inona moa ny vehivavy teo amin'ny malagasy

21. booboo ( 11/08/2006 16:03)
Soanja, patrick2002 > tsara aby zany fa ny toeran'ny vehivavy TEO @ malagasy toa tsy mbola hitako novalianareo :°)
22. Fiffi ( 13/08/2006 12:26)
hummmm! tena nahafantarana zavatra bdb tato an!:)
23. simplex ( 13/08/2006 16:36)

Mety misy hifandraisany @ ilay kozin'i HM atsy ambadika atsy @ le hoe fomba filalaovana olona izy ity. @ fotoana zao aloha fa tsy hoe Ntaolo an, de ny vevavy mi-s'adapte @ izay toerana misy azy :D:D
ra vao tenenina hoe fanaka malemy izy de tsy manaiky mintsy tsy maintsy hi-defier zao zao zao, ... fa ra vao hoe traiter-na hoe @ zay izy de iny ndray izy no mamorona fika hafa refa tena tsy milay le pasy, le charme ndray no ampediana eo.

Ho fehiny, Na in na in fiheveran'ny olona ny vevavy gasy teo aloha na fahagola de @ izao ny vehivavy de anisan'ny olona faran'izay fetsy sy tsy manaiky lembenana :D:D ka dia samia mailo :-D:-D:-D

:-*:-*
24. pissoa ( 13/08/2006 16:40)
simplex:
ra vao tenenina hoe fanaka malemy izy de tsy manaiky mintsy tsy maintsy hi-defier zao zao zao, ... fa ra vao hoe traiter-na hoe @ zay izy de iny ndray izy no mamorona fika hafa refa tena tsy milay le pasy, le charme ndray no ampediana eo.
=))=))=))
25. patrick2002 ( 13/08/2006 18:41)
Ka ny toetrany ve sa ny anjara toerany teo @ malagasy no tian'ny rafety hanontaniana ? miovaova mako araky ny vanim-potoanan'ny ,ny vehivavy gasy amin'izao tsy mitovy intsony ny vehivavy gasy t@ 1950
26. Herimiafina ( 13/08/2006 19:13)
Antsay ireto fanaka malemy ato e! :-*
27. soanja ( 13/08/2006 20:56)
simplex:


Mety misy hifandraisany @ ilay kozin'i HM atsy ambadika atsy @ le hoe fomba filalaovana olona izy ity. @ fotoana zao aloha fa tsy hoe Ntaolo an, de ny vevavy mi-s'adapte @ izay toerana misy azy :D:D
ra vao tenenina hoe fanaka malemy izy de tsy manaiky mintsy tsy maintsy hi-defier zao zao zao, ... fa ra vao hoe traiter-na hoe @ zay izy de iny ndray izy no mamorona fika hafa refa tena tsy milay le pasy, le charme ndray no ampediana eo.

Ho fehiny, Na in na in fiheveran'ny olona ny vevavy gasy teo aloha na fahagola de @ izao ny vehivavy de anisan'ny olona faran'izay fetsy sy tsy manaiky lembenana :D:D ka dia samia mailo :-D:-D:-D

:-*:-*

Tsy fantatro ianao na vehivavy na lehilahy ny zavatra nolazain'i HM atsy ambadika no antsoina hoe the dark side of communication. Ka io miankina amin'ny mandray azy no mahay mamaly azy sy manamaivana azy dia foana ny olana na miditra lalindalina dia manome mazava ny hevitr'ilay mpilalao olona. Dia atoro azy ny zavatra tsy mety. Ny tena izy dia mila hatrehina ny olana fa tsy jerena fotsiny na odina tsy hita amiko.
Izaho alo vehivavy. Ary tena tsy manaiky lembenana, Izay mihitsy ilay teny. Tsy maintsy Fetsy raha vao miodina amin'ny tontolon'ny lehilahy fa raha tsy izay voambaka. Asakasak'izay vehivavy manaiky atao tsindry azo lena. Izaho manokana alo dia hiady ho azy amin'izany fa tsy voatery hitovy koa ny toetran'ny veivavy na dia samy vaviny aza.
Yes, tokony ho mailo ny lehilahy fa tonga ilay fotoana.
Ato an-trano indray cool satria hatramin'izao aloha dia mbola tsy hitako ilay tsindry hazo lena. Tena nahay nifidy aho e.
Izay no tena mbola hitako olana amin'ny lehilahy Gasy ny ankabezany. Ny ankabezany hoy aho. Tsy tena mivelatra ilay fomba fijery fa manila. Asa vokatry ny inona indray io.

28. soanja ( 13/08/2006 21:19)
Aleo valIana amin'izay ilay fanontaniana.
Ny vehivavy tamin'ny Malagasy?
N'aiza n'aiza aloha dia zava-dehibe ny vehivavy satria mpanome taranaka satria ny Ntaolo nilaza hoe "Harena ny zanaka" ka izay nipoiran'io zaza io dia tadiavina toy ny mitady volamena sy natao hoe tanjona ary nohajaina.
Anjaran'ny toeran'ny vehivavy dia tokony ao an-tokatrano tamin'izany fotoana izay mikarakara sy mitaiza ny ankizy.
Any amin'ny Mahafaly aloha no anombohako ny raharaha.
Tsy afaka manapakevitra amin'inona na inona any vehivavy raha resaka toekarena fa ny lehilahy no mandamina an'izany. Zany hoe raha hividy tany na hamboly voly vaovao na hoe hividy omby sns dia ny lehilahy no manapaka ary ny vehivavy mpanarak'efa. Rehafa hanambady ny lehilahy iray dia vehivavy efa niteraka no tiany vadiana satria iny tena fantany fa hiteraka. Noho izany fakana taranaka ny vehivavy. Nefa rehefa miteraka koa izy dia tsy mahazo avoako ao an-trano ny zaza fa any anaty ala tsy misy mahita ny hiterahana ny zaza. Tsy mahazo mikiakiaka na mitomany izy na marary aza satria izay no nanamboarana azy, hamoaka zaza ka zakany zany. Matanjaka izy. Tsoaka natao hampitohy ny taranaka ny vehivavy Mahafay ary hajaina saingy tsy voatery hanome ny heviny izy. Raha misy anampiana dia ampio fa efa 20 taona aho izay tsy tany intsony ka mety efa niova io.
29. Fiffi ( 14/08/2006 04:55)
zahay tsy fanaka malemy zany hoa !
30. Fiffi ( 14/08/2006 05:23)
de mbola manaraka hiany aloha! :)
31. soanja ( 14/08/2006 12:43)
Mba alefaso eto indray izany ny an'i Merina fa izay angamba efa be mpahafantatra eto ny momba azy ireo.
32. Fiffi ( 14/08/2006 13:27)
misy artikla bdb momba an'io ao @ net an! ohatra hoe ity http://www.madagascar-guide.com/fr/pages/ethnies/merina.html
33. soanja ( 14/08/2006 15:55)
Fiffi:

misy artikla bdb momba an'io ao @ net an! ohatra hoe ity http://www.madagascar-guide.com/fr/pages/ethnies/merina.html


Fiffi a, tsy mamaly ny fanontaniana eto ireo ao amin'ny site. Ny vehivavy sy ny anjara-toerany no tian'ny mpanontany raha tsy diso aho. Fa ny mombamomba ny foko amin'ny ankapobeny dia efa tokony efa hahay daholo isika raha fihevitro satria io isika ary tsy ananandroa.

34. Fiffi ( 14/08/2006 16:04)
soanja: ka le hoe Merina no hitako teto de mba nandefa an'io zah koh! :oops:
35. simplex ( 15/08/2006 19:14)
soanja:
ny zavatra nolazain'i HM atsy ambadika no antsoina hoe the dark side of communication.

in ny dikan'io @ teny gasy ? mila fanazavana :oops::oops:

soanja:
Mba alefaso eto indray izany ny an'i Merina fa izay angamba efa be mpahafantatra eto ny momba azy ireo.

Tena manana toerana lehibe tokoa ny vehivavy eo @ Imerina. Izany no antony mahasarotra ny fangataham-bady; @ fanateram-bodiondry matetika tena misy kabary miady mintsy (za efa nahita olona tsy nahazo;-)). Ny vevavy koa no reny hitoeran'ny aina, ny hanambadia-kiadanana ozy ny fitenenana. Na izany aza anefa sarotra kokoa hoan'ny vehivavy efa niteraka no hahazo vady mihoatra @ mbola tsy niteraka. Somary saro-piaro @ "vehivaviny" izany ny olona.

Eo @ fiainana andavan'andro eo @ tokan-trano indray de mifanohana ny mpivady. Rangah no tompo-teny @ zavatra hainy, ramatoa koa torak'izay. Hifanarahana ny zavatra atao, ary misy adihevitra refa ilaina izany satria soa hiombonana. Ny vehivavy matetika no tena tompon'andraikitra @ fitaizana ny zaza, kanefa tsy hoe azy irery izany. Ny zaza koa tsy hidiana any an-trano fa entina mba ahita ny fomba fanao sy hampianarana azy ny fiainana mety miandry azy.

Ny lahy no lohan'ny vavy eo @ fiaraha-monina. Zany akory tsy midika hoe didin'ny be sandry fa olon-dehibe mifanaraka. Misy toerana manokana hijerena ny lahy zany e, ohatra hoe refa mamangy fahoriana ra eo rangah de tsy maintsy izy no miteny, io aloha no tena hitako. Ra tsy eo rangah de na ny zanany lahy na ny rahalahiny na a defaut ramatoa no miteny. Eo @ fitantana ny tokan-trano ra tsy eo rangah de masomandidy @ fanam-pahankevitra ramatoa. Izany hoe mifameno izany ny roa tonta fa ny lehilahy fotsiny no mitarika e. Zany akory tsy midika hoe tsy misy exception an!!

Farany refa mamolava ranga na mamono vady, de mande mody any @ Ray amandReniny ramatoa. De tsy maintsy mampody ranga sady mitalaho mandohalika no mody manao mampalahelo :-D:-D

36. simplex ( 15/08/2006 19:18)
Hadinoko kely:

@ zao fotoana zao de Macho doly ny bandy kely retra fa refa sendra ny jobakely tsy azo anoharana dia mangina hoazy. Ny sasany moa de miafara any @ peratra eny @ tanana ankavia mintsy no hiafarany. Fanaka malemy ve zany ny vevavy ??:°):-D:-D:-D

:-*:-*
37. soanja ( 16/08/2006 01:10)
simplex> Misaotra indrindra. Mahafinaritra ahy be ilay teninao hoe : "Izany hoe mifameno izany ny roa tonta fa ny lehilahy fotsiny no mitarika e."
Raha mba izay daholo ny fiarahamonina rehetra dia nilamina ny tany. Satria io voalazanao io dia midika fa mpifankatia no mifanantona dia miara manomboka zavatra iray ary manana tanjona iray.
Indrisy anefa fa tsy toa izany daholo ilay izy.:-*:-*
38. soanja ( 16/08/2006 04:53)
simplex niteny hoe:Hoy i soanja:
ny zavatra nolazain'i HM atsy ambadika no antsoina hoe the dark side of communication.

in ny dikan'io @ teny gasy ? mila fanazavana

Efa nitady mafy ny dikan'io aho dia izay no nahatonga ahy namoaka tsy satry io teny vahiny io. Fa raha adika vilana satria tsy hahavoaka ny tiany resahina dia hoe " ny endrika miafin'ny serasera." Zany hoe ny serasera tokony manome fahazavana fa satria izay no maha serasera azy. saingy betsaka eo amin'ny lafin'ny serasera no mifono zavatra ambadika.
39. patrick2002 ( 16/08/2006 18:24)
toa mitovy daholo ihany amiko ny anjara toerany vehivavy na merina na antandroy ,na bezanozano ,na nitaizana t@ finoana musulmans,na judaisme na chretien.
@ izao fotoana izao noho ny fandrosoana ara-ekonomika dia ,miova izany ary ny fanjakana mihintsy no manao lalana hiarovana ny vehivavy ,betsaka ny vehivavy no mametraka izany @ filany azy ,eo no miteraka ilay crise social @ izao fotoana izao.
40. simplex ( 16/08/2006 19:06)
patrick2002:

toa mitovy daholo ihany amiko ny anjara toerany vehivavy na merina na antandroy ,na bezanozano ,na nitaizana t@ finoana musulmans,na judaisme na chretien.
@ izao fotoana izao noho ny fandrosoana ara-ekonomika dia ,miova izany ary ny fanjakana mihintsy no manao lalana hiarovana ny vehivavy ,betsaka ny vehivavy no mametraka izany @ filany azy ,eo no miteraka ilay crise social @ izao fotoana izao.


za kou lesy mba nieritreritra an'izany fa refa namaky an'ilay resaka teo ambony aho vao niheritreritra hoe mety misy tsy hitovizana zany. :D:D

Fa ny musulmans kosa aloha tsy mitovy @ kristinina ee. @ iny za tsy d'accords... asa samy manana ny fahitany azy. :D:D

:-*:-*

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5104