?


Fomba fijery avokoa ny mikasika an'io. "PERCEPTION".

Matetika izy io dai basée amin,ny fandraisan'ny vehivavy ny tenany mihintsy, le choix de la femme fa tsy hoe ny fandraisan'ny lehilahy azy. Ary tadidio fa misy origine daholo ireny qualificatif rehetra ireny fa tsy niforomporompoana tsy akory.

Matetika aza dia natao fitaovampiadiana mahery vaika io resaka fanaka malemy io. :roll:

10. miangalyandria ( 09/08/2006 18:14)
hoy ny rainibenay izay hoe "ao ambadiky ny lehilahy nahavita zavatra be iray anaka misy vehivavy foana !". Ny fantatro fotsiny aloha dia ny vehivavy malagasy no nanana ilay hevitra hoe hanangana trano voalohany, ny lehilahy malagasy no nitondra hevitra fanampiny nanatsarana azy : ny kitay telo an-dalana no vokany taty aoriana :-P
11. Herimiafina ( 09/08/2006 18:58)
Raha ny tokony ho izy dia misy contexte daholo ao ambadik'ireo teny rehetra ireo "fait social total" Marcel MAUSS.(l)
12. patrick2002 ( 10/08/2006 00:15)
Fiffi:

fa nahoana koh aza no hatao hoe fanaka malemy zany eh ? raha tena ny hevitro aloha de tsy d'akoro @ io zah satria ny vhv koh nge ka mahavita ny hataon'ny lhl eh ! sa ve hoe noho ny vhv miteraka no antony nilazana an'zany ? fa na izany aza sady tsy fanaka no tsy malemy ny vhv! :)



rehefa tsy d'akoro indry fiffy dia alao indray atao hoe vatolampy azo handihizana ah! :-*:-*:-*
13. patrick2002 ( 10/08/2006 00:33)
Ny fanaka malemy aloha aza raisina @ sens pejoratif eh! amiko dia mazava io fa malemy ara-batana ny vehivavy ,malemy ara-tsaina ,ara-panahy raha oharina @ lehilahy samy manaiky angamba isika ,tsy midika izany fa tsy misy hasina ny vavy mihoatra ny lahy ,na ambony kokoa ny lahy mihoatra ny vavy ,mifameno ireo.
Ary marina ilay fanamarihana etsy ambony hoe tsy hahavita zavatra ny lehilahy raha tsy ao ny vehivavy nanome tosika azy porofin'ny izany raha hijery isikA ,hoe inona ny lazan'izany Hillary clinton i Barbara bush, ny vadin'i Kennedy ,raha hijery ny any Madagascar isika ,Celine Velonjara Ratsiraka, i Therese Zafy (Zafimahova ) ary i Bao Andriamanjato ,Ny vadin'i Ratsimandrava.
Ireo rehetra ireo dia midika fa mandray anjara lehibe eo @ fahatomombanan'I fiainan'ny lehilahy ny vadiny.:lol::lol::lol:
14. soanja ( 10/08/2006 04:11)
Patrick 2002 a, aleo tonga dia tsoriko aminao fa TSIA, tsy malemy ara-tsaina ny vehivavy ary tsy malemy ara-panahy koa. Ny lehilahy no tena malemy raha ireo roa ireo. Lava ny resaka raha hitarina fa diniho fotsiny ny manodidina dia ho hitanao fa matanjaka tanteraka ny vehivavy amin'ny lafiny rehetra afa tsy ny ara-batana angamba raha oharina amin'ny lehilahy, nefa mbola azo adihadina koa io farany io.
15. patrick2002 ( 10/08/2006 10:05)
soanja: eny ary mba lazao ahy ary inona no mahatonga anaho hiteny fa matanjaka ara-panahy sy ara-tsaina ny vehivavy mihoatra @ lehilahy?
Ny ahy ny fijerena ireo manodidina ireo no mahatonga ahy hiteny fa matanjaka kokoa ny lehilahy mihoatra ny vehivavy ,ka aleo tonga dia chiffre no homena hampieritreritra anao ary ataoko fanontaniana.
-Firy moa ny lehilahy Politicien mihoatra ny vavy?
-Rahoviana no hisy President vehivavy any USA izay firenena manaja ny fahalalahana hipetrahanao io?
-Firy moa ny Vehivavy chef d'entreprise mihoatra ny lehilahy?
-mba ahoana ny fandraisanao hoe lehilahy ny donam-pahoriana dia mitomany ,ary rehefa vehivavy azom-pahoriana dia latsa-dranomaso?
-Ary farany efa nahita ve ianao eran-tany hoe vehivavy indray no mikoty lehilahy,ary azo atao ve izany?
Ireo rehetra ireo amiko dia midika fa misy ilay NATURE BIOLOGIQUE antsika olombelona izay tsy azo hodivirana na eo ny fandrosoana.
Zay ary fa miandry ny fanazavana avy any aminao.
16. cutie ( 10/08/2006 10:22)
Rahoviana no hisy President vehivavy any USA izay firenena manaja ny fahalalahana hipetrahanao io?

mety hisy @fifidianana manaraka ka :lol:
17. soanja ( 10/08/2006 23:29)
Patrick>
Zay vao hitako ny antony hilazanao fa tsy matanjaka ara-tsaina sy ara-panahy ny vehivavy.
Tsy misy diso ireo lazainao ireo akory raha ny statistics no jerena ny momba ny vehivavy saingy ny zavatra hadinonao alohan'ny ilazanao an'ireo izay isan'ny manodidina ary zava-dehibe dia ny TANTARA - History.

Inona avy ireo vanim-potoana nandalovan'ny vehivavy vao tonga amin'izao misy antsika izao isika?. Raha nitovy foana, tompoko, ny zo nafahan'ny vehivavy nampiseho ny heriny ara-tsaina sy ara-panahy dia manaiky aho fa malemy ny vehivavy. Alaiko fotsiny ny ohatra ny fireneko US. Tamin'ny 18 August 1920 vao afaka namoaka amendement ny fanjakana US hoe afaka hifidy ny vehivavy. Iza zany no naka bahana mialoha hatramin'izay? Nefa tamin'ny 1776 dia efa niady ny zo ry zareo. Ary hatramin'izao dia mbola tsy ratified ny CEDAW eto Amerika izay hiarovana ny zon'ny vehivavy amin'ny fanavakavahana rehetra. Latsaka 76 cent amin'ny lehilahy foana ny karaman'ny vehivavy aty US ary mbola mitombo io lavaka io hatramin'izao na dia manao ezaka aza izahay.

Hatramin'izay dia natao fitaovana fiterahana fotsiny ny vehivavy ary tsy nomena hasiny mihitsy. Jerevo ny Torah, baiboly sy ny Koran izay mitarika ny lohan'ny mpitondra matetika. Raha maka ohatra fotsiny aho ny vevavy Afrikanina dia firy tokoa moa ny voan'ny sexual abuse sy ny famonoana vady ao an-trano. Firifiry koa moa ny tratran'ny famorana ny zavany sy ny fanambaniana ny veivavy isan-karazany. Ny tena mampalahelo dia mbola tsy manana fomba tsara ny UN handrefesana ireo. Inona no fiantraikan'ireo amin'ny vevavy?

Raha i Mada fotsiny no teneniko dia hoe inona moa ny anjara-toeran'ny vehivavy ao amin'ny tokatrano. Tsy ny mikarakara fianakaviana. Mahantra ve ny Gasy? Iza izany no tena ianjadian'ny asa mikarakara ny ankizy? Firy ny stat ny isan'ny lehilahy mamono vady sy mamolava ao Mada ary ny mampirafy? Midika ve izany fa matanjaka ara-tsaina ry zareo? Firefarefana amin'ny tany izany ary fahalemena.

Raha jerena indray ny isan'ireo vevavy mamelona zaza tsy manan-dray, vitany tsara ary miezaka izy satria safdy miasa no mitaiza? Jereo ny stat raha misy fa miteny aminao aho fa vitsy ny lehilahy mamelona zaza tsy mana-dreny raha oharina amin'ny vevivavy. Matetika dia ny reniny no asainy mitaiza ny zaza na olokafa.

Raha mijery ny politika ny izao tontolo izao ianao dia izao fotoana izao vao miady mafy ny firenena rehetra manome vahana ny fampianarana ny ankizy vavy sy fanomezana asa azy ary miady ny firovana ny zony tsy ho voalelingelina, fa ny ankizilahy foana no manatombo hatramin'izay.
NY ANTONY DIA SATRIA FITONDRAN'NY LEHILAHY ITY FIAINANA ITY HATRAMIN'IZAY. Ka raha latsaka ny stat momba azy dia tsy nidika fa malemy izy.
Jereo fotsiny ary i Inde fa firy ny isan'ny vehivavy manana microbusinesses ao raha oharina amin'ny lehilahy, any ambanivolo mahantra no resahiko.
Anao indray ny sehatra.
18. patrick2002 ( 11/08/2006 00:41)
Misaotra anao nanome fanazavana aloha nefa mba manontany anao izaho SAMBATRA VE NY VEHIVAVY AMIN'IRENY FIRENENA IZAY MANANA FAHALALANA IRENY NY VEHIVAVY raha oharina @ vehivavy afrikanina sy gasy?
Na inona na inona rafitra napetraka teto @ fiaraha-monina dia natao izany mba hahasambatra ny tsirairay (lahy sy vavy) ,nefa ilay rafitra vaovao napetraka ve mahasambatra ny lahy sy ny vavy, ho lava ny resaka raha hotantaraina ,fa amiko tokony hiainga @ Nature biologique ny tsirairay ary tokony hipetraka @ nature io ,na inoninona fandrosoana ara-teknolojia na inona,zavatra tsy azo lavina dia nandray anjara lehibe ny vehivavy teo @ fanarenana ara-ekonomika tao aoriana ny ady lehibe faha-roa,izay no nahatonga ny mpitondra fanjakana hanova ny lalana mifehy ny vehivavy, ary mbola hamafisiko fa raha tiana hisy ny fampandrosoana ,dia tsy maintsy mandray anjara ny vehivavy, fa saingy hataon'ny vehivavy dika vilana io hoe lahy = vavy tsia hoy izaho.
19. soanja ( 11/08/2006 03:03)
Ho lava tokoa ny resaka raha tohizana ary tsy hifanojo mihitsy ny fomba fijerintsika satria ny ahy ny tantara no mitsara sy hitsara.
Valiako alo ny fanontanianao hoe Sambatra ve ny vehivavy amin'ny tany mandroso. Efa nomeko atsy ambadika ny degree-ny fahasambarana. Anjaranao ny mandinika hoe aiza ho aiza daholo izany ny vehivavy. Mitovy ihany isika raha ny fahasmbarana no resahina.

http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m44d16f2be9cdc

Manana ny mahaizy azy ny vehivavy ary midera ny mitovy fitaovam-pananahana amiko aho. Na Afrikanina izy na Indian na Malaysian sns. Tsy nisy nipetra-postiny hatramin'izay fa nanaraka ny onjan'ny fitondran'ny lehilahy na any an-trano na any ampiasana na any am-piangonana n'aiza n'aiza. Matanjaka izany raha saina ary fanahy koa.
Inona moa no nahatonga ny firenetsika mahatra fa tsy ny tsindry hazo lena nahazo antsika. Dia toy izay koa ny nahazo ny vehivavy.
Tsy mitady hitovy Zo amin'ny lehilahy aho raha ato an-trano satria ny lehilahy no lohan'ny fianakaviana fa raha any ampiasana kosa dia aleo hifampitady.
Ity ny hevitra farany azoko omena anao momba an'ity
http://www.care.org/features/videogallery/2006/iap.asp
Araho ny blaogiko fa hohitanao ao ny mahavehivavy ahy. http://soanja.blaogy.com/post/220/1615
We are powerful!
20. patrick2002 ( 11/08/2006 15:03)
Raha ny eto Canada dia efa mitovy zo tanteraka ny vehivavy sy ny lehilahy araky ny lalana ,misy anefa rapport vao nataon\'ny organisme feminine hoe ,mbola mitana ny pourcentage ambony be ny sex eo ,@ critere de recrutement ,mihoatra ny competence,izany hoe tsy azo hidovirana ny sex eo @ critere d\'embauche, ary ny lehilahy,no manana chance betsaka kokoa,mazava io satria ny vehivavy ,mety harary ny zanany ,mety ho bevoka sns,ka manjary miantona ny asa ,nefa aty Amerique c\'est le profit ,izay ihany no fantany entrepreneur.
Tsy misy miteny mihintsy hoe tsy mandeha lavitra ny fisainan\'ny vehivavy mihoatra ny an\'i lahy,na ny lehilahy plus intelligent kokoa mihoatra ny vavy ,tsy izay lay izy .fa lamina efa napetraka teo @ fiaraha monina hoe ,ny ankizy tokony hankato ny teniny ray aman-dreniny ,ary ny vehivavy tokony hanaraka ny vadiny,(izay efa notanisainao teo ambony teo, hoe ny lahy no lohan\'ny vavy),ka raha ao antokatrano hiady hevitra ny mpivady hoe andao hividy auto ny vavy miteny hoe auto securitaire vidina, ny lahy miteny hoe ny ahy auto confort ,ny vavy anefa miseho manan-tsaina ka mandahatra ny heviny eo ,ny an\'iza no marina ?
efa noteneninao ny @ fahasambarana ary tena mazava ny fanazavanao, tena hita fa olona intellectuelle ianao,nefa izay fahaizana sy fahalalana hanananao izay tsy midika fa ianao nomandindy ao antrano,ary tsy fanarahana ny hevitrao tsy midika fa ambany ianao ,fa choix io,une femme sage discute a son mari avec ses idées ,mais quand la discussion est terminée elle part avec les idées de son mari.
Soanja ny lehilahy natao hiahy (securité) ary ny vehivavy natao hamelona sy hitia ao antokatrano.
dia izay ary fa hiasa pour 4 jour izaho ka tsy ho eto fa @ manbaraka :-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2875