fafolon-karena
41. marozevo
(
06/07/2006 17:39)
Gorban .... Tokony ho tarehin-tsoratra grika io...
Ny heviny dia hoe "fanatitra atolotra amim-pitiavana ho an'Ilay niavian'ny zavatra rehetra"
Ny heviny dia hoe "fanatitra atolotra amim-pitiavana ho an'Ilay niavian'ny zavatra rehetra"
42. soanja
(
06/07/2006 18:10)
dadabe:
Mpandefa : soanja [ Valio ] 05-07-2006 19:47:44
Lohateny : Re : fafolon-karena
Iza avy no tsy tazana ry Prime?
Marina daholo ny teninareo fa ny ahy dia toy ny nahafohizan'i Abrahama an'i Isaaka zanany ho an'i Yaveh no fiheverako ny faha-10 karena.
ngah faha folokarena io nanoloran'i Abrahama ny zanany io ???? :roll: sao dia diso fandray kosa ianao e?
Dadabe a, aleo rehefa malalaka kely aho manazava an'io indray.
43. marozevo
(
06/07/2006 18:26)
Ny an'i dadabe kosa ve rehefa tsy misoratra eo ilay hoe 10/100 dia hoe ....
Gorban io eh
Gorban io eh
44. soanja
(
07/07/2006 13:31)
Dadabe a, tsy ny faha-10 karena akory no hitovy lanja amin'ny nanomezan'i Abrahama ny zanany Isaaka fa ny hoe nomen'andriamanitra ianao dia mahafoiza koa ka na dia ny tianao indrindra aza na sarobidy aminao dia foinao ho an'ny Andriamanitra na ho an'ny hafa mila an'izany. Ny fitiavana mifamaly am-panetretena sy fitokisana no fototry ny fitiavan'Andriamanitra.
47. prime
(
12/07/2006 11:01)
soanja:
Fa raha toa kosa ve dia efa hitanao fa tsy mandeha amin'ny laoniny intsony ny fampiasana ilay fanatitra izay fantatrao tsara ny tokony hampiasana azy dia mbola hidrikina foana ve ianao hoe any ihany no alefa ilay izy no tena mahagaga ahy. Satria fantatrao tsara koa fa misy toerana be any azonao hanomezana ka hampiasana ny faha-10 karenanao ho amin'ny fahasoavan'Atra . Mino aho fa ho faly Atra.
Tsy betsaka ireo toerana resahiko ireo fa visty dia vitsy tokoa saingy misy.
Hamafisiko izay voalaza rehetra tao aloha tao, rehefa hitanao tokoa fa izay no mahasoa hoy aho tsy maninona izany... Fa tenin'Andriamanitra no fototry ny fahafolon-karena, ary tenin'Andriamanitra koa no mbola mibaiko ny mpino hikarakara ny mpanompony... Noho izany tsy fahadalàna velively ny fanolorana fahafolon-karena ho an'Andriamanitra eny @ fiangonana sy ny tempoly izay misy ny mpino tsirairay avy... Ary koa tsy anjaran'ny mpino velively ny mitsara ny ampiasàna azy rehefa avy eo, fa an'Andriamanitra ny fitsaràna... rehefa nampiasain'ny mpanompony @ lalan-diso izany, izaho miteny aminao fa tsy avelan'Andriamanitra ho azy amin'izao izany... Ny fahatezeran'Andriamanitra anie ka henjana e!!! Ary raha vao mitsara indray ny mpino dia na Andriamanitra aza tsy hitsara an'iny olona iny intsony ("efa azony ny anjarany" hoy ny tenin'Andriamanitra izay), fa isika mpino ilay mitsara no ataon'Andriamanitra mafy kokoa ny fitsaràna antsika satria isika matoa mitsara ny hafa dia tokony marina kokoa noho ireny olona ireny aza... Ary averin'Andriamanitra amintsika mafy kokoa ny fomba nitsarantsika ireny olona ireny...
Efa saiky tsy hiteny intsony aho fa dia tsy maintsy nitondra ireo mba hampazava azy kokoa no sady te-hiteny hoe aoka ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra fa tsy anjarantsika no mitsara izay iafaran'ny atolotra Azy...
48. soanja
(
12/07/2006 13:39)
Mba tsy hisian'ny resaka lava ry Prime dia hanaiky anao aho satria tsy misy diso akory ny voalazanao. Maninona moa zah no hidrikina amin'ny zavatra marina. Aleo avela ho safidy ny ambiny fa izay voasoratra tokoa ao amin'ny baiboly dia voasoratra.
49. prime
(
14/07/2006 10:37)
Na izany aza midera anao aho ny @ fitiavana be ambaranao satria vitsy ny olona ankehitriny manana finiavana hijery ny sahirana sy ny mahantra toa anao...=D (mitehaka io sao miverina =D fotsiny eo indray)^:^
50. soanja
(
14/07/2006 23:23)
Prime> you are amazing! Ny ahy anie tsy hoe zavatra foronina fa ny voalazan'ny bible ihany no arahiko e. Misaotra anao na dia izany aza.
Amiko ianao dia fahasoavana ho an'i Gasikara. Soa fa misy anao e. Mbola hilamina foana ny resaka eto raha mbola ato ianao. :-*:-*
Amiko ianao dia fahasoavana ho an'i Gasikara. Soa fa misy anao e. Mbola hilamina foana ny resaka eto raha mbola ato ianao. :-*:-*
