Andriamanitra dia Reny koa fa tsy Ray ihany (Jiosy)

41. jentilisa ( 02/08/2006 13:59)
aiaiaiaiaiaiay! inona daholo aryizany resaka izany? Izao aloha e: misy izany ilay teny manao hoe ry jerosalema ry jerosalema! impiry impiry moa aho no te-hambmba anao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany saingy...io akoho io aloha reniakoho fa tsy akoholahy e! f'izany hoe toetra n'Andriamanitra no tiany ambara eo.

Manaraka izany indray ny amin'ny hoe Yahweh dia midika io hoe je suis qui je suis...misy moa manoratra azy manao hoe je suis celui que est.

Raha fintinina ilay tena votoatikevitry ny anarana dia hoe izaho taloha dia mbola izaho izao ary ho izaho ihany rahampitso sy rahatrizay. Io no nahatonga ny anarana hoe Izaho no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Eo izany dia nisy zavatra filozofika tafiditra amin'ny baiboly. Ary ao amin'ny Apokalipsa moa dia nolazaina hoe "ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy ny anarany". Ray ve izy sa tsy ray, reny ve izy sa tsy reny?

Inona moa no tombotsoa lehibe amin'ny mahareny an'Andriamanitra?
42. jentilisa ( 02/08/2006 14:04)
ary toa lasa aty ny zavatra saiky lazaiko ary? hahaha!
43. soanja ( 02/08/2006 14:11)
Hoy Jent> Inona moa no tombotsoa lehibe amin'ny mahareny an'Andriamanitra?
Tombotsoa ny fahafantaranao ilay Andriamanitrao. Ary faly izy raha mikatsaka lalandava ny momb azy ianao fa tsy lany fotoana mianatra zavatra hafa. Ohatra hoe ahoana ny fanamboarana film porno sns.
44. Fiffi ( 02/08/2006 18:29)
soanja:
Hoy Jent> Inona moa no tombotsoa lehibe amin'ny mahareny an'Andriamanitra?
Ny tombontsoa ? tsotra fotsony ! Andriamanitra tsy manary ary tsy mbola nanary , ary tsy hanary ny zanany mihintsy ! toa ny reny hiany zany !:)


45. soanja ( 02/08/2006 22:26)
Andriamanitra dia tena natao hifandraisana sy fantarina akaiky. Faly izy rehefa tsapanao ny fahafaham-po fa ao aminao Izy. Ny fomba ahafahana mahafantatra izany anefa dia ny fandalinanao ny momba azy ary hamonjy azy.
46. LazaDaddy ( 02/08/2006 22:30)
"hamonjy Azy" ahoana ry Soanja? Iza no "hamonjy azy"? 8O
47. soanja ( 03/08/2006 02:07)
LazaDaddy:

"hamonjy Azy" ahoana ry Soanja? Iza no "hamonjy azy"? 8O


To reach out for him. Izaho no mikatsaka Azy rehafa hitako fa io Izy ary fantatro Izy satria ny tanany efa miandry ny handraisako Azy.


48. Fiffi ( 03/08/2006 08:35)
soanja:
Andriamanitra dia tena natao hifandraisana sy fantarina akaiky. Faly izy rehefa tsapanao ny fahafaham-po fa ao aminao Izy. Ny fomba ahafahana mahafantatra izany anefa dia ny fandalinanao ny momba azy ary hamonjy azy.
ary hamonjy anao angamba fa tsy hamonjy azy ry soanja eh ? nisy fahadisoana kely ve ?


49. prime ( 03/08/2006 14:24)
soanja:
Tombotsoa ny fahafantaranao ilay Andriamanitrao. Ary faly izy raha mikatsaka lalandava ny momb azy ianao fa tsy lany fotoana mianatra zavatra hafa. Ohatra hoe ahoana ny fanamboarana film porno sns.
film porno!!!:-w:-w:-D:-D
fiffi:
Ny tombontsoa ? tsotra fotsony ! Andriamanitra tsy manary ary tsy mbola nanary , ary tsy hanary ny zanany mihintsy ! toa ny reny hiany zany
iza no zanany???:lol:
50. soanja ( 03/08/2006 14:55)
Ny tiako tenenina anie ry Prime dia hoe tsy aleonao mba sahirana amin'ny momban'ny any an-danitra fa tsy hoe ilay zavatry ny tany no mahasomokitra hamparary andoha.
51. Fiffi ( 04/08/2006 05:24)
prime:
iza no zanany???:lol:
isika olombelona !:)


52. prime ( 08/08/2006 13:33)
soanja> ilay exemple mihitsy hoe "porno" no mampitokiky ahy... f'angaha tsy misy exemple hafa kosa e... :lol::-D:-D:-D
fiffi> "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra"... ny mpino ihany fiffi no atao hoe zanak'Andriamanitra fa tsy ny olombelona rehetra a! fa raha zanany daholo ny olona rehetra dia tsy misy ho very na dia iray aza, nefa Izy no miteny fa maro no ho very fa vitsy no hovonjena...:)
53. soanja ( 08/08/2006 14:57)
Prime> Tsy kely lalana i Satana. Ohatra hoe zah ilay tsy misy atao iny dia de hain'ny tsara mihitsy maka fanahy ahy hoe " Ndana moa Soanja mba manao an'izao fa mety hahafinaritra anie e!" Dia izay no nakako io ohatra io. Fa raha tianao dia aleo indray hovako hoe tsy aleonareo misahirana amin'ny zavatry Lanitra toy izay lany andro mitady fitiavana lafatra nefa ny eo akaiky tsy tiavina nefa tia anao.
54. prime ( 10/08/2006 11:14)
soanja> Izay hahay... :lol:
F'angaha ianao efa noteneniny t@ ilay ts'isy atao ireny??? dia nataonao ve satria mahafinaritra???:lol:
55. soanja ( 10/08/2006 11:38)
fa noteneniny kah. Ary TSIA ny valiny. Dia naleoko nandeha naka baiboly dia nandinika haingana zavatra mety hanariana dia ny saina sady mahafinaritra.
56. prime ( 10/08/2006 11:47)
Mba resaka iny fa tohizo ny hevitrao raha mbola misy ambara ary e!!!:-*
57. soanja ( 10/08/2006 12:04)
Eny ary.
Ireto olona ireto koa dia nino fa ny olombelona dia manana SAFIDY MALALAKA izay mitondra azy amin'ny fanaovana zavatra iray (actions), ary isaky ny action iray dia mitondra amin'ny consequence iray. Rehefa ho teraka ny zaza iray dia efa amboarin'Andriamanitra daholo na ny mombamomba ny vatany, ny fahaizany (intelligence), ny fari-pananany (financial) sns. Zany hoe efa voasoritra ny momba ny olona iray afatsy ny hoe fihetsika sy sy moral action. Izy dia tsy hametra hoe ity olona ity dia hanaja ny tenin'Andriamanitra na hoe ho olon-dratsy. Eo ampelatan'ilay olona izay Safidy izay. Aleo aloha halefa ity sao manjavona.
58. prime ( 10/08/2006 12:13)
Fototra niaingan'ny fampianarana "loteriana" sy "kalvinista" no manakaiky an'io lazainao io... mikasika ny "théories de prédestination protestante"...
59. soanja ( 10/08/2006 12:16)
Ny antony dia efa nomenan'Andriamanitra sy nokolokoin'Andriamanitra tao amintsika olombelona rehefa tao ambohoka ny momban'ny fahamasinana ny fanahy satri avy aminy io Fanahy (nefesh) io ka mamantena izy fa tokony ho izay no lalan'ny olona iray. Dia ireto avy no eritreretin'ny mpandinika ny lalana alehan'ny olon airay rehefa teraka izy.
1- age alohan'ny 5 dia natokana ho an'i tenin'Andriamanitra. Zany hoe mila torona sy tandrovana hanaraka ny voalaza ao anaty ny soratra masina ny zaza iray.
2- age 5 - 10; mila mianatra ny Mishnah
3- age 13 manantanteraka ny fanekena amin'Andriamanitra ho olony ianao.
4- age 15 fanarahana ny Gemera na talmud study
5- age 18 Manambady
6- age 20 fanarahana ny antson'Andriamanitra ohatra mitory teny sns
7- age 30 Feno eo ny fahatanjahanao. Zany heo max ny hery ananao amin'ny fiainana.
8- age 40 Fahazoahana na fahafantarana ny tena fiainana (understanding)
9- age 50 Mpanome hevitra ny hafa amin'ny hatsaran'Andriamanitra
10- age 60 Mature age na matotra tanteraka
11- age 70 somary fanimpanina
12- age 80 Milaza fa tena manana tanjaka manokana ianao.
13- age 90 Miforitra sady malemy
14- age 100 Efa naman'ny maty ka tsy mahatsapa ny filan'ny tany intsony.
60. prime ( 10/08/2006 12:26)
11- age 70 somary fanimpanina
12- age 80 Milaza fa tena manana tanjaka manokana ianao.
13- age 90 Miforitra sady malemy
14- age 100 Efa naman'ny maty ka tsy mahatsapa ny filan'ny tany intsony.
:):-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079