inn ny atao?

41. lapino ( 21/06/2006 20:18)
Ny saina sa ny fo e? :wink::-D:-D:-D
42. cutie ( 21/06/2006 20:49)
ka enao tsy mahay ny dikany de hoy za we ampiasao ny sainao :-D:-D:-D
43. sasa ( 22/06/2006 05:01)
44. mandrindra ( 22/06/2006 07:46)
hoy i pissoa :
Iza no tsara kokoa ny fiainan'ny zaza: RAR miaraka, mety misy olana; sa ny mahita ny reniny misolo vady in-50 na mihoatra, dia hanana ray 50 izany?

tsy hoe miaraka mety misy olana fa tena misy olana satria tsy misy intsony ny fitiavana. ny fitavana anie ka zavatra tsy azo terena e, na misy na tsy misy.
ny misolo vady na injato aza ataoka fa tsy any ny olana satria izay rehetra mandalo dia tsy hisy hisolo ny andraikitry ny ray avokoa. sady ny zaza tsy natao ho taizan'ny reniny irery ihany.

hoy i pissoa :
Ie - fa ao anatin'io contrat io koa dia misy hoe ... manome toky fa ho tia anao ... noho izany dia adidiny ny manao izay haha-eo foana ilay base.

dia ozizy ilay mpihira izay hoe ny toky fitaka fa ny atao no hita. ny olombelona dia mivoatra sy miova isanandro, isanora, isaky ny minitra. raha toa ka tsy mitovy ny fivoarana narahana dia tsoahina ilay toky. dia i pissoa ve afaka milaza fa ireo toky rehetra nomen'ny zanak'olombelona dia tanterany avokoa ?

hoy i lapino :
Ny contrat ve tsy eo amin'ny ara-panjakana fotsiny e? Fa misy zavatra hafa noho ny contrat ny fanambadiana, dia ny voady. Ny fanambadiana izany natao ho mandra-maty, raha ny principe-ny.

raha ara-panjakana fotsiny ny contrat dia ahoana ny hevitr'i lapino izany raha hoe fohanana io satria tsy zava-dehibe raha azoko tsara.
mba azavao hoe azafady hoe inona no atao hoe voady, dia ahoana ny fanatanterahana azy !

hoy i xxx :
tsy mitombona angaba,fa lasa tia andro aman'alina anlé faharoa aho!ataoko hoe "amoureuse"mits aza!!

dia tiavo izy dia hiaraoa daholo izy mitsam e.
45. pissoa ( 22/06/2006 09:54)
mandrindra:
dia ozizy ilay mpihira izay hoe ny toky fitaka fa ny atao no hita.
Ary ny atao (izay ho hita) dia miankina amin'ny nanome/nifanome toky.

mandrindra:
ny olombelona dia mivoatra sy miova isanandro, isanora, isaky ny minitra. raha toa ka tsy mitovy ny fivoarana narahana dia tsoahina ilay toky.
Noho io fiovana (izay tsy voatery ho fivoarana!!!) io no mahatonga ny olona manana adidy manoloana ny toky nomeny. Raha tsy misy fiovana dia tsy mitaky na inona na inona aminao izany fa ho toy ny tamin'ny andro nanomezanao toky foana ny fiainana rehetra.

Ny olona manana consience, dia miezaka mandrakariva manatanteraka izany. Raha tsy vita izany, dia toy ny tsy nahavita adidy ianao.

mandrindra:
dia i pissoa ve afaka milaza fa ireo toky rehetra nomen'ny zanak'olombelona dia tanterany avokoa ?
Tsy hoe misy toky tsy tanteraky ny hafa tany ho tany, dia ndeha amporisihiko ny namako hamadika ny toky nomeny koa. Toy ny hoe nisy namono olona hitako tao amin'ny gazety androany maraina, dia teneniko ianao andana koa mamono olona fa tsy maninona izany fa tamin'ny gazety koa aza nisy.
46. pissoa ( 22/06/2006 10:42)
mandrindra:
tsy hoe miaraka mety misy olana fa tena misy olana satria tsy misy intsony ny fitiavana.
Marina izany, tena misy olana. Saingy ny antony dia tsy hoe satria tsy misy intsony ny fitiava - fa nisy olona nandalo. Eo izy vao manapaka hevitra hoe "mbola asiako ve sa tsy asiako intsony" ny fitiavana. Donc - manana safidy tsara mihitsy.

mandrindra:
ny fitavana anie ka zavatra tsy azo terena e, na misy na tsy misy.
Fa maninn, dia entin'ny fo fotsiny izany amin'ny fiainana? Raha misy namanao nentin'ny fony avy any amin'ny nalehany tany, ka miteny aminao izy hoe "izaho hamono tena" dia hoy ianao mantsy azy hoe "Ieee - mamono tena fa izay no tian'ny fonao aaaan :-* " :-D:-D:-D

mandrindra:
ny misolo vady na injato aza ataoka fa tsy any ny olana satria izay rehetra mandalo dia tsy hisy hisolo ny andraikitry ny ray avokoa. sady ny zaza tsy natao ho taizan'ny reniny irery ihany.
Tsy azoko le teninao hoe tsy izay rehefa mandalo dia tsy hisy hisolo ny andraikitry ny ray avoko :roll: Fa le oe "sady ny tsy natao ho tazain'ny reniny irery" dia marina mihitsy. Ka maninona no tsy omena alalana hanome ny maximum avy aminy ny rainy amin'ny fitaizana azy (raha hoentin'ilay ramatoa ny zaza), na maninona no tsy vonona hanome ny maximum ilay ramatoa amin'ny fitaizana (raha handeha izy ka havelany amin-drainy ny zaza).
47. mandrindra ( 23/06/2006 08:26)
hoy i pissoa :
Ny olona manana consience, dia miezaka mandrakariva manatanteraka izany. Raha tsy vita izany, dia toy ny tsy nahavita adidy ianao.

ny trano miredareda sy efa may, efa tsy misy possibilité intsony no hamonjena ny olona ao anatiny dia tsy hihazakazaka ny hiverina hiditra ao aho nambola misy olona aza ao. ho antsoiko ny pompier dia hitady rano aho. dia izay ve no ato hoe tsy manana conscience ?? satria aho nanome toky fa hiaro ny ankohonako mandrakizay. dia nahavita sa tsy nahavita adidy aho izao ?

hoy i pissoa :
Tsy hoe misy toky tsy tanteraky ny hafa tany ho tany, dia ndeha amporisihiko ny namako hamadika ny toky nomeny koa.

tsy voatery hoe toky tany ankafa pissoa a. ny toky anie dia maro no omena e. ao anatin'ny andro iray dia efa toky efatra na mihoatra no omenao. ho vitaiko ny izao, manampotoana aho dia ho tonga ara-potoana, misy olana amin'ny mpiara-miasa fa ho lazaiko azy androany dia nahembotra amin'ny fotoana manaraka indray ...tsy mbola nisy ve toky nomenao ka tsy tanterakao ? ny ahy aloha tsoriko fa misy satria izaho tsy idealy e. ny tiako ho lazaina dia tsy ny hafa ihany no tsy mahatanteraka ny toky nomena.
ary tsy misy famporisihina eto, hoe izao atao fa fanehoankevitra.

hoy i pissoa:
Marina izany, tena misy olana. Saingy ny antony dia tsy hoe satria tsy misy intsony ny fitiava - fa nisy olona nandalo. Eo izy vao manapaka hevitra hoe "mbola asiako ve sa tsy asiako intsony" ny fitiavana. Donc - manana safidy tsara mihitsy.

matoa nisy nandalo nampirehitra fitiavana vaovao ka te hanaraka an'iny dia satria efa maty ilay taloha. izany hoe efa tsy nisy fitiavana intsony fa saingy tsy tsapa dia lasa miaina ao antin'ny routine toy ny robot sisa.
ny hoe fanana safidy, eny manana safidy. afaka mijanona amin'ny taloha, afaka manaraka ny vao, afaka miaraka amin'izy roa ....ny tiako ho marihina anefa dia tsy misy afaka ny hitsara ny safidy afa tsy ny mpifidy. izay mety ho vokany dia ny ho avy no hilaza azy. noho izany amiko tsy afaka milaza hoe ny fijanonana amin'ny teo aloha no safidy tsara indrindra.

hoy i pissoa :
Fa maninn, dia entin'ny fo fotsiny izany amin'ny fiainana? Raha misy namanao nentin'ny fony avy any amin'ny nalehany tany, ka miteny aminao izy hoe "izaho hamono tena" dia hoy ianao mantsy azy hoe "Ieee - mamono tena fa izay no tian'ny fonao aaaan "

ie, raha izaho aloha no lazaina an'io hoe hamono tena io, dia mametraka fanonatanina indray amndeha aho mba hanamafisana ny safidy. raha izay no safidiny dia aleo ataony satria tsy izaho no tompon'ny fiainany fa izy.

tsia tsy entin'ny fo fotsiny eo amin'ny fiainana, fa ny fitiavana dia ny fo no mandika azy voalohany. mbola averiko fa tsy azo terena ny fitiavana. ohatra : andao isika sy pissoa hivady, dia rahampitso no atao ny raharaha, hanaiky ve i pissoa ?:-*:-D:-D

hoy i pissoa :
Ka maninona no tsy omena alalana hanome ny maximum avy aminy ny rainy amin'ny fitaizana azy (raha hoentin'ilay ramatoa ny zaza), na maninona no tsy vonona hanome ny maximum ilay ramatoa amin'ny fitaizana (raha handeha izy ka havelany amin-drainy ny zaza).

tsy voatery ny fanabeazan'ny ray sy reny miaraka no tsara. rehefa samy manao ny andraikiny amin'ny maha ray sy reny azy dia izay no zavadehibe. io tsy voatery hoe any amindreniny 100% ny zaza. ary rehefa mandeha miaraka amin'ny olontiany koa ilay reny dia tsy hoe nandao zaza. io reaka dosage sy répartition.

ilay tsy azonao dia hoe tsy izay rahetra mandalo, ka sipandreniny na zato aza, dia hisolo ny ray avokoa.

:-*
48. pissoa ( 23/06/2006 10:10)
Laaaava be le resaka de kamo zah hamaky :-D:-D:-D

mandrindra:
tsy voatery hoe toky tany ankafa pissoa a. ny toky anie dia maro no omena e. ao anatin'ny andro iray dia efa toky efatra na mihoatra no omenao. ho vitaiko ny izao, manampotoana aho dia ho tonga ara-potoana, misy olana amin'ny mpiara-miasa fa ho lazaiko azy androany dia nahembotra amin'ny fotoana manaraka indray ...tsy mbola nisy ve toky nomenao ka tsy tanterakao ? ny ahy aloha tsoriko fa misy satria izaho tsy idealy e. ny tiako ho lazaina dia tsy ny hafa ihany no tsy mahatanteraka ny toky nomena.

Ie - marina ny anao. Fomba fiteniko fotsiny iny ny ahy fa tsy nanala tena aho :oops::-D Misy ny toky tsy tanterako. Fa tsy izany koa no hitenenanako ny namako hoe aza mihazona ny toky nomenao.
Dia hoy ianao hoe "ny ahy aloha tsoriko fa misy satria izaho tsy idealy e." Azoko adika ve io hoe ekenao fa tsy tsara ilay mamadika io?

mandrindra:
ary tsy misy famporisihina eto, hoe izao atao fa fanehoankevitra.

mandrindrakoooo :oops: Ka Rehefa manontany izy hoe Inn no atao? [/b] dia izaho miteny hoe [i]aza miala ianao miteny hoe na olona iray na folo ankoatry ny rainjanakao no mampidoboka ny fonao dia tairo. ... Tsy samy mamporisika ve izany ny hevitra asehontsika? :-D:-D:-D

mandrindra:
matoa nisy nandalo nampirehitra fitiavana vaovao ka te hanaraka an'iny dia satria efa maty ilay taloha. izany hoe efa tsy nisy fitiavana intsony fa saingy tsy tsapa dia lasa miaina ao antin'ny routine toy ny robot sisa.

An3, tsy maty izany fa vao tadiavina hovonoina fotsiny. Ahoana ary ireny couples mipatitaka ireny, dia avy eo mifampody? Sa ve oe nitsangana amin'ny maty zany ilay fitiavany? =)) Sao tsy maty fa matory ka tokony nofohaziny fotsiny fa tsy alevina.
Dia io ihany koa no hamaliako an'ilay hoe
mandrindra:
ny trano miredareda sy efa may, efa tsy misy possibilité intsony no hamonjena ny olona ao anatiny dia tsy hihazakazaka ny hiverina hiditra ao aho nambola misy olona aza ao. ho antsoiko ny pompier dia hitady rano aho. dia izay ve no ato hoe tsy manana conscience ?? satria aho nanome toky fa hiaro ny ankohonako mandrakizay. dia nahavita sa tsy nahavita adidy aho izao ?

Tsy mbola nirehitra ilay trano fa vao nanomboka nisy afo ... dia kanosa velona, sa kamo natsaka dia hitsaoka ilay trano no atao fa tsy namono afo mitady handrehitra azy :-D:-D:-D
Jereo zao le bandy, vao nisy afo nitady handoro ny tranon'izy mtsam dia efa novonoiny
xxx:
nisy fotoana nisy sipa ray zay nahafinaritra anléry nefa aveo ts nisy inona ny t@zareo!!


mandrindra:
ny hoe fanana safidy, eny manana safidy. afaka mijanona amin'ny taloha, afaka manaraka ny vao, afaka miaraka amin'izy roa ....ny tiako ho marihina anefa dia tsy misy afaka ny hitsara ny safidy afa tsy ny mpifidy. izay mety ho vokany dia ny ho avy no hilaza azy. noho izany amiko tsy afaka milaza hoe ny fijanonana amin'ny teo aloha no safidy tsara indrindra

Misy afaka mitsara ka. Fanantatrao ny tiako lazaina fa tsy ady hevitra eto fa adi-hevitra hafa ;)

mandrindra:
ie, raha izaho aloha no lazaina an'io hoe hamono tena io, dia mametraka fanonatanina indray amndeha aho mba hanamafisana ny safidy. raha izay no safidiny dia aleo ataony satria tsy izaho no tompon'ny fiainany fa izy.
Kiiiiii. :{:-D:-D:-D

mandrindra:
tsia tsy entin'ny fo fotsiny eo amin'ny fiainana, fa ny fitiavana dia ny fo no mandika azy voalohany.

Matoa voalohany ny fo amin'ny fandinihina ny fitiavana, dia misy faharoa izany, dia mety misy fahatelo sns. Fa izaho tsy siora hoe ny fo no tokony atao mandinika voalohany rehefa tena te handinika na fitiavana na tsia. En fait ny fo tsy mandinika fa manao bontolo fotsiny.

mandrindra:
ohatra : andao isika sy pissoa hivady, dia rahampitso no atao ny raharaha, hanaiky ve i pissoa ?

An3, tsy mitovy mihitsy ny fisainana ka alaeo hijanona am'zao ka :-*:-D:-D:-D

mandrindra:
tsy voatery ny fanabeazan'ny ray sy reny miaraka no tsara. rehefa samy manao ny andraikiny amin'ny maha ray sy reny azy dia izay no zavadehibe. io tsy voatery hoe any amindreniny 100% ny zaza. ary rehefa mandeha miaraka amin'ny olontiany koa ilay reny dia tsy hoe nandao zaza. io reaka dosage sy répartition.

Tsy fantatro. Ny fantatro dia misy olona maro mitomany fa misaraka ny ray aman-dreniny. Misy olona mandany vola aman-karena mitady ny rainy na ny reniny. Nahatsapa fahabangana ireny olona ireny matoa manao toy izany.
novalian'i pissoa ny 23/06/2006 10:22
49. mandrindra ( 23/06/2006 13:01)
hoy i pissoa :
Laaaava be le resaka de kamo zah hamaky
hay izay no nahatonga ilay hafatra taloha anakiroa, amin'izay tsy lava be :lol:

hoy i pissoa :
Dia hoy ianao hoe "ny ahy aloha tsoriko fa misy satria izaho tsy idealy e." Azoko adika ve io hoe ekenao fa tsy tsara ilay mamadika io?
tsia tsy tsara ny mamadika satria manimba. ny mamadika dia mamingana ankolaka. fa ny ahy tonga dia kôziko hoe samy vita. tsy famadihana izany fa franchise :D

hoy i pissoa :
Tsy samy mamporisika ve izany ny hevitra asehontsika?
:-D:-D:-D, ary maninona moa raha isika no mba mifampirisika raha izany :-D:-D:-D

hoy i pissoa :
An3, tsy maty izany fa vao tadiavina hovonoina fotsiny. Ahoana ary ireny couples mipatitaka ireny, dia avy eo mifampody? Sa ve oe nitsangana amin'ny maty zany ilay fitiavany? Sao tsy maty fa matory ka tokony nofohaziny fotsiny fa tsy alevina.
Dia io ihany koa no hamaliako an'ilay hoe

izaho anie tsy niteny hoe mandehana dia aza miverina intsony e. mahazo manao aller-retour araka izay tiany aza izy. ary mbola averiko satria efa filazako matetika fa ny fizahana any ivelany dia manatsara ny ao anatiny foana.

hoy i pissoa :
Tsy mbola nirehitra ilay trano fa vao nanomboka nisy afo ... dia kanosa velona, sa kamo natsaka dia hitsaoka ilay trano no atao fa tsy namono afo mitady handrehitra azy
Jereo zao le bandy, vao nisy afo nitady handoro ny tranon'izy mtsam dia efa novonoiny

ny ohatra alainao kosa dia mbola pitikafo ary amin'ny 1 km miala ny trano ko ahoana no ho may ny trano. ny an'ity namana ity a nie efa miredareda be ao antiny ao ilay izy e.

hoy i pissoa :
Kiiiiii.

fa inona ary no tokony ho nataoko, hamono tena miaraka aminy koa ve ?=))=))=)), an3 , izaho tsy mbola handeha fa mamy ny ety ka.

hoy pissoa :
An3, tsy mitovy mihitsy ny fisainana ka alaeo hijanona am'zao ka
tsy mbola mitepo fitiavana ny fonao dia sahy miteny an'izany ianao :lol:, fa tsy maninona aloha fa ilay ohatr'izao tohizana e :-*

hoy i pissoa :
Ny fantatro dia misy olona maro mitomany fa misaraka ny ray aman-dreniny.
ny fantatro koa dia misy ankizy maro mijaly fa miady lava ny ray sy reniny

hoy i pissoa :
Misy olona mandany vola aman-karena mitady ny rainy na ny reniny.
marina izany fa tsy izay RAR misaraka akory dia manary zanaka daholo.

hoy i pissoa :
Nahatsapa fahabangana ireny olona ireny matoa manao toy izany.
na iza na iza olombelona mandia tany dia tsy maintsy misedra fahabangana eo amin'ny fiainany. ary matetika ny fahabangana dia noho ny antony hafa fa tsy ny tena. ny tena zavadehibe dia ny fahaizan'ny tsirairay misedra sy miatrika an'izany fa tsy ny filazana foana hoe noho ny naton'ny sasany dia toy izao izahay.

50. pissoa ( 23/06/2006 16:31)
mandrindra:
hay izay no nahatonga ilay hafatra taloha anakiroa, amin'izay tsy lava be
Zah zatra "divide and conquer" :-D:-D:-D

(Io fotsiny alou no valiako fa zah mbola kamo hieritreritra :-D )
51. molota ( 23/06/2006 16:59)
ataovy aloa zay tian'ny fonao dé hita eo ihany ny vokany, fa ra tsy mazoto dé mijanona ao an-trano sa!!!:lol:
52. xxx ( 24/06/2006 12:30)
Fa inona kay no mampiavaka ny olona sy ny biby?
53. pissoa ( 26/06/2006 07:35)
mandrindra:
tsia tsy tsara ny mamadika satria manimba. ny mamadika dia mamingana ankolaka. fa ny ahy tonga dia kôziko hoe samy vita. tsy famadihana izany fa franchise

Hihihi, manao kilalaon-teny be le mandrindra kle :-D Franchise ahoana, tsy azoko!

mandrindra:
ary maninona moa raha isika no mba mifampirisika raha izany

Ampirisihina hanao inona ianao? :-D:-D:-D


mandrindra:
izaho anie tsy niteny hoe mandehana dia aza miverina intsony e. mahazo manao aller-retour araka izay tiany aza izy. ary mbola averiko satria efa filazako matetika fa ny fizahana any ivelany dia manatsara ny ao anatiny foana.

No, no and no :-D Hihihi, tsy tranon'akoho akory ny tokantrano ka rehefa te hiditra dia miditra ary rehefa te hivoaka dia mivoaka :-D:-D:-D Indrindra koa, tsy "medor" koa io partenaire io ka atao hoe medor avia aty dia tamy, na dakana hoe medor lasa mivoaka dia lasa. :-D:-D:-D

mandrindra:
ny ohatra alainao kosa dia mbola pitikafo ary amin'ny 1 km miala ny trano ko ahoana no ho may ny trano. ny an'ity namana ity a nie efa miredareda be ao antiny ao ilay izy e.

An3! Jereo tsara ilay olana fa samy hoe nahafinaritra ny voambolana nampiasain'i xxx.
xxx:
nisy fotoana nisy sipa ray zay nahafinaritra anléry nefa aveo ts nisy inona ny t@zareo!!

xxx:
taty aoriana b,nisy ol zay nahafinaritra anahako!

mandrindra:
fa inona ary no tokony ho nataoko, hamono tena miaraka aminy koa ve ?, an3 , izaho tsy mbola handeha fa mamy ny ety ka.

:-D:-D:-D Tsy voatery mamono tena miaraka aminy fa resahina tsy mamono tena miaraka aminao izy ka ;)

mandrindra:
tsy mbola mitepo fitiavana ny fonao dia sahy miteny an'izany ianao

Hihihi. Marina io aloha teto :-D:-D:-D fa tsy midika izany hoe rehefa mitempo fitiavana dia tsy sahy miteny an'zany.

mandrindra:
fantatro koa dia misy ankizy maro mijaly fa miady lava ny ray sy reniny

Ka tsy voatery hiady lava anie izy e! Zah nge tsy niteny hoe rehefa tsy miala ao le vehivavy dia tapitra ny tantara e.

Ezaka isan'andro ny fiainana ho an'ny olona rehetra. Na resaka ara-piaraha-monina sy fitondran-tena izany, na ara-pinoana, na ekonomika, sns. Ka izay no hanaovako hoe aza miala.

mandrindra:
marina izany fa tsy izay RAR misaraka akory dia manary zanaka daholo.

Ie, dia tena nanary azy tokoa moa izany.

mandrindra:
na iza na iza olombelona mandia tany dia tsy maintsy misedra fahabangana eo amin'ny fiainany. ary matetika ny fahabangana dia noho ny antony hafa fa tsy ny tena.

Ie - marina izany. Dia olona manakory loatra, no efa mahalala izany lalam-piainana izany, no mbola sahy mi-maximiser ny fahabangana ao amin'ny zanany noho ny fandalovan'ny olona iray?

mandrindra:
ny tena zavadehibe dia ny fahaizan'ny tsirairay misedra sy miatrika an'izany fa tsy ny filazana foana hoe noho ny naton'ny sasany dia toy izao izahay.

Ie tena ilaina ny miatrika. Fa maninona no enjehina hoe mpanao ratsy ny mpangalatra sy ny olona mpi-viol, sns, fa tsy asaina misedra sy miatrika izay nahazo azy fotsiny ny victimes-ny? :-D:-D:-D
54. mandrindra ( 30/06/2006 07:51)
xxx:

Fa inona kay no mampiavaka ny olona sy ny biby?


ny biby tsy afaka miafina ao ambadiky ny xxx fa fantatra hoe biby inona iny :-D:-D:-D
55. mandrindra ( 30/06/2006 07:52)
pissoa:

mandrindra:
hay izay no nahatonga ilay hafatra taloha anakiroa, amin'izay tsy lava be
Zah zatra "divide and conquer" :-D:-D:-D

(Io fotsiny alou no valiako fa zah mbola kamo hieritreritra :-D )

mba ataovy divide ary izaho hoe mba ho hitako :-D:-D:-D

56. mandrindra ( 30/06/2006 08:09)
Hihihi, manao kilalaon-teny be le mandrindra kle Franchise ahoana, tsy azoko!

tonga dia milaza ny marina ka

No, no and no Hihihi, tsy tranon'akoho akory ny tokantrano ka rehefa te hiditra dia miditra ary rehefa te hivoaka dia mivoaka Indrindra koa, tsy "medor" koa io partenaire io ka atao hoe medor avia aty dia tamy, na dakana hoe medor lasa mivoaka dia lasa.

izaho aloha tsy nilaza mihitsy hoe medor na tôtô ny ankolafiny. fa raha misy te andeha dia tsy azo tanana, izay ilay mivoaka. fa rehefa te hiverina dia hifanarahana fa tsy antery, noho izany tsy misy médor zany eo fa revy manja vaovao vao miainga indray.

Tsy voatery mamono tena miaraka aminy fa resahina tsy mamono tena miaraka aminao izy ka

ie, ho resahiko indray mandeha izy, fa izaho kosa aloha tsy hivazizotra aminy eo e. raha vao mi-insiste izy dia ataoko hoe tairo zao fa amin'izay aho afaka manao zavatra hafa e:-D:-D:-D

Ka tsy voatery hiady lava anie izy e! Zah nge tsy niteny hoe rehefa tsy miala ao le vehivavy dia tapitra ny tantara e.

Ezaka isan'andro ny fiainana ho an'ny olona rehetra. Na resaka ara-piaraha-monina sy fitondran-tena izany, na ara-pinoana, na ekonomika, sns. Ka izay no hanaovako hoe aza miala.

eny, ezaka isan'andro ny fiainana, fa ny fomba iatrehana ny olana dia misy karazany maro. ao ny tonga dia miatrika manoloana mamaky batsilana ny tsy mandeha dia izay vokany vokany. ao ny mangina tsy miteny fa miaritra sy manaraka ny onjany eny fotsiny. ao indray kosa ny mihodina an'ilay olana dia mandeha maka rivotra aloha.

Ie - marina izany. Dia olona manakory loatra, no efa mahalala izany lalam-piainana izany, no mbola sahy mi-maximiser ny fahabangana ao amin'ny zanany noho ny fandalovan'ny olona iray?

tsia tsy mamiser-na foana ny fahabangana. fa raha atao ny safidy hoe fahafenoana mandeha ila sa fahabangana roa feno. dia aleoko fahabangana roa feno

Ie tena ilaina ny miatrika. Fa maninona no enjehina hoe mpanao ratsy ny mpangalatra sy ny olona mpi-viol, sns, fa tsy asaina misedra sy miatrika izay nahazo azy fotsiny ny victimes-ny?

enjehina ireny fa nandika lalàna. tsy ny fahatratrarana ireny olona ireny anefa no manasitrana ny fery fa ny herintsain'ny tsirairay
57. pissoa ( 01/07/2006 14:02)
mandrindra:
tonga dia milaza ny marina ka

Ngah raha tonga dia milaza dia lasa tsy mamadika tampoka? :-D:-D:-D

mandrindra:
izaho aloha tsy nilaza mihitsy hoe medor na tôtô ny ankolafiny. fa raha misy te andeha dia tsy azo tanana, izay ilay mivoaka. fa rehefa te hiverina dia hifanarahana fa tsy antery, noho izany tsy misy médor zany eo fa revy manja vaovao vao miainga indray.

mandrindra teo:
izaho anie tsy niteny hoe mandehana dia aza miverina intsony e. mahazo manao aller-retour araka izay tiany aza izy.

Fa iza ary no mahazo mandeha eto e? Olona iray ihany no hitako hoe handeha eto. Dia araka izay tian'iza ary io tenenao io e?

mandrindra:
ie, ho resahiko indray mandeha izy, fa izaho kosa aloha tsy hivazizotra aminy eo e. raha vao mi-insiste izy dia ataoko hoe tairo zao fa amin'izay aho afaka manao zavatra hafa e

:-D:-D:-D


mandrindra:
eny, ezaka isan'andro ny fiainana, fa ny fomba iatrehana ny olana dia misy karazany maro. ao ny tonga dia miatrika manoloana mamaky batsilana ny tsy mandeha dia izay vokany vokany. ao ny mangina tsy miteny fa miaritra sy manaraka ny onjany eny fotsiny. ao indray kosa ny mihodina an'ilay olana dia mandeha maka rivotra aloha.

Ny ahy tsy ny fiatrehana ny olana no hitako hoe misy karazany, fa ny ezaka tian'ny tsirairay atao no tsy mitovy ny habetsahany ka lasa misy isankarazany ny fiatrehana ny olana. Ny azoko hanoharako ny ezaka tiana atao eto dia toy ny olona manao trano, ka vao niakatra kely ny rindrina dia tsy vitako io ozizy fa aleo zah hiady fototra any amin'ny toeran-kafa ...

mandrindra:
tsia tsy mamiser-na foana ny fahabangana. fa raha atao ny safidy hoe fahafenoana mandeha ila sa fahabangana roa feno. dia aleoko fahabangana roa feno

Ka eo ilay tsy hitovizantsika hevitra mihitsy. Ny an'i mandrindra ilay zaza asaina misafidy amin'ny ratsy sy ny ratsy! Ny ahy, tiako hiasa ny lehibe mba tsy hanan-tsafidy ny zaza fa tsy maintsy maka ny tsara :)

mandrindra:
enjehina ireny fa nandika lalàna. tsy ny fahatratrarana ireny olona ireny anefa no manasitrana ny fery fa ny herintsain'ny tsirairay

Ekeko anie fa raha tratra ireny dia tsy voatery ho sitrana ny ferinao na ny hiverina ny harena e. Fa hoy fotsiny aho hoe enjehina ireny na manao ahoana na manao ahoana ny rection'ny victime. Ary tsy resaka lalana ihany no manenjika an'ireny. Ary amin'ny fiaraha-monina ohatra
mandrindra oe:
nisy serrage hadino tao amin'ny atidohany no mahatonga azy hanao an'izany.

Tsy misy resaka lalana io, fa mety resaka morale sy conscience angamba.
58. mandrindra ( 04/07/2006 10:28)
Ngah raha tonga dia milaza dia lasa tsy mamadika tampoka?

ny mamadika dia ny mamely ampitaka. ny milaza ny marina dia fizarana hevitra, milaza hoe izao no zavatra hitranga.

Fa iza ary no mahazo mandeha eto e? Olona iray ihany no hitako hoe handeha eto. Dia araka izay tian'iza ary io tenenao io e?
raah ny eto dia ira ihany no te-handeha. ny hoe iza no maahzo mandeha dia samy mahazo daholo. ny retour indray dia hifanarahan'izy roa, fa mbola possible foana izany

Ny ahy tsy ny fiatrehana ny olana no hitako hoe misy karazany, fa ny ezaka tian'ny tsirairay atao no tsy mitovy ny habetsahany ka lasa misy isankarazany ny fiatrehana ny olana. Ny azoko hanoharako ny ezaka tiana atao eto dia toy ny olona manao trano, ka vao niakatra kely ny rindrina dia tsy vitako io ozizy fa aleo zah hiady fototra any amin'ny toeran-kafa ...
tsia tsy voatery ho manorona fototra vaovao fa ny maçon no soloina dia mitohy ny asa

Ka eo ilay tsy hitovizantsika hevitra mihitsy. Ny an'i mandrindra ilay zaza asaina misafidy amin'ny ratsy sy ny ratsy! Ny ahy, tiako hiasa ny lehibe mba tsy hanan-tsafidy ny zaza fa tsy maintsy maka ny tsara
raha miasa ao anatin'ny ratsy ve ny lehibe amin'ny fomba ahoana no anomezany ny tsara. ny mahasamy hafa ny hevitra dia i pissoa mitady ny idealy fa izaho manome izay mety ho tsara kokoa ao anatin'ny realy.

Ary tsy resaka lalana ihany no manenjika an'ireny. Ary amin'ny fiaraha-monina ohatra
ny fiaraha-monina dia mitsara akapobeny sy ivelany fotsiny fa tsy mahafantatra marina izay tena iainan'ny tsirairay ao anatiny sy ao antokatranony

Hoy i mandrindra oe:
nisy serrage hadino tao amin'ny atidohany no mahatonga azy hanao an'izany.

Tsy misy resaka lalana io, fa mety resaka morale sy conscience angamba.

ity kosa aloha tsy teto no niaingan'ity fa tary ambadika tary e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081