Iza moa Andriamanitra?

41. prime ( 21/08/2006 11:36)
bmw307> Ka izay tany aloha izany ve no tena Andriamanitra?:lol: dia inona raha ny hevitrao no mahasamihafa an'i Jaona mpanao batisa sy Jesosy?:lol:
42. jimna ( 19/09/2006 05:10)
. Mivavaka amin-javatra maro ny olona. Lazain’ny Baiboly amintsika anefa fa tokana ihany ilay Andriamanitra MARINA. Izy no namorona ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Noho izy nanome antsika ny fiainana, dia izy Irery ihany no tokony hivavahantsika.—1 Korintiana 8:5, 6; Apokalypsy 4:11.
43. jimna ( 19/09/2006 05:12)
Manana anaram-boninahitra maro Andriamanitra, nefa tokana ihany ny tena anarany. JEHOVAH izany anarana izany. Nisy olona nanala ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly ka nanolo azy tamin’ny anaram-boninahitra hoe TOMPO na ANDRIAMANITRA. Fony nosoratana anefa ny Baiboly, dia niseho tao im-7000 teo ho eo, ny anarana hoe Jehovah!—Eksodosy 3:15; Salamo 83:18.
44. prime ( 19/09/2006 08:54)
jimna> marina tanteraka fa tokana Andriamanitra ary Jehovah no tena anarany... dia Jesosy izany iza? ny Fanahy Masina iza?...
45. jimna ( 26/09/2006 09:51)
voalaza fa zanak'andriamanitra i jesosy!! mbola hitohy
46. prime ( 27/09/2006 08:54)
ary ny Fanahy Masina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1595