sarotra ny mahita olona tianao

61. arson ( 04/08/2006 07:12)
zay sahaza, tena marina zany.sy izay afaka mifanahaka tsara aminao no tena izy.
62. tania2 ( 07/08/2006 09:48)
Herimiafina:

tania2:

Sarotra ny mahita olona tiana sy azo vadiana. Sa ahoana hoy ianareo? mety hoe misy olona tianao nefa tsy tianao ary misy koa olona tianao nefa tsy tia anao


Ahoana ihany ny vaovao farany ry tania2 an? :^)




Misaotra nanome hevitra, miankina @' ny finoanano sy ny anjara sahaza anao marina angamba io sy ny inoana dia ny mba hahazo bonus avy ao @' ilay ambony ao. Fa manahirana tokoa ireny olona trop rationnel ireny.carré carré be loatra!! Misy miteny hoe ny toetrao aloha amboarina dia izay vao miezaka ny anamboatra ny an 'ny hafa. Misy olona manana toetra tena hafahafa mihintsy ka manjary ohatran 'ny hoe manjary mizaka ilay izy fotsiny. Ny tena loza dia mety ianao indray no lasa manana ilay toetra hafahafa io ny farany. izay vao manjary lasa mitovy toetra ratsy eo.
ayayaya!!!:oops:
63. tania2 ( 07/08/2006 09:54)
dailynews:

tania2:

Sarotra ny mahita olona tiana sy azo vadiana. Sa ahoana hoy ianareo? mety hoe misy olona tianao nefa tsy tianao ary misy koa olona tianao nefa tsy tia anao

izao aky tania a, izaho dia nihevitra izany tokoa taloha ary nino ilay resaka hoe ny vady tsy izay tiana fa izay sahaza..fa izao aky a, raha mino io ndry..dia misy ilay teny hoe: tongava aminao araka izay inoanao. fa izao aloha e, bon raha kristiana ndry, raha tsia dia vakio fotsiny izay lazaiko. izaho dia tena nino io h@ nahenoko an i pasiteranay niteny hoe: rehefa mangataka zavatra @ Atra nareo hoy izy dia ataovy precis tsara fa fa mba nizara ny experience ny izy t@ izay raha hangataka bisikileta hoy izy dia aza tenenina fotsiny hoe omeo bisikileta fa teneno ny marque sy ny lokony sy ny vidiny izay zakanao...dia raha mangataka vady amin Atra koa ianao hoy izy dia teneno hoe tahaka ny olona ahoana no tianao.. ny tarehiny, ny fianarana nataony, ny poziny, ny taonany, fohy sa lava, ny toetrany sns..izay hitandry fa mety e.. samy manana ny gout ny koh. dia nateliko tokoa izay teniny izay..hoe maninona tokoa moa no hoe hangataka vady fotsiny fa tsy mba miteny hoe ahoana izay tianao sns... dia nataoko aky ilay izy a, marina aloha fa tsy hoe nangataka fotsiny aho fa dia nanova ny fianako rehetra sy nanadio izay tsy netinety sns an. dia nanomboka niteny ny tenako aho hoe tsy hino izany hoe ny vady tsy izay tiana fa izay sahaza fotsiny fa hoy aho hoe ny vady dia sady tiana no sahaza dia araka izay inoanao io hoy ny teniny... dia izay aky a. taona vitsivitsy taty aoriana( tsy tapaka ny vavako an) dia tonga tokoa lery, vita ny mariage( telo taona lasa izay )..tonga saina be aho fa ilay zavatra rehetra nangatahiko azoko t@ antsipirihany daholo ary nisy aza ny bonus.
ka dia izay ilay izy hoy fotsiny aho hoe, izay hinoandry no ho tonga amindry koa raha izany tsy aleo ve hino ny zavatra tsara ho avy amin ny tena?







Sambatra ianao dailynews. Izany no atao hoe fahagagana angambany. Fa inoako io aloha eh! Misy manko ny fahagagana rehefa tena mino.

64. dailynews ( 07/08/2006 14:43)
misaotra HM a, misaotra koa tania.. fa izao ohatra ny menatra be indray aho fa manomboka mivoaka tsikelikely eto daholo ny momba ahy. :)
65. Herimiafina ( 07/08/2006 14:57)
Tsy misy fisaorana ry tania sy dailynews an!
Daily< tsy misy tokony hahamenatra io kah, ny manafina aza retsy no betsaka knou, ary matoa manafina dai menatra kokoa noho ianao namoaka! :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1309