TSY HIFIDY AHO @ 03 /12/06 satria nahoana?

1. OLPolonaleopolitika ( 15/06/2006 17:15)
Dia miàla tsiny aminareo namana malagasy aloha fa dia tsy hifidy ny tenanay @ 03 désambra 2006 ho avy izao noho ny antony maro.
Lasa ny assassins t@ 2002 nefa dia tonga ny tueurs avy eo.
Noeritreretina fa mbà ho tsara kokoa ny fiainana nefa toa vao maika nampivandravandra .
Raha lasantsy novidiana 4.500fmg ny litre av 2002 efa ho 12.000fmg @ izao (efa ho 1 euros)nefa ny SMIG eto @ tanàna 20 euros .1 euro 6500 av 2002 efa ho 13.000 izy izao sns...
BE IZAY SACRIFICES natao t@ ireo mpanao pôlitika gasy izay fa ny mainty anio lasa fotsy rahampitso vetivety ianareo AREMA vetivety ianareo UNDD mbetika HERY VELONA mbetika KMSB refa avy eo lasa TIM tampoka !!!dia inona in1 rahampitso?

Izao indray mbola miverina koa ny fanapenam-bava etsy sy eroa ataon'ny mpitondra!!
Matoa ny mpanao pôlitika manitsaka ny lohantsika mianakavy toa izao dia isika vahoaka mihintsy no maméla azy ireo hanao izany ka manararaotra toy ny banga mihomehy alina...

Raha lavo indray mandeha mety ho tsy nahy fa efa in3 isika no lavo depuis 1972 TOKONY MBA HISAINA AMIN IZAY KOSA ANGAMBA!!!
novalian'i arson ny 19/06/2006 13:05
2. cutie ( 15/06/2006 17:17)
aza mifidy aza de aza mimenomenona refa avy eo :-D
3. labomba ( 15/06/2006 19:02)
Ny ahy mba fidiny farafaharatsiny e! Mba namana ...
4. fijo ( 15/06/2006 19:45)
izay tian'ise ihany io,fa aza rarana izay te hifidy e
5. hery ( 15/06/2006 20:15)
Aza mifidy kou. Inona moa no olana amin'izany?
Dia tandremo indray mi-sareraka eto rehefa izay tsy zakan'ny vavoninareo no lany eo.
6. Fiffi ( 15/06/2006 20:23)
=D=D=D=D
7. Fiffi ( 15/06/2006 20:26)
hery:
Aza mifidy kou. Inona moa no olana amin'izany?
Dia tandremo indray mi-sareraka eto rehefa izay tsy zakan'ny vavoninareo no lany eo.
tena marina mihintsy zany an! ny @ zao fotoana izao be menomenona , hasaina mifidy , tsy mety , de inona indray no havoaka @ izay ho lany ao ?


8. soanja ( 15/06/2006 22:27)
Dia tena tsy misy azoazon'ny vavoninao tokoa ve ireo izay hilatsaka eo na ny iray?
9. soanja ( 15/06/2006 22:29)
Raha toa anao daholo ny gasy rehatra izany dia ahoana ny hivoarantsika. Zava-dehibe ny safidy amin'ny fifidianana ary adidy amin'ny maha olom-pirenena. Anjaranao ny mandanjalanja ny vokatr'izany safidy izany.
10. marozevo ( 15/06/2006 22:37)
Mampalahelo ny taranaky ny Palestinianna rehefa maty ingahy Raffat...Izao sisa no mba teniny.
Izaho koa tsy hifidy satria tsy fidiny ahy fa any ivelan'i Madagasikara aho amin'io daty io. Sa amin'izao fotoana izao efa afaka mifidy any amin'ny Ambasady ? Mba omeo valiny kely ange io fanontaniako io ry zareo ah !
11. soanja ( 15/06/2006 22:54)
marozevo:

Mampalahelo ny taranaky ny Palestinianna rehefa maty ingahy Raffat...Izao sisa no mba teniny.
Izaho koa tsy hifidy satria tsy fidiny ahy fa any ivelan'i Madagasikara aho amin'io daty io. Sa amin'izao fotoana izao efa afaka mifidy any amin'ny Ambasady ? Mba omeo valiny kely ange io fanontaniako io ry zareo ah !


Mampalahelo fa mbola tsy afaka mifidy isika raha mbola aty andafin'ny ranomasina, ny aty USA aloha tena tsy afaka fa asa ny any an-kafa. Io no ezaka tokony ho ezaka ataontsika manaraka. Tokony hiady ny diaspora mba afaka hifidy fa tsy hoe isika aty no handeha hirotsaka hofidiana nefa tsy nipetraka tany akory.


12. Fiffi ( 16/06/2006 04:37)
tsy hoe isika aty no handeha hirotsaka hofidiana nefa tsy nipetraka tany akory.
nefa de misy mihintsy sahy mirotsaka !!
13. nahud ( 16/06/2006 05:23)
OLPolonaleopolitika:

Dia miàla tsiny aminareo namana malagasy aloha fa dia tsy hifidy ny tenanay @ 03 désambra 2006 ho avy izao noho ny antony maro.
Lasa ny assassins t@ 2002 nefa dia tonga ny tueurs avy eo.
Noeritreretina fa mbà ho tsara kokoa ny fiainana nefa toa vao maika nampivandravandra .
Raha lasantsy novidiana 4.500fmg ny litre av 2002 efa ho 12.000fmg @ izao (efa ho 1 euros)nefa ny SMIG eto @ tanàna 20 euros .1 euro 6500 av 2002 efa ho 13.000 izy izao sns...
BE IZAY SACRIFICES natao t@ ireo mpanao pôlitika gasy izay fa ny mainty anio lasa fotsy rahampitso vetivety ianareo AREMA vetivety ianareo UNDD mbetika HERY VELONA mbetika KMSB refa avy eo lasa TIM tampoka !!!dia inona in1 rahampitso?

Izao indray mbola miverina koa ny fanapenam-bava etsy sy eroa ataon'ny mpitondra!!
Matoa ny mpanao pôlitika manitsaka ny lohantsika mianakavy toa izao dia isika vahoaka mihintsy no maméla azy ireo hanao izany ka manararaotra toy ny banga mihomehy alina...

Raha lavo indray mandeha mety ho tsy nahy fa efa in3 isika no lavo depuis 1972 TOKONY MBA HISAINA AMIN IZAY KOSA ANGAMBA!!!

Aody e!

mifidiana ihany fa io no ahafahanao maneho ny safidinao.
Za angamba mbola zaza afaranareo, ny OLP izany efa mba henonay ihany tany @ taona 90 tany ho any.
Ny olana eto amintsika dia diso " boto sentimaka loatra ny gasy", ary tsimba fain- draha.
Izay milaza fa olom-baovao rehetra izao dia alefa any daholo ny fo donc mahatsiaro ny tenin'ny Amiraly hoe "aleo miantsampy @ hazo boboka toy izay @ hazo tsy fantatra" , zao voa sady lavo.
Tokony ho lesona ny 13 mai 1972, namaky boky mikasika ny 13 mai 1972 aho an' RABEARISON @ le hoe le trize mai Malgache, ses conséquences, ses motivations...dia hoy aho dadany ireto mpanao politika.
zay fa veloma jiaby.



14. diamondra27 ( 16/06/2006 06:22)
fa maninona no averina ny teniny
15. Fiffi ( 16/06/2006 07:04)
sady tsy manazava akory !
16. miaina ( 16/06/2006 07:25)
raha tsy hifidy ise fa OLP dia ny politikandrangahy(ramatoa) mihitsy no tsy mazava! raha olona toa antsika, mba atao hoe manana niveau intellectuel indray no manao toy izany dia ho aiza ity Dagokely efa 85% au mini tantsaha tsy afaka manakatra zavatra maromaro!!!
vraimennt!!!
Marina ny tenin ny sasany hoe, dia aza mimenomenona rehefa avy eo!
Ny toetsaintika mihitsy no efa simba ha@ colonisation, ka rehefa sika tanora indray no tsy mivonona hanova toetsaina, inona intsony!
fa zao e, ze tianao ihany atao!
tsy rarana ny tsy mifidy! fa zay no safidy!
17. Fiffi ( 16/06/2006 08:43)
OLPolonaleopolitika:

TOKONY MBA HISAINA AMIN IZAY KOSA ANGAMBA!!!
de hatomboy avy any @ nao aloha le fisainana satria ianao zany tsy hifidy !!!


18. prime ( 16/06/2006 11:12)
Hoy miaina:
Dagokely efa 85% au mini tantsaha tsy afaka manakatra zavatra maromaro!!!


Toa efa tsy marina intsony io raha ny "statistiques" aty an!!!!:wink:

Fa dia marina daholo ny lazainareo, safidy io ka rehefa tsy hifidy izy, azy izany... Fa tokony samy mba mandray ny andraikiny araka ny safidy ataony avy ny tsi11 fa tsy rehefa avy eo indray dia hoe "koa ianareo no nisafidy an'i x na y"....:}
19. mandrindra ( 16/06/2006 13:40)
hery:

Aza mifidy kou. Inona moa no olana amin'izany?
Dia tandremo indray mi-sareraka eto rehefa izay tsy zakan'ny vavoninareo no lany eo.




hery, raha mifidy ve zah ka tsy lany le safidiko dia afaka mba misareraka na mipetsana eto aho :P
20. Fiffi ( 16/06/2006 14:51)
:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.049