fafolon-karena

21. Kwasi ( 01/07/2006 10:35)
Aferanao sy Andriamanitra ny 1/10 harena ka aza ijerena an-dRakto na Rabe na Pasitera na Mopera.
22. marozevo ( 01/07/2006 20:56)
Soanja >
1 - Batemy sy valopy : Raha tena misy izany dia aoka ho lazaina fa tsy rariny ny ataon'ilay Mopera, ary zonao no miteny mivantana amin'ny Eveka.

2 - tsy maintsy vita Mariazy ! Tsy marina izany, satria tokoa mety hisy antony ny tsy ahafahan'ny ray aman-dreny miroso amin'ny mariazy. Fa raha antony tsy mitombina kosa dia rariny ny an'ilay Mopera.

3- Tsy hoe tsy maintsy mikonfesy izany kosa eh... Ny Konfesy anie demarche avy amin'ny mpikonfesy fa tsy avy amin'ny mpampikofesy eh... Afa-tsy raha fahotana mibaribary (notoire), dia tsy hisy olona afaka hitsara olona hafa fa mpanota io olona io.
Inona no atao hoe fahotana mibaribary ? Ity ohatra iray fotsiny : Miara-mipetraka (mivady) amin'ny olona iray efa vadin'olona.

Dadabe - Achia : Ny tiako holazaina amin'ilay hoe tsy raisina ara-bakiteny ve ? Tsy hoe tsy manao akory, fa tsy hoe raha 5000Fmg ny vola azoko dia tsy maintsy 500 no arotsako. Izay raisiko raisiko iatrehako ny adidiko, ary izay arotsako ho an'Andriamanitra dia tsy an-tery fa an-tsitrapo. Mety misy mahavita 20% ve dia ahoana... mety misy mandray 5000 ohatra, nefa ny ho sakafon'ny mpianakavy mbola tsinjovina.. dia ahoana koa...


Oay... azafady fa lasa lava loatra.
23. lapino ( 01/07/2006 22:17)
soanja:
Asa na efa nahita pasitera niravaka volamena be dia be sy volafotsy ary tena mampisana vava ahy ny mijery azy ianareo? Ny olona netiny anefa dia tena mahantra tokoa ary ny fahafolon-karena tsy maintsy hatao.

Za aloha mbola tsy nahita an'i soanja nisana vava e! :wink:8)
Mbola mitana ilay noteneniko teo ihany aho, hoe raha eo amin'ny toeran'ilay nanome fahafolon-karena, dia tokony ho vita eo ny anjarany. Na hiravaka volamena sy diamondra i Pasitera, na hividy Ferrari sy tsy hiakanjo afa-tsy haute couture, sns ... na ohatra ny ahoana ny tsy fitovian'ny fari-piainany amin'ny fari-piainan'ny mpivavaka entiny, sns ... tsy misy tokony ahoana an'izany. Fa raha sady manome fahafolon-karena no mbola mitady izay hitantanana an'iny, dia manome tsifoifoy ihany izany. Tsy aleo indray aza ve tsy omena fotsiny ilay izy fa hividianana goûter?!

Fa ny zavatra tokony hajaina fotsiny dia hoe, tsy ho an-tery no hanomezan'ny olona an'ilay izy fa mba ho an-tsitrapo.
24. Zina ( 02/07/2006 00:10)
ao malakia 3:8-10.
Handroba an'Atra va ny olona na mandroba Ahy hianareo. Nefa hoy hianareo Amin'ny inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. Voaozona amin;ny ozona hianareo, nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao.
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano fireketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko ary izaho toetra amin'izany Aho hoy Jehovah Tompon'ny maro raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo
io dia tena ho antsika ankehitriny sy ho an'ny taloha koa.
25. dadabe ( 02/07/2006 08:34)
marozevo: ka Andriamanitra mihitsy anie no efa nilaza araka io nolazan'i Soanja io hoe
"...Aho hoy Jehovah Tompon'ny maro raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo..."

izany hoe safidin'i marozevo ny hanome 1/10 na hanome 1/2 na hanome 1/20 eme an'Andriamanitra kanefa Andriamnitra nilaza hoe 1/10 , ny antony Izy irery ihany no mahalala, fa izay fotsiny no angahatahiny aminao , raha toa ka ny fanazavan'olombelona dia marian io tenenin'i marozevo io hoe
"...Ny tiako holazaina amin'ilay hoe tsy raisina ara-bakiteny ve ? Tsy hoe tsy manao akory, fa tsy hoe raha 5000Fmg ny vola azoko dia tsy maintsy 500 no arotsako. Izay raisiko raisiko iatrehako ny adidiko, ary izay arotsako ho an'Andriamanitra dia tsy an-tery fa an-tsitrapo. Mety misy mahavita 20% ve dia ahoana.."

dia asakasakao ijhany io marozevo a, hanome ianao dia faly ny Tompo , tsy hanome ianao dia anjaranao sy ny Tompo ihany io
26. Zina ( 02/07/2006 10:42)
Isika dia mandoa taxe doly na directe izany na indirecte
Nefa raha ho an'Andriamanitra dia ahitan-tsika excuse foana no ny handoavana ny fafolon-karena... Andriamanitra dia nanome antsika choix ny hanao an'izany, antsika no miheritreritra na ao @ tsika ny fanahin'Atra mi-presser antsika hanao na isika tsy mihaino azy
Hoy ny ao @ Mark 12: 13-17 vakio io
ny tokony faha 17 ihany anefa no ho soratako eto
Dia hoy Jesosy tamin'ireo fariseo Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara (taxes io) ary ho an'andriamanitra izay an'Andriamanitra (10%) io
27. Zina ( 02/07/2006 10:47)
Izy ty dia safidy marina arak'ilay lazain'i dadabe... antsika no miheritreritra... ary raha lanin'ny pastera doly ny volam-piangonana tsy antsika izany fa azy sy andriamanitra, tot ou tard misy valony foana izay ratsy ataon'ny olombelona...
28. soanja ( 02/07/2006 23:15)
Zina:

Isika dia mandoa taxe doly na directe izany na indirecte
Nefa raha ho an'Andriamanitra dia ahitan-tsika excuse foana no ny handoavana ny fafolon-karena... Andriamanitra dia nanome antsika choix ny hanao an'izany, antsika no miheritreritra na ao @ tsika ny fanahin'Atra mi-presser antsika hanao na isika tsy mihaino azy
Hoy ny ao @ Mark 12: 13-17 vakio io
ny tokony faha 17 ihany anefa no ho soratako eto
Dia hoy Jesosy tamin'ireo fariseo Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara (taxes io) ary ho an'andriamanitra izay an'Andriamanitra (10%) io


Any ampiangonana ihany ve no atao hoe toerana ho an'Andriamanitra sy misy an'Andriamanitra?
Averiko indray: Ny Faha-10-karena tokony omena Azy satria anjarany fa tokony omena be fahatany ve?
Ny fahitako azy dia betsaka tokoa ny toerana tokony hanaterana ny faha-10-karena ary tena mety ny hitondran'ny mpintantana azy dia manentana aho hoe ataovy ny adidinao fa ho faly Andriamanitra. Saingy kosa raha toa ka hitako fa hitondra any amin'ny faharatsiana na fahaverezana ny fanomezana na vokatra omeko dia ho tezitra amiko ve Andriamanitra satria tsy tary no nomeko azy fa taty amin'ny tena mila azy sy hanasoavany ny hafa koa?



29. marozevo ( 03/07/2006 07:21)
dadabe > Dia mba ahoana ary ny fandraisan'i dadabe ilay tantara (fanoharana sa fitantarana) momba ilay vehivavy mananontena nanome vola madinika kely roa, sy ireo mpanan-karena nanome ny 10/100. Tsy tsaroako kosa aloha ny referansy.
30. rabaradaka ( 03/07/2006 10:26)
Marina daholo ny voalazan-dry dadatoa sy nenitoa teo fa ny fahafolon-karena dia voasoratra ao amin'ny tenin'Andriamanitra (Baiboly) ary niaina tamin'izany ny zanak'Israely. Fa zao izy lasa "obligation" ary teren'ireo mpitondra fivavahana sasany mihitsy hoe amidio hatramin'ny télévizion, frigo, fatana gaz, machine à laver sns fa mampisy devoly hono ireny. Fa etsy an-kilany manana fiara 4x4 BMW ilay dadatoa mpitondra fivavahana. Aoka ho an'Andriamanitra ny famaizana
31. prime ( 04/07/2006 05:25)
Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena ; fa “mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra” IIKorintiana9:7
soanja> Marina ireo voalazan'i lapino sy zina ao ambony ao ireo... tsy anjarantsika intsony ny mitsara ny ampiasàna ireny fanatitra ireny...
Marozevo> hafa mihitsy ny fankasitrahan'Andriamanitra an'ilay mananon-tena satria ny azy tena ny fananany iray manontolo mihitsy no natolony, ka na dia kely t@ valeur fiduciaire aza dia tena lehibe satria vokatry ny fony... Fa Izy tsy niteny hoe tsy nety ny nataon'ireo mpanan-karena fa nilaza fotsiny Izy fa betsaka lavitra no vitan'ilay mananon-tena satria ny an'ny mpanan-karena (na dia betsaka teo @ valeur fiduciaire aza) dia vokatry ny hareny ihany... :)
32. vetsoko ( 04/07/2006 13:32)
ny fanaovana fahafolon-karena dia ao anatin'ilay hoe acte de foi,finoana no miasa betsaka ao anatin'io,ny fanaovana remise en question'io noho izany dia fanaovana remise en question ny degrén'ny finoanao,tandremo fa ny acte rehetra atonao amin'andriamanitra,@ manodidina,fiaraha-monina@ fianakavianao,eny @fahavalonao aza na tsy ataonao dia maneho refin'ny finoana anananao;noho izany tsy ilay manao fahafolon-karena no diso fa vita ny azy teo anatrehan'andriamanitra
33. mandalo ( 04/07/2006 13:47)
teny hita ao @ ny baiboly tokoa io saingy ny mahavery antsika dia tsy mitady ny ny mahamarina ny teny isika fa mitsikera ny manoa ny teny;
fantaro fa iray ny baiboly ary ny teny rehetra ao dia tenin'Andriamanitra koa raha any @ ny malakia Andriamanitra no miteny hoe: "aloavy ny fahafolon-karena dia tsarovy fa tohin'ny teny any efa voasoratra any aloha any io fa tsy i Malakia akory no maminany mivilana ka foroniny veivety eo io.
ny olombelona dia manana asa napetrak'Andriamanitra taminy (MANDANT CULTUREL):"garder et cultiver (Gen 2:15).
Izy mpamorona izao rehetra izao (createur=propietaire) no miteny amin'i Adama( olona= créture) hitandrina ny saha (homme= gerant).
izay ataonao dia Azy; izay azonao dia Azy ary tsy tompony ianao fa mpiasa mpitantana.
ka raha miteny i Malakia fa mandroba aan'Andriamanitra dia marina tsy misy diso izany satria mpitantana na mpias atsy manaraka ny tenin'ny tompony na ny patron-ny.
ny zavatra tadiaviny anefa tsy ny azonao rehetra fa 1/10 fotsiny, ary tsy ny ampahany no zava-dehibe fa manaiky ny toerantsika ho mpiasa sy mpitantana va isika sa te ho tompony na ho patron?
ny fantatro dia ny devoly no misandoka anarana ho mpanjakan'izao tontolo izao kanefa Jesosy efa nividy izany tamin'ny rany.
Anjarantsika no mieritreritra ny ataontsika fa ny tiako mbola ampiana dia raha manoa ny teny ianao dia milaza ny Tompo fa vohainy ny lanitra ary ataony tsy mitovy ny manompo sy ny tsy manompo; ka raha mbola mahatoky isika fa tsy miova ilay Andriamanitra inoantsika dia Izy ilay omay, anio ary mandrakizay. noho izany marina io teny io omaly; marina io androany ary mbola marina koa rahampitso.
saingy ny Tompo tsy manery fa anjaran'ny tsirairay no mandinika na anao toy an' i Eva na hanao toan'i Abrahama fa samy mizaka ny vokany ny tsirairay fa tsy mahaavotra anao ny fahafolon-karena naloan'ny hafa ary tsy mahafaty anao iny na lanin'i mompera na pastera fa efa nasehonao ny fankatoavanao an'Andriamanitra rehefa nanaraka ny teny ianao.
koa andramo ka zahao fa tsara Jehovah; ampiako hoe: rehefa tsy mahasoa hialao fa tsy maninona
34. prime ( 05/07/2006 09:58)
ranini anie ry zareo ka tsy tazana intsony indray koa e!!!:?
35. soanja ( 05/07/2006 14:47)
Iza avy no tsy tazana ry Prime?
Marina daholo ny teninareo fa ny ahy dia toy ny nahafohizan'i Abrahama an'i Isaaka zanany ho an'i Yaveh no fiheverako ny faha-10 karena. Fitiavana sy fahafoizana ary fanekena ny teniny ampitiavana satria Ray izy ary mahatoky azy aho. Ny tiako resahina dia hoe mahafoy ianao satria nomen'Atra. Ny hoe aiza no hanomezana azy tsy voatery n'aiza n'aiza fa amin'ny mahantra, sahirana mila izany fanampiana izany satria any amin'ireo koa dia mitoetra ao aminy Andriamanitra. Aoka hitsara izay hitsara fa izay no safidiko ary hitako fa mety.
36. marozevo ( 05/07/2006 21:40)
Mitovy hevitra amin'i Soanja koa aho amin'io voalazany io aloha. saingy ambonin'izay voalazany dia amafisiko kosa ny hoe tsy kajy na aritmetika na matematika akory io, fa fitiavana sy vokatry ny fo.
37. soanja ( 06/07/2006 00:48)
Marovezo: "saingy ambonin'izay voalazany dia amafisiko kosa ny hoe tsy kajy na aritmetika na matematika akory io, fa fitiavana sy vokatry ny fo. "

Tokoa anie izany.
"Dia mbola ao amin'ny Tompo no analorako ny asa vitako......Lalandava."
38. prime ( 06/07/2006 13:12)
soanja> tsara anie ny finiavanao hanampy ny mahantra sy hanarina ny lavo e! ny Tompo rahateo nampianatra an'izany...
Fa ilay hevitr'i ranini anie mitsara mahitsy be hoe tsy mety ny ataon'ny mpitondra fivavahana fa manodina dia nampianao hoe marina izany e! izay no nahatonga ny fanazavan'ny olona maro ao ambony ao hoe, aza mitsara izay hiafaràn'ny fanatitra fa efa Azy iny...
marozevo> mitovy indray ny hevitsika eo, vokatry ny fo tokoa...
"Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena ; fa ny “mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”" IIKorintiana9:7
39. soanja ( 06/07/2006 13:41)
prime:

soanja> tsara anie ny finiavanao hanampy ny mahantra sy hanarina ny lavo e! ny Tompo rahateo nampianatra an'izany...
Fa ilay hevitr'i ranini anie mitsara mahitsy be hoe tsy mety ny ataon'ny mpitondra fivavahana fa manodina dia nampianao hoe marina izany e! izay no nahatonga ny fanazavan'ny olona maro ao ambony ao hoe, aza mitsara izay hiafaràn'ny fanatitra fa efa Azy iny...
marozevo> mitovy indray ny hevitsika eo, vokatry ny fo tokoa...
"Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena ; fa ny “mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”" IIKorintiana9:7



Ka ny indrindra ny ahy no tena tiako kianina hoe : Ny fiainana dia fanabeazana koa. Jerene tsara hoe aiza no handefasanao ny fanatitrao satria hanolotra sy hahafoy hoan'Atra ianao. Zavatra tsara no tianao hampiasana izany vokatra ny asatananao izany. Fa raha toa kosa ve dia efa hitanao fa tsy mandeha amin'ny laoniny intsony ny fampiasana ilay fanatitra izay fantatrao tsara ny tokony hampiasana azy dia mbola hidrikina foana ve ianao hoe any ihany no alefa ilay izy no tena mahagaga ahy. Satria fantatrao tsara koa fa misy toerana be any azonao hanomezana ka hampiasana ny faha-10 karenanao ho amin'ny fahasoavan'Atra . Mino aho fa ho faly Atra.
Tsy betsaka ireo toerana resahiko ireo fa visty dia vitsy tokoa saingy misy.
40. dadabe ( 06/07/2006 13:50)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 05-07-2006 19:47:44
Lohateny : Re : fafolon-karena
Iza avy no tsy tazana ry Prime?
Marina daholo ny teninareo fa ny ahy dia toy ny nahafohizan'i Abrahama an'i Isaaka zanany ho an'i Yaveh no fiheverako ny faha-10 karena.


ngah faha folokarena io nanoloran'i Abrahama ny zanany io ???? :roll: sao dia diso fandray kosa ianao e?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078