Babonao (Bodo)

1. sarobidy ( 13/07/2006 09:53)
Efa ela no nitadiavako azy fa hatr@zao tsy misy afaka manampy ahy mihitsy.Mba ameo r'reto aaaa!
2. mandrindra ( 13/07/2006 09:55)
tsy mahay e, mba asio feony kely hoe :wink:
3. sarobidy ( 13/07/2006 10:29)
hihihi ouzy ny refrain oe :
r:r:s-:-!l:s
r:r:l:-:-!d':t
mandrindra
4. MCZ ( 13/07/2006 12:15)
za alony tsy mahay anio éé hihihi , fa babo n'izay kay ity ianao no sahirana mitady anio tonokira io :-D
:wink:
5. sarobidy ( 13/07/2006 12:25)
MCZ< babon'zay olona zay wàà e
6. Santiona ( 13/07/2006 12:27)
Ao @ tononkira anie dia efa ahitanao an'io e!
Sa efa nojerenao?
Raha tsia dia http://serasera.org/tononkira/?rub=tononkira/hira&id=3161
:wink:
7. sarobidy ( 13/07/2006 12:35)
efa nojereko tsy hitako tao re zay a vao nametraka an'ty lohahevitra ty e!Misaotra anao re ry Santiona aaa!:P
8. Santiona ( 13/07/2006 12:38)
Diso aho aky fa kay an'i Tovo lé izy.
Ity e:
Dia babonao hatr@ izao
ty foko maditra
ka mitsiriritra.
Voafolakao
ka dia sahy mitalaho.
ny kotin'ny fitia,
ny maso indray mipia.

kanto avokoa
ny lalan-kaleha
f'efa ianao no atao rehareha.
Jamba ny fo fa tena tiana ianao
Tsy mahagaga akory
fa fiainam-baovao.
(Fiainam-baovao)
Fiainam-baovao...
no iarahana aminao.

REF:
Fanantanana avokoa
ny tonon-kiran'ny fo
fa feno fiainana soa.
Orakoraka maredon'ny mpifankatia
Mifampivelirano ho doria.
Mitsikitsiky mifaly
mihira ny feo.
Mikalo ho anao ka tsy leo.
Orakoraka maredon'ny mpifankatia
mifampivelirano ho doria.



:wink:

9. mamzelkely ( 14/07/2006 06:49)
le misy zazakely bdb ve io hira io ry sarobidy :roll:
10. MCZ ( 14/07/2006 08:12)
mamzelkely ieuuu io ilay mcz kely be dia be :-D :-D =)) =)) :-$
11. sarobidy ( 17/07/2006 08:08)
mamzelkely < iny mihitsy izy iny !
12. sarobidy ( 17/07/2006 08:12)
Santiona misaotra anao fa misy azoko jerena @zay ^:^ ^:^

MCZ < Hatolotro ho an'zay olona efa mahafantatra ny tenany izay io fa tena babony mafy nge zàà e :wink:
13. mandrindra ( 18/07/2006 07:15)
sarobidy, ahan. dia raikitra indray izany ilay hira eny amin'ny kermesse an. ity hira ity zany dia atolotra ho an'ilay eo ambony tamboho.
14. sarobidy ( 18/07/2006 09:24)
mandrindra < kermesy aôna ndray ary zany ??? hay mou le oe "atolotra ho an'i..ty hira ty ".Mahita tenenina mihitsy enao ty ka, marina eh.
Ka marina ary zany kouh!!!!!
15. mandrindra ( 18/07/2006 12:19)
sarobidy, mba fenoy hoe ilay taboka telo azafady :wink:
16. Santiona ( 18/07/2006 14:09)
tsy mandrindra kosa ngamba no eo @ lé teboka telo ka.
:wink:
Sarobidy< je t'en prie
17. sarobidy ( 19/07/2006 04:15)
Santiona < izy aloha sur fa tsy i mandrindra eee

mandrindra < rehefa 3 ny teboka de 3 zany ny litera eo e ,mba ampiasao kely nge ny krane e hihihi fa raha teboka 10 eo de mety ho mandrindra le izy :-D:-D
18. mandrindra ( 19/07/2006 07:26)
raha vao vitsy loatra no tadiavianadia tsy haiko ny mamaeno azy
19. sarobidy ( 20/07/2006 08:30)
mandrindra < ...io le izy io , tsy vitsy kosa io e !
20. mandrindra ( 21/07/2006 09:19)
ka le io ve miaraka amin'ilay teboka telo se okory ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4985