Manara-damaody

1. kheryle ( 26/07/2006 10:58)
inona no antony tena mahatonga ny vehivavy tsy maintsy manaraka lamaody ? dia ho fangalana tahaka ny hafa ve ? sa fitiavana te ho tsara lalandava sa kosa entina hikojakojana ny vatana mba hitaizana ny vatana , misy koa anefa ny sasany di
novalian'i fasaly ny 02/08/2006 15:52
2. ramialy ( 26/07/2006 11:21)
Ny ahy aloha rehefa tiako de ataoko, raha zakan'ny tsena mazava ho azy:lol: mety ho fikojakojana ny vatana angamba
3. Aino ( 26/07/2006 11:32)
izhao indray tsy manaradamaody fa rehefa misy zavatra ray tiako de vidiko.
4. kala ( 26/07/2006 11:57)
tohizo aloha ny sijé-nao fa hoatrany tsy ampy. :roll::roll:
5. mamzelkely ( 26/07/2006 11:58)
za zay lamôy mifanaraka amiko no arahako :°)
6. pissoa ( 26/07/2006 12:01)
Tsy misy hoe tsy maintsy manara-damaody izany, ary tsy zavatra ratsy koa ny manaraka lamaody fa miankina amin'ny lamaody arahina ihany io. Raha mifoka rongony ohatra no lamaody dia hanaraka ve? :roll: Raha manao akanjo manga be no lamaody (somary ririnina aty aminay) tsy hitako izay maharatsy ny manaraka lamaody :)

Tsy ny vehivavy irery no manara-damaody. Ny lehilahy koa misy manaraka lamaody be ... rano manitra, fiara, teknolojia (indrindra), sns.
7. mi ( 26/07/2006 12:34)
:idea:Tsara ny manaraka lamaody fa Tandremo fotsiny mitomany randrana tsy manendrika ny tena e!!
8. nolalaina ( 26/07/2006 12:51)
mi:

Tsara ny manaraka lamaody fa Tandremo fotsiny mitomany randrana tsy manendrika ny tena e!!


tena marina zany!! mba jerena ihany ny mifanaraka ny toebatana sns..... fa tsy oé tsara zany akanjo anovand' Rann zany dé andé hividy kou zà nefa tsy mety @ko akory!! nefa io mou samy manana zé tiny kou!!
:wink:

9. cutie ( 26/07/2006 12:54)
Mpandefa : Aino [ Valio ] 26-07-2006 16:32:11
Lohateny : Re : Manara-damaody
izhao indray tsy manaradamaody fa rehefa misy zavatra ray tiako de vidiko

miombon-kevitra @njy za :P
10. Zina ( 26/07/2006 13:20)
rehefa manendrika ahy dia vidiko
11. majakely ( 26/07/2006 13:55)
tsy ny vehivavy ireny no manara-damaody ann...ahannnnnnnnnnn,,,
12. tsoupou ( 26/07/2006 14:25)
kheryle:

inona no antony tena mahatonga ny vehivavy tsy maintsy manaraka lamaody ? dia ho fangalana tahaka ny hafa ve ? sa fitiavana te ho tsara lalandava sa kosa entina hikojakojana ny vatana mba hitaizana ny vatana , misy koa anefa ny sasany di

:D :D Manambady ve toi na oe manana sipa sa tsia ???
Raha manana dé :
1- Mba andramo nge ny manao akanjo motraka be e (lé ratsy be reny zany an), de teneno izy hoe ndao hiaraka nadende, dé ho hitanao eo ny antony hanarahana lamaody na farafaharatsiny manao akanjo tsara
2- Raha tsy manana dé manao akanjo ratsy ihany fa ny ankizy namanao entina dé ho hitanao eo
Lé izy nge misy lé oe manara-damaody sy manara-damaody e. lé manara-damaody voalohany lé oe ze akanjo dernier cri no anaovana, iny lé ratsy satria raha tsy mahita vola hividianana dé ahoana (hangalatra sa hivaro-batana ???). Lé faharoa lé mba manao akanjo tsara fa tsy dia akanjo efa t@ années 90 ohatra no anaovana. Miankina aminireo karazana lamaody reo zany lé izy e

13. lemenakely ( 26/07/2006 15:04)
kheryle:

inona no antony tena mahatonga ny vehivavy tsy maintsy manaraka lamaody ? dia ho fangalana tahaka ny hafa ve ? sa fitiavana te ho tsara lalandava sa kosa entina hikojakojana ny vatana mba hitaizana ny vatana , misy koa anefa ny sasany di



Io dia zavatra nanaitra ahy indrindra vao tonga taty ivelany aty!hay ve ny vazaha ka tsy miraharaha loatra ny resaka fitafiana izany e! Ireo tena manan-katao no manenji-damaody fa ny ankoatr'izay tsy mivaky loha @ izany...
Raha mijery ny tanora any an-tanindrazana aho @ fananjehana lamaody dia variana ihany hoe fa nahoana re?
Efa ao anatin'ny libéralisation sy ny modialisation moa izao ka dia malalaka ny rehetra manao izay tiany hatao fa mbà aoka mba avec modération kosa. Ny sasany izany andro mafàna be efa ho 35° blouson cuir ,pataloha cuir ,vola lava be etc...Ny sasany indray andro mangatsiaka be zipo mini , lobaka manify kely ny tena raha ingain'ny rivotra manidina toy ny papango rivotra ny kiraro botte be efa ho 5 kg ...

"L'habit ne fait pas le moine" hoy ny vazaha...raha izaho manokana aleoko lavitra mahita ilay grossiste sy manangom-bokatra ery ANOSIBE miakanjo tsotra nefa ao am-paosiny ao efa tsy latsaky ny 10.000.000 éspéce toy izay ilay manara-damaody be nefa ao am-paosy ?????
14. dailynews ( 26/07/2006 15:36)
majakely:

tsy ny vehivavy ireny no manara-damaody ann...ahannnnnnnnnnn,,,

k'hita aky fa izany a, tsy ny vehivavy irery anie e...fa raha tsy nanaraka lamaody angaha ianareo lehilahy tsy mbola ho hafahafa be ny pozinareo? maninona ny coupe ny volo( volo fotsiny no resahiko eto an) ohatra fohifohy tsara daholo tsy tahaka ny tamin 'ny andron i abrahama daholo ..lamody ange zany e...

fantatro izao fa ny fanontaniana manaraka dia hoe ahoana ny coupe ny volon i abrahama ??? ahoana tokoa moa ? mino anefa aho fa tsy tahaka ny anareo bandy amin izao fotoana izao.
15. tsoupou ( 26/07/2006 16:38)
dailynews:
fantatro izao fa ny fanontaniana manaraka dia hoe ahoana ny coupe ny volon i abrahama ??? ahoana tokoa moa ? mino anefa aho fa tsy tahaka ny anareo bandy amin izao fotoana izao.
Ra manao otran abrahama zany ange dé tena sûr fa voarôka tsotszao ra miasa e.
Andramo ange e
16. solar ( 27/07/2006 06:50)
:lol:dia maninona nefa rah manaradamôdy ny vehivavy?samy manana ny tiany anie io e!sady mahafinaritra lé miova feeling sady @zay mantsy ny vehivavy mahatsiaro tena oe milay ko! ka na dia mijejo aza izy de oy ianao lahy oe "ho anay no anaovany an'izao" azafady! ho anay vehivavy aloh voalohan'indrindr!sady ny lehilahy koa anie mandaing rah milaza fa tsy tia sipa mba jejojejo!
Izy io koa nefa tsy atao b lôtra ko!sady tsy mis bandy mirevy sipa négligé zany e!
17. pili ( 27/07/2006 07:55)
za ndray lony d tia lamaody efa hatramzay mints é,za ts miteny oe manambola ah fa reef amisy ny eo am-pelatanana d mba mividy zay tiko ah é,otran'zany zao misy kiraro na akanjo tiko hanaovan'ny oul kafa,d reefa maita anle izy ah an d mba manandrana kou,k reefa hitako fa ts mety amiko d ts vidiko na d tena tiko ary izy eny amin oul,za kou nefany ts d le oul mavita manao sacrifice bbbb am zvt anakiray,ny ah zany ts ny mark no jereko é,fa ny poziny fotsn,reefa tsara ny kalité d ao zany,nefany ts d ho hary vidina daolo ty eny am sinoa reetra ty ah,k d zay fotsn no tiko lazaina é,toute façon ny ah,le oe manara damaody ah,amiko oa an,le mba oe miakanjo tsara,ao iany kou le oe fikojakojana ny vatana sy mba hivoahan'ny hatsaran'veivavy é,sa aona ry zareo,tsika nge k volamena amireo leilà reo é,na d ts sahiny ary ny milaza anzany:lol:,ary ts mahavita ninoninona reo raha ts eo tsika,zay ary fa d anareo ndray ny tohiny é
18. cassie ( 27/07/2006 11:54)
peut etre je vais sortir du lot mais je pense k on s habille bien pour etre bien pkoi? pour dire ke oui on existe ke oui on est aussi bien ke les otre ne pas se sentir différent la difference fait parfois peur car on ne la comprend pas on fait tout sur cette terre pour ne pas etre isoler et ecarter
19. fasaly ( 29/07/2006 07:21)
voatery hoatranny manara damaody ange ny oul fa vao misy lamaody mivoaka de iny fa feno ny lamaody ny tsena rehetra e , ny zavatra hamidy rehetra eny anrtsena mitovy daholo, zay magazy tsy maharaka lamaody hamidy de tsy hahazo kil donky voatery izy tsy maintsy manara damaody kou izany hoe mivarotra ny lamaody vao mivoaka, dia manara damaody ho azy ny oul rehetra:wink:
20. adidy ( 29/07/2006 08:43)
mba fahafinaretana kely @ zao fiainana rotoroto izao ry nao ny lamaody an!! Fa kosa tsy hoe ny harapaka tsisy dia ny haingo no atao mialoha fa rehefa mba misy ambim-bava e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3284