Efa 80 taona ve mbola mitady seza

21. dadabe ( 01/07/2006 02:43)
Mpandefa : hery [ Valio ] 28-06-2006 16:24:00
Lohateny : Re : Efa 80 taona ve mbola mitady seza
Eo amin'ny Malagasy:

- Ny raiamandreny fanaja
- Ny ela nihetezana lava volo
- Ny antitra antitra ihany
- ...

mampatsiahy fotsiny
=D=D=D ireny efa dadabe ireny

aleo haka pilasy sao mba ho raikitra ihany marozevo sy MTN
22. marozevo ( 01/07/2006 11:48)
maninona hoe eh ? Raikitra amin'ny ahoana àry izany?
23. MTN ( 01/07/2006 14:15)
hi hi hi
any amin'ny fitiavana ihany dadabe no tena manao be
24. marozevo ( 01/07/2006 20:43)
Za nama mbola tsy nijery ny loha hevitra momba ny fitiavana izany koo... Ahoana izy izany ?

dadabe... tandreno izany anh.
25. rabaradaka ( 03/07/2006 10:15)
F'angaha rey olona ny Ntaolo mba nanoratra ka nanao kopia a ! Fa ny manodidina ny 80 taona ange ka fomba filaza ihany koa hilazana fahanterana e ! asa anontanio izay efa manodidina ny 80 taona mila seza. Ary ilay nilaza hoe lefaka koa ve tsy lefaka sa diso fanoratra ka felaka sa inona no tiany ambara e ! Ianao ndray dadatoa aza manao iznay a !
26. toovs ( 03/07/2006 10:56)
marozevo:

Tsy nahita an-dRahery sy prime niresaka canapé aho teo... Ohatran'ny mananihany fotsiny no fijeriko ny valintenin'i toovs.

Io fehezan-tenin'i MTN farany io no atao hoe "mandray an-tendrony... manao ara-bakiteny... Tsy ampy fisainana".

Angamba i Zafy io lazaina eto io... fa mety ho Ratsiraka koa anefa satria efa akaiky ihany ny haha 80 taona azy. Ny iray B ny iray J.... anao ny safidy.



fanampiana azireo ho tafiditra ao amin'ny tian'i rabaradaka holazaina io ry marozevo sady tsy hitako izay zavatra nosoratako ka mety manambany azireo.
tsy niresaka kanape tokoa ry zareo fa ny fampidirany ny hoe "ray amandreny" sy "ela nihetezana lava volo" dia mi sous-entendre amiko fa mifandray amin'ny hoe seza hipetrahana sy fakana aina ary fanajana ny zokiolona ny resak'i prime sy hery.
raha ny tiako izao de ny iray amin'izy ireo no milaza izay tiany hambara de amin'izay hita hoe mahatsiaro ho nambaniana ve ry zareo sa enao fotsiny no te hitifitra olona.
natomboko amin'ny hoe "raha ny fijeriko" ny fehezan-teniko !!!!!!!!!!!!!!!
27. dadabe ( 03/07/2006 11:10)
:°):°)
28. prime ( 04/07/2006 11:13)
Manamafy izay efa voalaza ny tenanay, ny antitra fanaja... na seza inona na seza inona...:wink:
29. MTN ( 04/07/2006 11:21)
arakaraka ihany io prime ah, aminao izany ny degany be tsy mety antitra? sa rehefa antitra izy, na inona na inona nataony (na ataony) dia hajaina foana? mila fandinihana
30. prime ( 04/07/2006 11:32)
Ilay fanaja angamba no tsy mazava... tsy votery hoe mankato sy mihinana am-bolony ny atao hoe manaja raha ny fahafantarako azy... fa mihaino fotsiny na dia tsy mitovy hevitra aza dia efa endrika fanajàna... eny mety azo atao hoe tena mankasitraka tanteraka koa ny manaja fa ny ahy aloha dia ilay "définition" large mihitsy no ametrahako azy... Raha manaja ny mpanandro sy ny mpisikidy aho tsy miteny hoe mino ny ataony na manaraka ny ataony...
31. marozevo ( 04/07/2006 14:00)
toovs > Tsy niteny aho hoe MANAMBANY fa hoe MANANIHANY.
32. prime ( 05/07/2006 09:18)
Ka dia manamafy foana e! sady tsy teo isika raha tsy noho ireo... Mba hajao ihany lehiretsy ny rad fa isika koa anie, iza no mahalala mbola ho antitra indray andro any e!!!
Raha mitady seza izy, izay no tiany fa asehoy am-panajàna fa ny tanora
33. prime ( 05/07/2006 09:21)
Tapaka indray, miala tsiny re tompokô!!!
...asehoy fa ny tanora koa mahavita tsaratsara lavitra dia aleo ny vahoaka no hitsara e!!:lol:
34. fijo ( 05/07/2006 21:00)
avelao izy handray ny anjarany raha mbola misy mametraka eo.fa ny tanora kosa dia tokony hiezaka mafy,haka lesona amin'izay rehetra efa hitany teo.
35. marozevo ( 06/07/2006 17:25)
Misy karazany roa ny lesona hitan'ny tanora :
Ny tsara moa, na tsy feno aza, dia efa tsara rahateo.
1 - Ny lesoka harenin'ny misaina.
2 - Ny fahaizana manararao-pahefana hamafisin'ny ...

... iretsy tanorantsika iretsy ....
36. fijo ( 06/07/2006 18:18)
izay mihintsy.nytanora no aoka handray izay mety sy mifanaraka amin'ny vanim potoanany
37. arson ( 07/07/2006 12:11)
tsy vao maika ve loza raha ireny no miverina eo? NY KIVINDRO ANIE RE OLONA NO MIVERINA @ ALOHANY E!Tanora betsaka reto tsy lany laniana,ra tsy hoe tanora efa ray tetika taminy angaha.
38. marozevo ( 07/07/2006 13:54)
Misy ihany tokoa aloha tanora efa nifandray tendro tamin'izy ireo eh... Fa tsy adala akory ny Malagasy, na sanatria kentrina, ka ho in-droa hahita ny maizina toy ny maloton'omby anetsenana lava-boalavo.
39. fijo ( 07/07/2006 19:06)
izay mantsy no lazaiko hoe aoka ny tanora no handray izay mety sy tandrify azy.
40. prime ( 12/07/2006 10:48)
Dia mbola averiko farany, ny antitra fanaja e!!!!:lol:
Ny tanora no tokony handray ny andraikiny fa tsy lany andro hitsikera ny antitra lava izao...:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1449