Iza moa Andriamanitra?

1. soanja ( 25/07/2006 14:43)
Ity dia ho an'i Rakaroka izay nanontany ny momba an'Andriamanitra tamiko. Santatra fotsiny ity fa mbola be ny tohiny fa lava loatra azafady indrindra. Nomeko hevitra vaovao satria afaka manampy izay tsy ampy ny rehetra, amin'izay mba hazava kokoa izya moa ilay Andriamanitsika Kristianina.

Iza moa Andriamanitra?

Hatramin'izay nisian'ny olombelona dia efa nitady sy nikatsaka foana ny fahalalalana ny fahamarinana momba an'Andriamanitra isika. Ny anton'izany dia noho isika nohariany ka nomeny ny fanahy izay tsy mitsahatra mitady hanantona azy sy hiresaka aminy.
Iza tokoa moa Andriamanitra? afaka mifandray amintsika (olombelona) ve izy ary inona no fikasany momba ny antsika? Raha Kristianina ny olona iray dia ny baiboly no toerana alehany voloahany hamantarany izany Andriamanitra inoany izany. Ny antony dia satria io no resaka ifandraisan'Andriamanitra amin'ny zanany ary nomeny tamin'ny alalan'ny faminaniana sy nivoaka tamin'ny vavany Zanany lahitokana, dia i Jesoa.
Amin'ny fanombohan'ny boky Genesis dia natsoina hoe "Elohim" na Ilay Nahary aloha izy ary natao hoe " Adonai Elohim" Andriamanitra Andriananahary satria "Adonai" no tena anarany fa Elohim kosa dia milaza ny voninahiny.(Teny Hebreo ireo nalaina tao amin'i Genesis Hebreo tenin'i Moizy). Avy eo nisy koa ny " El Elyon" (Andriamanitra avo indrindra), ny "El Shaddai (God Almighty) ary farany nilaza ny anarany izy tamin'i Moizy ka nantsoina hoe "Yahveh" na "Jehovah" izy (Eksodosy 3:14).
Raha zohina tokoa ny baiboly dia misy endrika samihafa no ifandraisan'Andriamanitra tamintsika zanany arakaraky ny vanim-potoana sy ny izay zavamisy mitranga ka tiany ifandraisana amintsika. Fa Andriamanitra dia iray ihany.
Tamin'ny andron'i Mosesy dia Izy ilay Ray any an-danitra, nihary an'izao tontolo izao noho izany ambony indrindra noho izao rehetra izao ary tsy hita maso sy tsy hay eritreretina. Ny vahoakan'Israel no nofidiany tamin'izany.
Toy ny ray mikarakara ny zanany no nikarakarany ny zanak'Israel. Ka na tsy hita maso aza izy dia ny vokatry ny asany kosa dia mahery. (Eksodosy 19:9) " Ary hoy i Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anaty rahona maizina. Mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakizay izy." Izy no manome ny didy sy lalana arahin'ny Olony ary mametraka azy ho "Moral God" zany hoe Andriamanitra mitaky ny fahamarinana sy fahamasinana. Ohatra (Deoteronomia 5:15)" Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao nivoaka avy tany; izany no handidian'i Jehovah Andriamanitrao ny hitandrina ny andro Sabata."
Taty afaran'io anefa dia nanapakevitra Andriamanitra fa hamela ny zanak'Israely ho hahaleo tena amin'izay ka mba ho matotra satria hatramin'izay dia nokenakena foana tokoa toy ny zaza ity firenena ity. Nnadika lalana matetika tokoa ny zanak'Israely ary nalahelo Andriamanitra saingy tsy navelany ho irery izy fa efa nonomana fahasaoavana hafa indray ho an'ny zanany.
Eny na tsy niseho mivantana ny fifandraisany tamin'ny olombelona Izy dia miahy sy nampanantena fitohizan'ny fahasoavana kosa Izy ny eto ambon'ny tany. Noho izany fitiavan'Andriamanitra tsy manampetra izay dia nampanantena ny Mesia izy hitondra fanavotana ho an'ny zanany (Mika 5:1) "Fa ianao ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokon'ny ho isan'ny arivon'ny Joda akory, dia avy ao aminao no ivoahan'Izay iray no Mpanampaka ho Ahy amin'ny Isralely. Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay." (Jaona 1: 1) "Tamin'ny voalohany ny Teny ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra." Eto milaza fa Andriamanitra dia ilay Teny. (Jaona 1:14) "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavanasy fahamarinana." (Jaona 1:17-18) " Fa ny lalana dia nomen'ny Moizy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. Tsy nisy nahita na oviana na ovina an'Andriamanitra fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no hanambara Azy." Nizara ny fitiavany sy ny fahasoavany tamintsika rehetra Andriamanitra eto na dia tsy zanak'Israley aza isika. (Jaona 1:9-13) Hitondra fahazavana ho antsika i Kristy satria tao anatin'ny aizin'ny fahotana isika hatramin'izay. "Tao ny tena Mazava Izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izo. Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana an'izao tontolo izo, nefa izao tontolo izo tsy nahalala Azy. Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izy rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra." Ny naterak'Andriamanitra dia ny teraka tamin'ny Batisa. Nitondra ny Batisa amin'ny Fanahy Masina izy hanome fanazavana sy famonjena ny fanahintsika. (Marka 1:8) " Izaho nanao batisa anareo amin'ny rano fa izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina." Fa i Jesoa kosa dia nomelohan'ny zanak'Israely noho ny tsy fahalalany ny tenin'Andriamanitra. Tsy kivy anefa Andriamanitra fa nanome ny Fanahy Masina hidina ety hamintsika ho solon'ilay lasa. (Asan'Apostoly 2:36-39) " Koa aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina, fa iny Jesoa nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. ....Ary Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanintsika hanatona Azy."(Asan'Apostoly 2:4)" Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny teny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy." Ary izao no teny fikasana izay andraindrain'ny maro. (Jaona 6:40) "Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mino ny Zanaka ka mino Azy fianainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany."
novalian'i prime ny 27/09/2006 08:54
2. dadabe ( 25/07/2006 14:45)
anjekaky oo !! lava be


en ligne ndry izany a :wink:
3. soanja ( 25/07/2006 14:48)
Tsy voalaza ao anatin'ny fehezanteny vitsivitsy ilay Andriamanitro azafady.
4. soanja ( 25/07/2006 14:52)
Dadabe o , omeo ahy ny hevitrao moba an'io rehefa malalaka ianao dia mba vakio.
5. xxx ( 25/07/2006 15:11)
Tsy fantatro ny olona nangataka an'io hoe Iza Andriamanitra io. Fa izao:
soanja:

Tsy voalaza ao anatin'ny fehezanteny vitsivitsy ilay Andriamanitro azafady.

Raha olona efa mino an'Andriamanitra no manontany, dia ahitsio tsikelikely izy raha heverinao fa mivily ny fahalalany sy ny finoany an'Andriamanitra.

Raha olona tsy mahafantatra fa te hahafantatra an'Andriamanitra no manontany, dia azavao aminy hoe iza Andriamanitra.

Raha olona efa fantatrao fa manana tanjona hiteny ratsy an'Andriamanitra no manontany, dia aleo tsy mangina fa marina ny teninao hoe tsy voalazan'ny fehezan-teny vitsivitsy Andriamanitra, ka izay hoteneninao dia hanampy azy hanaraby an'Andriamanitra avokoa. Aleo Andriamanitra no angatahinao hanazava aminy.
:-*
6. xxx ( 25/07/2006 15:13)
Aleo mangina io fa tsy hoe aleo tsy mangina.
7. Ralay ( 25/07/2006 16:18)
Iza tokoa moa izy io e? fa fintino fa tsy voavakiko fa lavebe loatra :lol:
8. pissoa ( 25/07/2006 16:26)
Raha tena tian'i Ralay ho fantatra Izy dia miresaha Aminy fa hofantatrao tsara Izy amin'izay :)
9. Achia ( 25/07/2006 18:43)
tena lava be mitsy a fa zao e @ ol efa Kristiana aloha de afaka mahazo tsara sy mino fa io ATRY ny Israely no ATRA fa mba ahoana kosa no ahafahantsika manaporofo fa @ ol hafa finoana fa io no tena ATRA ?
10. soanja ( 26/07/2006 13:07)
Ary tsy hitako eto ny valin-tenin-dRakaroka.:o
11. cutie ( 26/07/2006 13:12)
Lava be marina
Fa raha za no anontaniana de ny valiny de we: Atra dia Fanahy.
12. miangalyandria ( 26/07/2006 15:24)
lava loatra marina e ! ny ahy aloha dia ilay Andriamanitra ato ampoko ato ihany no fantatro, ny ankoatran'izay tsy haiko !!!!
13. dadabe ( 26/07/2006 15:39)
Soanja a hovakiko miadana retsy am aleo @ manaraka valiko fa tena lava be :roll:
14. soanja ( 26/07/2006 18:04)
Ok. dadabe.:-*
15. rakaroka ( 27/07/2006 01:53)
mahagaga tokoa fa misy valinteniko tsy hitako ato anefa efa novérifi-éko fa lasa tsara
16. soanja ( 27/07/2006 07:40)
Possible ve rakaroka sao niteny zavatra tsy fiteny eto ianao dia nofafana ilay resakao?
17. fens ( 27/07/2006 08:39)
Lava be le izy ka kamo aho ny hamaky azy, andraso refa manampotoana fa amiko Andriamanitra de ilay Inoako, :D
18. landihazo ( 27/07/2006 14:11)
somary lava lotra marina sady mitambatra be
19. soanja ( 28/07/2006 02:40)
Marina izany. Lava be ilay izy sady tena bamba ray be. Atao ahoana fa io aloha ny vitako. Rehafa amin'ny manaraka aho manao zavatra tsy lava raha haiko. Misaotra an'i dadabe aloha nanome sopapa ny fanaovana azy. dadabe>:-*
Ho an'ny rakaroka no nanaovako azy fa dia misaotra anareo na namaky na tsia. Ianareo tsy efa maharaka daholo hoe iza moa Atra?
i Ralay ihany izao no mampanahy ahy. Ataoko ahoana ary?:-w:-w izy nefa tsy te hamaky. oh well!
Mino anefa aho fa raha resaka sex ity dia voavakin'ny rehetra na tambabe aza.



20. rakaroka ( 29/07/2006 23:37)
Angamba firenena iray isan'ny mahatonona betsaka an'Atra ny firenena malagasy:raha misy zavatra manaitra sns aza dia mahateny hoe "Andriamanitra ô!...". Raha manomboka fety tsotra aza dé mila manonona an'Atra. Raha manao politika sns...
Ary malaza anisan'ny firenena mivavaka i Mcar
Etsy andaniny mafy ady BBBBbbbe ny malagasy maro raha ny fiainana ankapobeny no jerena, zary be no mikororosy misotro toaka, mamono tena sns...miha mahantra hatrany ny firenena...
Donc
napetrako ny fanontaniana hoe fantatry ny gasy marina tokoa ve ny Andriamanitra ivavahany?...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.541