Fantaro Israely

1. LazaDaddy ( 25/07/2006 03:03)
Miisa foko 12 ny firenena Israely, taranak'i Jakoba. Ny foko 2 monja amin'ireo anefa (Joda sy Benjamina) no antsointsika ankehitriny hoe "firenena Israely", izay fihevitra DISO satria tsy ampy.

Mbola haverin'Andriamanitra ho firenena [Israely] iray izy 12 ireo mialohan'ny fiverenan'i Kristy. Amin'izany fotoana izany dia Andriamanitra irery ihany no mamaritra ny firenena Israely fa tsy sanatria ny "road map" na "UN" na "EU" na "G8" na ny firenena "Arabo". hahaha!

Hialona ny vahoaka Israelianina ny firenen-kafa :)tarihin'i Magoga:^) ka hitambatra hanafika azy, saingy tsy ahatohitra an'Andriamanitra. hahaha!

Vakio Ezekiela 37 sy Ezekiela 38
novalian'i prime ny 08/08/2006 13:12
2. dadabe ( 25/07/2006 03:51)
Isiraely (=Jakoba) ve sa israely (=firenena ) tao @ testamenta taloha no tin'i lazarandria (oupsss Laza Daddy ) ho fantatra e.

fa raha ny firenena israely @ izao fotoana izao dia tsy misy hifandraisany velively t@ firenena israely teo aloha
3. LazaRandri ( 25/07/2006 03:57)
dadabe:
fa raha ny firenena israely @ izao fotoana izao dia tsy misy hifandraisany velively t@ firenena israely teo aloha
Tena mifandray mihitsy ka! Foko 2 avy amin'ny taranak'i Jakoba ny firenena Israely misy ankehitriny (Joda sy Benjamina). Ireo ilay mbola atambatr'Andriamanitra @ foko 10 hafa (Ezekiela 37:15--->)
4. LazaDaddy ( 25/07/2006 03:58)
mety daholo na randri na daddy e! hahaha
5. dadabe ( 25/07/2006 04:01)
yee manaiky aho , fa raha ilay fisehonjavatra amin'izao fotoana izao kosa aloha dia mifanohitra @ firenena israely taloha io amizao fotoana izao io e

sa.ahoana hoy i Laza....:wink:
6. LazaDaddy ( 25/07/2006 04:10)
inona no mifanohitra ry Dadabe? Toa tsy misy fifanoherana mihitsy aloha hitako e.
- Mbola tsy mino an'i Jesoa ho mpamonjy ry zareo
- Mbola "maso solon'ny maso, nify solon'ny nify"
- Mbola miandrandra Messia izay efa tonga teo aminy


Izaho mino tanteraka fa io "korontana" io dia "dingana" iray ahitana fa eo am-panatanterahana ny faminaniany Andriamanitra: ny fiverenan'i Israely @ tany nomeny azy, fa tsy izay faritan'ny UN sy ny "road map"
7. ravatorano ( 25/07/2006 05:07)
dho potika ilay hezbollah raha izany satria efa Andriamanitrav nomiarakaamin ilay israellazainao ry lazadaddy !
8. LazaDaddy ( 25/07/2006 05:19)
ravatorano> tsara angamba raha samy mamaky Ezekiela 37 sy Ezekiela 38 isika dia avy eo mifanakalo hevitra eto. Sao sanatria lasa samy mandika vilana isika mantsy e! hahaha!
9. Raitsi ( 25/07/2006 08:11)
LazaDaddy: Ny zavatra tsara ho fantatrao dia ny hoe Israely ara-paminaniana no voalaza ao @ Ezekiela izay bokin'ny faminaniana fa tsy Israely ara-bakiteny. Ka aoka ianao hianatra tsara ny Soratra Masina.
Fa raha ny zavatra ataon'ny firenena Israely izao izay fitambaran'ny fokon'i Joda sy Benjamina miampy ny vitsivitsy sisa tavela t@ foko 10 hafa dia tsy asan'Andriamanitra velively fa ny mifanohitra amin'izay aza satria izy izao no manatanteraka ny asan'ilay bibidia
10. LazaDaddy ( 25/07/2006 09:35)
hahaha! Israely = Jakoba. Io aloha ny fantatro fa asa raha misy heviny hafa ankoatran'io amin'ny Baibolin'ny "hafa"??
Ka aoka ianao hianatra tsara ny Soratra Masina.
ie! tena misaotra anao manoro hevitra.
tsy asan'Andriamanitra velively
fa iza kay no niteny hoe asan'Andriamanitra no ataon'iza? hahaha! Sao dia tsy mahay mamaky teny indray ary aho? hahaha!
11. Zina ( 25/07/2006 13:32)
oy i ravatorana,
dho potika ilay hezbollah raha izany satria efa Andriamanitrav nomiarakaamin ilay israellazainao ry lazadaddy !

na dia mbola tsy mino an'i Jesosy ary ny israely, ny fantatro dia mbola harovan'Antra ihany ry zareo...
12. tsito ( 25/07/2006 13:40)
dia gaga aho fa aza adino fa Andriamanitra efa nilaza raha tsy disoaho fa ce qui règne par les armes periront par les armes. Dia ampitovio fa ny israeliana no manana ny arme sophistiqué ndrindra eto ty zao totolo zao ty, izy no mitondra ty monde ty . Ary zany no mampirehareha azy.Za tsy mahatakatra ny hevitr'Atra fa mino kosa aho fa tsy mpamono ol izy ary tadidionareo fa ny israelianina ane tsy kristianina e !
dia ahoana zany
13. xxx ( 25/07/2006 13:46)
Marina fa Andriamanitra tsy mpamono olona! Tsy tompon'andraikitra @ ze medaladala mitady fahafatesana ho azy koa izy, fa loza ozizy ho an'izay ihavian'ny fanafintohinana!
tsito:
ny israelianina ane tsy kristianina e !
dia ahoana zany
Ka enao aza dia efa miteny fa tsy mahalala ny hevitr'Andriamanitra. Ka raha tsy Kristianina izy dia maninona? Ianao angaha no hanome GRACE azy? :-D:-D:-D:-D



14. dadabe ( 25/07/2006 14:44)
ary misehoa moa e,

ny ahy aloha raha vao manao xxx lay olona dia hamaivaniko ilay heviny e :-D

lazadady a , tsy mitovy hoaa ireo samy hafa be , ianao mbola miziriziry nefa zah tsy mbola te hanao fanaporofoana :roll:
15. LazaDaddy ( 25/07/2006 18:28)
LazaDaddy:
Israely = Jakoba

dadabe:
lazadady a , tsy mitovy hoaa ireo samy hafa be
hahaha!
16. mits ( 25/07/2006 18:34)
manaitra ihany ty sujet ty ka!!
lava be io raha reshako eto fa zao zay lina dia afaka mifanoratra amiko dia manome misimisy ny momba ny hoe ISRAEl fa lava be lay izy , fatsika eto @ zany hoe israel zany tsika, fa eto dia toerana voalaza matetika ao anaty baiboly ka lava be raha resahana eto fa manorata dia valiana nareo
resaka lava io mazotoa daholo!!!!
17. Achia ( 25/07/2006 18:50)
ka tonga de soraty eo mba hiarahamijery e
18. fijo ( 25/07/2006 20:37)
ka andriamanitra aza variana matory ,ko hoavy aninona eo?
19. cutie ( 25/07/2006 20:43)
:-D:-D:-D:-D:-D
20. dadabe ( 26/07/2006 08:55)
alefao eto ra - mits a :°)

Ish=Lehilahy Ram =Vahoaka El = Andriamanitra

Isram El=Israel =Jakoba izay , dia ny faritany nitoerany nampitondrainy ny anarany , de.....:-@:-@ tohizo amizay ra mits a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0854