Ireo filana hofenoina vao afaka hiteny hoe Sambatra

1. soanja ( 03/08/2006 03:36)
Inona avy moa ireo zavatra izay tadiavintsika vao mety hahatsiaro sambatra isika. Sarotra be ny mamaly an'izany saingy ity olona iray ity, Maslow, dia nametraka ity antanan-tohatra ny filan'ny olombelona ity. Ka miainga amin'ny farany ambany indrindra zany hoe ny tsy maintsy indrindra dia miakatra hatrany mandrapatapitrin'ny filana dia mahatsiaro sambatra ny olona iray. Zany hoe (1-6)

Deficiency needs na hoe "D-needs"- Famenoana ny tsy fahampiana.

1- Filana ara-batana- na Physiological needs (rivotra iainana, hafanan'ny vatana, rano, sakafo, torimaso ary famoahana izay tsy ilain'ny vatana intsony) Mety ho tafiditra amin'ity koa ny firaisana na sex
2- Ny Filaminan-tsaina na safety needs (ny fananan'asa, fidirambola tsy tapaka sy maharitra, filaminan'ny firaha monina amin'ny resaka dahalo ohatra sy ny fanararaotana ary ny fandrobana ary ny ady, ny fiainam-pianakaviana na family security, ary ny fahasalamana na health security)
3-Ny fitiavana sy ny socialy izay mitaky fahafaham-po sy fihetseham-po toy ny (namana, olon-tiana miray ara-nofo, ary ny fanana fianakaviana miray hina sy mifankatia)
Tafiditra ao anatin'ity koa ny filana ny club, association sy ny fiangonana na antokon'olona mifandray amin'ny tsara na ratsy (belonging needs)
4-Status na Esteem needs (mila fifanajana ny olona na hoe mitaky hajaina ny olona iray ary fanatsarana ny maha izy anao amin'ny maha olombelona mba hanan'ny olona haja. Na hoe fitadiavana voninahitra. Eto dia betsaka ny manao asa sy zavatra miavaka mba ahazahona voninahitra sy respect. Tsy fahampian'io dia mitaraka complexe na fahatsapana fa ambany ny tena sns na mifanohitra dia ny fieboeboana.

Ny filana ara-panahy sy ny ara-tsaina na Being needs ("B-needs")

5- Fikatsahana ny tsara indrindra vitan'ny tena or Self-actualization. Io dia ny toetran'ilay olona sy ny fahaizany ary ny fahafahany ny mitondra amin'io filana io. Ireto avy izany toetra izany:
a- Mijery sy mahatsapa ny zavamisy eran'izao tontolo izao ka mahatspa fa misy ilana azy eo amin'io fiainana io.
b-Tonga dia manao asa fa tsy kabary.
c-Afaka mamorona sy manita-kevitra hiatrehana olana sy hanatsarana zavatra (to be creative)
d-Miezaka mizara sy mamaha ny olany , indrindra koa ny hafa ka tsy misalasala ka mahatsapa fa io no laharam-pahamehana rehefa tratrany daholo ny azy.
e-Mahatsapa fa akaiky ny hafa ary mahita fahafaham-po amin'ny fiainana anadavanandro ary mahay mankasitraka.
f- Manana zavatra iray inoana ary matanjaka tsara ka tsy anjakan'ny hafa avy ety ivelany ary matoky tena.
g- Mitsara ny hafa tsy misy fanambaniana na olakolaka fa amin'ny mahitsy. (objective)

6-Fikatsahana ny ara-panahy (Ny avo indrindra) na Self-Transcendence

Io ilay filana ara-panahy. Eo ny olombelon ano mametraka fanontaniana ny momba ny mahaolombelona azy ary mikatsaka ny ambonimbony kokoa noho izay. Ary ny hita amin'io dia ny fianarana zavatra iray tsy ahitana vokatsoa amin'ny resaka vola fa fahafaham-po ho an'ny tena fotsiny sy ny sain ary ny fanahy, Fahamarinana ary fahasambarana. Eto koa ilay olombelona dia mahatsapa fa manana andraikitra napetraka aminy izy matoa tonga eto ambonin'ny tany ary miezaka mamita izany amin'ny fahafahampony satria fantany ny momba azy. Rehafa ireo ary tratra io farany io dia SAMBATRA izy.

Marihana fa misy mifameno na mifandipatra ny toeran'ireo filana ireo miankina amin'ny olona iray na ny fiaraha monina na ny firenena misy azy.
novalian'i Fiffi ny 12/08/2006 04:53
2. jentilisa ( 03/08/2006 04:01)
O ry soanja a! ilay pyramide de Maslow ve io tianao lazaina io?
Izao manko ny hevitro: ny filàna voalohany dia ny fananana sakafo azo hohanina sy ny fitafiana iakanjoana.
ny filàna faharoa dia ny trano ipetrahana sy fivelomana ara-dalàna.
ny filàna fahatelo kosa dia ny fifandraisana amin'ny namana sy ny manodidina.
Ny fahaefatra dia ny fanajan'ny manodidina anao kosa.
ny fahadimy dia ny fahafahana manao zavatra maro toy ny mamorona sy mikarakara zavatra tsy fanaon'ny olona loatra aza. Ary ny fahaenina farany moa dia tsy hokianiko loatra!
3. Fiffi ( 03/08/2006 04:08)
tena lavabe ka aleo aloha dinihina mihadana alohan'ny hamaliana .:)
4. majesty ( 03/08/2006 06:53)
Aza maka sarotra zany wa fa ze eo ampelan-tanana no ahiratra de milamina foana fa sisan'zay theorie be fotsiny,kôzy e:!:
5. xxx ( 03/08/2006 07:17)

omena an'i soanja ny teoria (alefaso ny version resume ra mety) fa zao ny pratique:

- sur une ile deserte, miaraka @ Kelly Rowland sy Charlize Theron.
- connexion haut debit, ADSL.
- connexion tele @ satellite.
- misy brasserie akaiky.
- mafana ny andro.
- Tsy misy requins sy animaux predateur.

ok ok

:*:*:*:*:*
6. Fiffi ( 03/08/2006 07:53)
:roll:
7. diamondra27 ( 03/08/2006 08:46)
:-D:-D:-D

ny fahasambarana de mora azo fa tsy mila miandry an'izao sy izao izany vao hahatsiaro sambatra

mahaiza mi-apprecier ny zavatra ze miseho de hahatsiaro sambatra enao

ny olona insatisfait éternel de tsy mba hahatsiaro sambatra mihitsy satria ze ataony na ataon'ny olona aminy de misy tsininy foana, de ireny karazan'olona ireny no tena mijaly.

8. Fiffi ( 03/08/2006 08:48)
de matoa koh mijaly ange de nohon'ny antony zay nataonao hiany eh!
9. tsoupou ( 03/08/2006 12:31)
Io ange na azonao daholo aza izay rehetra voafaritr'ilay pyramide de Maslow tsy sambatra zany enao e, ny sainao iany no mitondra an'io.
Misy aza ny olona zara raha mahita hoanina fa sambatr'izy fa misy efa mikarama amnà million mbola sahirana ihany, tsy mahita fahasambarana mitsy
10. jentilisa ( 03/08/2006 13:21)
izay manko! ny ankamaroan'ny mahantra manam-pinoana be izao mahatsiaro sambatra kokoa noho ny mpanankarena marary an-doha lava amin'ny volany.
11. Herimiafina ( 03/08/2006 13:25)
Misaotra retsy soanja an! Fa ny fahitako io dia toa brainstorming fotsiny ihany ilay izy fa misy degré ihany koa arakaraky ny karazana filana, ohatra inona no ambony indrindra amin,ilay olona amin'izy ireo, ary iny dai amiankiina amin,ny perception an'ilay olona mihintsy sy ny niveau d,éducation izay hananany! :^)
12. soanja ( 03/08/2006 13:33)
Soanja> Marihana fa misy mifameno na mifandipatra ny toeran'ireo filana ireo miankina amin'ny olona iray na ny fiaraha monina na ny firenena misy azy.

Toa tsy voavakinareo io teniko farany io.
Ny antony dia hoe teoria fotsiny io nomeny io amin'ny alalan'ny fikaroana nataony saingy tsy midika hoe io no marina indrindra. Izy ara mba nisahirana nikarok ana'io noho ny tranga samihafa sy ny fanontaniana tsy mety lany.
13. Herimiafina ( 03/08/2006 13:39)
Mazava retsy kah! Ny ahy izao ilay resaka hoe fitiavana (amour) io toa mbola segondera be klou amin'izao retsy klé. Fa ny ahy ny tena tiako ilay filana intellectuel e, le mampiasa coco mihintsy ireny! :^)
14. soanja ( 03/08/2006 13:50)
Zany ve tsy hikontringa ry HM? Mety vao mijery an'i HM ve dia olona manao solomaso goavana be no hita, toy ny amin'ny film ireny?
15. tsoupou ( 03/08/2006 14:14)
Soanja:
Zany ve tsy hikontringa ry HM? Mety vao mijery an'i HM ve dia olona manao solomaso goavana be no hita, toy ny amin'ny film ireny?
=)) =)) =))
16. cutie ( 03/08/2006 14:34)
:-D:-D:-D:-D
17. Herimiafina ( 03/08/2006 14:51)
soanja:

Zany ve tsy hikontringa ry HM? Mety vao mijery an'i HM ve dia olona manao solomaso goavana be no hita, toy ny amin'ny film ireny?


Iny retsy ry zalahy efa mahay be loatra an'ilay taranja no manao an'iny an1 Zah le donjona kely mbola vao mianatra manao mahay no tena tiako!

Tena mba naniry ny hanao solomaso ihany aho fahiny mba hitovy amindry zalahy henjana ireo, fa hoy ny dokotera hoe 20/20 ny masonao dia diso fananntenana kely aho e! :roll::^)
18. cutie ( 03/08/2006 14:56)
ho lasa mafia eo :-D
19. Herimiafina ( 03/08/2006 15:23)
Fa le resaka sipa sy fitiavana klou tena tsy mi-interesser anah mihintsy kosa e! tsy misy ianarana iny fa lany fotoana lany vola nefa ny siansa tsy maintsy ampandrosoana speeda de tssss :^) "time is money and love is money"!
20. pissoa ( 03/08/2006 15:28)
Herimiafina:

Fa le resaka sipa sy fitiavana klou tena tsy mi-interesser anah mihintsy kosa e! tsy misy ianarana iny fa lany fotoana lany vola nefa ny siansa tsy maintsy ampandrosoana speeda de tssss :^) "time is money and love is money"!
:roll::-D:-D:-D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3187