Allah = God= Andriamanitra

1. soanja ( 16/06/2006 12:38)
Amiko i Allah dia Andriamanitra ihany saingy araka ny hoe sarantsarahan'ny fotom-pisainana ao anatin'ny finoana AZY (Andriamanitra) ny olombelona dia samy mihevitra an'ireo olona roa ireo ho samihafa.
Mitovy amin'i hoe GOD = Jesus ihany io hevitra io. God tokoa ve i Jesus?
novalian'i prime ny 10/07/2006 08:48
2. Herimiafina ( 16/06/2006 12:56)
Voalohany dia miverina any amin'ny tantaran'i Abrahama kely isika.

*Iza moa ny Andriamanitr'i Abrahama? Ny Andriamanitr'i Abrahama ihany ve no Andriamanitra tompoin'ireo zanany roalahy, Isaac sy Ismael?
-Ny taranaka sasantsasany avy ao amin'i Isaac no niavian'ny Kristianisma taty aoriana,
-Ary ny taranaka sasantsasany avy ao amin'i Ismael niavian'ny Islam.

*Manarak'izany, raha vakiana ny Teny rehetra manomboka any amin'ny Tetsmanta taloha, ny tenin'ireo mpaminany, ary ny Testamenta vaovao amin'ny Baiboly Kristianina dia manambara va i Jésus dia Andriamanitra (God) nidina teto an-tany, amin'ny endriky ny olona.
Misy ny mino anefa fa Mpaminany tsotra fotsiny izy.

Ireo izany no hitako hitondrana ity adihevitra ity. :wink:

3. Zina ( 16/06/2006 13:40)
God tokoa ve i Jesus?

sy ny fanahy masina dia mitovy izy telo ireo..
4. toovs ( 16/06/2006 13:57)
Herimiafina:

Voalohany dia miverina any amin'ny tantaran'i Abrahama kely isika.

*Iza moa ny Andriamanitr'i Abrahama? Ny Andriamanitr'i Abrahama ihany ve no Andriamanitra tompoin'ireo zanany roalahy, Isaac sy Ismael?
-Ny taranaka sasantsasany avy ao amin'i Isaac no niavian'ny Kristianisma taty aoriana,
-Ary ny taranaka sasantsasany avy ao amin'i Ismael niavian'ny Islam.

*Manarak'izany, raha vakiana ny Teny rehetra manomboka any amin'ny Tetsmanta taloha, ny tenin'ireo mpaminany, ary ny Testamenta vaovao amin'ny Baiboly Kristianina dia manambara va i Jésus dia Andriamanitra (God) nidina teto an-tany, amin'ny endriky ny olona.
Misy ny mino anefa fa Mpaminany tsotra fotsiny izy.

Ireo izany no hitako hitondrana ity adihevitra ity. :wink:





sao de mba ny romana kosa no namorona ny kristianisma kle. ny jody ange ka jodaista e. (jiosy angamba ny jody am teny protestanta)

5. toovs ( 16/06/2006 14:00)
soanja:

Amiko i Allah dia Andriamanitra ihany saingy araka ny hoe sarantsarahan'ny fotom-pisainana ao anatin'ny finoana AZY (Andriamanitra) ny olombelona dia samy mihevitra an'ireo olona roa ireo ho samihafa.
Mitovy amin'i hoe GOD = Jesus ihany io hevitra io. God tokoa ve i Jesus?


tsy saratsarahan'ny foto-pisainana io amiko fa saratsarahan'ny foto-pitenenana. izany hoe ny silamo fotsiny no mitazona ny teny silamo mandrakariva de ataony foana hoe allah foana ny azy rehefa miteny izy hoe dieu na andriamanitra, na zanahary , na god, .....

6. marozevo ( 16/06/2006 19:30)

Hoy i Herimiafina.
-Ny taranaka sasantsasany avy ao amin'i Isaac no niavian'ny Kristianisma taty aoriana,
-Ary ny taranaka sasantsasany avy ao amin'i Ismael niavian'ny Islam.

Io dia tsy marina kosa aloha eh...
raha zohina ny tantara dia tany amin'ny 1850 avant Christ i Abraham sy Isaac ary Jakoba ( Sy ismaely koa izany). ka noho izany tsy ho afaka hoe any no nipoirany. Mbola nisy zavatra be dia be niseho entre 1850 aC sy ny année 0. Jereo Matio toko 1.

Ny hoe Romanina no niavian'ny Kristianisma koa dia tsy marina, satria raha jerena ny Boky Asan'ny Apostoly, dia ny nanenjika ny Apostoly sy ny Kristianina aza no nataon'ny Romanina.

Ilay anarana ? Off.. Tsy misy olana raha ny Anarana fotsiny no heverinao fa hahasamihafa azy... Ara-poto-pitenenana tokoa io... Ary tsy ireo telo ireo ihany fa aman'arivony maro : God, Dieu, Dio, Theou etc... Zanahary.
7. xxx ( 16/06/2006 19:36)
Ampiana Adonai ho an'ny Jiosy !
8. LazaRandri ( 16/06/2006 21:21)
hahaha! samy mahazo miteny ho"andriamanitra" daholo ange e! Ralay izao ao ambanimbany ao milaza fa "andriamanitra" izy. hahaha! Dia toy izany koa i Allah sy i Budah sy Krishnah sy ny sisa....

Fa ny Andriamanitra nahary izao tontolo izao dia sady tsy Allah no tsy Ralay no tsy Budah no tsy Krishnah. hahaha!


Andao mba andray ohatra mora azo e!
Akamako i herimiafina, akamanao i cutie. Izany hoe akamantsika sy ianao i cutie sy i herimiafina. Saingy tsy midika izany akory hoe i cutie ihany no herimiafina. hahaha! nefaaaa.... hahaha!
9. LazaRandri ( 16/06/2006 21:40)
[size=14]NOTHING IN COMMON[/size]
[size=14]By Abdullah Al Araby [/size]
http://islamreview.com/articles/nothingincommon.shtml
10. soanja ( 16/06/2006 22:40)
Ohatra ny extremista be anie izany LazaRandri zany e. Marina moa. Azafady indrindra raha mitsara aho eto satria tena shocked be mihitsy aho.
Amiko andriamanitra dia HERY (Higher Spirit) iray lehibe mahery tsy takamaso ary tsy azo tsapain-tanana ary mahavita ny tsara indrindra ho anao raha tia sy manaja azy ianao. Ka izay na God io, na Allah io, na Zanahary io , Jesosy na fanahy masina dia iray ihany ireo. Fitahiana ho an'ny zanakolombelona izay manao ny tsara sy matahotra azy.
11. Herimiafina ( 16/06/2006 23:33)
Ny tiako hambara avy amin'ilay hoe Isaac sy Isamela anie tsy hoe niteraka ireo dia lasa kristiana sy silamo e.

Hoy afho hoe: "avy amin'ny taranaka".
Dia mbola nampiako indray hoe: "sasantsasany".

Tsy fantatro ny Coran fa tokony jerena aloha ny description ny antsoina hoe Allah ao anatiny vao mety azo hampitahaina amin'Andriamanitry ny Kristianina.
Sao mantsy ohatra ka tsy Allah no namorona izao tontolo izao amin'ny Silamo, dia efa mifanipaka sahady ny Andriamanitra voalazan'ny kristianina.

nefa asa moa!
12. LazaRandri ( 17/06/2006 01:09)
soanja:

Amiko andriamanitra dia HERY (Higher Spirit) iray lehibe mahery tsy takamaso ary tsy azo tsapain-tanana ary mahavita ny tsara indrindra ho anao raha tia sy manaja azy ianao. Ka izay na God io, na Allah io, na Zanahary io , Jesosy na fanahy masina dia iray ihany ireo.

raha samy olombelona ve ohatra dia iray ihany na ratsiraka na herimiafina na soanja na iza na iza anarana tiana iantsoana azy? hahaha! Angamba samihafa ireo e? :wink: dia samihafa toy izay koa Allah sy Jesosy :)
13. soanja ( 17/06/2006 01:16)
LazaRandri a, Azavao tsi-1-1 ny mahasamihafa an'ireo dia hitako eo raha resy lahatra aho na tsia. Ny ahy mantsy eo ambony io: ny fanazavako mampitovy an'ireo. Ny voalazan'i baiboly sy ny coran sy ny Ntaolo momba ny zanahary dia tsy hitovy satria olombelona no nanoratra azy ary nanana ny vanim-potoana nanoratany azy avy izay misy fiantraikany be dia be amin'ny asa sorany. Raha mahita ianao amin'izao ny fomba fisainana dia tsy vitan'ny mino fotsiny fa mila mandalina sy manadihady ary maka porofo.
14. LazaRandri ( 17/06/2006 01:22)
soanja:

LazaRandri a, Azavao tsi-1-1 ny mahasamihafa an'ireo dia hitako eo raha resy lahatra aho na tsia.

hahaha! ka tsy miankina amin'ny maha resy lahara anao no maha samy hafa azy ange e! it is NO hypothesis, rather it's a fact!!! hahaha!
15. soanja ( 17/06/2006 01:34)
Mba ataovy teny gasy moa azafady. A Fact=....
Raha ny fahalalako kely ny atao hoe fact dia misy porofo. Tsy hangataka porofo ny fisian'Andriamanitra akory aho sanatria satria mino azy aho amin'ny tsy fisian'i porofo. Izay no maha finoana azy. Fa koSa ny hevitrin'ny teny ery ambony hoe tsy mitovy dia tena ahafantsika sy anao manadihady raha mazoto ianao. Ny hany mampalahelo fotsiny dia ho lasa dialogue ilay izy dia ho betsaka ny monamonaina.
16. LazaRandri ( 17/06/2006 01:43)
hahaha! iray ihany ve izany hoa i ratsiraka sy soanja sy herimiafina na iza na iza anarana iantsoana azy satria samy olombelona? hahaha! Mba valio fa aza ahodikodina ny resaka e. hahaha!
17. soanja ( 17/06/2006 02:23)
Samy olombelona ireo, samy manaiky izany isika sy ianao. Samy Gasy koa ireo.
Ny tsy mampitovy azy dia:
- ny olona samihafa no niteraka an'ireo avy amin'ny ra samihafa (DNA)sy ny firazanana ny mahagasy avy amin'ny firenena samihafa.
- ary rehefa teraka dia samy manana ny DNA sy ny taona naterahany ary ny taovam-pananahany avy.
- ary samy manana ny saina nomen'Andriamanitra azy avy. Avy amin'io saina nomen'Andriamanitra no nanana ny fahaizana, avy amin'io koa no nahafahana naka ny Safidy , ohatra ny safidy iray dia ny hoe hino an'i Allah sa tsia, Hino fa mitovy i Allah sy God sa tsia. Betsaka ny biby tsy manana an'io safidy io. Ao anatin'ny safidy ny fanekena ny atao hoe Fanahy na tsia sns
- ary ny anjara.

Raha bangoina dia hoe nisafidy aho fa i Allah ihany no God ary ilay God resahan'i LazaRandri dia ilay Andriamanitra inoako raha ny fahitako azy saingy azontsika alalinina eto.

Ny antony dia nandalina aho ary namakafaka tamin'ny soratra voalazan'i Baiboly sy ny coran, ny Torah ary fahendren'i Ntaolo . Indrindra fa ny testamenta taloha. Tamin'io no nakako ny tsoaka hoe iray daholo ireo voalaza ireo. Sa ve tsy mino ny testamenta taloha ianao?

Tsy maninona koa anefa raha tsy manaiky an'io ianao satria Safidy ny antsika izay no mahatonga antsika niangaran'Andriamanitra satria tiany ka nomeny safidy rehefa nahazo ilay fahalalana (education as a whole : tafiditra ao ny fivavahana)
Koa noho izany dia omeo ahy eto izany ny andinindininy milaza tahaka ny nataoko io fa tsy mitovy ireo anarana (God, Allah, Zanahary) tsy tafiditra ao anatin'io ry Bouddha sy ny tromba ary ny fanahin'ny razana efa lasa sns.
18. LazaRandri ( 17/06/2006 02:27)
soanja:
Ny antony dia nandalina aho ary namakafaka tamin'ny soratra voalazan'i Baiboly sy ny coran, ny Torah ary fahendren'i Ntaolo . Indrindra fa ny testamenta taloha. Tamin'io no nakako ny tsoaka hoe iray daholo ireo voalaza ireo. Sa ve tsy mino ny testamenta taloha ianao?
"baiboly sandoka" indray angamba izany leaza! hahaha! Azafady aloha fa mampihomehy ilay izy an!:-D
19. soanja ( 17/06/2006 02:48)
No further comment! hadikako eto hoe Ampy izay fa lany, tsy nahita havaly intsony aho.
20. LazaRandri ( 17/06/2006 02:50)
vakio tsara ny Baibolinao fa miverimberina ao ny fampahafataran'Andriamanitra ny tenany. Tsy izay "identite" tsiantsika (na inoantsika) omena azy akory no Izy. "God has revealed Himself". Ary tsy Allah Izy (tsy hoe ny teny no samihafa fa ny "identite" mihitsy no samihafa)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1737