Ny Quaran na Koran - Ilay Mpaminany

1. soanja ( 22/06/2006 14:45)
Ny Koran dia ivom-pinoana'i Islam, izay mitondra ny tenin'Allah amin'ny alalan'ny vavan'ilay Mpaminany Muhammad ka nentin'ny Arkanjely Gabriel taminy. Ny namany no nanoratra azy rehefa nitranga io atamin'ny fotoana isan-karazany. Ny Koran dia antsoina hoe koa "The Recitation" (al-Qur'an)na Ny Tsianjery satria toa Poems no ivoahan'ilay izy na hira ka ny teny sy ny feon-kira atao rehefa mihira ny voalazan'ny Koran hono dia mampiontana ny fo tokoa satria feno angolangolan-teny ka mampitomany ny mpihaino azy Arabo na Malays. Antsoina hoe koa "Ny Boky Reny " (al-kitab) ny Koran.

Ny Hadith koa dia teny vosoratra voalazan'ny Mpaminany izay milaza fombafomba sy ny lalan'Andriamanitra koa.

Ny Mpaminan'i Islam : MUHAMMAD

Aman-tapitrisany ny Silamo olona manonona ny rehefa mivavaka ka miteny ny Shahada: " La llaha illa Allah, Muhammad rasul Allah" zany hoe tsy misy Andriamanitra afa tsy tokana ihany ary I Muhammad no mpitondra hafatr'Andriamanitra". I Muhammad dia olombelon asaingy nanana ny toetra tonga lafatra iay no nifidian'Atra azy. Tsy nahay namaky teny sy nanoratra izy taminny fotoanan'i Arkanjely Gabriel niseho taminy tany Anefitra rehefa nifady sy nivavaka tany amin'ny Bedoiuns izy. Lehilahy mahitsy izy sady manam-pahendrena tamin'izany ka nahatoky azy ny olona. Nalefan'Atra izy hitory ny hafatra nitovy tamin'ireo profeta teo alohany rehetra dia ny hoe Tokana Atra.
Treaka tao Mecca izay teo amin'ny AD 570. Nanambady an'i Khadidja izy tamin'izy 25 taona ary i Khadidja dia vehivavy nanankarena sy anitra be raha oharina taminy (15 taona ny elanelan'izy mivady). Nanaja be an'i Khadidja izy ka tsy nanambady hafa raha tsy maty ilay vehivavy. Niteraka betsaka ry zareo saingy maty daholo ny lahy rehetra.
Betsaka ny olona te hamono azy tamin'io fotoanaio saingy nomen'Atra fahafahana izy ka nifindra tany Medina. Niteny i Muhammad indraindray hoe tonga eo aminko i Satana ka lasa matahoatra izy. Fa i ny Arkanjely Gabriely no tena tonga matetika miresaka aminy dia afaka izany. Ny tena tanjony tamin'io fotoana io dia ny hanafoana ny fanompoan-tsampy sns
Nanaiky ny fanandevozany i Muhammad satria fiainana izany hoy izy. F atsy nanaiky kosa izy ny fampijaliana zy ireo, ary afaka mamela azy ho olon'afaka ny olona iray raha vonona ny hanao izany. Tsy ekeny ny fampanjanaham-bola sy ny fangoronan-karena. Ny jiosy no tena resahiny tena tia an'io hono.
Tamin'ny taona 624 izy no nanambady ny vadiny tanora indrindra 6 taona ilay zazavavy, Aisha . Fa tsy niara natory ry zareo raha tsy 9 taona ilay zaza. Betsaka ny nihevitra fa io no vadiny tiany indrindra.
Tamin'ny taona 626 dia namabady vehivvay roa hafa indray izy satria maty tamin'ny ady ny vadinireo. Nanambady an'i Zaynab izy ny 627.
In Medina dia nanagana Mosque izy ka i Allah nanome azy torohevitra hoe izao no atao resaka politika, ekonomika, sosialy ary fitsarana sns. Izy no nanamoe ny fomba fivavahana sns Izy dia namporisika ny fanambadiana be dia be. Saingy mila atao zara mitovy ny fitiavana sy ny harena.
2. xxx ( 22/06/2006 15:39)
fa inona marina kay no tianao ho lazaina @ io ry cheik soanja?
fampahafatarana ve sa in?
3. marozevo ( 22/06/2006 23:18)
raha fampahafantarana fotsiny, dia efa fantatra daholo izany, ary mbola misy fantatray mihoatra noho izany aza...
4. booboo ( 23/06/2006 04:00)
koa ny tsy nampahafantarina zay tsy mahafantatra fa nokobonina ho anao irery tany ? :roll:
5. prime ( 23/06/2006 04:08)
marozevo:
raha fampahafantarana fotsiny, dia efa fantatra daholo izany, ary mbola misy fantatray mihoatra noho izany aza...
masiaka an!!!:-D
booboo:
koa ny tsy nampahafantarina zay tsy mahafantatra fa nokobonina ho anao irery tany ?
vao maika koa masiaka an!!!:-D:-D
6. Achia ( 24/06/2006 06:55)
Ka ry zareo silamo mitsy ne zany notsy mahalala ny oe Andriamanitra dia tokana ihany e na tsy namaky ny tantara sy ny faminaniana izy , raha mino izy fa tokana Andriamanitra maninona izy no tsy mino ny tantarandry Isaka sa oe jiosy ireny dia tsy raharahi ana nefa ry zareo manaiky oe taranaky Abrahama avy @ Hagara
7. marozevo ( 24/06/2006 09:15)
Fa nahoana aho no terenao tsy maintsy hilaza amin'ny olona izay fantatro rehetra.
Izaho kosa aloha tsy handany andro hanazava ny finoana Silamo eh... Raha tsy adala aho koa... Raha manam-potoana aho, dia ny ahy no ataoko aloha.
8. xxx ( 24/06/2006 09:22)
marozevo:
ary mbola misy fantatray mihoatra noho izany aza...
5,51 O vous qui croyez ! Ne prenez point pour amis les juifs et les Chrétiens, ils ne sont amis que les uns envers les autres.

io ohatra 1 =))


9. soanja ( 24/06/2006 11:51)
Achia:

Ka ry zareo silamo mitsy ne zany notsy mahalala ny oe Andriamanitra dia tokana ihany e na tsy namaky ny tantara sy ny faminaniana izy , raha mino izy fa tokana Andriamanitra maninona izy no tsy mino ny tantarandry Isaka sa oe jiosy ireny dia tsy raharahi ana nefa ry zareo manaiky oe taranaky Abrahama avy @ Hagara


Eken'i Silamo daholo ry Isaaka, ry Mosesy, ry Josefa sy ny tariny fa manomboka eo amin'ny fanindrahindrana an'i Muhammad sy ny torolalana nomeny (lalana, fomba sns) ho hitako nampisy ny fizarazan-kevitra ny fahitako azy.
Ary raha Mpaminany izy dia tena mampitahotra daholo ny zavatra naloakin'ny vavany ny ankamaroany. Saingy azo lazaina koa hoe koa olombelona izy dia mifandray amin'izay koa ny kilema ananany ka mety nampifangaroany amin'ilay anjely nantsoiny hoe hafatr'ilay arkanjely Gabriel.
Aleo amin'ny manaraka indray aho manome ny andinindininy momba ny Jihad sy ny fahitan'i Silamo ny vehivavy.


10. marozevo ( 24/06/2006 13:52)
Tsy dia azoko loatra ny tian'draxxx hambara.
11. xxx ( 24/06/2006 20:50)
marozevo, ito zao ohatra iray tsy mety tenenin'i soanja miitsy nefa fatatsika fa voasoratra ao amin'ny bokiny;

:twisted:5,51 O vous qui croyez ! Ne prenez point pour amis les juifs et les Chrétiens, ils ne sont amis que les uns envers les autres:twisted:
12. xxx ( 24/06/2006 21:16)
xxx> ary ahoana ilay ao amin'ny baiboly miantsy valifaty be iny? .."maso solon'ny maso, .....".
13. vale ( 24/06/2006 22:59)
xxx2/ maso solon'ny maso???! aiza ho aiza izany?! ny fantatro indray ilay hoe >>" raha misy mamelaka tehamaina ny takolakao havia dia homeo koa ny havanana!", fa sarotsarotra ihany loha ny hampihatra an'io an, tsy afenina,hihi
14. xxx ( 24/06/2006 23:15)
vale: maso solon'ny maso tena mifono hevitra marinana sy rariny mihitsy io. Ary mihoatra lavitra noho io ny nampianarin'i Jesosy oe tiavo ny fahavalonao, mivavaha ho an'izay manenjika anao.

fa tsy otran'ny an'ny islam tonga de oe ne prenez point pour amis les juifs et les Chrétiens
15. marozevo ( 25/06/2006 12:17)
Maso efai-maso....

Tena voasoratra ao amin'ny baiboly tokoa io, ary raha alalinina dia hita fa nitondra fivoarana. Talohan'io anie dia toy izao eh....
- Fialonan'i Kaina--- Maty Abela
- Lameka : Venger dix fois.

- Ka raha niteny ny baiboly hoe maso efai-maso dia efa fivoarana izany raha oharina amin'ireo ambony.
Dia vao maika nohatsarain'i Jesoa amin'io voalazan'i vale io.

Humblement fa tena mbola tsy haiko kosa aloha io verset lazain'i xxx io eh... Ny ahy manko tsy ilay verset de coran no tena nohalaliniko fa ny tantaran-dRangahy nanorina ny Islamisme.
16. vale ( 25/06/2006 13:21)
xxx:

vale: maso solon'ny maso tena mifono hevitra marinana sy rariny mihitsy io. Ary mihoatra lavitra noho io ny nampianarin'i Jesosy oe tiavo ny fahavalonao, mivavaha ho an'izay manenjika anao.

fa tsy otran'ny an'ny islam tonga de oe ne prenez point pour amis les juifs et les Chrétiens
xxx: hazavao tsara ary lay hoe maso solon'ny maso eh! ,, fa raha niresaka le tehamaina kosa aloha zaho tsy mitovy @ hoe iny fa omeko koa ny ilany havanana an, hivavaka ho azy hataoko tokoa, sy handefitra fa ny hampihatra lay hoe ity koa ny iray, , ka io mba tian'i jesoa hanao an'io ny olombelona fa saingy sarotra ny mandainga an! tsy ho vao mainka ve rombotra le namelaka ho toloranao ny ilany dia ho faty eo izany! zà klo tsy Jesoa e, ary izay no maha Atra azy, nanome ny "ainy" ho an'ny olombelona, fa ny tenako kosa dia olombelona ihany(manota ihany tsindray2), sarotra kosa ny mandainga @zany kah!!
17. xxx ( 26/06/2006 05:59)
vale:
"maso solon'ny maso, nify solon'ny nify"
izany oe manaova ny RARINY

tsy azon'ny olona mitovy aminao nefa izay fa nataony valifaty ao am-po. De Jesosy nampianatra ny fitiavana (rariny + fahasoavana sy famelankeloka): mivavaha ho an'izay manenjika anao.

Ampitovio amin'izay ny tenin'ny "mpaminanin'i soanja" (islam) oe: ne prenez point pour amis les juifs et les Chrétiens
18. vale ( 26/06/2006 08:25)
xxx: ka ny ahy aloha dia valifaty arakiny voalazanao ny fandraisako azy e, dia homenao tsiny ve zaho raha tsy mahataka-davitra ny fisainako!!, fa kosa na mahazo za na tsy mahazo tsy voatery hoe hampihatra an'izany, ary taiza aloha ny nahafantaran'i xxx fa hoe mampihatra an'izany aho.efa miresaka fitsaràna ihany ianao ary dia indro hazavaiko fa ataoko ngamba fa tsy mety ny mitsaratsara be toy izany nefa tsy marim-pototra ny eritreritrao: zaho dia voataiza araky ny fomba kristianina, mpino, ary miezaka manao ny mety (satria @mahaolombelona ahy dia tsy ho hary ho tonga lafatra aho akory), tsy fisehosehoana hoe mpivavaka ny dikan'ireo fanazavako ireo fa ty ianao mitsara ity dia voatery aho nanazava ny fiainako!!
19. vale ( 26/06/2006 08:28)
xxx: marihako koa fa tsy nianatra baiboly aho, ny toko sy andininy rehetra, eny fa na dia mamaky aza! ka aza omena tsiny velively :o raha mba tsy mahazo an'ilay fehezan-teny!!8)8)8)
20. vale ( 26/06/2006 08:38)
xxxà: azafady fa mateti-piavy fa mba misy fanontaniana manitikitika ahy ity ary>> ianao ve raha toa ka misy mamaky ny tranonao (toy ny hoe tehamaina eto) dia hiantso ilay mpangalatra hoe , mbola misy tafajanona ato fa avia halaivo daholo,:o, ary raha tena ilay tehamaina indray indd @zao vanin'andro efa miharatsy izao, mba marina raha tsy ho fatin'ilay olona eo ianao, lazainy fa mandrangitra azy, be ny olona no lasa suscéptible, milamila vanony ka izy efa namelaka iny no mbola ataonao hoe ty koa ny ilany, hummm! raha t@ andro taloha dia mino aho fa ho vitako ny hampihatra izany fa raha izao fiainana efa tsy hita izay marina izao ve ,tsy manao aho aloha e,, ary na izany na tsy izany, zaho mbola TSY NAHITA OLONA NAHAVITA NAMPIHATRA AN'IO aloha , ianao ngamba efa nahita,hih!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2063