Efa nisy namaky Baiboly -de la Genèse à l'Apocalypse ve ?

41. Fiffi ( 26/06/2006 06:32)
marozevo: zany hoe : misy page ao @ Baiboly izay novakiako , nampiheritreritra lalina dia lalina ka nahatonga ahy namerina im-piry t@ famakiana azy indray satria nahaliana ahy mafy ary nanaovako fikarohana hafa mmihintsy ny voasoratra tao.
42. prime ( 27/06/2006 09:52)
Fiffi> dia nahita valiny nefa taty aoriana rehefa nanao fikarohana sa???
43. marozevo ( 27/06/2006 21:04)
Antenaiko fa nahita izy kah... Asa anefa !
44. Fiffi ( 28/06/2006 09:10)
prime , marozevo: nahita , tena nahita tokoa an! De zay no mahatonga an'le Baiboly hoe mbola ho ela dia ho ela vao ho voavaky hatramin'ny farany.
fa na dia misy aza ny Filazan-tsara izay hatao any am-piangonana izay tena manampy bdb mihintsy , nefa indray , raha sanatria ka misy zavatra tsy azo indray de miverina mamaky sy manadihady an'io voalaza tany am-piangonana io .
45. prime ( 28/06/2006 10:07)
Fiffi:
Filazan-tsara izay hatao any am-piangonana izay tena manampy bdb mihintsy
tsy mazava... ilay hoe any am-piangonana indrindra2...:lol:
46. marozevo ( 28/06/2006 21:20)
Tsy Fiffi aho akory raha mamaly ny fanontanian'i prime anh... Ny antony mahatonga azy hilaza izany angamba dia satria kosa ny Fiangonana no sehatra voalohany hitoriana ny Filazan-tsara. Tsy midika anefa izany fa io no sehatra tokana.

Raha tsy izay no tian'i Fiffi holazaina dia miala tsiny.
47. Fiffi ( 29/06/2006 20:50)
marina dia marina tokoa io ry marozevo ka de hisaorako anao.
Izany hoe: mihaino ny Filazan-tsara notorian'ny pretra ny Alahady ohatra zany an! de mba te-hampitatra ny saina sy ny heritreritra de rehefa tonga any an-trano de haverina vakiana indray iny vao heno iny , de eo vao tena azo hatao hoe mazava ? saingy raha mbola misy hahihahy de hiverenana vakiana indray iny avy eo.
Izay koa no mahatonga ahy milaza hoe na de efa nazavaina tany am-piangonana aza de mbola tohizana jerena sy vakiana hiany any an-trano raha mbola tsy hafam-po.
48. marozevo ( 01/07/2006 21:59)
Za koa ry Fiffi nahita fomba hafa momba ny fandalinana ny Tenin'Andriamanitra ah... Ny ahy indray omaniko mialoha, izany hoe efa vakiako alohan'ny Alahady ilay Tenin'Andriamanitra (Tsy saotra izany raha manana kalendrier litorjika), ka amin'ny fotoana hanaovana ny toriteny na fandalinana momba iny dia manovo henitra vaovao ankoatra izay mba efa noheveriko aho.
49. prime ( 04/07/2006 08:57)
misaotra anareo e!:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1289