Fahatezeran'i Satana

1. LazaRandri ( 21/06/2006 22:43)
Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny. Apokalypsy 12:12

Inona avy ireo endriky ny fahatezeran'i Satana? Ny fantatro aloha mba teneniko fa inona koa ny fantatrao?

- fiezahana handresy lahatra ny mpanompon'Andriamanitra fa "tsara i Satana" mba amitahany azy ireo
- famporisihina ny olona ankahala ny Tenin'Andriamanitra (amin'ny lafiny rehetra)
- fanovana ny Tenin'Andriamanitra ho lasa "marina tapatapany"
novalian'i prime ny 14/07/2006 10:13
2. Fiffi ( 22/06/2006 03:40)
LazaRandri:
- fanovana ny Tenin'Andriamanitra ho lasa "marina tapatapany"
heu...ny satana ve mahay manova ny tenin'Andriamanitra ho lasa marina na de tapatapany aza ? nefa satana ?


3. LazaRandri ( 22/06/2006 03:43)
Fiffi> ka le izy marina tanteraka dia disoiny ho lasa marina tapatapany sisa.
4. Rafotsy ( 22/06/2006 04:16)
Fiffi:

[quote=LazaRandri]- fanovana ny Tenin'Andriamanitra ho lasa "marina tapatapany"
heu...ny satana ve mahay manova ny tenin'Andriamanitra ho lasa marina na de tapatapany aza ? nefa satana ?

Salut daholo !
Tena marina , ary tadidio fa i Satana anie taloha ny nianjerany dia anjely tsara tarehy, ary tadidio koa fa izy no nitondra an'i Jesosy tany @ désert ary naka fanahy azy : Raha tena Atra marina ianao dia ..ovay ho mofo ireo vato , mianjera etc...!
Ary aza adino koa fa isika mbola mieritreritra hoe izany Satana izany biby be mampatahotra , misy tandroka ect.. , kanefa izy dia afaka maka ny tarehy izay tiany : na beau gosse , na belle gosse feno fahaizana sy mahay mandahatra tsara , ary variana ianao mifandatra eo ary adino ny Atrao ! Ka izany angamba ny mampisy ny ao @ Baiboly hoe : fuis les vaines discussions !
Bonne journée daholo !
5. bekiboo ( 22/06/2006 04:52)
rafotsy
6. Silo ( 22/06/2006 06:47)
Hoy Rafotsy:
Ary aza adino koa fa isika mbola mieritreritra hoe izany Satana izany biby be mampatahotra , misy tandroka ect.. , kanefa izy dia afaka maka ny tarehy izay tiany : na beau gosse , na belle gosse feno fahaizana sy mahay mandahatra tsara , ary variana ianao mifandatra eo ary adino ny Atrao ! Ka izany angamba ny mampisy ny ao @ Baiboly hoe : fuis les vaines discussions !

Hay ve zany ny devoly manana endrika tsara ?

Kou manina ary ny olona manao ny sarin'i Jesosy Kristy ataony tsara sady olna fotsy ..., de rehefa manao ny sarin'ny devoly indray ataony ratsy tarehy mampatahotra, misy tandroka sns...,

Mba ilako fanazavana kely ny anton'ireo zvt 2 ireo ?


7. LazaRandri ( 22/06/2006 07:16)
Silo> endrika ivelany fotsiny io aloha an! hahaha! Fa isika mihitsy no diso fandray raha tsy azontsika fa mamitaka ny asany.

"Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." II Kor 11:14
8. Bonz ( 22/06/2006 07:28)
hahaha!
9. Rafotsy ( 22/06/2006 07:28)
Efa namaly an'i Silo aho , fa tsy lasa satria tsy niditra !
Ka io lazain'i LazaRandria io no tiko teneny !
Ny momba an'i Jesosy ho fotsy indray dia tsy dia haiko loatra , fa manao transfert angamba ilay auteur ary indray andro any raha manao long métrage sur Jesosy isika gasy dia hahita Jesosy gasy koa isika
10. prime ( 22/06/2006 08:06)
Bonz> hazavao ny kakakanao fa tsy azoko!!!:-D
LazaRandri:
"Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." II Kor 11:14
fa ny tena mafy indrindra @ fahatezeran'i satana dia ny fandrotehana ny zanak'Andriamanitra @ lafiny rehetra,
- fanendrikendrehana
- fanamelohana
- fampandaingàna...
Jesosy moa dia manohatra azy mihitsy @ ambodia mitafy hodi-janak'ondry ka miditra am-bala hamiravira ny ondriny (ohariny amin'ny mpiasa, mpiandry sandoka, mpangalatra...). Dia hoy Izy hoe "Izaho no Mpiandry tsara..."
11. LazaRandri ( 22/06/2006 08:25)
prime> sao dia mba "endri-pahatezerana" kosa io kakakaka io sanatria? :lol:

prime:
ambodia mitafy hodi-janak'ondry
tena mafy tokoa ny "hazakazaka" raha tsy teo ilay "Mpiandry tsara"
12. prime ( 22/06/2006 09:23)
LazaRandri> Marina tokoa, sao dia "moquerie" enga anie aho ka ho diso @ izany hevitro izany ry Bonz... :wink:
13. JOCH ( 22/06/2006 11:20)
Inona avy ireo endriky ny fahatezeran'i Satana? Ny fantatro aloha mba teneniko fa inona koa ny fantatrao?

Ny ahy de tsotra ihany. Satana de tsy mba nanana fifaliana intsony hatramin'ny nidinany tety ambonin'ny tany, de hatramin'ny namitahany an'i Adama sy Eva.
Ka rehefa tsy manana fifaliana izy de mazava ho azy fa fahatezerana no ao aminy sy fiainany, ary ny fahatezerana no miteraka fankahalana sy famonoana ka tsy maintsy mankahala ny olona rehetra sy mamono ny olona rehetra izy ary tsy misy afaka amin'izany fahatezerany izany na iray aza. Fa izay hafahan'Andriamanitra ihany no ho afaka.
Ny fahatezeran'i Satana de vita ihany fa moa ve mba efa nisy niheritreritra ny fahatezeran'Andriamanitra izay tsy maintsy ho avy, koa aoka samy hiezaka hitady fihavanana aminy avokoa izay tonga saina dieny mbola fotoana mety hanaovana izany izao


14. prime ( 22/06/2006 11:25)
15. LazaRandri ( 22/06/2006 11:32)
JOCH:

moa ve mba efa nisy niheritreritra ny fahatezeran'Andriamanitra izay tsy maintsy ho avy,
io dia lesoka lehibe tokoa amin'izao vanim-potoana iainantsika ankehitriny. Voizintsika mafy mihitsy fa Andriamanitra dia fitiavana, ary inian-tsika tsy jerena fa Izy koa dia marina ny fitsarany. Izay no antony ilantsika ny famonjen'i Jesoa. Ilaina ampiharina sy iainana ny fampianarany, ilaina ny manaiky sy mandray Azy tanteraka, raha tsy izay dia tonga amintsika tokoa ilay fahatezeran'Andriamanitra.
Misaotra an'i JOCH


16. prime ( 22/06/2006 12:49)
Fa ny tena tsara aoka tsy amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra ho toy ny biby masiaka no anatonana Azy. Izaho mantsy mahita fa tena fitiavana ilay Andriamanitra ary tena maminy mihitsy ny olona sy ny famonjena azy fa isika matetika no tsy mino Azy...
17. marozevo ( 22/06/2006 14:26)
za mbola tsy nahita satana... mbola tsy nahita ny fahatezerany... Saingy mino aho fa mba hahafahany MAMITAKA bebe kokoa dia mitafy endrika sy fomba maro izy.... Rehefa tonga dia hita fa ratsy be eo ve... na mampatahotra be eo ve... iza no hanaraka azy..

Fa matoa misy ireo resin'ny fakam-panahy (Izaho anisan'ireo), dia satria voafitaka... Noheverina ho tsara... noheverina ho mety... tsy nampoiziko... hay ve eh... raha fantatro ho izany.....
Fa na izany aza dia tsarovy fa "be lavitra ny famindram-pon'ANDRIAMANITRA AO AMIN'I KRISTY JESOA".
18. cutie ( 22/06/2006 15:20)
tsy mazava:roll::roll::roll:
19. Zina ( 22/06/2006 16:17)
Inona avy ireo endriky ny fahatezeran'i Satana?

Jereo ireo ady miseho eto an-tany - faly ery izy zao mahita an'ireo
Jereo ny fiainan-tsika manondidina fotsiny, fankahalana, fiavonavonana,fialonana, divorce, vono etc...
Jereo ko fa betsaka ny religion eto an-tany.. io dia fototra lehibe ataony mba ho confus i ra-olombelona amin'izay tsy misy mino an'i Jesosy intsony...
20. cutie ( 22/06/2006 16:22)
tsy azoko we manin no tanisaina reo :roll::roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4125