ginagina tsy nahita

1. ftma ( 18/06/2006 07:35)

Maro ny namana niteny hoe " nanao redez-vous t@ i ... aho nefa tsy tonga izy"
Fa maninona mametrapetra e
Za aloha mbola tsy tratra fa mampalahelo ny ohat'izany :wink:
hoy poopy:
Io fa mipitrapitra
Tsy nahita
Mipitrapitra
Tsy nahita ô

Miherikerika etsy sy eroa
Midoboka amponga hendratrendratra ny fo
Angamba tsy ho avy ine andraso kely aloha
Hay mbola latsaka dimy ny amin'ny roa
Ny ho avy tsy ho avy no mifantitra ao an-doha
Nefa vao omaly ny omaly no nanao rendez-vous
Dify izao ilay ora dify tokoa
Handrasako ihany fa maninona moa
Raha vao tsinjoko avy lavitra hodiko tsy jerena
Angamba heveriny amin'ny telo bny fotoana nomena
Sa kosa misy embouteillage, ny andro moa tsena
K'aleo aloha ny tsiny tsy omena

Nankaiza nankaiza ikala anona iny
Ny famatarandro efa manondro amin'ny dimy
Ny hany azo atao dia ny misafosafo loha
Gina dia gina ty fa voa

Ginagina tsy nahita, ginagina teo!
novalian'i ftma ny 03/07/2006 17:41
2. Fiffi ( 18/06/2006 09:27)
mampalahelo indray zany toe-javatra izany an! fa raha mbola tsy vonona ny hihaona maninona anefa no nanome RDV ?
3. diamondra27 ( 18/06/2006 12:52)
io le hiran'i mandrindra e! ho faly izy 'ao mahita an'io:-D:-D

de mba mampiresaka fotsiny izy izany fa tsy misy resaka serieux , 'zay no mahatonga azy mametrapetraka tsy tonga any @ le RDV

f'angah vao mifankahalala d'efa RDV, SA mba efa nifampiresaka elaela +6mois farahafaratsiny
4. Fiffi ( 18/06/2006 14:19)
diamondra27:
f'angah vao mifankahalala d'efa RDV, SA mba efa nifampiresaka elaela +6mois farahafaratsiny
an ? fa ahoana kosa akia ry diamondra no handrasana 6 mois vao mba hifanome RDV mba hihaona ?
Mety ho RDV hihoanana @ maha-pinamana fotsiny ange zany eh ! fa nga raha voa mifanome RDV tonga de hoe...... ?
Ohatra fotsiny zao hoe isika sy ndry te-hifankahita , de mifanome RDV nefa vao 1 semaine fotsiny no nifampiresaka @ zay virtuel , de ahoana zany ?


5. ftma ( 18/06/2006 16:21)
diamondra27: raha misy occasion hihaonana kosa ve na 2 andro aza de mahazo mifakahita ko, @ zay mifakalala kokoa.
Ireo namako nahazo "rendez-vous" aloha nilaza fa efa niresaka be na en téléphone aza ry zareo e nefa...
Le izy "rendez-vous" @ mahampinamana tsotra fa tsy mpisipa an :wink: @ izay sipa ilay namitaka :roll:
6. sipagasy ( 18/06/2006 16:28)
virtoaly e!!!! virtoaly annnn hihih mahereza aby e!!!, dia aza mora kivy ihany koa
7. Fiffi ( 18/06/2006 17:56)
ka izay ange no lazaiko hoe mba tsy mety kosa le mametrapetraka nefa nanome RDV eh! raha mbola tsy vonona hahita an'le namana de tsy manao an'izany !
8. ftma ( 18/06/2006 19:16)
Fiffi: marina mihitsy izany aleo mitsotra rehefa tsy te hahita ny namana fa samy manana ny safidiny io
sipagasy:virtoaly mba atao realy e :wink: na tsy manome rendez-vous rehefa tsy te hifakahita :wink:
9. november ( 18/06/2006 21:06)
ny tena marin'aloha amiko:aleo milaza hoe tsyho avy toizay mametrak'e,na eny na tsia,fa refa manaiky de tokony ho tonga na dia tara satria, aleo tonga tara toizay tsy tonga mihitsy....!le ola gina2 mampalahelo
10. miantra ( 19/06/2006 06:11)
Amiko mariky ny fifanajana io, ka refa tsy avy @RDV na namana tsotra na sipa na.... dia mba milaza fa mamery fotoana olona fotsiny.

Ny ahy na ilay tara mihoatran'ny 5 mn aza dia efa tsy tiako!!!
11. Angie ( 19/06/2006 06:48)

Enga anie za tsy ho voapetraka aty marina fa toa tsy ho tantiko zany hihira ginagina n'i Ftma za :oops: zay vao tena hiala @ virtoaly ity mihintsy angamba.

Tsy aleo ve tonga dia milaza mihaloha hoe tsy afaka foana e toy zay hanao an'izany, za alou tsy mba mahasahy an'izany fa manody ange zany e :roll:
12. Samoana ( 19/06/2006 12:24)
Hoy Ftma Le izy "rendez-vous" @ mahampinamana tsotra fa tsy mpisipa an :wink: @ izay sipa ilay namitaka :roll:
[/quote]


Tss! Mba iza koa izany tovovavy jefijefy fetsifetsy mametrapetraka izany ?!

13. ftma ( 19/06/2006 19:26)
Angie: za aloha ho avy @ rendez-vous antsika e :wink: raha tsy hoe tena misy sampona tsy azo hialana nga :lol:
Marina ny nolazain'i miantra hoe "fifanajana" ka aha misy tsy fahafahana na tara kely (5mn) mba miantso hoe "tsy ho avy aho" na "tara kely aho"
Samoana: any izy any :wink:
14. cutie ( 19/06/2006 19:43)
ftma, rdv @ fihaonanareo ve no resahiana eto??
Za mbola tsy nandeha fihaonana,de tsy haiko zany :-D
15. ftma ( 19/06/2006 19:53)
cutie: fihaonana ka rendez-vous ny namana te hifakalala :wink: za efa naka rendez-vous t@ njy an ho tonga za fa aza manahy :lol:
16. cutie ( 19/06/2006 19:57)
hihihihi, mianjy an-jy ny aty e :-D
17. ftma ( 19/06/2006 20:03)
cutie: rehefa lasa GB dia tonga aho ka :roll:
18. cutie ( 19/06/2006 20:05)
19. cutie ( 19/06/2006 20:06)
ftma, afaka 2 taona, efa tsy aty tsony za @ zany :-D
20. Angie ( 20/06/2006 05:53)

za zany te hanao RV @ zay namana ray zay fa tsy sahy miteny azy satria t@ zahay mbola tany dago dia mbo napetrako izy, fa t@ za mbola le sipakely reny e fa tena nalahelo ranamana, zao zahay nihaona tato fa tena tss averiny foana lay ginagina io tena menatsa be za.

Fa za kosa t@ zany mbola tanora kely mihintsy dia diso ve za? :oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5067