Hikarakara tokatrano

1. xxx ( 08/07/2006 17:23)
Raha vehivavy nandranto fianarana lavidavitra, ary efa nahita asa tsara atao, no mifidy ny tsy hiasa fa hikarakara ny tokantranony dia ahoana no mety hevitrareo? Indrindra ianareo lehilahy? :roll:

Mety hisy vokany ratsy be ve izany, na eo amin'ny tokantrano, na eo amin'ny maha-izy azy an'ilay vehivavy?

Misaotra anareo.
novalian'i xxx ny 11/07/2006 13:53
2. ja ( 08/07/2006 18:24)
humm inona ny nanaovana fianarana lava be rehefa hijanona ao antrano foana?tsy mba tiako izany koa
sady @ izao koa ange tsy ampy raha oe ny lehilahy fotsiny no mampiditra vola e!efa lafo loatra ny fiainana
tsy haiko aloha izay vokany arakaraky ilay sipa ihany
sady otrany mbola be dia be ne izao ny vehivavy maniky hijanona ao antrano hikarakara tokotrano foana?hummm
tsy mba izaho aloha izany e!
3. booboo ( 08/07/2006 19:31)
Amiko indray raha manan-janaka ilay vehivavy dia azoko hoe te-ho mère au foyer izy hitaiza ny zanany sy hikarakara ny tokan-tranony ( asa beeeeeeeeeee zany a ! ).

Raha tsia kosa dia ny fikarakarana ny tokan-trano an-davan'andro ve tsy ho vita eny ihany na miasa na mianatra ny tena ? mifandamina fotsiny izy roa @ raharaha ?

Fa raha toa ka zay ny fanapahan-kevitr'ilay vehivavy dia tsara ihany angamba, araka ny hevitro, raha manao activités ivelan'ny trano fa sao lanin'ny rindrina efatra ao raha mijanona lava ao kouh !
4. ja ( 08/07/2006 19:35)
booboo:

tsara ihany angamba, araka ny hevitro, raha manao activités ivelan'ny trano fa sao lanin'ny rindrina efatra ao raha mijanona lava ao kouh !


marina mihitsy izany!
misy olona izay fantatro,ao antrano foan tsy mba mivoaka mihitsy lasa "aigrie" sady tsy mahay miara miaina aman'olona mihitsy
5. fasaly ( 08/07/2006 20:03)
refa izay veuh ny safidiny ka tsy hanenjika azy ny eritreriny amzao fiainana efa me sarotra izao izany hoe tsy olana aminy na tsy hiasa aza izy inona no olana, tsisy maharatsy anzany:°)
6. ja ( 08/07/2006 20:47)
otrany tsy mampino aloha oe @ izao fotoana izao no mbola misy vehivavy misafidy hanao an'izany e!
asa aloha tsy haiko
7. soanja ( 09/07/2006 03:37)
Miankina amin'ny fidiram-bolan'ilay fianakaviana ihany io ary ny fanapaha-kevitr'izy mivady hoe iza no hiasa rehefa manambola sy ampy tsara ny vola miditra. Ny lahy sa ny vavy raha ny aty Amerika no resahiko. Amin'io ramatoa na rangahy dia mbola manana ny fiainany ihany hoe namana sy toerana fialam-boly sns.
Raha mbola kely loatra tokoa mantsy ny zanakao dia tsara raha mijanona ao an-trano mikarakara zanaka ramatoa na rangahy satria tsy misy tsara ny hoe voataiza tsara ny zaza vao alefa mandeha mianatra (5 taona) eo na mandeha mianatra ihany fa tsy voatery elabe any ampianarana anatin'ny andro iray.
Ka amin'izay dia tsy misy intsony ny hoe iza no nahita fianarana bebe kokoa na hoe ahoana fa izay mahita asa mampidi-bola kokoa no miasa raha toa ka mbola afaka miara miaina tsara ny fianakaviana iray manontolo.
8. diamondra27 ( 09/07/2006 06:23)
azony atao ny manao asa ao antranony sady mikarakara ny tokatranony, tsy misy olana ny @izany.

Tsy voatery oe: hivoaka ivelany foana vao miasa.

Raha mahay manjaitra le vhv de sokafy ny trano iasana
Raha mahay manao volo de tahaka izay ihany koa

Sa ...,fianarana inona aloha le nataony, izaho fotsiny no mitanisa eto nefa mety tsy mifanaraka t@ étude-ny akory no nataony


9. xxx ( 09/07/2006 12:31)
Mankasitraka.

Izany hoe eo amin'ny ankapobeny dia ny ara-materialy no olana araka ny hevitrareo raha mijanona ao an-trano ilay vehivavy.

Mety misy olana hafa ve, tsy resaka materiel?

Ja:
sady otrany mbola be dia be ne izao ny vehivavy maniky hijanona ao antrano hikarakara tokotrano foana?hummm

Tsy hoe manaiky ilay izy, fa hoe misafidy. Tsy mitovy mihitsy izany.
10. soanja ( 09/07/2006 13:02)
Ny resaka materialy tokoa no hitako mety ho olana raha tsy ampy ny fidiram-bola ao an-trano raha mijanona tsy miasa ny vehivavy na lehilahy iray. Fa raha manakarena na ampy tanteraka ny vola miditra dia tsy hitako ny olana hafa.
Saingy ny olombelona samy hafa daholo. Ohatra: Izah izao raha tsy manao zavatra nianarako sy nilofosako nandritra ny fotoana maro dia mety tena tsy ho afapo satria nianarako iny satria tiako ary tiako ny hampiahatra azy eo amin'ny fiainako mba hanatsarako ny manodidina sy ny mpiarabelona amiko. Raha azoko atao ao an-trano ilay izy dia izay no tsara indrindra saingy raha tsy azo kosa dia mila mandeha manao azy any ivelany aho.
Ka raha misafidy hijanona ao an-trano aho dia mety hisy tsy ampy ny fivelaran'ny saiko sy ny fahafaham-poko.
Amin'ny maha reny anefa dia misy ihany koa ny fandeferana hoe zanako aloha vao zah. Dia eo ilay safidy no mihatra fa ny resaka amin'ny vady efa mety vita taloha hoe afaka mijanoana na tsia ary efa vita ny safidy any hoe iza no hampidi-bola sns alohan'io.
Misy tokoa anefa vehivavy be dia be miasa sady mampidi-bola tsara nefa tsy afapo amin'ny fiainana (stressed) satria tsy ampy ilay fotoana iarahana amin'ny fianakavaina ao an-trano na tsy ampy tambitamby fa gidraka alava any ampiasana.
Izay rehera izay dia miankina amin'ny tsirairay avy hoe mahasoa ve ny mandeha miasa raha izay sa tsia. Sao lany amin'ny dokotera indray ny vola azo teo.
11. Herimiafina ( 09/07/2006 18:09)
Ny ahy klou aleoko mibaosy foana e! Tiako be raha manana baoritra vitraky be zah kanefa tsy miasa fa velomimpotsiny.

Donky, raha voatery hitaiza zaza ao antrano de vao maika reveko be!
12. sakaizakely ( 09/07/2006 19:55)
Tsy misy maharatsy an'izany amiko raha toa ka antonona ny fidirambola eo am'lay tokantrano. Hafa ihany izany zaza taizandreny toy izay miampitampita amina nounous sy ny mpitaiza any @ crèches ireny. Sady mbola hafa koa ny éducation'ny ankizy raha ambony ny niveau intellectuel n'ny reniny.

Nena aloha dia nafoiko tanteraka ny ambition professionel vao niteraka e ! Izaho dia an'isany nijanona tsy niasa satria tena tsy foiko ny zanako. Narary foana ny foko isaky ny nametraka azy tany @ mpitaiza isamaraina. Naleoko nijanona. Sady eto Frantsa afaka mijanona tsy miasa 3 taona ny vhv. Zao za afapo tsara, tsisy stress fa milamina be ny fiainana, dia milamina tsara koa ny sain'ilay zaza. Ary manana fotoana libres betsaka ahafahana manao activités isankarazany. Raha ny faniriako aza dia tsy miasa intsony saingy tsy afa-manoatra^^
13. Zina ( 09/07/2006 23:40)
raha izaho aloha dia aleko mitaiza ny zanako mandra-paha lehibe kely an-drizareo mandra=pidirany any an-tsekoly satria @ io fotoana io no tena critique be ny fiainana ny ankizy manambotra bonne fondation io , affection fitiavana confiance personalite caractere etc... les 6 premieres annees de la vie d'un enfant.
14. xxx ( 10/07/2006 05:05)
Herimiafina:
Ny ahy klou aleoko mibaosy foana e! Tiako be raha manana baoritra vitraky be zah kanefa tsy miasa fa velomimpotsiny.

Donky, raha voatery hitaiza zaza ao antrano de vao maika reveko be!

Somary mankarary sofina ihany ilay hoe velomimpotsiny :? Fa misaotra anao.

ja:
otrany tsy mampino aloha oe @ izao fotoana izao no mbola misy vehivavy misafidy hanao an'izany e!
asa aloha tsy haiko

fasaly:
refa izay veuh ny safidiny ka tsy hanenjika azy ny eritreriny amzao fiainana efa me sarotra izao izany hoe tsy olana aminy na tsy hiasa aza izy inona no olana, tsisy maharatsy anzany

ja & fasaly, Eny, tena sarotra ny fiainana amin'izao. Fa tsy ny resa-bola ihany no sarotra sy mahatonga henjehin'ny eritreritra, fa ny resaka fitaizana ihany koa. Dia eo no mahatonga ahy manontany. Hoy i Zina hoe critique be eo amin'ny fiainan'ny zaza ny 6premieres années-ny. Izaho indray mahita fa na mihoatra aza, ohatra hoe à 11 ans ny vavikely dia efa tonga fotoana sy mahalala sipa, mba mila fandinihina ihany fa tsy hody amin'ny 6 hariva isan'andro.
15. sakaizakely ( 10/07/2006 06:35)
xxx> mahatonga saina ihany tokoa ny fiainana satria raha lany fotoana hitrandraka vola nefa ny fitaizana zaza lasa ambinambiny fotsiny dia aleo misafidy mikarakara ny ankohonana raha toa ka antonony ny fidirambola etsy andaniny. Satria voatery mitaiza tena ny ankizy mandrampodin'ny RaR ka misy ny lasa mandeha @ tsy mety matetika fa tsy ampy surveillance. Izay no hevitro amin'io satria izaho eo ampotony na dia nahoanao aza izay nolazaiko :{:{:{
16. sakaizakely ( 10/07/2006 06:44)
Misy boky izay mihintsy hoe "Tout se joue avant 6 ans" (Dr Fitzhugh Johnson raha tsy diso ny fitadidiko) izay manazava tokoa ny hevitrao satria mandritra io fotoana io no manorina ny fondement de sa personnalité ny zaza. Ary ny olona tena mendrika ny hanohana azy mandritra io fotoana io dia ny reniny saingy noho ny fitadiavana sy ny fandrosoana ankehitriny dia very io lohahevitra io.

Tsy mahagaga ankehitriny raha be ny olona manao depression sy ny tsy stable affectivement (fisarahampanambadiana, zaza manary RaR et vice versa, mpiray tampo tsy mifankahazo sns...) ary ireo mihinana fanafody (anxiolitiques ...) satria tsy ampy orina fony mbola kely. Izay ilay génération crèches-nounous. Na dia hoe tsy ny rehetra aza, fa hita fa misimisy kokoa ny désequilibre mental noho io toejavatra io.

Ny mety kokoa izany dia aleo ny reniny ihany (na ny dadany koa) no mitaiza ny zaza. Nefa tokony mahita ny équilibre-ny koa ilay RaR miandraikitra ny zaza satria hisy fiantraikany eo amin'ny fitaizany sy ny fahasalaman'ny sainy izany.

Zina:

raha izaho aloha dia aleko mitaiza ny zanako mandra-paha lehibe kely an-drizareo mandra=pidirany any an-tsekoly satria @ io fotoana io no tena critique be ny fiainana ny ankizy manambotra bonne fondation io , affection fitiavana confiance personalite caractere etc... les 6 premieres annees de la vie d'un enfant.



17. xxx ( 10/07/2006 08:07)
sakaizakely:
Izay no hevitro amin'io satria izaho eo ampotony na dia nahoanao aza izay nolazaiko

Tsy azoko ny tianao ambara amin'io hoe nahoanao io. Fa izaho mahita hoe marina ny teninao io ka.
18. MTN ( 10/07/2006 08:50)
Mba jereo ihany koa anefa fa zavatra ratsy mety hitranga. Ohatra hoe misy accident tampoka mahazo ny vadinao dia tsy afaka mampidi-bola toy ny amin'izao intsony.
Ny tiako tenenina dia na tsy miasa aza ianao, aza adinoina ny fahaizana anananao.
19. ja ( 10/07/2006 09:32)
za kalongany dia mahalala ramatoa izay,nisaraka t@ vadiny izy dia izy no sady manenjika mitaiza ny zaza no manenjika mitady vola fa vitany ny zanany e!
zao ny zanany tafita soa amantsara!fa nila ny fanampian'ny ray amanderniny sy ny havany aloha e!
marina ny an'i MTn raha sanatria manin razoky dia ahoana?
aleo ihany misoroko kou!
20. nambina ( 10/07/2006 09:43)
samia miasa d maka olona mpanampy é, olona 2 be izao ve no miasa d mbola tsy hisy vola kely hangalana mpanampy, na d 1x /semaine, handaio trano sy hipasoka fotsiny aza...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5256