LOZA ITY ZALAHY! LOZA ITY ZALAHY!...

41. fijo ( 21/06/2006 20:36)
marina tokoa fa misy resaka toana haroso le loahevitra,fa aoka re ry namana,mba tsy ho hita ity resaka foko ity ato e.madagasikara resahana,dia avelao handeha ny ady hevitra.
42. Solitikabe ( 22/06/2006 03:32)
Resaka foko aloha tsy maninona amiko, fa ity misy fanontaniana kely fotsiny:
Any amin'ny faritany maro eto Madagasikara dia misy toerana maro fady merina. Fa taiza teto Antananarivo marina moa no nisy toerana fady tanindrana?
Misy ireo olona avy any an'indrana, izay ndeha ataoa hoe niaina kely na nianatra kely tany Iarivo no mivoy io hoe "Soloy olona avy aty aminay ny chef de service n'itsy na izaroa". Saingy tsy mbola nisy faritra nilaza hoe "soloy olona avy aty aminay ny mpivaro-bilany".
Resaka tantara ny hoe notafihin'ny Merina ny fanjakan'ny foko hafa taloha. Saingy taloha iny. Tsy nisy mihintsy foko nilaza hoe "Fady vazaha ny taninay, satria ny vazaha nanjanaka anay, namono ny razanay". Eny eh misy ny faritr'Ikongo ihany no misy an'izay raha tsy diso aho.
Asa aloha rey olona
43. prime ( 22/06/2006 07:34)
Izay lazain'i solitikabe izay mihitsy ilay ambadika iainan'ny samy malagasy... ka marina ny anareo ry fijo sy naughtyboy satria hoy aho averiko indray madio saina ianareo... Fa ny tena zava-misy mifanohitra mihitsy @ eritreritrareo...
Ka ny hevitro dia tsotra : na anaovana lohahevitra mihitsy mikasika an'io dia mazava ny resaka "une bonne fois pour toute"... na dia izay lohahevitra miresaka na mamofona fiaviana rehetra dia foanana mihitsy... Nefa izaho mbola mamerina ihany fa tsy ny fandosirana ny iresahana an'izany no vahaolana satria iainan'ny gasy rehetra aty io fa mifampihatsaravelatsihy fotsiny...
44. gasypantin ( 22/06/2006 13:49)
AZA ASIANA RESAKA FIAVIANA ALEO HANAO IZAY COMPETENT LERAAAAA!!!
45. marozevo ( 22/06/2006 13:57)
Zao zareo ah... Izany resaka foko izany dia tsy misy olana intsony fa adalan'izay mbola mandrangitra izany. Rehefa tsy nisy tamin'iny 2001/2002 iny izany dia tsy hisy intsony. Sao dia heverinareo mandrangitra adim-poko ireo ary fa tsy fantatray ny fikanareo....
Izao ny fikan zareo... Satria resy Ratsiraka (Izay manana fichier Encarata dia afaka mijery izany), nefa hita fa olona liam-pahefana izy mbamin-dry Sophie. Dia mihevitra ve ianareo, mihevitra ve isika fa mipetraka soa aman-tsara ry zareo ? Tsia, aza matoky saka...
Dia miasa an-kolaka izy, manakarama olona fantany fa hanakorontana amin'ny fomba maro samihafa. Avy eo dia hilaza indray izy fa tamin'izahay nitondra dia toy izao na toy izatsy....
Izaho mino fa amintsika NAMANA eto, dia misy anisan'ireo olona voakarama ireo... tena mino an'izany aho.
Ka mbà mailomailo ihany....
46. prime ( 22/06/2006 14:08)
FOANO ETO AMIN'ITY DINIKA ITY NY RESAKA FIAVIANA REHETRA DIA AMPY E!!!!:-w
47. marozevo ( 22/06/2006 22:59)
Tsy ny resaka fiaviana no tokony ho foanana, fa ny resaka fampiadiana ny samihafa fiaviana. Izaho izao avy any Antsirabe, tsy olana amiko, fa ireharehako aza izany, fa raha hoe ampiadiana amin'ny avy any Ambatondrazaka, ohatra, ny avy any Antsirabe, izay no tsy mety.
48. prime ( 23/06/2006 05:27)
Marozevo> ka raha izay indray dia tokony horesahina mihitsy ary ilay izy satria tsy maintsy hifanerasera ny samy malagasy araka ny lazain'i solitikabe... Fa eto Dago anie tsy latsaky ny faritra 20 manerana ny nosy misy faritra tsy azon'ny merina aleha sy itsahina ary itenenana akory e!!! Ohatra, mandehàna any "Cap d'Ambre" (pointe nord de Diégo), fa vao 25 km hiditra an'ilay "réserve naturelle" ianao dia anontaniana mihitsy (indrindra fa somary mainty na ngita volo, raha fotsy moa ianao na zarazara tonga dia mazava hoazy fa barakay) hoe "anao moa borizano?" (iantsoany ny merina io) fa tsy mahazo mandika mihoatra intsony... Ohatra hafa, any avaratr'i Morondava misy faritra fa na ny miteny merina aza tsy azo atao... ohatra vitsivitsy ireo, dia ahoana izany?...
49. tovolahy007 ( 24/06/2006 02:14)
manaoana doly e...!
Amiko ry zareo de zao,aoka ho mailo fa tetika maizaina be ty le hoe olona leo politika ity amiko ,satria de zao no fahazoako azy,toa manentana zany ry zalahy hoe aza mifidy tsoony fa efa leo tsika ,diso be nefa io,fa aleo lavitra aza mifidy satria na tsy hifidy aza anie enao de tsy maintsy hisy ho lany foana eo e,na io le olona nofidinao na io le olona tsy nofidinao iany ko.Koa tsotra e,diniho lalina,eritrereto tsara,aza variana ny kabary tsara lahatra,sy ny tambitamby izay mitobaka etsy sy eroa ,jereo hoe ahoana ny toetrany le olona ,inona ny zavatra vitany,sy nataony?tsara ve sa ratsy?Raha tsara taminao ny nataony de fidio izy fa raha ratsy kosa de aza fidina na de tsara be aza ny kabariny ,na dia manome vola iany koa aza izy.
Dia mahaiza misafidy tsika rehetra e.
50. marozevo ( 24/06/2006 08:39)
Prime > Tena tokony ho resahina mihitsy mba hifanabeazana ka... Fa ireo zavatra nolazainao ireo dia tena nahavariana ahy tokoa, ary tsy nampoiziko mihitsy. Saingy ny azoko ambara momba ireo lazainao ireo dia izao :
Misy fanavahana vokatry ny tantara taloha be tany, ka lasa zary toe-tsaina fa tsy mifono fankahalana velively. Misy koa ohatra hoe ny tranaky ny avy etsy tsy mahazo manam-bady ny taranaky ny avy eroa... Toe-tsaina efa raiki-tapisaka izany fa tsy midika ho fankahalana velively, sady tsy mifono hevitra politika koa.

Fa ny mahasosotra dia misy mahazo tsara ny fandrosoana ankehitriny, nefa mbola mirefarefa miresaka razana sy fiaviana mba hampidirana hevitra politika. Io no olana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0608