Resy Frantsa

41. mandrindra ( 13/07/2006 08:59)
fijo, dia tohin'io ihany koa no hanazavako fa tsy misaina ny frantsay na i domenech moa izany no marimarina kokoa. efa hita fa tsy ampy tanjaka ny hanafika intsony ny italiana, dia ataoko fa tsara kokoa raha nametraka mpanifika axial roa. hita anie ny vokany. jereo tsara fa vao niditra i trézeguet dia tsy ampy 5 minitra tao aorianan'iny dia saika nahafaty tamin'ilay vrai koudeboula i zidane, saingy mbola tao i buffon. taktika tsotra ireny, mpanafika axial roalahy no apetraka dia samy tsy maintsy maka iray avy i canavaro sy materazzi dia iny nalalaka iny i zidane. sady ny milieu défensif italiana, gattuso sy pirlo, dia samy tsy mpilalao tête daholo.

ny mikasika an'ilay penalty moa dia hita fa hadisoana lehibe ary mahagaga aza no tsy nitsofan'ny arbitra ilayn fifandonana kelin'i malouda tamin'i gattuso izay hitako fa gravy kokoa noho ilay voalohany na dia samy tsy tokony ho penalty aza izy roa ireo.
42. fijo ( 13/07/2006 19:13)
mandrindra,io resaka mpanafika roa io,dia samy efa nitaky an'io daholo ,na ny mpilalao aza,fa dia asa izay tsy nampiasaina azy.

ny resaka mandeha momba le penalty dia hoe ,efa leo le arbitra satria intelo talohan'iny,dia nisy takla maherivaika nataon'ny italie,ka vao nahita iny izy dia tsy nisaina intsony fa avy dia nitsoka kiririoka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2297