Allah = God= Andriamanitra
41. marozevo
(
27/06/2006 21:19)
dadabe > sarotra be tokoa ny manaraka an'le zohin-kevitra aloha eh.... Misy xxxn eto (puissance n). Misy xxx maivan-tsaina be (xxx1) misy xxx misaina tsara mihitsy, saingy xxx ihany. Dia ianao no mandanjalanja izay maivana sy misaina.
42. soanja
(
27/06/2006 22:20)
Misaotra an'i Marovezo manome ilay fanazavana hoe iza ny xxx1 sy 2 fa dia fanina aho ato hoe olona iray daholo ve ireto sa ahoana? Again we need to stay focus.
43. prime
(
28/06/2006 06:40)
soanja:
Amiko i Allah dia Andriamanitra ihany saingy araka ny hoe sarantsarahan'ny fotom-pisainana ao anatin'ny finoana AZY (Andriamanitra) ny olombelona dia samy mihevitra an'ireo olona roa ireo ho samihafa.
Mitovy amin'i hoe GOD = Jesus ihany io hevitra io. God tokoa ve i Jesus?
- Tsy olona kosa ireo ry soanja a!
- Tsy mitovy mihitsy koa @ hoe God=Jesus io hevitra io
- Eny God tokoa Jesosy...
Mitohy ny dinika... :)
44. soanja
(
28/06/2006 06:59)
Prime, nivadibadika be ny resaka tamin'iny noho ny fifangarona-javatara isan-karazany fa ity no tena hevitro raha tianao ho fantatra. Tsy olona tokoa Andriamanitra fa fanahy tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana. Efa nomeko tary aloha ny def.
i Allah sy Andriamanitra ary God sns dia terme nampiasaina hilazana ny avo indrindra amin'ny finoana iray.
Iza no Andriamanitran-tsika Kristianina izay no tokony ho ady be teo? I jesoa no Andriamanitran-tsika ary i Allah amin'i Silamo moa izany dia i Allah ihany. Io roa ireo anefa tsy mitovy satria i Jesus amin'i Silamo dia isan'ny mpaminany ary amintsika Andriamanitra.
Iza avy ny andriamanitra amintsika, ny fahitako azy an, ny finoako raha tianao halalinina dia I Andriamanitra izay antsointsika hoe Ray, I Jesoa izay nantsointsika hoe zanaka ary ny Fanahy masina. Iray ihany anefa ireo amiko ka afaka mifanolosolo eo arakaraky ny fotoana ahatongavany sy ifandraisany amintsika zanany.
Anao indray ary.
Mitohy ny ady hevitra ...:D:D:D

45. prime
(
28/06/2006 07:06)
soanja> mazava tsara... izay ianao vao tena nijoro tanteraka fa ny "komity lehibe" anie efa saika hivory hoe lasa silamo ary ve izy iny e???:-D:-D
soanja:Izy tokoa aloha dia iray ihany... Fa ny tena fahafantarako azy dia efa andron'ny Fanahy Masina izao sa diso hoy ianao???...:wink:
Iray ihany anefa ireo amiko ka afaka mifanolosolo eo arakaraky ny fotoana ahatongavany sy ifandraisany amintsika zanany.
46. soanja
(
28/06/2006 12:45)
prime:

Ekena tompoko.
48. soanja
(
28/06/2006 13:03)
prime:
soanja> :-*:-*
"Dia mbola ao amin'ny Tompo ny anolorako ny fitiavako,
Dia mbola ao amin'ny Tompo"
Misaotra anao nanome ahy tsiky vao maraina ho entiko miasa. :-*:-*:-*:-*:-*:-*
49. marozevo
(
28/06/2006 21:38)
Mba azonareo mianadahy azavaina ve ilay hoe "andron'ny Fanahy Masina" fa tsy azonay.
.... dia mbola ao amin'ny Tompo no anolorako ny asa vitako miaraka aminy".
.... dia mbola ao amin'ny Tompo no anolorako ny asa vitako miaraka aminy".
51. prime
(
29/06/2006 10:40)
marozevo> tsotra be ilay izy kah, Andriamanitra Ray efa nanolotra an'i Jesosy ny fahefàna rehetra ety an-tany sy any an-danitra ka tsy niseho mivantana intsony toy ny tao @ testamenta taloha rehefa hiasa fa dia ny Zanany no arosony rehefa mila fihaonana aminy (vavaka, asa, fisehoana, faminaniana...) hoy Izy mantsy "Izaho sy ny Ray dia iray ihany" ao @ flztr jaona... Fa Jesosy tsy maintsy maty ary niakatra nandray ny fahefàny feno fa kosa nampanantena mpananatra sy mpiahy tsara lavitra dia ny Fanahy Masina... Isika laika tsy misy mahita an'i Jesosy izany intsony (afatsy ireo mpaminany sy mpanompo mahatoky vitsy2 sisa) fa ny Fanahiny no efa nomeny ny olombelona rehetra, nibebaka, mino, natao batisa, mandray sakramenta... ary io Fanahiny io no miara-miaina amintsika isan'andro... Ka androny indray izao kanefa io no mahasaro-piaro an'Andriamanitra indrindra satria vatatenany tena zaraina ho an'ny tsirairay... Ary izay no mahasaro-pady @ fifandraisana @ Fanahy Masina satria raha A/tra Ray na Jesosy no ompaina na tenenina ratsy mbola mety voavela heloka ianao raha mibebaka. Fa raha ny Fanahy Masina kosa no teneninao ratsy, izay no atao hoe fahotàna mahafaty satria tsy mahavoavela heloka intsony mandrakizay... (vakio ao @ epistily 1 nosoratan'i Jaona - filazantsara) miala tsiny fa lava be satria mila nazavaina tsara... Izay no mahaandron'ny Fanahy Masina ny ankehitriny...
54. dadabe
(
30/06/2006 14:54)
zah koa ,mba te hisaotra ...:D
prime @ manaraka dia somary ataovy hoe araka ny filazantsara nosoratan'i masindahy Joany :wink:
prime @ manaraka dia somary ataovy hoe araka ny filazantsara nosoratan'i masindahy Joany :wink:
55. marozevo
(
01/07/2006 22:24)
Izaho koa mahazo misaotra na tsy mitovy hevitra aminao aza. Raha araka ny hevitro dia zavatra roa samy hafa no lazainao eto :
1 - Andronn'ny Fanahy Masina... io ilay tsy azoko.
2 - Manota amin'ny Fanahy Masina ... ny amin'io kosa dia mba manana holazaina aho. Ny manota amin'ny Fanahy Masina tsy hoe miteny ratsy ny Fanahy Masina no tiany hambara, fa ny tsy manaraka ny fanilovany, satria amin'ny alalany no anoroan'i Kristy antsika ny marina rehetra (Jn 14, 26 angamba).
Raha raisiko ary ilay 1 - dia izao no azoko lazaina. Tsy hoe andron'ny Fanahy Masina izao fotoana izao, fa andron'ny Fiangonana aza angamba. Ny Fiangonana anefa, araka ny fampianaran'i Md Paoly dia vatan'i Kristy (Efez 5...), ka ao no iantsoana antsika hihaino ny Fanahy Masina.
Ohatran'ny saotra izany fanazavako izany !...

56. prime
(
04/07/2006 07:17)
marozevo> efa fampianaram-pinoana izany lazainao izany ka tsy miditra @izay aho... ny mahaandron\'ny Fanahy Masina izao fotoana izao dia tsotra hoy aho, Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy efa tsy eo intsony fa any an-danitra... @ izao fotoana izao ny Fanahy Masina indray no mifandray mivantana amintsika olombelona... Io textes citer\'nao dia mbola manamafy fa andron\'ny Fanahy Masina izao,io ampiana ny Jaona 14:16-17 dia mampiseho fa Jesosy handeha ka hanome ny Fanahy Masina Izy hitoetra amin\'izay mangataka izany (ny mpino)... Ny hoe andron\'ny fiangonana tsy azoko loatra satria ny fiangonana tsy izao akory vao nisy, ary ny fiangonana tsy hoe t@ andron\'i Jesosy akory vao nisy fa efa nisy hatr@ testamenta taloha... Ka tsy hita ara-tsoratra masina loatra ny tianao ambara...
dadabe> miala tsiny raha nanohina anao ny nilazàko ny textes fa manamafy fotsiny aho fa tsy faniratsiràna io akory fa amiko (izaho fjkm) dia toy io no fiantsoana an\'i Paoly na i Jaona mpianatra... fa tsy mampiasa ny maha masindahy azy...

57. soanja
(
06/07/2006 01:36)
Marovezo niteny hoe : "Raha raisiko ary ilay 1 - dia izao no azoko lazaina. Tsy hoe andron'ny Fanahy Masina izao fotoana izao, fa andron'ny Fiangonana aza angamba. Ny Fiangonana anefa, araka ny fampianaran'i Md Paoly dia vatan'i Kristy (Efez 5...), ka ao no iantsoana antsika hihaino ny Fanahy Masina."
Somary mifangaro be amiko izany ry Marovezo. Ny fiangonana anie ka trano fotsiny na dia mijoalajoala aza e fa ny fanahy masina hidina ao amintsika tsirairay avy ao anatiny no zavadehibe. Ny an'i Prime no hitako tena manazava azy tsara hoe tsy ahita an'i Kristy intsony isika fa ilay Fanahy Masina ao anatintsika no Izy (Jesoa) satria isika dia tempoliny raha madio sy vonona ny handray azy ary mahalala mankasitraka azy. Ny fiangonana dia natao hiderana azy miaraka amin'ny rehetra fa na any an-trano aza isika dia afaka mandray azy tsara ary mifampiresaka aminy mangina.

59. marozevo
(
07/07/2006 19:15)
Ndao ary ho ekena eh...
dadabe > Misy tsy mety ilay soso-kevitrao momba ny hoe
Filazantsara dia teny fampiasan'ny Protestant, ka tsy tokony hiaraka amin'ny hoe Masindahy, araka io lazain'i Prime io.
Raha hampiasa ny teny hoe Masindahy, dia Vaovao Mahafaly no filaza azy.
dadabe > Misy tsy mety ilay soso-kevitrao momba ny hoe
prime @ manaraka dia somary ataovy hoe araka ny filazantsara nosoratan'i masindahy Joany
Filazantsara dia teny fampiasan'ny Protestant, ka tsy tokony hiaraka amin'ny hoe Masindahy, araka io lazain'i Prime io.
Raha hampiasa ny teny hoe Masindahy, dia Vaovao Mahafaly no filaza azy.
60. soanja
(
07/07/2006 22:17)
marozevo:
Ndao ary ho ekena eh...
dadabe > Misy tsy mety ilay soso-kevitrao momba ny hoeprime @ manaraka dia somary ataovy hoe araka ny filazantsara nosoratan'i masindahy Joany
Filazantsara dia teny fampiasan'ny Protestant, ka tsy tokony hiaraka amin'ny hoe Masindahy, araka io lazain'i Prime io.
Raha hampiasa ny teny hoe Masindahy, dia Vaovao Mahafaly no filaza azy.
Good point, MAROVEZO!:D