Tokantrano kristiana sy ny Film X

1. elsami ( 28/07/2006 05:05)
Mety aminao tokantrano Kristiana ve ny fijerena azy ireny . Azo kilasiana toy ny asan-devoly ve izy ireny sa azo raisina ho toy ny fanentanana mba hahatsaratsara kokoa ny firaisana hampifamatotra bebe kokoa ny mpivady sa ahoana .
2. xxx ( 28/07/2006 05:14)
elsami:

Mety aminao tokantrano Kristiana ve ny fijerena azy ireny . Azo kilasiana toy ny asan-devoly ve izy ireny sa azo raisina ho toy ny fanentanana mba hahatsaratsara kokoa ny firaisana hampifamatotra bebe kokoa ny mpivady sa ahoana .



za aloha tsy tia mijery film x mintsy de ny vadiko koa fa tsy haiko @ tokatrano sasany?
amiko aloha tsy de misy hilaina anio loatra fa rehefa mifankatia anie ny mpivady manao izay tiany atao e, ary tsy mila hentanina akory
3. lolabe ( 28/07/2006 05:45)
marina ny anao ra-xxx
4. sarobidy ( 28/07/2006 05:52)
tsa haiko
5. naritsimba ( 28/07/2006 05:55)
safidy io e!
6. labomba ( 28/07/2006 06:32)
elsami> inona mo no idiran'ny devoly amin'ny film X? Ny film d'horreur sy thriller no film misy devoly ra amiko manokana. Olona mifankatia de mba manao de maninona? Nga reny mifanatsatokantsy sa maninona? Na latsadra aza toa tsy de misy akory. Reny no mba fianarana passy ry elsami fa ho misionera foana koa ve e? hi hi hi
7. xxx ( 28/07/2006 06:35)
Ny statistika dia milaza fa anisan'ny tena mampisaraka ny mpivady ny tsy fahatomombanan'ny fitavozavozana eo amin'ny io lafiny io, eny fa na dia mifankatia aza ka mahatonga ny andaniny na ny ankilany hitady any amin'ny hafa. Ny fijerena Film mety hitondra vokan-tsoa arakaraka ny fandraisan'ny mpivady azy.
8. mandrindra ( 28/07/2006 07:06)
alaivo daholo izay zavatra rehetra ahafahana mampitombo ny traikefa e
9. raval ( 28/07/2006 07:26)
Aza maka fanahy Kristiana ianao, fa zavatra roa mifanohitra izany.

10. diamondra27 ( 28/07/2006 08:09)
labomba: ié misy ihany mifamely ry zareo koa, toy ireny SM ireny raha tsy izany de tsy misy ny plaisir-ny (karavasy mandeha ihany)

sao de mba nadiditra tany labomba fa mahazo karavasy @ rafotsy eo an!:wink:
11. xxx ( 28/07/2006 08:14)
aleo kosa hisokatra ny ady hevitra ry rava a ianao mety mba problème ho an'ny olona sasany ihany izany izay mety tsy mazava aminytsy voatery hanaiky na tsia fa ilay fandresen-dahatrao mihintsy no ilaina e!:lol:
12. papala ( 28/07/2006 10:17)
ny ahy aloha raha olona roa ka lehilahy iray sy vehivavy iray ihany dia tsy mampaninona ahy, fa raha vao mihoatra iray dia tena mifanohitra @ fiainana Kristianina !
13. mmimi ( 28/07/2006 10:19)
Io rehefa raisinao hanatsarànao ny tokatranonao dia tsy maninona, izany hoe mety mba hamelombelomana ny afonmpitiavana e! Tsy voatery ho tena hoe mamay be foana anie e! fa rà asiana kely an'io dia irney ohatran'ny hoe manisy sakay kely amin'ny sakafo ireny e!
Mahafinaritra lé somary may kely ko! dia toy izany!!!

14. cristal ( 28/07/2006 10:27)
(l)(l)(l)Salut daholo!Za aloha mbola tsy manambady fa ny fanabeazana hitako ataon-dry masera ety Ambohipo refa misy pivady miofana alohan'ny fanambadiana dia:
1/Tokony atao izay ahatsara sy mba ahampy ny firaisana eo @ mpivady mba tsy hisy filana any ivelan'ny tokantrano;zany hoe na misy aza izay de tsy handrava ny tokatrano
2/Tokony hitady ny point iray tena tsy tantin'ny andaniny sy ny ankilany mba ho tonga lafatra ny filan'ny roa tonta;nefa ny film X dia tsy mety fa manjary mampitombo ny obsetion ao amin'ny lhl indrindra 2;nefa mety ny vavy koa io no mahatonga ny fisian'ny fozakely ao @ vehivavy akoatry ny fanaovany ny firaisana ara-nofo aloha loatra!Zany hoe ny filmX dia classic tsy miova fa ny eo iany no eo;ka izay no mahatsara ny mpivady tena mitokana lavitry ny chambre-ny ankizy ny azy ireo;ny hanoloana io filmX io dia ny fikarakaran'ny vehivavy vatana mba hanintona ny vadiny mandrakariva ,aza adino fa biby misaina ny olombelona ka tsy tsara raha ny maha biby azy no omena anjara be eo @ fiainany.Ny kristiana dia tokony tsy hijery ireny satria mitatra ny sainy fa tsy mahay mionona lay maha biby ny lhl indrindra koa aleho mitandrina e!:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
15. lapino ( 28/07/2006 10:46)
Mampijangajanga ny film X
... sa azo raisina ho toy ny fanentanana mba hahatsaratsara kokoa ny firaisana hampifamatotra bebe kokoa ny mpivady
Mifanohitra am'zay aza no hitako
16. pissoa ( 28/07/2006 11:15)
Tiako be ny fanazavan'i cristal :)
17. kelly13 ( 28/07/2006 11:45)
sujet epineux ms samy manana ny fandraisany ny fijerevana ce genre de film! ny anahako d averiko fôna hoe ny tena no mitondra ny consciencen'ny tena! tia mijery ireny? ok! no soucy!! afaka mijery malalaka (sans les gosses evidemment an!) ms tano ny azo fa sarotra ny mila eee!!!! donc pas de betises! :P
18. pissoa ( 28/07/2006 12:03)
kelly13, tokantrano Kristianina no hitarihana ny dinika, noho izany tsy ampy ny hoe tia mijery ve? Fa mila jerena hoe sao mitarika ahy hanalavitra ny tian'i Kristy ataoko.

Io rehefa raisinao hanatsarànao ny tokatranonao dia tsy maninona
Ny mpangalatra koa misy mangalatra hanatsarana ny tokantrano, fa tsy manamarina azy izany.
19. diamondra27 ( 28/07/2006 12:24)
Tokatrano kristiana= raha tena kristiana izy mivady ka mandeha araka ny fanahy = fitia agape dia tsy mila mijery film izany fa mandeha ho azy io

voalaza ao @ baiboly fa ny vavy = vady de natao ho andralehilahy ary hitan'Atra fa tsara izany; de tokony ny vadiny ihany no isehoany ny maha nue azy fa tsy aseho ny amant na amante ny vatatena

tantara lavabe ny @izany

film X injay de arakaraka ny olona io , misy influencé misy tsy mahataitra sy tsy mampiova ny fijeriny; koa mitandrema ihany sao de tsy mahatanty ny film jerena
, toy ny mijery film d'horeur , ny olona sasany lasa horeur be ny toetrany refa avy mijery film dorera izy
20. kelly13 ( 28/07/2006 14:46)
tokatrano kristianina anie tsy midika vely² hoe tsy afaka hijery ireny genre de films ireny e, zay no nilazako teo hoe ny conscience n'ny 1*1 no mitondra azy io. ilay lazaiko indray hoe "tano ny azo fa sarotra ny mila" d na mijery ireny aza d ny vady hajaina sy hanaovana ny "pratique"! :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4708