Efa 80 taona ve mbola mitady seza

1. rabaradaka ( 28/06/2006 10:13)
gaga aho fa radadatoa iray izay efa manodidina ny 80 taona mbola miady seza foana nefa ny fitombenana efa nifintina. Angaha tsy loza e!
novalian'i prime ny 17/07/2006 13:02
2. hery ( 28/06/2006 11:24)
Eo amin'ny Malagasy:

- Ny raiamandreny fanaja
- Ny ela nihetezana lava volo
- Ny antitra antitra ihany
- ...

:-) mampatsiahy fotsiny
3. prime ( 28/06/2006 12:07)
misaotra rahery, ary ampiako kely, tsy teo isika raha tsy noho ny izy ireo...:)
4. toovs ( 28/06/2006 12:24)
prime:

misaotra rahery, ary ampiako kely, tsy teo isika raha tsy noho ny izy ireo...:)


hery sy prime: raha ny fijeriko an'io de seza fiandrianana io fa tsy seza hazo na kanape araky ny eritreritrareo
5. prime ( 28/06/2006 12:38)
Fa iza aloha ilay 80 taona tsy tantin-drabaradaka fa efa tary ambadika tary io no lazaina e??
6. Zina ( 28/06/2006 12:56)
Tsy i ratsiraka ve io tiny lazaina io? hahahahh
7. prime ( 28/06/2006 13:02)
zina> tsy i ratsiraka io satria ratsiraka mbola tsy feno 80 izany... :-D
8. Fanja1 ( 28/06/2006 13:07)
raha mbola salama arabatana sy aratsaina mou izy de maninona.
9. Zina ( 28/06/2006 13:49)
prime a misaotra o.
fanja ie marina zany ka ireny olona antitra ireny anie manana experience bebekokoa e mahafantatra ny tokony atao...
10. MTN ( 28/06/2006 14:52)
malina fa tsy izay manana experience akory dia tsara. Raha satria ka ampiasainy amin'ny zavatra ratsy ny experienceny dia ahoana?

hery: Ny ela nihetezana lava volo
arakaraka, i dadabenay izao efa ela be no tsy nihety fa mbola sola foana.:wink:
11. marozevo ( 28/06/2006 15:04)
Tsy nahita an-dRahery sy prime niresaka canapé aho teo... Ohatran'ny mananihany fotsiny no fijeriko ny valintenin'i toovs.

Io fehezan-tenin'i MTN farany io no atao hoe "mandray an-tendrony... manao ara-bakiteny... Tsy ampy fisainana".

Angamba i Zafy io lazaina eto io... fa mety ho Ratsiraka koa anefa satria efa akaiky ihany ny haha 80 taona azy. Ny iray B ny iray J.... anao ny safidy.
12. MTN ( 28/06/2006 15:22)
marozevo: hitanao, ny anao koa aza mba "angamba" no fiandohany. ilay fanontaniana mihitsy no tsy ampy. sady tsy asiana vazivazy mihitsy izany ny fiainana?

tena ampy fisainana ilay marozevo reto a
13. marozevo ( 28/06/2006 15:45)
Hoy i MTN
hery: Ny ela nihetezana lava volo
arakaraka, i dadabenay izao efa ela be no tsy nihety fa mbola sola foana.


Izao kosa ve dia tsy hananihany eh....

Fa maninona moa raha atomboka amin'ny hoe "angamba".
14. MTN ( 28/06/2006 15:59)
hanihany = vazivazy : hoy ny fitenenana ny vazivazy iray an-dalana. Tena tsy hitako ny olana.

angamba = norma tsara satria averiko indray fa ilay

rabaradaka:

gaga aho fa radadatoa iray izay efa manodidina ny 80 taona mbola miady seza foana [...]

no tsy mazava.

fa ilay "tsy ampy fisainana" tena offending be.
15. xxx ( 28/06/2006 16:58)
Salut doly!!
Nareo kou manao resaky ny oul 80 taona:-w:-w=))=))
16. MTN ( 28/06/2006 17:04)
:-D :-D fiainana daholo izany
17. marozevo ( 28/06/2006 20:25)
MTN > offending ? Tsy nihevitra ny handratra aho fa ny mba handraisantsika "au serieux" ilay loha hevitra sy ny hevitra avoakan'ny namana rehetra. Vazivazy tokoa angamba iray an-dalana, saingy asiana fotoanany sy toerany ny zavatra rehetra.
I'am sorry !....
18. mimich ( 29/06/2006 04:21)
rah ny fahafantarako ny mpanao politika efa ho 80 taona dia i Zafy Albert ee , fa tsy haiko hoe iza ilay tian-drabaradaka lazaina na izy na olona hafa
19. prime ( 29/06/2006 11:24)
ie Zafy sy Ndrema no efa mihakaiky an'io fa tsy misy feno an'izany izy roalahy... i Deba vao maika lavitra satria vao nandingana 70 tsy ela izay...
20. marozevo ( 30/06/2006 20:47)
Mba im-piry nijery an'ity loha hevitra nosokafany ity izay rabaradaka ?
Lefaka....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0607