Andriamanitra dia Reny koa fa tsy Ray ihany (Jiosy)

21. LazaDaddy ( 01/08/2006 04:49)
soanja> mizara lainga sy fitaka izany ianao fa tsy mandainga sy mamitaka? hahaha! Efa misy fivoarana! lol
22. lapino ( 01/08/2006 05:15)
soanja:

Dia tsy afaka ny hilaza ianao fa hanao teny majika aho raha izany satria nianarana io fa tsy noforonina. Ka raha misy teny tsy azonao eto dia mba raiso amin'y fo tsotra fa aza abatiana satria ianao aza zany tsy vonona ny handalina ko. Fandalinana no ataoko eto, toa anao manome ny hevitrao momba ny zavatra hafa rehetra. Misy olon-kafa any mazoto ny hamaky dia aleo izay olona izay hanana ny hafaham-pony.

Tsy misakana an'iza na iza tsy hamaky mihitsy za ka! Amin'ny fomba ahoana moa kanefa Andriamanitra aza tsy misakana ny menarana tsy hamitaka?

Tsy hoe manabaty koa akory, fa ny hevitra nentin'i soanja fotsiny no laviko tsotra izao ny handray azy. Tsy horaisiko amin'ny fo tsotra izany satria tsy horaisiko fotsiny.

Raha ny handalina, dia te handalina tokoa za, saingy tsy amin'ny zava-diso. Aleo ny fampianaran'Andriamanitra tsy hampiana sy tsy hanalana; fa raha handalina dia ... liana foana aho raha manan-kambara ny siansa. :)
23. prime ( 01/08/2006 12:06)
Andriamanitra Ray fa fampianaran-diso avokoa ny manohatra an'Andriamanitra @ Reny izany... Izany no efa manomboka mampibaribary koa ny mikasika ny foto-kevitra "mariolojika"...
24. soanja ( 01/08/2006 13:45)
LazaDaddy:

soanja> mizara lainga sy fitaka izany ianao fa tsy mandainga sy mamitaka? hahaha! Efa misy fivoarana! lol


Raha izay indray dia anjaranao ny maka azy na lainga io na tsia. Raha nizara ny silamo ohatra aho dia samy naka conclusion teto hoe izao no fahitako an'io. Dia manaiky aho raha lainga no andraisanao ny hevitr'ireo olona ireo. Fa raha izaho kosa dia tsy handainga aminao eto amin'ity Finoana sy Fivavahana ity. Vakio fotsiny dia ario raha ratsy. Adidinao ny milaza hoe tandremo fa diso io. sns. Voankazo an'ala ny fiainana re olona ny mamy ohanin any mangidy ariana. Hendry anie ny Ntaolo niteny an'io e.:-*:-*
25. soanja ( 01/08/2006 22:58)
Lapino a, aza raisina ny hevitro, sady tsy hevitro ireo fa hevitry ny Kabbalists, fa tena tsy ilainao fa ianao kosa aza milaza fa tsy misy ireo teny ireo. Mamakia tsara aloha vao mitady hanakiana.
Rehafa tsy anananao ilay fahazaina dia mijanona ary mandiniha. Tadiavo indray ny fika hafa hampiakarana moraly.
Matoa ny filosofy mikaroka dia mbola tsy voavahan'ny siansa ilay izy. Ny fanontaniana aloha no mandeha aloha izay vao ny fikarohana. Na eo ampikarohana mahita ny fanontaniana.
Ianao no nametraka ny hoe aiza ny misy ny fanahy ao amin'ny olombelona no namoahako an'ireto resaka fanahy ireto eto. Izaho no hanampy anao hitady ny valiny rehefa tsy hitanao.
Ianao tsy nahita, aleo anjarako indray ny hampiseho amin'ny fomba filozofika ny toerana misy an'io fanahy io amin'olombelona. Dia rehefa avy eo ianao milaza na diso na marina. Sur aloha izay lazaiko dia ho diso aminao satria....
26. LazaDaddy ( 01/08/2006 23:00)
prime:
Andriamanitra Ray fa fampianaran-diso avokoa ny manohatra an'Andriamanitra @ Reny izany... Izany no efa manomboka mampibaribary koa ny mikasika ny foto-kevitra "mariolojika"...



27. soanja ( 01/08/2006 23:09)
i Prime akory tsy Andriamanitra ka manana ny marina tanteraka. Raha milaza ve i Prime fa diso dia izaho ve dia iteny hoe diso io. Tsia. Tsy Soanja izany. Ianareo indray ry LazaDaddy tsy ahafolaka ny atidohako. Ny vadiko ihany no afaka hanao izany amiko. Hatramin'izay dia tadiavinareo tsindrinareo aloka eto daholo ny olona.
Ny finoanao dia finoako satria Kristianina ianao sy zaho, ary ny hevitrao tsy disoiko raha mbola ao amin'ny baiboly fa tsy midika izany hoe rehefa mandalina ny hafa aho dia manana ny diso.
28. LazaDaddy ( 01/08/2006 23:12)
soanja:
Ny finoanao dia finoako satria Kristianina ianao sy zaho
enga anie!:)


29. soanja ( 01/08/2006 23:16)
Mamakia fotsiny hoy ao na aza mamaky ary azo atao koa ny manakiana ny hevitra miposaka eo fa izay no handrasako aminareo saingy aza mba manambanimbany olona fa ratsy.
30. LazaDaddy ( 01/08/2006 23:58)
dia toy izao ny voavakiko...
prime:
Andriamanitra Ray fa fampianaran-diso avokoa ny manohatra an'Andriamanitra @ Reny izany... Izany no efa manomboka mampibaribary koa ny mikasika ny foto-kevitra "mariolojika"...



31. soanja ( 02/08/2006 00:10)
LazaDaddy:

dia toy izao ny voavakiko...
prime:
Andriamanitra Ray fa fampianaran-diso avokoa ny manohatra an'Andriamanitra @ Reny izany... Izany no efa manomboka mampibaribary koa ny mikasika ny foto-kevitra "mariolojika"...






Raha ianao indray ry LazaDaddy dia tokony hianatra communication na efa nianatra fa tsy ampy. Tena hitsara anao aho eto satria ianao nitsara ahy tery ambony. Hainao ny baiboly saingy tsy hainao ny mampita azy, indrindra ho an'ireo izay tena mila azy. I Prime dia mahay mifanakalo hevitra. Disoany ianao raha diso saingy tsy manabaty izany izy. Ianao mila mijery tsara ny fomba famaliny hevitra dia mianatra. Raha mbola tsy ampy ianao izany dia afaka omeko anao eto ny lesona momba ny fianarana mampita hevitra fa tsy mandray antendrony. Vakio tsara ny zavatra soratan'ny olona izay vao mamaly. Izay aloha ny voalohan'ny lesona.
Rehafa tsy mbola tsy hainao io dia ialao io asa iray satria you're not fit for it.

32. LazaDaddy ( 02/08/2006 00:16)
soanja> misaotra!
Fa aiza ho aiza tokoa izaho manabaty izany fa ialako tsiny raha diso aho...kanefa raha marina no nolazaiko dia tsy hialako tsiny an! hahaha.

Fa zao e, andao asiantsika mianatra communication koa i Jesoa fa manao olona ho satana, fositra, mpihatsaravelatsihy, mpangalatra, kely saina...kanefa toa marina no lazainy? hmmm....

tsy mampitaha ny tenako Aminy aho sanatria fa ny tiako ambara dia izao: raha misy marina tokony hijoroana dia hijoroako, ary tsy ilaiko ny hihatsaravelatsihy!
33. soanja ( 02/08/2006 00:30)
LazaDaddy:

soanja:
Andriamanitra dia Reny koa fa tsy Ray ihany (Jiosy)
hahaha! =)) efa akaiky marina ny farany mampirediredy antsika eto e? hahaha!


Inona izany io aminao?
Raha nahay namaly ianao dia tokony izao no noteneninao : Diso izany hevitra omen'i Soanja izany na toheriko zany satria itsy.... ny voalaza ao anaty baiboly. Amin'izay ianao ny hevitra amin'ny alalan'io hevitra io fa tsy manambany.
Ny olona koa amin'izay mba faka mamaky tsy votery mihaino ny emotion-nao.
Aza miatsaravelatsihy ka. Zah indray dia manohana anao amin'io rehefa diso ny hevitra dia disoy ary tohano. Efa niresaka an'izay isika resaka Silamo. Fa tsy izaho no ataonao hoe Mpamitaka. Averiko eto fa Kristianina aho ary mino izay volazan'ny baiboly. Mahafinaritra ahy anefa ny mandalina ny hafa. Ity sehatra ity dia ho an'ny rehetra. TSY IANAO IRERY NO ETO. Misy te hamaky sy te hahafantatra dia milaza aho. Efa nanontaniako teto ny hevitry ny rehetra momba ny fitondrako ny hevitry ny finoana hafa eto. Ianao tsy tadidiko ny lazainao fa ny hafa niteny hoe tsy hamaky ny sasany hilazafa hamaky. Asa na tadidinao izany. Dia mba tazomy ilay teninao raha mahatazona ianao. F araha tsy izany kiano izy havoakao eto fa izay no tadiaviko aminao fa tsy izaho no abatibatianao.


34. LazaDaddy ( 02/08/2006 00:38)
Tsia ka! Tena efa nandinika lalina mihitsy aho ary nivavaka vao namaly an'io hoe
hahaha! =)) efa akaiky marina ny farany mampirediredy antsika eto e? hahaha!
tena misy antony tokoa io matoa voasoratro eo, ary misy ho tsakotsakoin'izay hiantefany: "ISIKA ETO"
Mety ho ianao mety tsy ianao @ maha Soanja anao koa anie no hiantefan'io e! Mifono hevi-dalina io ary tsy mahamenatra ahy ny manamafy an'io !:-*
35. soanja ( 02/08/2006 00:44)
Ok zany defa milay zany. Ento matory e. Ampitiavana hatrany Laza a. Rahampitso masoandro vaovao indray. :-*:-*:-*
36. LazaDaddy ( 02/08/2006 00:55)
inona ny entina matory? Izao sahady ve dia hatory e? hahaha
37. prime ( 02/08/2006 09:46)
Aza mora tezitra hoy aho soanja... Izaho aloha raha ny hevitro dia mihaino izay lazainao, fa misy fampianarana hafa noho izay lazain'ny soratra masina, dia izay ihany no tsipihiko ka miala tsiny aminao aho fa raha ny ambarako dia izay voalaza ao @ soratra masina ihany... Izany nefa tsy miteny hoe tsy maintsy ekena fa samy manana ny fandraisany ny olona ary samy manana ny finoany rahateo...:lol:
38. jentilisa ( 02/08/2006 13:13)
aza mora rangitina ry soanja a! lazao fotsiny izay hevitrao dia izay!
39. prime ( 02/08/2006 13:39)
:°)
40. soanja ( 02/08/2006 13:48)
jentilisa:

aza mora rangitina ry soanja a! lazao fotsiny izay hevitrao dia izay!


Eto tsika niany! eto tsika niany! iza no tezitra e. Resaka tsy maintsy atao ny fotoana mandeha ihany.
Efa io ambony io ny hevitro. Antsointsika hoe Ray Andriamanitra saingy manana ny toetra maha-Reny azy izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0446