Mahagaga ity fandikana vilana ity e!

21. cutie ( 01/08/2006 23:11)
Mpandefa : Herimiafina [ Valio ] 01-08-2006 19:18:12
Lohateny : Mahagaga ity fandikana vilana ity e!
Ohatra: misy karazana olona manao toa izao!

Vao miteny fotsiny ianao manontany azy hoe
"Sao dia hitanao kay ny nalehan'ny portefeuille-ko teo?"
na hoe "Ianao angaha no naka ny stylo-ko teo?"

Dia tonga dia mivatravatra avy hatrany hoe:
"Fa iza no lazainao fa mpangalatra?"
na koa hoe "Fa maninona no izaho foana no lazainao fa maka ny entanao?"

Inona no anton'izay? Ny teny gasy ve no tsy mazava sa ilay olona no zatra mi-jouer victime?

tsy haiko ny valin'io :-D
22. Fiffi ( 02/08/2006 03:35)
:-D
23. pissoa ( 02/08/2006 06:25)
Fiffi:
misy hoe mi-jouer victime , petit chaperon rouge , grand loup méchant ! zay vao tena azoko tsara le dinika kah! mazava tsara , sa tsy izany akia ry pissoa ?

Ie - mazava tsara. Ary miombon-kevitra amin'i Herimiafina aho amin'ny lafiny sasany.
Ny tena marina angamba dia hoe aza ampitenenina zavatra tsy noteneniny ny olona fa tsy tsara. Raha misy manontany hoe
"Sao dia hitanao kay ny nalehan'ny portefeuille-ko teo?" Ny valiny andrasana dia hoe Sao atsy, sns na hoe Tsy hitako ka ... fa tsy hoe "Fa maninona no izaho foana no lazainao fa maka ny entanao?" ... Tena tsy io farany io tokoa aloha no noteneniny.
24. Fiffi ( 02/08/2006 07:29)
fa na izany kosa aza de misy koh ny tsy miala ao an-tsainy io hoe mi-jouer victime io eh! aiza kosa ve de isakin'ny misy zavatra miseho de zany no handraisana azy ?
Nahoana koa moa no ohatra hoe izay olona miaraka aminao eo no avy de hanontaniana hoe "sao de hitanao ny ... na fanontaniana hafa , possible mihintsy ary tonga de mety raisin'le olona zavatra hafa ange eh!
25. pissoa ( 02/08/2006 07:52)
Fiffi:
fa na izany kosa aza de misy koh ny tsy miala ao an-tsainy io hoe mi-jouer victime io eh! aiza kosa ve de isakin'ny misy zavatra miseho de zany no handraisana azy ?

Mety ho interpretation diso koa io. Saingy io indray ny toetra no no-interpreter-na fa tsy ny teny notenenina. Raha olona mitaraina lava ohatra ilay olona hiresahana dia mety ho marina io.

Fiffi:
Nahoana koa moa no ohatra hoe izay olona miaraka aminao eo no avy de hanontaniana hoe "sao de hitanao ny ... na fanontaniana hafa , possible mihintsy ary tonga de mety raisin'le olona zavatra hafa ange eh!
Ka iza kosa aza moa no anontaniana e? Ny olona tsy eo indray ve :roll:
26. pissoa ( 02/08/2006 07:56)
Ohatran'ny tsy mazava tsara
Mety ho interpretation diso koa io.

Ilay miteny olona hoe mi-jouer victime foana no tiako nambara teo :-*
27. fasaly ( 02/08/2006 08:47)
:-D:-D:-D:-Dhihihih nanao ratsy izy matoa mivatravatra e!
28. laracroft ( 02/08/2006 11:01)
:lol:zany mihintsy, mahina:-D
29. Fiffi ( 02/08/2006 11:30)
pissoa: :-D:-D:-D tsy hoe ny olona tsy eo indray kah! io koa moh ve de hety ?:-D:-D fa ny tiako lazaina de hoe :
Raha ohatra hoe hanontaniana aza le olona hoe hitanao ve ny porte...ko teo ? ka raha mamaly aza izy , mino kosa aloha zah fa tsy misy idiran'ny hoe mi-jouer victime an! sa ve de tonga de hamaly izy hoe "heverin'ny olona fa mpangalatra foana zah" ?
30. Herimiafina ( 02/08/2006 12:46)
Miala tsiny ry ireto fa ohatry ny masiaka be iznay zah teo aloha teo fa nisy zavatra mandreraka be mantsy e, izao no fandehany.

Misy olona tokony handoa hofatrano izay (efa tara 6 volana be izao, ka tokony hi-rembourser ny volako izy).
Vantany vao nifanena tamin'ity tovovavy nirahany aho dia niarahaba, niresaka tsara , nanontany vaovao, sns.

Avy eo aho nanontany hoe "ary ahoana ny momb ailay hofantrano?"

Tonga dia sendaotra be tsy misy ohatr'izany ity olona nanao hoe " fa izahay ve heverinao fa olona tsy manaja ny fifanarahana sa olona mahantra ka tsy hahavoaloha izay hofantrano kelinao iny e! Ampahafirin'ny volanay koa iny!"

Tonga zah de 8O8O

Loza an! :^)
31. vale ( 02/08/2006 12:56)
njekaky ooooooo:lol::-D:-D:-D, be ny tsy avotra intsony,:-D:-D:-D
32. xxx ( 02/08/2006 13:36)
:evil: izany v d hahagaga?
33. vahatra22 ( 02/08/2006 13:58)
ny toe-tsaina mintsy no mahatonga an'io e! efa ratsy saina d raisina @ lafy ratsiny daoly ze lazain' ny olona sy fanontaniana apetraky ny ol! ka io sarotra b satria sarotra izany hanova ny toe-tsain' ol zany! mila ezaka avy @ tsirairay le izy!:?:?:?
34. lemenakely ( 02/08/2006 14:59)
Isika malagasy dia olon'ny fo izay no tena marina! tsy dia mamaky tsara tsy mandinika tsara tsy misy sens d'analyse etc....ny an'i GOTHLIEB e nisy aticle tao à gazety ny tena izy dia hoy ny profesora ALBERT ZAFY raha nanao fitsidiham-paritra hoe :"izahay dia tsy maintsy mikatsaka ny mahasoa ny vahoaka".Kanjo nisy défaut ny tirage ka tapaka dia asa izao no mipoitra ..katsaka no mahasoa ny vahoaka ".Iny dia lasa polémique be mihintsy...:-D:-D
35. Fiffi ( 02/08/2006 15:47)
herimiafina: de aiza ho aiza @ io no iditran'ny fanontanianao hoe "Inona no anton'izay? Ny teny gasy ve no tsy mazava sa ilay olona no zatra mi-jouer victime? ??? satria raha ny fahitako le tantaranao de tsy misy idiran'ny mi-jouer victime mihintsy le izy ! sa ve hoe mi-jouer victime ireo valiny nolazainy anao ?:roll:
36. vale ( 02/08/2006 15:59)
xxx:

:evil: izany v d hahagaga?

in ty manjo an'i xx?:lol::-D:-D:-D:-D:-D:-*

37. Herimiafina ( 02/08/2006 16:02)
Fiffi:

herimiafina: de aiza ho aiza @ io no iditran'ny fanontanianao hoe "Inona no anton'izay? Ny teny gasy ve no tsy mazava sa ilay olona no zatra mi-jouer victime? ??? satria raha ny fahitako le tantaranao de tsy misy idiran'ny mi-jouer victime mihintsy le izy ! sa ve hoe mi-jouer victime ireo valiny nolazainy anao ?:roll:


Nisy niteny azy ve teo hoe mahantra izy na hoe tsy hanaja ny fifanarahana?
Fa tonga izy dia misaina be hoe izay , izay ilay hoe victime. Azonao ve? :roll:
38. dailynews ( 02/08/2006 16:51)
na efa leoleony koa ilay olona ka dia mamorona ady tsotra fotsiny izao.
39. Fiffi ( 02/08/2006 17:33)
Herimiafina: azoko tompoko ! :)
40. andry08 ( 03/08/2006 08:47)
susceptible loatra no fahitako azy, mahina @ tsy misy dikany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2561