fafolon-karena

1. ranini ( 30/06/2006 11:15)
aona ny fijerinareo anio fa toa malaza mitsy izy @ secte kely ireny ,moa ireo mpivavaka ao aminy de voambaka tanteraka mitsy.Ireo mpitondra fivavahanna toa lasa metimety daolo ny fianainany noho io fomba aton-dry zareo io.
Fomba fanabotrianan olona fotsiny io moa tsy natao hoan'ny Kristiana intsony.Efa nikaroka lalina tao @ baiboly za fa tena mpamitaka daolo refa manao io fafolon-karena io.
tsy aiko aloha ny hevitrareo fa de minadry ny valiny aty indray eee!!
novalian'i soanja ny 18/07/2006 11:20
2. prime ( 30/06/2006 12:05)
Ny fahafolon-karena dia ara-tsoratra masina mihitsy. Ho fankasitrahana an'Andriamanitra @ zavatra itahiany sy iahiany ny mpanompony (vola aman-karena, fahasalamana, taranaka hendry, fahaizana sy fahalalàna, sakafo sy asa mahavelona, fifaliana sy fiadanana, andro sy ora ary fotoana lava ivelomana...) dia nanao didy Izy fa tokony atolotra Azy ho fanatitra ny 1/10 izany harem-be foiny iadanan'ny mpino izany... hatreo aloha...:)
3. dadabe ( 30/06/2006 12:06)
ara tsoratra masina anie ny fahafolokarena ry ranini e, fa ny olombelona no manova azy

malakia toko faha 3 iray manotolo vakio

(raha tsy mazoto mamaky baiboly ianao dia aza manao fahafolony dia vita ):D
4. prime ( 30/06/2006 12:12)
Rehefa atao fanatitra iny dia mbola ny mpisorona sy ny mpaminany no mitantana an'iny... :)
5. dadabe ( 30/06/2006 12:14)
fa tsy zakan'i ranini anie izany e :°)
6. soanja ( 30/06/2006 12:16)
Izaho indray mahatsapa fa ampiasan'ireo mpitondra ny fiangonana iray amin'ny zavatra tsy tokony alehany ny fahafolon-karena. Mampalahelo ahy ny mahita ny pasitera sasany tena migalabona amina harena nefa hitanao ny niatombohany fa tsy tahak'izany ary lasa hiadivana mihitsy ilay izy aza ka mahatonga ny finoana hisaraka, nefa ny olona netiny mitafy vorokitsay zara raha misy atokona any antrano.
Ny tokony ho izy dia ny volan'ny fah-10-harena dia hikarakarana ny fiangonana, hanatirana ny asa famakiana lay amin'ny toerana hafa mbola tsy naheno ny tenin'Atra, anamboarana hopitaly sy hividiana fanafody hoa n'ny tsy manana ary hitahiany ny mahantra ao amin'ilay fiangonana sns
Ny anay ny fahafolon-karena dia havadika asa soa. Asa izay atolotrao ho an'Andriamanitra ary fantany izany fa faha-10 karenanao io. Matetika tokoa mantsy tsy tokony ho mpanakarena dia manao ahoana ny olona iray raha mahavita io adidy io satria mbola be ny mila fanampiana amin'ny alalan'ny asasoa any Dago na eran'izao tontolo izao.
7. lapino ( 30/06/2006 12:18)
Sao dia ilay vola lasan'ny mpitondra fivavahana fotsiny no mankarary fo an'i ranini? Toa tsy voatery ho izay ny lalany anefa ...
ny Baiboly:
Deotoronomia 26:12 Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrao amin'ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,
8. prime ( 30/06/2006 12:21)
soanja> ny tenin'Andriamanitra koa no mbola miteny fa adidin'ny mpino ny fikarakaràna sy ny famelomana ny mpiasan'Andriamanitra voahosotra rehetra...:)
dadabe> ka tohizana ary ve sa tsy tohizana fa sao dia harary fo eo ranini e!!!:lol:
9. soanja ( 30/06/2006 12:25)
Prime a, fa tsy amin'ny hoe hividiananao volamena sy mamiratra ny volako nefa izaho hitafy vorokitsay. Tohanako tokosa ny hoe mila karakaraina ny pasitera sns mba ahafahany manao ny adidiny saingy kosa mba jerena ihany hoe inona avy no ampiasany an'izany vola na harena omena azy izany fa tsy hanovana izay danin'ny kibony.
10. lapino ( 30/06/2006 12:28)
Za ry zareo tsy mampaninona an'ah mihitsy raha manan-karena ny pasitera sy ny karazana mpitondra fivavahana. Fa maninona ary izy ireny no terentsika hahantra? Kanefa izay ataontsika amin'ny mpanompon'Andriamanitra dia ataontsika amin'Andriamanitra koa izay. Na tsy faritana ho adidy aza ...

Ataoko aza fa fahadisoana ny mitsikera ny fitantanana an'iny vola iny. Efa vita eo tsinona ny afera amin'Andriamanitra, fa aferany sy ny mpanompony sisa dia tsy misy hidirantsika intsony. Na hividy 4x4 izy, na hanamboatra villa, na hanao vakansy any amoron-dranomasina isan-taona, ... dia hamboly fialonana sy ahiahy ao an-tsaina ve isika amin'izany?
11. prime ( 30/06/2006 12:39)
soanja> izaho tsy mbola miteny ny ampiasàna azy kah... mbola vao manomboka anie isika izao e!!!:) ny an'i lapino io no fahendrena... ireny mpanompon'Andriamanitra ireny dia ny hiasa hanompo ny Tompo sy ny fiangonana ary ny mpivavaka (eny fa na ny tsy mpivavaka koa aza) no nanolorany tena... ny hahatafiditra ahy sy anao any an-danitra no filamatra ao anatiny ka marary tokoa ve ny isika ny amin'ny anjarany ety an-tany???:wink:
12. soanja ( 30/06/2006 12:48)
Asa na efa nahita pasitera niravaka volamena be dia be sy volafotsy ary tena mampisana vava ahy ny mijery azy ianareo? Ny olona netiny anefa dia tena mahantra tokoa ary ny fahafolon-karena tsy maintsy hatao.
Tsia tsy mialona sanatria akory aho fa mahatsapa kosa fa ny vola dia manova zavatra be dia be raha tsy hainao ny mitondra azy. Tsy tiako hahantra ny pasiterako. Fa kosa amiko mila fianarana /fahaizana sy fahendrena miaraka ny fitantanana ny vola. Tsy haiko aloha hoe ahoana ny fomba ahafahan'ny olona iray lasa pasitera (inona avy ny no takiana dia afaka mianatra ho pasitera sns) na hoe hitondra olona fa dia variana aho amin'ny sasany.
Raha ny 4x4 indray dia ilaina ho entina anaovana ny asan'Atra satria ratsy lalana i Mada, ny trano tsy manahy loatra raha izay no tianao fa tokony hanany ary tsy misy maharatsy izany mihitsy, ny vakanse ilainy satria miasa be izy dia mila miala sasatra koa fa mbola mihoatra noho izany ny hitako ho fampiasam-bola tsy amim-piheverana.
13. prime ( 30/06/2006 13:05)
soanja> arakaraky ny fiangonana ny rafitra fitantanam-bola ao anatiny ary matetika aza tsy misy idiran'ny pasitera na mompera na pretra ny ara-bola fa laika no mandraharaha ny "administratif" sy ny "finances" ary ny "logistique"... Ny @ ohatra hitanao, mety misy izany fa tsy ny mpanompon'Andriamanitra rehetra no manao izany ka aza atao sarambaben'ny kintana toy izany no ilazàna na mety na tsy mety ny fahafolon-karena... Fa raha hoy ianareo hoe tsy mety io dia ny tenin'Andriamanitra mihitsy no kianina izany... Raha hoe ny mpanompony no manodina... dia efa mitsara alohan'Andriamanitra tompoiny ianareo... :wink:
14. dadabe ( 30/06/2006 14:30)
amiko tsara ny manao fahafolonkarena , aleo hihinana ny fahafolonkarenany ny mpisorona

fa kosa

araka io nolazain'i namako i lapino io
Hoy i ny Baiboly:
Deotoronomia 26:12 Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrao amin'ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,


dia tokony hanampy ny kamboty sy ny mahantra .....izy ary tsy tokony hahidy :evil: , misy mpitondra fivavahana ao antananarivo ao , manakarena @ alalan'ny fahafolonkarena , ary manaiky ny hanao asa rehetra (fanompoana ) fa raha vao resa-bola no angatahinao ( hindramina ) aminy dia tena mivoka eo ilay fitiava-tena .
asa re...sao dia zah koasa aza no mitsara oll ?? ( mamelah ny heloko Andriamanitra o)
15. soanja ( 30/06/2006 14:36)
prime:

soanja> arakaraky ny fiangonana ny rafitra fitantanam-bola ao anatiny ary matetika aza tsy misy idiran'ny pasitera na mompera na pretra ny ara-bola fa laika no mandraharaha ny "administratif" sy ny "finances" ary ny "logistique"... Ny @ ohatra hitanao, mety misy izany fa tsy ny mpanompon'Andriamanitra rehetra no manao izany ka aza atao sarambaben'ny kintana toy izany no ilazàna na mety na tsy mety ny fahafolon-karena... Fa raha hoy ianareo hoe tsy mety io dia ny tenin'Andriamanitra mihitsy no kianina izany... Raha hoe ny mpanompony no manodina... dia efa mitsara alohan'Andriamanitra tompoiny ianareo... :wink:


Izaho aloha dia miteny hoe aloavy ny fahafolon-karena fa tsy aloa be fahatany fa jerena hoe aiza no handoavana azy. Ny ahy, safidiko, dia anaovako asasoa izay asan'Atra ihany no hiheverako azy.
Ny tena votoatin'ny fahafolo karena no tokony dinihina fa tsy hoe mainty sy fotsy ary tena nisy fanalana baraka olona indray mandeha no hitako satria nisy nifosa olona ny mpiray fiangonana hoe mba ohatrinona loatra ny vola miditra amin'iny olona iny no de izao ny fahafolon-karenany. Amin'ny toerana sasany dia misy ny rafitra fa tsy amin'ny toerana rehetra raha ny fitondram-pivavahana no resahina. Efa nahita mihoatra ny tsy ahitako teny intsony aho.

16. dadabe ( 30/06/2006 14:44)
Izaho aloha dia miteny hoe aloavy ny fahafolon-karena fa tsy aloa be fahatany fa jerena hoe aiza no handoavana azy. Ny ahy, safidiko, dia anaovako asasoa izay asan'Atra ihany no hiheverako azy.
Ny tena votoatin'ny fahafolo karena no tokony dinihina fa tsy hoe mainty sy fotsy ary tena nisy fanalana baraka olona indray mandeha no hitako satria nisy nifosa olona ny mpiray fiangonana hoe mba ohatrinona loatra ny vola miditra amin'iny olona iny no de izao ny fahafolon-karenany. Amin'ny toerana sasany dia misy ny rafitra fa tsy amin'ny toerana rehetra raha ny fitondram-pivavahana no resahina. Efa nahita mihoatra ny tsy ahitako teny intsony aho
:wink::wink: marina io
17. marozevo ( 30/06/2006 21:30)
Fahafolon-karena ... Araka ny Baiboly tokoa, nefa impiry moa no miverina eto ny hoe "tsy tokony ho raisina ara-bakiteny anie ny baiboly".

Raha ny amin'ny fitantanana indray, mila lanjalanjaina be mihitsy. tsy afaka ny hianona amin'ny hoe efa nataoko ho an'Andriamanitra iny ka izay hanaovany azy any tsy adidiko intsony... na koa hoe tsy tokony homena vola ny mpanompon'Andriamanitra. Ny ao amin'ny Fiangonana Katolika no hitako sy mba hifampizarako. Misy komity mpitantana... manao ny teti-bolam-piangonana (Budget), ka voavinavina ao daholo ny zavatra rehetra : Sakafo sy fitafian'i Mopera, Karaman'ny mpiasasamihafa, fitsinjovana ny vody andro merika, asa fampandrosoana.. sns... Dia mazava ny resaka. Raha misy ny mivaona, satria mba olombelona ihany, dia ifanitsiana...
18. soanja ( 30/06/2006 22:19)
Marovezo, ekena dia ekena tokoa. Saingy misy indro kely koa ny andry Masera sy Mopera indraindray sa ve diso aho?
1- Voalohany aloha tadidiko dia tsy mety hanao batemy na sakrameta masina ny zanakao izy raha tsy mahavita ilay valopy ianao isan-taona.
2- Tsy maintsy vita vita mariazy ny mpivady vao mahazo ilay sakrameta ny zanaka nefa dia mety misy antony tsy ahafahan'ireto manao mariazy ohatra.
3- tsy maintsy mikonfesy izay tena tsy dia voako loatra fa aleo tsoriko aminao satria raha izy kosa ve ilay Mopera fantatro dia tsy mety amiko raha izy fa mba olon-kafa ahay tsy fantatro any.
hay moa be loatra ilay resaka fa fah-10-karena no resaka eto. Sorry! Inona ny hevitrao?
19. dadabe ( 01/07/2006 01:50)
hummm io ny anao rahalahy marozevo :roll::roll:


marozevo > fa izany hoe ahoana ihany aloha ity lazainao fa manaraka ara-bakiteny ny baiboly ity e?? hoe tsy azo atao ve ny fahafolonkarena sa....
20. Achia ( 01/07/2006 05:46)
Ka tsy azoko ndray ty lazain'i Marozevo ty ka ahoana ndray zany no handraisana ity fahafolonkareana ity e ataovy ara-panahy oe zany jerena a ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2742