Aôna ny hevitrareo ny @firaisana alohan'nymariage,Fahotana?

41. belahasa ( 03/08/2006 05:02)
prime:
Raha ara-tsoratra masina (baiboly) dia fahotàna ny firaisana alohan'ny mariage... fa raha ara-piaraha-monina, na ara-kolon-tsaina, na ara-pivavahana hafa dia tsy fahotàna izany...
Efa fantatrareo moa fa @ tena fomba malagasy dia tsy faka vady ny virijiny fa ny olona efa niteraka ihany??? Ifandrombahana mihitsy fahiny ny vehivavy tanora manan-janaka nefa mbola tsy vita vodiondry... Ary izany no nahabetsaka ny atao hoe "zazasary" nanomboka hatr@ fahagolan-tany ka hatr@ fanjanahan-tany... Izany no anisan'ny fototra ijoroan'ny fombafomba isankarazany (tsimandrimandry, valabe, valakely... @ fitampo-fandroana-alahamadibe-fanompoam-be...) mba ananan'ny sasany anjara, indrindra ireo maty vady tany an'ady sy t@ fanompoana ny andriana...


miady am piesiko mitsy zany hevitr lah zany.



fa ny tena fanontaniako dia hoe rahoviana ny olona roa vao atao hoe mpivady araka ny baiboly?
42. soanja ( 04/08/2006 13:09)
Rehefa vita mariazy eny amin'ny alitara ka.
43. prime ( 07/08/2006 11:09)
belahasa> raha ny soratra masina dia izay nomen'Andriamanitra tso-drano ka nohamasininy... dia io lazain'i soanja io...
soanja> mitovy hevitr
44. prime ( 07/08/2006 11:12)
Azafady...
soanja> mitovy hevitra aminao mihitsy aho fa ny fanambadiana tsy manana "équilibre" @ "sexualité" koa dia efa "vouer à l'echec" indrindra moa tsy manana firaisana @ Andriamanitra...
45. minoum ( 07/08/2006 19:30)
Ho ahy aloha de tsy mety satry na de tsy voarara mivantana aza de efa mijangajanga enao sady tsy tianao lay vehivavy raha lahy enao .Tokony ho koloinao toy ny zava-lafo vidy indrindra io firaisanao @ io ho vadinao io raha tsy tianao moa de alefaso fotsiny izy é.Hfa mihitsy ny vehivavy vierge tonga eo @ tokatrano sa tsy tsy marina izany é?
Koa hajao ny tenanao ry namana vehivavy isany .tsy hoe raha tsy manao izany ankory enao de tsy tiany; tonga eo foanio rehefa tianao é.
46. prime ( 08/08/2006 13:07)
Ota ry zareo izany a!!! fa tsara lavitra ny mikajy fa tsy fatiantoka akory...
47. dailynews ( 08/08/2006 14:00)
ny fahafantarako azy dia ny firaisana ara nofo rehefa ivelan ny fanambadiana dia fijangajangana daholo fa amin ny maha olombelona ny tena dia tsy te hanaiky izany fa mitady excuse foana hanamarinanana an'ilay sexe any ivelany.
ny olana anefa dia rehefa manao izay ny olombelona dia tahaka ny hoe te hanova an Atra hanaiky ny filany izy izany hoe hampietry an Atra hanaraka ny sitrapony, anefa ny tokony ho izy dia isika no tokony hiova hanaraka ny tenin Atra fa tsy ny tenin Atra no hovaina hanaraka ny zavatra tiantsika.
48. soanja ( 08/08/2006 14:59)
Eny ary mirary anareo hahita vady virjiny daholo ary. :-*:-* Tandremo anefa manambady olona tsy ampy taona.
49. prime ( 10/08/2006 11:07)
soanja> ianao an...:-w:-D:-D:-D
izany hoe tsy misy virijiny ampy taona intsony izany???..:lol::-D:-D:-D
50. soanja ( 10/08/2006 11:48)
10% izay raha tratra amin'izao fotoana. Tsy izany mantsy fa mba nandeha nivavaka aho indray manedaha izany tany Dago. Raha misy fiangonana sarotiny indrindra amin'ny resaka fitondra-tena dia ny anay fa dia hoy aho hoe somary "evil" saina ihany aho anakampo hoe "de mahatoky aho fa mbola virjiny daholo nareo rehetra sady masina eo anatrehan'Andriamanitra".
Fa gaga aho nony namonjy ny fivoarian'ny tanora fa hay efa misipasipa daholo izy rehetra sady tsy misy fetrany dia avy eo miteraka olana. Satria izay fiangonanay izay koa mantsy tsy maintsy ny ao ihany no vadina fa tsy mahazo maka any an-kafa. Ny lehilahy ao anefa tsy te haka vady ny ao fa aleon-dry zareo mankany an-kafa.
Dia hoy aho anakampo hoe "Fa natao aiza daholo ny fampianarana nomena anareo e?"
51. prime ( 10/08/2006 11:55)
Efa misy 10% aloha...:lol:
Mihasarotra tokoa ny fitaizàna ankehitriny an...:wink:
52. soanja ( 10/08/2006 12:25)
10% eto ambonin'ny tany izany somary sarotsarotra ihany vao mifanena amin'izany. Zany hoe soa fa misy ny atao hoe Anjara.
53. prime ( 10/08/2006 12:31)
Miampy anjara koa...:lol:
54. soanja ( 10/08/2006 12:41)
Izay indrindra ka: tsara anjara ianao na hoe tsara riziky anao hoy any Diego raha tojo izay olona tena tianao sy tinao no sady virjiny izy.
55. prime ( 10/08/2006 12:49)
Dia ahoana tsara moa ry soanja no mety ahitàna an'izany???:)
56. soanja ( 10/08/2006 12:55)
Izay fanontaniana izay dia tsy tokony hapetrak'i Prime aty amiko satria zah indrindra no miteny hoe mitady, mikaroka toy ny mahita volamena na vatosoa anaty vato na lavaka lalina be ianao raha hahita an'izay. Zah manko mba nitady fa tsy nahita fa ny ny hitako dia efa nisy nampiasa saingy namirapiratra ihany dia tiako be.:wink::wink:
57. prime ( 10/08/2006 13:01)
Namirapiratra fa tsara kosoka...???:°)
58. soanja ( 10/08/2006 23:42)
Tena tsara kosoka hono ary ny nikosehana azy indrindra no tena nampamirapiratra azy, hoy izy. Tena maminany mihitsy i Prime an! :-*
59. prime ( 11/08/2006 09:15)
Sambatra izany olona izany tsara mpikosoka...:°)
60. soanja ( 11/08/2006 12:35)
Le talo sa ny avaizo! Sambatra izay mahantra fikosehana fa izy no hahazo ny tsara indrindra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2626