fankalazana ny 26 jona

1. adidy ( 23/06/2006 20:03)
Nieritreritra ny hanangana dispensera ny any ambanivohitray ary mananentana ny zanaka am-pielezana @ izany! Dia nahita hevitra ny hanao varotra fampisehoana ao am-piasana aho ho fampahafantarana an'i Madagasikara ary koa hitadiavana vola ka dia @ 27 jona ilay izy! Kisendrasendra ve sa lahatra?
novalian'i fijo ny 30/06/2006 18:27
2. cutie ( 23/06/2006 20:05)
sady tsy kisendrasendra no tsy lahatra:lol:
3. Fiffi ( 23/06/2006 20:35)
hevitra tena tsara be mihintsy izany an! de hivavahana mba ho tanteraka soamantsara.:):-*
4. cutie ( 23/06/2006 20:37)
fiffi koa henjy be :P
5. era ( 23/06/2006 20:53)
dia inona daholo no varotana sy ampisehoan'i adidy ao ? sa efa manana betsaka, dia mahereza sy mahavita be.
6. Fiffi ( 23/06/2006 20:54)
cutie: aiza kosa akia ? heu...ka mnja ange le hevitra an! sa ahoana hoy ndry ? :):-*:-*
7. cutie ( 23/06/2006 20:59)
hevitra mety ka, sady i adidy ohtran'ny proud be :P
8. Fiffi ( 23/06/2006 21:08)
adidy: fa aiza le any am-piasana sao de mba afaka mitsorika any raha tsy lavitra mba handraisana anjara ?
9. cutie ( 23/06/2006 21:12)
de mba hividiano zavatra any koa za fiffi a:-D
10. Fiffi ( 24/06/2006 04:26)
cutie: nga akia tsy mba misy mpivarotra hentana gasy any @ ndry any ? aty aloha de feno bdb an! hummm! indrindra fa rehefa mandeha vakansy iny de hita daholo ny olona mividy le harona hentina miantsena.
De inona hono ny zavatra mba tiandry ?
11. adidy ( 24/06/2006 17:34)
cutie :inona moa ny dikan'ilay proud?
Fiffi: mety tsy afaka mankaty ianao raha mipetraka région parisienne satria izahay aty atsimo!
Ny nitsirian'ilay hevitra dia isan-kerin'andro ao @ local ny personnel misy mivarobarotra manomboka @ ireny firavaka majinijinika ireny, ka hatr@ représentantn'ireny vente par correspondance na produit ménager na beauté ireny toa an'i kyotis, na akanjo, na lingerie. dia hoy aho hoe maninona raha asiana entana gasy!
Era: inona moa no varotana fa tsy ireny nappe sy harona sy sikotra ireny! Dia hanao karazana poster momba an'i M/ kara aho mba hahafantaran-dry zareo hoe aiza moa izy izay!
Ny antony nizarana ilay hevitra eto sao dia mba mahasoa ny hafa satria ataoko fa azon'ny rehetra atao any @ izay misy azy hafa ary tsy dia mila masonkarena be hoe manofa trano na tratry ny hetra ets...
12. cutie ( 24/06/2006 17:40)
fiffi, tsy misy aty:cry:
adidy: mirehareha ny dikany
13. bonnechance ( 24/06/2006 18:22)
Tena tsara io hevitrao io ry adidy fa tohizo Za eto Annemasse mieritreritra ny hanao developpement na zavatra vita gasy mitsy fa mbola eo ampandinihana tsara alha.Misy namana gasy afaka mivatsy fa mbola tsy maintsy atao tsara aloha ny etide rehetra fa raha ny momba ny anao de ataovy dien misy occaz e!
14. adidy ( 24/06/2006 22:25)
bonnechance: misaotra betsaka @ firarian-tsoa. Ilay izy koa ange tsy natao hoe asa fivelomana fa tselatra ary misy tanjona kendrena izay nataoko teo @ fampilazana satria nazavaiko fa hananganana dispensera ilay izy ary entina ihany koa hampisehoana @ olona ny asa tanàna malagasy.
Cutie: ka azo atao izany hoe mba mirehareha sy faly @ mpiray tanindrazana amiko aho ary faly mampiseho @ vazaha hoe eny na mahantra ary ny taninay dia jereo ny zava-bitany, na dia ny olona en ambanivohitra aza!
Ary ry zareo manaja be izany hoe asa tanàna izany hoe nandaniana ora sy fotoana.
Ataoko angamba fa @ izao vanim-potoana hiainana ankehitriny izao dia mba tsara ny mahatsiaro ilay fototra nihaviana .
15. cutie ( 25/06/2006 00:12)
adidy, za nga manda an'zany, mirehareha tsara ny dikan'io.:P
16. adidy ( 25/06/2006 07:05)
cutie: misaotra:*:*
17. Fiffi ( 25/06/2006 07:09)
adidy: tena mankasitraka tanteraka an'le hevitrao aloha zah an! de hivavaka zany mba ho tojo soamantsara ny tanjona .:)
18. era ( 25/06/2006 07:28)
dia mitovy isika fa izaho koa vao mahita occas hoe hampisehoana an'ilay Madagasikara dia tsy maintsy mba mandray anjara. Tena mamorona sy mitady hevitra mihitsy matetika.
dia mahavita be dia mirary soa
19. era ( 25/06/2006 07:29)
maninona kay ry adidy raha soratana eto ihany ilay any ambanivohitrareo sao mba be ihany no mpiray ambanivohitra eto amin'ny serasera dia miampita soa amantsara ny fanentanana?
20. adidy ( 25/06/2006 10:36)
misaotra anareo namana rehetra @ famporisihana!
Era: aleo aloha tsy lazaina hoe aiza ilay izy fa sao manahirana! Fa raha misy manana soso-kevitra mandrapaha-tongan'ny talata azo atao dinika eto dia raisiko an-tanandroa!
Raha mba niteny mialoha aho izao dia mba nahazo poster tany @ namana sasany angamba?
Ny saika ho ataoko izany dia atao eo ambony latabatra ny asa tanàna hamidy dia hanao karazana poster panneau aho asiana lohahevitra hoe: jeografia,tantara, foko, fiainana andavanandro, zavabohary, biby, riba sy fomba amam-panao, toerana tsara tarehy!
Dia ho entiko koa angamba ny bokiko sasany @ teny frantsay momba an'i Dago .
Raha misy manana sary tanàna efa foramat carte postale ireny ve afaka misy mandefa ao @ mail-ko? Misaotra mialoha!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8171