fahaiza miaina

1. fijo ( 08/08/2006 20:50)
mba mianara ihany ry zareo fomba,fa misy tena ahitana resaka anie e.
misy zavatra hitako ity,tsy vazivazy fa tena lmarina ,ary vao tsy ela kaory izay.
nisy olona akaiky ahy maty reny.dia natao tao antrano ny famangiana azy.dia ity averiko eto ny zavtra nataon'ireo mpamangy.
Vao tonga;eo ambaravarana dia niarahaba.:
"manao ahoana e,salamatsara?"
valiny ie,sady sadaikatra be izahay.miaraka amin'ny ankizy moa eo ny mpamangy.

dia niroso naka toerana.
Mpanagy:"manahoana nareo,henonay moa fa maty ny mamanao ry X,ka dia tonga izahay izany mba hamangy.satria moa namana enao ,ka izay no hamangianay"

za no mamaly.:(tsy haiko izay hoatao,satria ,tsy izany ny fomba famangiana mahazatra ahy fa dia nalaiko araka io nataony io.)
"misaotra anareo namana,tonga mamangy sy mampionona fa,manana namana tokoa misy anareo aty tany lavitra aty,amin'izao fotoana maizina izao"

Mpamangy:"ie,hi hi hi (tena nisy io hehy kely io)ka izahay moa izany dia mba nitondra vola kely koa,fa io no fomba,ary tsy hita izay maharatsyazy."

za mamaly(mbola sadaikatra be ihany):"misaotra anreo,fa sady efa nahafoy andro nareo namangy sy nampionona ,ary mbola mandany vola aman karena koa,ka dia fisaorana no atolotra anreo."

Mpamangy:"izay ary fa dia aoka izay e.""tampoka koa izany fahoriana izany an"sady nipetraka ny mpamangy.

dia norosoina zavapisotro moa,fa izay no fanao aty.

izay no zavatra niainako ,ka hoy aho hoe,mba mianara ihany fomba fa tena mahasadaikatra be le fiarahamonina indraindray
novalian'i papala ny 10/10/2006 12:56
2. dailynews ( 08/08/2006 21:58)
tsy hitako izay lazaina fa dia tapaka ny tsinaiko namaky azy, ka izay ilay tsy mahalala ilay fomba koa, samyhafa ny culture.
3. dailynews ( 08/08/2006 22:00)
oay fa angaha moa gasy tena gasy? hmm!
4. Zina ( 09/08/2006 00:14)
samyhafa ny culture

zany dia mampatezitra ry dailynews. Ka hita fa malagasy ko...
Marina mihitsy izany ry fijo, na dia oe nihanatra any ivelany ary dia tsy tokony hanadino ny fahaizana mihaina ny maha gasy ny tena...
Loza ty marina
5. cutie ( 09/08/2006 01:50)
sao de mba nerveux kosa le mpamangy ?
6. sasa ( 09/08/2006 03:25)
tena mba efa manao tsinontsinon'olona mintsy koa izany, gasy ve d tsy hahay hamangy izany amzay raha hoe tsy mahay fotsiny tsy mampaninona fa izy ity somary mbola misy hehy kely koa. tena tssssssssss diso tsy mahalala fomba loatra ka mandreraka :twisted::twisted::twisted:
7. mimich ( 09/08/2006 04:29)
fijo> inn ndray no tsy hitako,
sao de mba mihevitra kosa ary izy fa any ivelany de tsy dia mila manao mampihatra ny fomba malagasy rehefa mamangy. Fa na izany na tsy izany aza aloha , ilay tsy fahaiza-miteny mety mba ho azo leferina ihnay , raha toa heverina hoe tena olona tsy mahalala ny fomba gasy tokoa, fa ilay fihomehezana ao anatin'ny progremme de discours no dia oh mahasorena be ihany, satria na fomba gasy na vazaha , ataoko angamba fa tsy ao anatin'ny fomba famangiana ny fihomehezana ee.
8. Fiffi ( 09/08/2006 04:44)
de azo hatao hoe very @ toe-trandro na koh hoe fihovan'ny fiainana mivoatra no hahavery ny fiara-monina sy ny fahalalam-pomba ka lasa hatao resaka tahak'izao fotsiny na de ny famangiana aza ?
9. soasoafy ( 09/08/2006 05:15)
tsy fahamatorana no mahatonga ireny oul miteni2 foana ireny refa sendra ny trangan-javatra ohatrireny. Na dia atao hoe tsy mahay miteny aza izy raha oul matotra tsy hanao ohatrizany mihitsy.
Mba matotra ihany re oul a!
10. mamzelkely ( 09/08/2006 05:42)
mahagaga marina angamba nentin fivoharana ko ny fomba gasy rht :roll:
11. ravatorano ( 09/08/2006 06:24)
tena nimé marina za nahita ilay izy ra fijo
tena na za aza sadaikatra b amin izany
sa tena tsy hain ilay olona v nefa reefa tsy mahay dia mba mitrondra olona mahay na za b fimezana ity aza toa mety reefa tojo an ilay hoe tsy maintsy miteny zay mety hahavita lavitra noho zalah io
mlaagaga an nefa malagasy zao !
:-D:-D
12. pissoa ( 09/08/2006 08:26)
Hihihi - somary mampihomehy ilay izy :-D:-D:-D

Tsy omeko tsiny nefa ilay olona. Izy aza mba namangy tamin'ny teny gasy (araka ny fitantarana hita eto) fa tsy toy ny gasy sasany tsy mahay miteny gasy akory - na sasany tena mahay miteny gasy fa miezaka ny tsy hahay mihitsy :lol:

Miankina amin'ny degre an'ny finamanana ihany koa ny famangiana. Ny tiako tenenina dia hoe tsy hanao kabary lavareny hamangy ny mpiray tampo amin'ny tena ohatra - manoloana ny fahafatesan'ny RAD. Ka mety hain'ilay ranamana io ihany ny fomba gasy, fa nihevi-tena ho tena akaiky be (ara-pinamanana) an'ilay mana-manjo fotsiny izy.

(Izaho moa tsy mahay ny fifandraisany fa zavatra mety misy fotsiny io)
13. Zina ( 09/08/2006 15:32)
otran'ireny anie rehefa ita ny tena fa tsy ahay hanao azy dia mitady olona lehibe na izay mahay miteny e fa tsy tonga dia miditra manalabaraka tena otran'io..
14. Achia ( 09/08/2006 15:51)
Sady mapihomehy no mapalelo be le tantara ny marina dia tsy mahay miteny ilay ranamana ary ol tsy mba manao na mijery ny fanaon'ny ol hany ka mety handevina mitsangana ao koa ny tsy fahalalampomba ary tsy io irery no efa henoko sy hitako fa maro indrindra fa le ol any andafy ireny fa tsy izy rehetra a miala tsiny sao tezitra eo i fidro ; asa mety ny tsy fahazakana ilay fandrosoana ve ?
15. booboo ( 09/08/2006 15:59)
Zina > eka ouz !

Tena fanaovana tsinontsinona ny alahelon'ny tompo-manjo ilay fomba fiteny amiko. Fahoriana no hatrehana fa tsy fihaonan'ny mpinamana hiara-himotika na famangiana namana marary akory.

Na tsy mahay ilay fomba fiteny aza, tokony hampiseho fahamaontinana ihany manoloana ny fahorian'ny hafa ...na tsy mampihontsina ny tena aza ilay izy
16. fasaly ( 09/08/2006 16:12)
:-D:-D:-D:-Dotran'ny manaoa tantara i fijo mitantara analay izy!
angamba kosa efa ela be zareo no tao frantsa na teraka tao mitsy de tsy mahay anlay mamangy ireny no tsy mahay mikabary, mila fahaizana mantsy ny mikabary, misy ny maka mpikabary mintsy any amintsika kou!:wink:
:-D:-D:-D:-Dmbola mihomehy ihany aho marina:-D:-D:-D:-D:-D
17. Fiffi ( 09/08/2006 18:32)
:-D:-D:-D
18. Herimiafina ( 09/08/2006 18:46)
hehehehe=))=))
Fahaiza-miaina sa fahaizana mahalala fomba? :wink:
19. xxx ( 09/08/2006 19:11)
mampimé le izy no sady mampalahelo ... fa izao kosa é !
betsaka ny ankizy gasy no nandao an' i madagasikara teo amin' ny fahatanorana 17 na 18 ans na mihoatra... eo ho eo ary misy amin' ireny ankizy ireny dia misy tena mbola tsy namangy mihintsy na nahita akory aza....
tsy omena tsiny izy ary ... rehefa mipetraka aty an-dafin-dranomasina dia tsy misy olona ho vangina foana ... ka na ny fampiasana azy aza tsy misy ...
vitan' ny copain/copain fotsiny sisa : izao letsy a! .... aza faly mitsikera ry zareo a! hatoroy izy raha mety sa azo hatoro, mazotoa!
20. Herimiafina ( 09/08/2006 19:17)
Izay indrindra!
Ny ahy aloha ilay tsy fahaizana eo ihany fa ilay mihomehy no tsy laitrako e!
Na hehy noho ny fahamenarana aza tsy dia mety loatra, asa izy raha hahita ity dinika ity fa izay no làlana hanitsiana azy, tonga de tsorina ny marina! :P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2887